< Nomery 26 >

1 Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona:
Dhaʼicha sana booddee Waaqayyo Musee fi Eleʼaazaar ilma Aroon lubichaatiin akkana jedhe;
2 Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin’ ny Isiraely azo halefa hanafika.
“Waldaa saba Israaʼel warra umuriin isaanii waggaa digdamaa fi hammasii ol taʼe kanneen loltoota Israaʼel keessa tajaajiluu dandaʼan hunda maatii maatiidhaan lakkaaʼaa.”
3 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko, ka nanao hoe:
Musee fi Eleʼaazaar lubichi dirreewwan Moʼaab irratti, Yordaanos biratti, Yerikoo gamatti akkana jedhanii isaan wajjin dubbatan;
4 Ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely izay nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
“Akkuma Waaqayyo Musee ajajetti namoota umuriin isaanii waggaa digdamaatii fi hammasii olii lakkaaʼaa.” Jarri kunneen Israaʼeloota biyya Gibxiitii baʼanii dha:
5 Robena, lahimatoan’ Isiraely; ary ny zanak’ i Robena dia Hanoka sy ny fokon’ ny Hanokita; avy tamin’ i Palo ny fokon’ ny Paloïta;
Ilmaan Ruubeen ilma Israaʼel hangaftichaa: karaa Henookiitiin, balbala Hanookotaa; karaa Faluutiin, balbala Faluuwotaa;
6 avy tamin’ i Hezrona ny fokon’ ny Hezronita; avy tamin’ i Karmy ny fokon’ ny Karmita.
karaa Hezrooniitiin, balbala Asroonotaa; karaa Karmiitiin, balbala Karmootaa.
7 Ireo no fokon’ ny Robenita; ary izay voalamina taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina.
Jarri kunneen balbalawwan Ruubeen; baayʼinni isaaniis 43,730 ture.
8 Ary ny zanak’ i Palo dia Eliaba.
Ilmi Faluus Eliiyaab;
9 Ary ny zanak’ i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin’ ny fiangonana, izay nila ady tamin’ i Mosesy sy Arona, teo amin’ ny antokon’ i Kora, raha nila ady tamin’ i Jehovah izy,
ilmaan Eliiyaabis Nemuuʼeel, Daataanii fi Aberoon. Daataanii fi Abiiraam kunneen qondaaltota waldaa kanneen Musee fi Aroonitti fincilanii dha; isaan yeroo Qooraahii fi duukaa buutonni isaa Waaqayyotti fincilan sanas achi keessa turan.
10 ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin’ i Kora, tamin’ ny nahafatesan’ izany antokony izany, ary levon’ ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana.
Laftis afaan banattee Qooraahii fi isaan illee liqimsite; warri garee Qooraahi immoo yeroo ibiddii namoota 250 fixe sana dhuman. Isaanis mallattoo namoonni ittiin of eeggatan taʼan.
11 Kanefa ny zanak’ i Kora tsy mba maty.
Ilmaan Qooraahi garuu hin duune.
12 Ny taranak’ i Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Nemoela ny fokon’ ny Nemoelita; avy tamin’ i Jamina ny fokon’ ny Jaminita; avy tamin’ i Jakina ny fokon’ ny Jakinita;
Ilmaan Simiʼoon akkuma balbala balbala isaaniitti kanneenii dha: karaa Nemuuʼeel, balbala Nemuuʼeelotaa; karaa Yaamiin, balbala Yaamiinotaa; karaa Yaakiin, balbala Yaakiinotaa;
13 avy tamin’ i Zera ny fokon’ ny Zerita; avy tamin’ i Saoly ny fokon’ ny Saolita.
karaa Zeraan, balbala Zerootaa; karaa Shaawul, balbala Shaawulootaa ti.
14 Ireo no fokon’ ny Simeonita, dia roanjato amby roa arivo sy roa alina.
Jarri kunneen balbalawwan Simiʼoonii ti; isaanis namoota 22,200 turan.
15 Ny taranak’ i Gada, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Zefona ny fokon’ ny Zefonita; avy tamin’ i Hagy ny fokon’ ny Hagita; avy tamin’ i Sony ny fokon’ ny Sonita;
Ilmaan Gaad akkuma balbala balbala isaaniitti kanneenii dha: karaa Zefoon, balbala Zefoonotaa; karaa Hagii, balbala Hagootaa; karaa Shuunii, balbala Shuunotaa;
16 avy tamin’ i Ozny ny fokon’ ny Oznita; avy tamin’ i Erỳ ny fokon’ ny Erita;
karaa Oznii, balbala Oznootaa; karaa Eerii, balbala Eerotaa;
17 avy tamin’ i Aroda ny fokon’ ny Arodita; avy tamin’ i Arely ny fokon’ ny Arelita.
karaa Arood, balbala Aroodotaa; karaa Ariʼeel, balbala Ariʼeelotaa ti.
