< Nomery 24 >

1 Ary rehefa hitan’ i Balama fa sitrak’ i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.
И Валаам, като видя, че беше угодно на Господа да благославя Израиля, не отиде както друг път да търси гадания, но обърна лицето си към пустинята.
2 Dia natopin’ i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin’ Andriamanitra tonga tamin’ i Balama.
И като подигна очи, Валаам видя Израиля заселен според племената си; и Божият Дух слезе на него.
3 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’ i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony
И почна притчата си, казвайки: - Валаам син Веоров каза: И човекът, който има отворени очи, каза:
4 Izay mandre ny tenin’ Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin’ ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
Каза оня, който чу Божиите думи, Който видя видението от Всесилния, Който падна в изстъпление, но очите му бяха отворени:
5 Endrey ny hatsaran’ ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!
Колко са красиви твоите шатри, Якове, Твоите скинии, Израилю!
6 Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron’ ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’ i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
Като долини са разпрострени, Като градини по речни брегове, Като алоини дървета, които Господ е насадил, Като кедри покрай водите.
7 Hisy rano mandeha avy eo amin’ ny sininy, ary ny taranany ho any amoron’ ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.
Ще се излива вода из ведрата му, И потомството му ще се простира в много води; Царят му ще бъде по-висок от Агага, И царството му ще се възвеличи.
8 Nentin’ Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin’ ny zana-tsipìkany.
Бог го изведе из Египет; Има сила както див вол; Ще пояде неприятелските нему народи, Ще строши костите им, и ще ги удари със стрелите си.
9 Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!
Легнал е и лежи като лъв И като лъвица; кой ще го възбуди? Благословен, който те благославя! И проклет, който те проклина!
10 Dia nirehitra tamin’ i Balama ny fahatezeran’ i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin’ i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.
Тогава гневът на Валака пламна против Валаама, и изплеска с ръце: и Валак рече на Валаама: Аз те повиках да прокълнеш неприятелите ми; а, ето, три пъти ти все ги благославяш.
11 Koa ankehitriny, mandosira ho any amin’ ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.
Сега, прочее, бягай на мястото си, рекох си да те въздигна до голяма почит; но, ето, Господ те въздържа от почит.
12 Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin’ ny irakao izay nirahinao tamiko va aho ka nanao hoe:
А Валаам рече на Валака: Не говорих ли аз и на твоите посланици, които ми прати, като казах:
13 Na dia homen’ i Balaka volafotsy sy volamena eran’ ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin’ i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin’ ny saiko; izay holazain’ i Jehovah ihany no holazaiko?
Ако би ми дал Валак и къщата си пълна със сребро и злато, не мога да престъпя Господното повеление и да направя добро или зло от себе си, но онова, което Господ проговори, него ще кажа?
14 Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin’ ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin’ izay hataon’ ity firenena ity amin’ ny vahoakanao any am-parany.
И сега, ето, аз си отивам при своите люде; ела да ти кажа какво ще направят тия люде на твоите люде в последните дни.
15 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’ i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony;
И като почна притчата си, рече: - Валаам син Веоров каза, И човекът с отворени очи каза:
16 Izay mandre ny tenin’ Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan’ ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin’ ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
Каза оня, който чу думите Божии, Който има знание за Всевишния, Който падна в изтъпление, но очите му бяха отворени:
17 Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin’ i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin’ Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin’ i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
Виждам го, но не сега; Гледам го, но не отблизо; Ще излезе звезда от Якова, И ще се въздигне скиптър от Израиля; Ще порази моавските първенци, И ще погуби всичките Ситови потомци.
18 Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery.
Едом ще бъде притежаван, Още Сиир ще бъде притежаван от неприятелите си; А Израил ще действува мощно.
19 Ary avy amin’ i Jakoba no isehoan’ Izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.
Един произлязъл от Якова ще завладее И ще погуби останалите от града.
20 Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin’ ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no hiafarany.
А като видя Амалика, продължи притчата си и каза: - Амалик е пръв между народите; Но най-сетне съвсем ще се изтреби.
21 Ary nahita ny Kenita izy, dia nanao oha-teny hoe: Mafy orina ny fonenanao, ary atao ao amin’ ny vatolampy ny akaninao.
А като видя кенейците продължи притчата си и каза: - Яко е твоето жилище, И положил си гнездото си на канарата,
22 Kanefa ho ringana Kaina, alohan’ ny hamaboan’ i Asyra anao.
Но кенейците ще се разорят Догде те заплени Асур.
23 Dia nanao oha-teny koa izy ka nilaza hoe: Indrisy! iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra?
Още продължи притчата си и каза: - Уви! кой ще остане жив, Когато Бог извърши това?
24 Ary hisy sambo avy any amin’ ny tany Kitima, dia hampietry an’ i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana no hiafarany.
Но кораби ще дойдат от крайморията на Китим, И ще смирят Асура, и ще смирят Евера; Но и дошлите съвсем ще се изтребят.
25 Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin’ ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin’ izay nalehany.
Тогава, като стана Валаам, тръгна и се върна на мястото си; също и Валак отиде по пътя си.

< Nomery 24 >