< Nomery 25 >

1 Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin’ ny zanakavavin’ ny Moabita izy.
Et Israël habitait en Sittim; et le peuple commença à commettre fornication avec les filles de Moab;
2 Fa ireo nanasa ny olona hihinana tamin’ ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an’ ny andriamaniny, ka nihinana ny olona sady niankohoka tamin’ ny andriamaniny.
et elles invitèrent le peuple aux sacrifices de leurs dieux, et le peuple mangea, et se prosterna devant leurs dieux.
3 Dia niray tamin’ i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran’ i Jehovah.
Et Israël s’attacha à Baal-Péor; et la colère de l’Éternel s’embrasa contre Israël.
4 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin’ ny masoandro eo anatrehan’ i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely.
Et l’Éternel dit à Moïse: Prends tous les chefs du peuple et fais-les pendre devant l’Éternel, à la face du soleil, afin que l’ardeur de la colère de l’Éternel se détourne d’Israël.
5 Dia hoy Mosesy tamin’ ny mpitsara ny Isiraely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny, izay niray tamin’ i Bala-peora.
Et Moïse dit aux juges d’Israël: Que chacun de vous tue ses hommes qui se sont attachés à Baal-Péor.
6 Ary, indro, avy ny anankiray tamin’ ny Zanak’ Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin’ ny rahalahiny, teo imason’ i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Et voici, un homme des fils d’Israël vint, et amena vers ses frères une Madianite, sous les yeux de Moïse et sous les yeux de toute l’assemblée des fils d’Israël qui pleuraient à l’entrée de la tente d’assignation.
7 Ary raha nahita izany Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin’ ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tànany;
Et Phinées, fils d’Éléazar, fils d’Aaron, le sacrificateur, le vit, et il se leva du milieu de l’assemblée, et prit une pique dans sa main,
8 dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin’ ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
et entra après l’homme d’Israël dans l’intérieur de la tente, et les transperça tous deux, l’homme d’Israël, et la femme, par le bas-ventre; et la plaie s’arrêta de dessus les fils d’Israël.
9 Ary izay maty tamin’ ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.
Et ceux qui moururent de la plaie furent 24 000.
10 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Et l’Éternel parla à Moïse, disant:
11 Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin’ ny Zanak’ Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerako.
Phinées, fils d’Éléazar, fils d’Aaron, le sacrificateur, a détourné mon courroux de dessus les fils d’Israël, étant jaloux de ma jalousie au milieu d’eux, de sorte que je ne consume pas les fils d’Israël dans ma jalousie.
12 Ary noho izany dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken’ ny fihavanako;
C’est pourquoi dis: Voici, je lui donne mon alliance de paix;
13 ary izy sy ny zanany mandimby azy no hanana izany ho faneken’ ny fisoronana mandrakizay, satria nirehitra noho ny fitiavany an’ Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
et ce sera une alliance de sacrificature perpétuelle, pour lui et pour sa semence après lui, parce qu’il a été jaloux pour son Dieu, et a fait propitiation pour les fils d’Israël.
14 Ary ny anaran’ ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak i Salo, lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Simeonita.
Et le nom de l’homme d’Israël frappé, qui fut frappé avec la Madianite, était Zimri, fils de Salu, prince d’une maison de père des Siméonites.
15 Ary ny anaran’ ny vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby, zanak’ i Zora, lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Midianita.
Et le nom de la femme madianite qui fut frappée, était Cozbi, fille de Tsur, chef de peuplade d’une maison de père en Madian.
16 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Et l’Éternel parla à Moïse, disant:
17 Rafeso ny Midianita, ka iadio;
Serrez de près les Madianites, et frappez-les;
18 fa izy nandrafy anareo tamin’ ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin’ ny an’ i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin’ ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin’ ny andron’ ny areti-mandringana noho ny an’ i Peora.
car eux vous ont serrés de près par leurs ruses, par lesquelles ils vous ont séduits dans l’affaire de Péor, et dans l’affaire de Cozbi, fille d’un prince de Madian, leur sœur, qui a été frappée le jour de la plaie, à cause de l’affaire de Péor.

< Nomery 25 >