< Nomery 25 >
1 Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin’ ny zanakavavin’ ny Moabita izy.
Aisraeli akukhala ku Sitimu, anayamba kuchita chigololo ndi akazi a ku Mowabu,
2 Fa ireo nanasa ny olona hihinana tamin’ ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an’ ny andriamaniny, ka nihinana ny olona sady niankohoka tamin’ ny andriamaniny.
amene ankawayitana ku nsembe za milungu yawo. Anthuwo anadya chakudya chopereka kwa milungu ndi kupembedza milunguyo.
3 Dia niray tamin’ i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran’ i Jehovah.
Motero Aisraeli anapembedza nawo Baala-Peori ndipo Yehova anawapsera mtima kwambiri.
4 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin’ ny masoandro eo anatrehan’ i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely.
Pamenepo Yehova anawuza Mose kuti, “Tenga atsogoleri onse a anthu awa, uwaphe poyera, pamaso pa Yehova kuti mkwiyo waukulu wa Yehova uchoke pa Israeli.”
5 Dia hoy Mosesy tamin’ ny mpitsara ny Isiraely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny, izay niray tamin’ i Bala-peora.
Choncho Mose anawuza oweruza a Israeli kuti, “Aliyense wa inu ayenera kupha anthu ake amene anapembedza nawo Baala-Peori.”
6 Ary, indro, avy ny anankiray tamin’ ny Zanak’ Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin’ ny rahalahiny, teo imason’ i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Kenaka mwamuna wina wa ku Israeli anabweretsa ku banja lake mkazi wa Chimidiyani pamaso pa Mose ndi anthu onse a Israeli pamene ankalira pa khomo la tenti ya msonkhano.
7 Ary raha nahita izany Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin’ ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tànany;
Finehasi mwana wa Eliezara, mwana wa wansembe Aaroni ataona izi, anachoka pa msonkhanowo, natenga mkondo mʼdzanja lake.
8 dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin’ ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Ndipo anatsatira Mwisraeliyu mpaka mʼtenti yake. Anasolola mkondowo ndi kubaya awiriwo kupyola Mwisraeliyo mpaka mʼthupi la mkaziyo. Pamenepo mliri unaleka pakati pa Aisraeli.
9 Ary izay maty tamin’ ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.
Pa mliriwo, anthu okwana 24,000 anafa.
10 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Yehova anawuza Mose kuti,
11 Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin’ ny Zanak’ Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerako.
“Finehasi mwana wa Eliezara, mwana wa wansembe Aaroni wabweza mkwiyo wanga pa Aisraeli chifukwa sanalole kuti wina aliyense apembedze mulungu wina koma Ine ndekha. Nʼchifukwa chake sindinawawononge mu mkwiyo wanga.
12 Ary noho izany dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken’ ny fihavanako;
Tsono muwuze kuti ndikhazikitsa pangano langa la mtendere ndi iye.
13 ary izy sy ny zanany mandimby azy no hanana izany ho faneken’ ny fisoronana mandrakizay, satria nirehitra noho ny fitiavany an’ Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
Ndikupangana naye pangano la unsembe wosatha, iyeyo pamodzi ndi zidzukulu zake zonse, chifukwa sanalole kuti anthu awukire Ine Mulungu, ndipo anachita ntchito yopepesera machimo Aisraeli.”
14 Ary ny anaran’ ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak i Salo, lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Simeonita.
Dzina la Mwisraeli yemwe anaphedwa ndi mkazi wa Chimidiyani anali Zimuri mwana wa Salu, mtsogoleri wa banja la Simeoni.
15 Ary ny anaran’ ny vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby, zanak’ i Zora, lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Midianita.
Ndipo dzina la mkazi wa Chimidiyani, yemwe anaphedwayo, linali Kozibi mwana wa Zuri, mtsogoleri wa fuko la ku Midiyaniko.
16 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Yehova anawuza Mose kuti,
17 Rafeso ny Midianita, ka iadio;
“Amidiyani ndi adani anu ndipo uwaphe,
18 fa izy nandrafy anareo tamin’ ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin’ ny an’ i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin’ ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin’ ny andron’ ny areti-mandringana noho ny an’ i Peora.
chifukwa ankakuonani inu ngati adani awo pamene anakupusitsani pa nkhani ya ku Peori, ndiponso za mlongo wawo Kozibi, mwana wamkazi wa mtsogoleri wa Amidiyani, mkazi yemwe anaphedwa pamene mliri unabwera chifukwa cha zimene zinachitika ku Peori.”