< Nomery 26 >
1 Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona:
염병 후에 여호와께서 모세와 제사장 아론의 아들 엘르아살에게 일러 가라사대
2 Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin’ ny Isiraely azo halefa hanafika.
이스라엘 자손의 온 회중의 총수를 그 조상의 집을 따라 조사하되 이스라엘 중에 무릇 이십세 이상으로 능히 싸움에 나갈 만한 자를 계수하라 하시니
3 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko, ka nanao hoe:
모세와 제사장 엘르아살이 여리고 맞은편 요단 가 모압 평지에서 그들에게 고하여 가로되
4 Ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely izay nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
`여호와께서 애굽 땅에서 나온 모세와 이스라엘 자손에게 명하신대로 너희는 이십세 이상된 자를 계수하라' 하시니
5 Robena, lahimatoan’ Isiraely; ary ny zanak’ i Robena dia Hanoka sy ny fokon’ ny Hanokita; avy tamin’ i Palo ny fokon’ ny Paloïta;
이스라엘의 장자는 르우벤이라 르우벤 자손은 하녹에게서 난 하녹 가족과, 발루에게서 난 발루 가족과
6 avy tamin’ i Hezrona ny fokon’ ny Hezronita; avy tamin’ i Karmy ny fokon’ ny Karmita.
헤스론에게서 난 헤스론 가족과, 갈미에게서 난 갈미 가족이니
7 Ireo no fokon’ ny Robenita; ary izay voalamina taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina.
이는 르우벤 가족들이라 계수함을 입은 자가 사만 삼천 칠백 삼십명이요
8 Ary ny zanak’ i Palo dia Eliaba.
발루의 아들은 엘리압이요
9 Ary ny zanak’ i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin’ ny fiangonana, izay nila ady tamin’ i Mosesy sy Arona, teo amin’ ny antokon’ i Kora, raha nila ady tamin’ i Jehovah izy,
엘리압의 아들은 느무엘과, 다단과, 아비람이라 이 다단과, 아비람은 회중 가운데서 부름을 받은 자러니 고라의 무리에 들어가서 모세와 아론을 거스려 여호와께 패역할 때에
10 ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin’ i Kora, tamin’ ny nahafatesan’ izany antokony izany, ary levon’ ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana.
땅이 그 입을 열어서 그 무리와 고라를 삼키매 그들이 죽었고 당시에 불이 이백 오십명을 삼켜 징계가 되게 하였으나
11 Kanefa ny zanak’ i Kora tsy mba maty.
그러나 고라의 아들들은 죽지 아니하였더라
12 Ny taranak’ i Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Nemoela ny fokon’ ny Nemoelita; avy tamin’ i Jamina ny fokon’ ny Jaminita; avy tamin’ i Jakina ny fokon’ ny Jakinita;
시므온 자손은 그 종족대로 이러하니 느무엘에게서 난 느무엘 가족과, 야민에게서 난 야민 가족과, 야긴에게서 난 야긴 가족과
13 avy tamin’ i Zera ny fokon’ ny Zerita; avy tamin’ i Saoly ny fokon’ ny Saolita.
세라에게서 난 세라 가족과, 사울에게서 난 사울 가족이라
14 Ireo no fokon’ ny Simeonita, dia roanjato amby roa arivo sy roa alina.
이는 시므온 종족들이니 계수함을 입은 자가 이만 이천 이백명이었더라
15 Ny taranak’ i Gada, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Zefona ny fokon’ ny Zefonita; avy tamin’ i Hagy ny fokon’ ny Hagita; avy tamin’ i Sony ny fokon’ ny Sonita;
갓 자손은 그 종족대로 이러하니 스본에게서 난 스본 가족과, 학기에게서 난 학기 가족과, 수니에게서 난 수니 가족과
16 avy tamin’ i Ozny ny fokon’ ny Oznita; avy tamin’ i Erỳ ny fokon’ ny Erita;
오스니에게서 난 오스니 가족과, 에리에게서 난 에리 가족과
17 avy tamin’ i Aroda ny fokon’ ny Arodita; avy tamin’ i Arely ny fokon’ ny Arelita.
