< Nomery 24 >

1 Ary rehefa hitan’ i Balama fa sitrak’ i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.
To, da Bala’am ya ga cewa Ubangiji yana jin daɗin sa wa Isra’ila albarka, bai koma wajen sihiri kamar dā ba, amma ya juya fuskarsa wajen hamada.
2 Dia natopin’ i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin’ Andriamanitra tonga tamin’ i Balama.
Da Bala’am ya duba sai ya ga Isra’ila sun yi sansani kabila, kabila, Ruhun Allah kuwa ya sauko masa,
3 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’ i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony
sai ya yi annabcinsa ya ce, “Maganar Bala’am ɗan Beyor, saƙon mutumin da idanunsa ke gani sarai,
4 Izay mandre ny tenin’ Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin’ ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
maganar mutumin da ya saurari maganar Allah, maganar wanda yake ganin wahayi daga Maɗaukaki, mutumin da ya fāɗi rubda ciki, wanda kuma idanunsa suna a buɗe.
5 Endrey ny hatsaran’ ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!
“Ina misalin kyan tentunanka, ya Yaƙub, wuraren zamanka, ya Isra’ila!
6 Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron’ ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’ i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
“Kamar kwaruruka suke a shimfiɗe, kamar lambu kusa da rafi, kamar itatuwan aloyes da Ubangiji ya dasa, kamar itatuwa al’ul kusa da ruwaye.
7 Hisy rano mandeha avy eo amin’ ny sininy, ary ny taranany ho any amoron’ ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.
Ruwa zai kwararo daga bokitinsu; irinsu za su sami ruwa a yalwace. “Sarkinsu zai fi sarkin Agag; mulkinsu zai ɗaukaka.
8 Nentin’ Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin’ ny zana-tsipìkany.
“Allah ya fitar da su daga Masar; suna da ƙarfin kutunkun ɓauna. Sun cinye abokan gāban, suka kakkarya ƙasusuwansu; da kibiyoyinsu suka sossoke su.
9 Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!
Kamar zaki sun laɓe sun kwanta, kamar zakanya, wa zai yi ƙarfin hali yă tashe su? “Bari waɗanda suka albarkace ka, su sami albarka waɗanda kuma suka la’anta ka, su la’antu!”
10 Dia nirehitra tamin’ i Balama ny fahatezeran’ i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin’ i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.
Fushin Balak ya ƙuna a kan Bala’am. Ya tafa hannunsa, ya ce masa, “Na kira ka don ka la’anta abokan gābana, amma sai ga shi ka sa musu albarka har sau uku.
11 Koa ankehitriny, mandosira ho any amin’ ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.
Yanzu ka bar nan ka tafi gida! Na ce zan sāka maka da lada mai kyau, amma Ubangiji ya hana ka samun ladan.”
12 Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin’ ny irakao izay nirahinao tamiko va aho ka nanao hoe:
Bala’am ya ce wa Balak, “Ban faɗa wa’yan aikan da ka aiko wurina ba cewa,
13 Na dia homen’ i Balaka volafotsy sy volamena eran’ ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin’ i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin’ ny saiko; izay holazain’ i Jehovah ihany no holazaiko?
‘Ko da a ce Balak zai ba ni gidansa cike da azurfa da zinariya, ba zan yi wani abu ko kaɗan saɓanin umarnin Ubangiji Allahna ba, kuma dole in faɗa abin da Ubangiji ya ce ne kawai’?
14 Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin’ ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin’ izay hataon’ ity firenena ity amin’ ny vahoakanao any am-parany.
Yanzu zan koma wajen mutanena, amma bari in gargaɗe ka game da abin da mutanen nan za su yi wa mutanenka cikin kwanaki masu zuwa.”
15 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’ i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony;
Sa’an nan ya furta saƙonsa. “Maganar Bala’am ɗan Beyor, saƙon mutumin da idanunsa ke gani sarai,
16 Izay mandre ny tenin’ Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan’ ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin’ ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
maganar mutumin da ya saurari maganar Allah, wanda yake da sani daga Mafi Ɗaukaka, wanda yake ganin wahayi daga Maɗaukaki, wanda ya fāɗi rubda ciki, wanda kuma idanunsa suna a buɗe.
17 Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin’ i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin’ Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin’ i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
“Na gan shi, amma ba yanzu ba; na hange shi, amma ba kusa ba. Tauraro zai fito daga Yaƙub; sandan mulki zai fito daga Isra’ila. Zai ragargaje goshin Mowab, kawunan dukan’ya’yan Set.
18 Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery.
Za a ci Edom da yaƙi; za a ci Seyir, abokiyar gābanta, amma Isra’ila zai ƙara ƙarfi.
19 Ary avy amin’ i Jakoba no isehoan’ Izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.
Mai mulki zai fito daga Yaƙub yă hallaka waɗanda suka ragu a birnin.”
20 Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin’ ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no hiafarany.
Sai Bala’am ya ga Amalek, ya kuma furta maganarsa. “Amalek yana cikin al’ummai na fari, amma zai zama na ƙarshen da za a hallaka.”
21 Ary nahita ny Kenita izy, dia nanao oha-teny hoe: Mafy orina ny fonenanao, ary atao ao amin’ ny vatolampy ny akaninao.
Sai ya ga Keniyawa, ya kuma furta maganarsa. “Wurin zamanku lafiya yake, an kuma sa sheƙarku a cikin duwatsu;
22 Kanefa ho ringana Kaina, alohan’ ny hamaboan’ i Asyra anao.
duk da haka, za a hallaka ku Keniyawa sa’ad da Asshur ya kame ku.”
23 Dia nanao oha-teny koa izy ka nilaza hoe: Indrisy! iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra?
Sai ya furta maganarsa ya ce, “Wayyo, wa zai rayu sa’ad da Allah ya yi haka?
24 Ary hisy sambo avy any amin’ ny tany Kitima, dia hampietry an’ i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana no hiafarany.
Jiragen ruwa za su zo daga Kittim; za su murƙushe Asshur da Eber, amma su ma za a hallaka su.”
25 Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin’ ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin’ izay nalehany.
Sa’an nan Bala’am ya tashi ya koma gidan, Balak kuma ya yi tafiyarsa.

< Nomery 24 >