18 Ireo no fokon’ ny zanak’ i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alina
Jarri kunneen balbalawwan Gaadii ti; baayʼinni isaaniis 40,500 ture.
19 Ny zanak’ i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin’ ny tany Kanana ihany.
Eerii fi Oonaan ilmaan Yihuudaa ti; isaan garuu Kanaʼaan keessatti duʼan.
20 Ary ny taranak’ i Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Sela ny fokon’ ny Selita; avy tamin’ i Fareza ny fokon’ ny Farezita; avy tamin’ i Zera ny fokon’ ny Zerita.
Ilmaan Yihuudaa akkuma balbala balbala isaaniitti kanneenii dha: karaa Sheelaa, balbala Sheelaanotaa; karaa Faares, balbala Faaresotaa; karaa Zaaraa, balbala Zaarotaa ti.
21 Ary ny taranak’ i Fareza dia izao: avy tamin’ i Hezrona ny fokon’ ny Hezronita; avy tamin’ i Hamola ny fokon’ ny Hamolita.
Ilmaan Faaresis kanneenii dha: karaa Hezroon, balbala Hezroonotaa; karaa Hamuul, balbala Hamuulotaa ti.
22 Ireo no fokon’ i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina.
Jarri kunneen balbalawwan Yihuudaa ti; baayʼinni isaaniis 76,500 ture.
23 Ny taranak’ Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Tola ny fokon’ ny Tolita; avy tamin’ i Pova ny fokon’ ny Povita;
Ilmaan Yisaakor akkuma balbala balbala isaaniitti kanneenii dha: karaa Toolaa, balbala Toolotaa; karaa Fuwaa, balbala Fuuwotaa;
24 avy tamin’ i Jasoba ny fokon’ ny Jasobita; avy tamin’ i Simrona ny fokon’ ny Simronita,
karaa Yaashuub, balbala Yaashuubotaa; karaa Shimroon, balbala Shimroonotaa ti.
25 Ireo no fokon’ Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy enina alina.
Jarri kunneen balbalawwan Yisaakor; baayʼinni isaaniis 64,300 ture.
26 Ny taranak’ i Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Sereda ny fokon’ ny Seredita; avy tamin’ i Elona ny fokon’ ny Elonita; avy tamin’ i Jahalela ny fokon’ ny Jahalelita.
Ilmaan Zebuuloon akkuma balbala balbala isaaniitti kanneenii dha: karaa Sered, balbala Seredootaa; karaa Eeloon, balbala Eeloonotaa; karaa Yahiliʼeel, balbala Yahiliʼeelotaa ti.
27 Ireo no fokon’ ny Zebolonita, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina alina.
Jarri kunneen balbalawwan Zebuuloon; baayʼinni isaaniis 60,500 ture.
28 Ny zanak’ i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.
Ilmaan Yoosef akkuma balbala balbala isaaniitti: Minaasee fi Efreem.
29 Ny taranak’ i Manase dia izao: avy tamin’ i Makira ny fokon’ ny Makirita; ary Makira niteraka an’ i Gileada; avy tamin’ i Gileada ny fokon’ ny Gileadita.
Ilmaan Minaasee: karaa Maakiir, balbala Maakiirotaa; Maakiir kun abbaa Giliʼaad; karaa Giliʼaad, balbala Giliʼaadotaa ti.
30 Izao no taranak’ i Gileada: avy tamin’ i Jezera ny fokon’ ny Jezerita; avy tamin’ i Heleka ny fokon’ ny Helekita;
Ilmaan Giliʼaad isaan kanneenii dha: karaa Iiʼezer, balbala Iiʼezerootaa; karaa Heleq, balbala Heleqootaa;
31 ary avy tamin’ i Asriela ny fokon’ ny Asrielita; ary avy tamin’ i Sekema ny fokon’ ny Sekemita;
karaa Asriʼeel, balbala Asriiʼeelotaa, karaa Sheekem, balbala Sheekemotaa;
32 ary avy tamin’ i Semida ny fokon’ ny Semidita; ary avy tamin’ i Hefera ny fokon’ ny Heferita.
karaa Shemiidaa, balbala Shemiidaa; karaa Heefer, balbala Heeferotaa ti.
33 Ary Zelofada, zanak’ i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran’ ny zanakavavin’ i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
Zelofehaad ilmi Heefer ilmaan hin qabu ture; inni intallan qofa qaba ture; maqaan isaaniis Mahilaa, Nohii, Hoglaa, Miilkaa fi Tiirzaa dha.