아롯에게서 난 아롯 가족과, 아렐리에게서 난 아렐리 가족이라
18 Ireo no fokon’ ny zanak’ i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alina
이는 갓 자손의 종족들이니 계수함을 입은 자가 사만 오백명이었더라
19 Ny zanak’ i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin’ ny tany Kanana ihany.
유다의 아들은 에르와, 오난이라 이 에르와 오난은 가나안 땅에서 죽었고
20 Ary ny taranak’ i Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Sela ny fokon’ ny Selita; avy tamin’ i Fareza ny fokon’ ny Farezita; avy tamin’ i Zera ny fokon’ ny Zerita.
유다의 자손은 그 종족대로 이러하니 셀라에게서 난 셀라 가족과, 베레스에게서 난 베레스 가족과, 세라에게서 난 세라 가족이며
21 Ary ny taranak’ i Fareza dia izao: avy tamin’ i Hezrona ny fokon’ ny Hezronita; avy tamin’ i Hamola ny fokon’ ny Hamolita.
또 베레스 자손은 이러하니 헤스론에게서 난 헤스론 가족과, 하물에게서 난 하물 가족이라
22 Ireo no fokon’ i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina.
이는 유다 종족들이니 계수함을 입은 자가 칠만 육천 오백명이었더라
23 Ny taranak’ Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Tola ny fokon’ ny Tolita; avy tamin’ i Pova ny fokon’ ny Povita;
잇사갈 자손은 그 종족대로 이러하니 돌라에게서 난 돌라 가족과, 부와에게서 난 부니 가족과
24 avy tamin’ i Jasoba ny fokon’ ny Jasobita; avy tamin’ i Simrona ny fokon’ ny Simronita,
야숩에게서 난 야숩 가족과 시므론에게서 난 시므론 가족이라
25 Ireo no fokon’ Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy enina alina.
이는 잇사갈 종족들이니 계수함을 입은 자가 육만 사천 삼백명이었더라
26 Ny taranak’ i Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Sereda ny fokon’ ny Seredita; avy tamin’ i Elona ny fokon’ ny Elonita; avy tamin’ i Jahalela ny fokon’ ny Jahalelita.
스불론 자손들은 그 종족대로 이러하니 세렛에게서 난 세렛 가족과, 엘론에게서 난 엘론 가족과, 얄르엘에게서 난 얄르엘 가족이라
27 Ireo no fokon’ ny Zebolonita, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina alina.
이는 스불론 종족들이니 계수함을 입은 자가 육만 오백명이었더라
28 Ny zanak’ i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.
요셉의 아들들은 그 종족대로 므낫세와 에브라임이요
29 Ny taranak’ i Manase dia izao: avy tamin’ i Makira ny fokon’ ny Makirita; ary Makira niteraka an’ i Gileada; avy tamin’ i Gileada ny fokon’ ny Gileadita.
므낫세의 자손 중 마길에게서 난 것은 마길 가족이라 마길이 길르앗을 낳았고 길르앗에게서 난 것은 길르앗 가족이라
30 Izao no taranak’ i Gileada: avy tamin’ i Jezera ny fokon’ ny Jezerita; avy tamin’ i Heleka ny fokon’ ny Helekita;
길르앗 자손은 이러하니 이에셀에게서 난 이에셀 가족과, 헬렉에게서 난 헬렉 가족과
31 ary avy tamin’ i Asriela ny fokon’ ny Asrielita; ary avy tamin’ i Sekema ny fokon’ ny Sekemita;
아스리엘에게서 난 아스리엘 가족과, 세겜에게서 난 세겜 가족과
32 ary avy tamin’ i Semida ny fokon’ ny Semidita; ary avy tamin’ i Hefera ny fokon’ ny Heferita.
스미다에게서 난 스미다 가족과, 헤벨에게서 난 헤벨 가족이며
33 Ary Zelofada, zanak’ i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran’ ny zanakavavin’ i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
헤벨의 아들 슬로브핫은 아들이 없고 딸 뿐이라 그 딸의 이름은 말라와, 노아와, 호글라와, 밀가와, 디르사니
34 Ireo no fokon’ i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina.
이는 므낫세의 종족들이라 계수함을 입은 자가 오만 이천 칠백명이었더라
35 Izao no taranak’ i Efraima, araka ny fokony: avy tamin’ i Sotela ny fokon’ ny Sotelita; avy tamin’ i Bekera ny fokon’ ny Bekerita; avy tamin’ i Tahana ny fokon’ ny Tahanita.
에브라임 자손은 그 종족대로 이러하니 수델라에게서 난 수델라 가족과, 베겔에게서 난 베겔 가족과, 다한에게서 난 다한 가족이며
36 Ary izao no taranak’ i Sotela: avy tamin’ i Erana ny fokon’ ny Eranita.
수델라 자손은 이러하니 에란에게서 난 에란 가족이라
37 Ireo no fokon’ ny taranak’ i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak’ i Josefa araka ny fokony.
이는 에브라임 자손의 종족들이니 계수함을 입은 자가 삼만 이천 오백명이라 이상은 그 종족을 따른 요셉 자손이었더라
38 Ny taranak’ i Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Bela ny fokon’ ny Belita; avy tamin’ i Asibela ny fokon’ ny Asibelita; avy tamin’ i Ahirama ny fokon’ ny Ahiramita;
베냐민 자손들은 그 종족대로 이러하니 벨라에게서 난 벨라 가족과, 아스벨에게서 난 아스벨 가족과, 아히람에게서 난 아히람 가족과
39 avy tamin’ i Sefofama ny fokon’ ny Sefofamita; avy tamin’ i Hofama ny fokon’ ny Hofamita.
스부밤에게서 난 스부밤 가족과, 후밤에게서 난 후밤 가족이며
40 Ary ny taranak’ i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon’ ny Ardita; ary avy tamin’ i Namana ny fokon’ ny Namanita.
벨라의 아들은 아릇과, 나아만이라 아릇에게서 아릇 가족과, 나아만에게서 나아만 가족이 났으니
41 Ireo no taranak’ i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
이는 그들의 종족을 따른 베냐민 자손이라 계수함을 입은 자가 사만 오천 육백명이었더라
42 Izao no taranak’ i Dana, araka ny fokony: avy tamin’ i Sohama ny fokon’ ny Sohamita. Ireo no fokon’ i Dana, araka ny fokony.
단 자손은 그 종족대로 이러하니라 수함에게서 수함 가족이 났으니 이는 그들의 종족을 따른 단 가족들이라
43 Ny fokon’ ny Sohamita rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina alina.
수함 모든 가족의 계수함을 입은 자가 육만 사천 사백명이었더라
44 Ny taranak’ i Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin’ i Jimna ny fokon’ ny Jimnita; avy tamin’ i Jisvy ny fokon’ ny Jisvita; avy tamin’ i Bena ny fokon’ ny Berita;
아셀 자손은 그 종족대로 이러하니 임나에게서 난 임나 가족과, 이스위에게서 난 이스위 가족과, 브리아에게서 난 브리아 가족이며
45 avy tamin’ ny zanak’ i Bena dia izao: avy tamin’ i Hebera ny fokon’ ny Heberita; avy tamin’ i Malkiela ny fokon’ ny Malkielita.
브리아의 자손 중 헤벨에게서 난 헤벨 가족과, 말기엘에게서 난 말기엘 가족이며
46 Ary ny anaran’ ny zanakavavin’ i Asera dia Sera.
아셀의 딸의 이름은 세라라
47 Ireo no fokon’ ny taranak’ i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
이는 아셀 자손의 종족들이니 계수함을 입은 자가 오만 삼천 사백명이었더라
48 Ny taranak’ i Naftaly, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Jaziela ny fokon’ ny Jazielita; avy tamin’ i Gony ny fokon’ ny Gonita;
납달리 자손은 그 종족대로 이러하니 야셀에게서 난 야셀 가족과, 구니에게서 난 구니 가족과
49 avy tamin’ i Jezera ny fokon’ ny Jezerita; avy tamin’ i Silema ny fokon’ ny Silemita.