34 Ireo no fokon’ i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina.
Jarri kunneen balbalawwan Minaasee ti; baayʼinni isaaniis 52,700 ture.
35 Izao no taranak’ i Efraima, araka ny fokony: avy tamin’ i Sotela ny fokon’ ny Sotelita; avy tamin’ i Bekera ny fokon’ ny Bekerita; avy tamin’ i Tahana ny fokon’ ny Tahanita.
Ilmaan Efreem akkuma balbala balbala isaaniitti kanneenii dha: karaa Shuutelaa, balbala Shuutelootaa; karaa Beker, balbala Bekerotaa; karaa Taahan, balbala Taahanotaa ti.
36 Ary izao no taranak’ i Sotela: avy tamin’ i Erana ny fokon’ ny Eranita.
Ilmaan Shuutelaa isaan kanneenii dha: karaa Eeraan, balbala Eeraanotaa ti.
37 Ireo no fokon’ ny taranak’ i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak’ i Josefa araka ny fokony.
Jarri kunneen balbalawwan Efreem; baayʼinni isaaniis 32,500 ture. Isaan kunneen ilmaan Yoosef warra akkuma balbala balbala isaaniitti lakkaaʼamanii dha.
38 Ny taranak’ i Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Bela ny fokon’ ny Belita; avy tamin’ i Asibela ny fokon’ ny Asibelita; avy tamin’ i Ahirama ny fokon’ ny Ahiramita;
Ilmaan Beniyaam akkuma balbala balbala isaaniitti kanneenii dha: karaa Belaa, balbala Belaaʼotaa; karaa Ashbeel, balbala Asbeelotaa; karaa Ahiiraam, balbala Ahiiraamotaa;
39 avy tamin’ i Sefofama ny fokon’ ny Sefofamita; avy tamin’ i Hofama ny fokon’ ny Hofamita.
karaa Shefuufaami, balbala Shefuufaamotaa; karaa Huufaam, balbala Huufaamotaa ti.
40 Ary ny taranak’ i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon’ ny Ardita; ary avy tamin’ i Namana ny fokon’ ny Namanita.
Ilmaan Belaa, karaa Ardii fi Naʼamaan: karaa Ardii, balbala Ardootaa; karaa Naʼamaan, balbala Naʼamaanotaa ti.
41 Ireo no taranak’ i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
Jarri kunneen balbalawwan Beniyaam; baayʼinni isaaniis 45,600 ture.
42 Izao no taranak’ i Dana, araka ny fokony: avy tamin’ i Sohama ny fokon’ ny Sohamita. Ireo no fokon’ i Dana, araka ny fokony.
Ilmaan Daan akkuma balbala balbala isaaniitti kanneenii dha: karaa Shuuhaam, balbala Shuuhaamotaa ti. Jarri kunneen balbalawwan Daan:
43 Ny fokon’ ny Sohamita rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina alina.
Isaan hundinuu balbalawwan Shuuhaamotaa ti; baayʼinni isaaniis 64,400 ture.
44 Ny taranak’ i Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin’ i Jimna ny fokon’ ny Jimnita; avy tamin’ i Jisvy ny fokon’ ny Jisvita; avy tamin’ i Bena ny fokon’ ny Berita;
Ilmaan Aasheer akkuma balbala balbala isaaniitti kanneenii dha: karaa Yimnaa, balbala Yuumnootaa; karaa Yishwii, balbala Yishwiiyotaa; karaa Beriiyaa, balbala Beriiyootaa;
45 avy tamin’ ny zanak’ i Bena dia izao: avy tamin’ i Hebera ny fokon’ ny Heberita; avy tamin’ i Malkiela ny fokon’ ny Malkielita.
karaa ilmaan Beriiyaa immoo: karaa Hebeer, balbala Hebeerotaa; karaa Malkiiʼeel, balbala Malkiiʼeelotaa ti.
46 Ary ny anaran’ ny zanakavavin’ i Asera dia Sera.
Aasheer intala Seraa jedhamtu tokko qaba ture.
47 Ireo no fokon’ ny taranak’ i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
Jarri kunneen balbalawwan Aasheer; baayʼinni isaaniis 53,400 ture.
48 Ny taranak’ i Naftaly, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Jaziela ny fokon’ ny Jazielita; avy tamin’ i Gony ny fokon’ ny Gonita;
Ilmaan Niftaalem akkuma balbala balbala isaaniitti kanneenii dha: karaa Yahizeel, balbala Yahizeelotaa, karaa Guunii, balbala Guunotaa;
49 avy tamin’ i Jezera ny fokon’ ny Jezerita; avy tamin’ i Silema ny fokon’ ny Silemita.
karaa Yeexer, balbala Yeexirotaa; karaa Shiileem, balbala Shiileemotaa ti.