예셀에게서 난 예셀 가족과, 실렘에게서 난 실렘 가족이라
50 Ireo no fokon’ i Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
이는 그 종족을 따른 납달리 가족들이니 계수함을 입은 자가 사만 오천 사백명이었더라
51 Ireo no voalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.
이스라엘 자손의 계수함을 입은 자가 육십만 일천 칠백 삼십명이었더라
52 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
여호와께서 모세에게 일러 가라사대
53 Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany.
이 계수대로 땅을 나눠 주어 기업을 삼게 하라
54 Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.
수가 많은 자에게는 기업을 많이 줄 것이요 수가 적은 자에게는 기업을 적게 줄 것이니 그들의 계수함을 입은 수대로 각기 기업을 주되
55 Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran’ ny firenen’ ny razany no hahazoany zara-tany.
오직 그 땅을 제비뽑아 나누어 그들의 조상 지파의 이름을 따라 얻게 할지니라
56 Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an’ ny maro, na ny ho an’ ny vitsy.
그 다소를 물론하고 그 기업을 제비 뽑아 나눌지니라
57 Ary izao no voalamina tamin’ ny taranak’ i Levy, araka ny fokony: avy tamin’ i Gersona ny fokon’ ny Gersonita; avy tamin’ i Kehata ny fokon’ ny Kehatita; avy tamin’ i Merary ny fokon’ ny Merarita.
레위인의 계수함을 입은 자는 그 종족대로 이러하니 게르손에게서 난 게르손 가족과, 고핫에게서 난 고핫 가족과, 므라리에게서 난 므라리 가족이며
58 Izao no fokon’ i Levy: ny fokon’ ny Libnita, ny fokon’ ny Hebronita, ny fokon’ ny Mahalita, ny fokon’ ny Mosita, ny fokon’ ny Koralta. Ary Kehata niteraka an’ i Amrama.
레위 종족들은 이러하니 립니 가족과, 헤브론 가족과, 말리 가족과, 무시 가족과, 고라 가족이라, 고핫은 아므람을 낳았으며
59 Ary ny anaran’ ny vadin’ i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’ i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an’ i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin’ i Amrama izy.
아므람의 처의 이름은 요게벳이니 레위의 딸이요 애굽에서 레위에게서 난 자라 그가 아므람에게서 아론과 모세와 그 누이 미리암을 낳았고
60 Ary ny naterak’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
아론에게서는 나답과, 아비후와, 엘르아살과, 이다말이 났더니
61 Fa maty Nadaba sy Abiho tamin’ izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah.
나답과 아비후는 다른 불을 여호와 앞에 드리다가 죽었더라
62 Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
레위인의 일개월 이상으로 계수함을 입은 모든 남자가 이만 삼천명이었더라 그들은 이스라엘 자손 중 계수에 들지 아니하였으니 이는 이스라엘 자손 중에서 그들에게 준 기업이 없음이었더라
63 Ireo no voalamin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak’ Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
이는 모세와 제사장 엘르아살의 계수한 자라 그들이 여리고 맞은편 요단 가 모압 평지에서 이스라엘 자손을 계수한 중에는
64 Ary tamin’ ireo dia tsy nisy olona avy tamin’ izay efa voalamin’ i Mosesy sy Arona mpisorona tamin’ izy nandamina ny Zanak’ Isiraely tany an-efitr’ i Sinay.
모세와 제사장 아론이 시내 광야에서 계수한 이스라엘 자손은 한사람도 들지 못하였으니
65 Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin’ ireny afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone, sy Josoa, zanak’ i Nona, ihany.
이는 여호와께서 그들에게 대하여 말씀하시기를 그들이 반드시 광야에서 죽으리라 하셨음이라 이러므로 여분네의 아들 갈렙과 눈의 아들 여호수아 외에는 한 사람도 남지 아니하였더라