50 Ireo no fokon’ i Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
Jarri kunneen balbalawwan Niftaalem; baayʼinni isaaniis 45,400 ture.
51 Ireo no voalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.
Walumaa galatti baayʼinni dhiira Israaʼel 601,730 ture.
52 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Waaqayyo Museedhaan akkana jedhe;
53 Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany.
“Biyyi sun akkuma baayʼina maqaa namaatti dhaala taʼee isaan kanneeniif haa qoodamu.
54 Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.
Balbala guddaadhaaf dhaala guddaa, balbala xinnaadhaaf immoo dhaala xinnaa kenni; tokkoon tokkoon balbalaa akkuma baayʼina namoota galmeeffamaniitti dhaala isaa haa argatu.
55 Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran’ ny firenen’ ny razany no hahazoany zara-tany.
Garuu biyyi sun ixaadhaan haa qoqoodamtu. Isaanis akkuma maqaawwan gosoota abbootii isaaniitti ni dhaalu.
56 Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an’ ny maro, na ny ho an’ ny vitsy.
Tokkoon tokkoon dhaala sanaa garee guddaa fi garee xinnaa gidduutti ixaadhaan haa qoodamu.”
57 Ary izao no voalamina tamin’ ny taranak’ i Levy, araka ny fokony: avy tamin’ i Gersona ny fokon’ ny Gersonita; avy tamin’ i Kehata ny fokon’ ny Kehatita; avy tamin’ i Merary ny fokon’ ny Merarita.
Lewwonni balbala balbalaan lakkaaʼaman kanneenii dha: karaa Geershoon, balbala Geershoonotaa; karaa Qohaati, balbala Qohaatotaa; karaa Meraarii, balbala Meraarotaa ti.
58 Izao no fokon’ i Levy: ny fokon’ ny Libnita, ny fokon’ ny Hebronita, ny fokon’ ny Mahalita, ny fokon’ ny Mosita, ny fokon’ ny Koralta. Ary Kehata niteraka an’ i Amrama.
Jarri kunneenis balbalawwan Lewwotaa ti: balbala Liibnotaa, balbala Kebroonotaa, balbala Mahelootaa, balbala Muusotaa, balbala Qooraahotaa. Qohaati abbaa Amraam;
59 Ary ny anaran’ ny vadin’ i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’ i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an’ i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin’ i Amrama izy.
maqaan niitii Amraam Yookebeed. Isheen intala Lewwii kan biyya Gibxitti Lewwiif dhalattee dha. Amraamiifis Aroon, Musee fi obboleettii isaanii Miiriyaam deesse.
60 Ary ny naterak’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
Aroon abbaa Naadaab, Abiihuu, Eleʼaazaarii fi Iitaamaar.
61 Fa maty Nadaba sy Abiho tamin’ izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah.
Naadaabii fi Abiihuu garuu yeroo ibidda hin eeyyamamin fuula Waaqayyoo duratti dhiʼeessan sana duʼan.
62 Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Dhiironni umuriin isaanii jiʼa tokkoo fi hammasii ol taʼe kanneen lakkaaʼaman hundi 23,000 turan. Isaanis sababii gidduu isaaniitti dhaala hin argatiniif Israaʼeloota kaan wajjin hin lakkaaʼamne.
63 Ireo no voalamin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak’ Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
Isaan kunneen warra yeroo Musee fi Eleʼaazaar lubichi dirreewwan Moʼaab irratti, Yordaanos biratti, Yerikoo gamatti Israaʼeloota lakkaaʼan sana lakkaaʼamanii dha.
64 Ary tamin’ ireo dia tsy nisy olona avy tamin’ izay efa voalamin’ i Mosesy sy Arona mpisorona tamin’ izy nandamina ny Zanak’ Isiraely tany an-efitr’ i Sinay.
Namoota karaa Museetii fi Aroon lubichaan Gammoojjii Siinaa keessatti lakkaaʼaman keessaa namni tokko iyyuu isaan gidduu hin turre.
65 Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin’ ireny afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone, sy Josoa, zanak’ i Nona, ihany.
Sababii Waaqayyo waaʼee isaanii, “Isaan Gammoojjii keessatti ni dhumu” jedhee dubbatee tureef, Kaaleb ilma Yefunee fi Iyyaasuu ilma Nuuni malee isaan keessaa namni tokko iyyuu hin hafne.

< Nomery 26 >