< Nomery 23 >
1 Ary hoy Balama tamin’ i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito.
Alors Balaam dit à Balak: "Dresse-moi ici sept autels, et prépare-moi ici sept taureaux et sept béliers."
2 Dia narahin’ i Balaka izay efa nolazain’ i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara.
Balak fit ce qu’avait dit Balaam; puis Balak et Balaam offrirent un taureau et un bélier sur chaque autel.
3 Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Mitoera eto anilan’ ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin’ ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.
Balaam dit à Balak: "Demeure près de ton holocauste; moi je m’en irai: peut-être l’Éternel s’offrira-t-il à ma rencontre, et, quoi qu’il me révèle, je t’en ferai part." Et il s’en alla dans la solitude.
4 Ary Andriamanitra dia nihaona tamin’ i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara aho.
Dieu se présenta à Balaam, qui lui dit: "J’Ai dressé les sept autels, et j’ai offert un taureau et un bélier sur chaque autel."
5 Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan’ i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin’ i Balaka, ary izany no holazainao.
L’Éternel mit sa parole dans la bouche de Balaam, et lui dit: "Retourne vers Balak, et tu parleras de la sorte…"
6 Dia niverina tany amin’ i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan’ ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin’ i Moaba rehetra.
II retourna vers lui et le trouva debout près de son holocauste, lui et tous les princes de Moab.
7 Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan’ i Moaba nampaka ahy avy tany amin’ ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.
Et il proféra son oracle en disant: "II me fait venir d’Aram, Balak roi de Moab; il m’appelle des monts de l’orient: "Viens maudire pour moi Jacob! Oui, viens menacer Israël!"
8 Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin’ Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin’ i Jehovah?
Comment maudirais-je celui que Dieu n’a point maudit? Comment menacerai-je, quand l’Éternel est sans colère?
9 Fa eto an-tampon’ ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin’ ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan’ ny jentilisa.
Oui, je le vois de la cime des rochers, et du haut des collines, je le découvre: ce peuple, il vit solitaire, iI ne se confondra point avec les nations.
10 Iza no mahisa ny vovok’ i Jakoba, na ny isan’ ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan’ ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!
Qui peut compter la poussière de Jacob, nombrer la multitude d’Israël? Puissé-je mourir comme meurent ces justes, et puisse ma fin ressembler à la leur!".
11 Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.
Balak dit à Balaam: "Que m’as-tu fait! J’Ai eu recours à toi pour maudire mes ennemis, et voilà que tu les bénis, au contraire!"
12 Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon’ i Jehovah eto am-bavako?
Mais il répondit: "Certes, ce que l’Éternel met dans ma bouche, ne dois-je pas fidèlement le redire?"
13 Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin’ ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozòny ho ahy ao izy.
Balak lui dit: "Viens, je te prie, avec moi dans un autre lieu, d’où tu pourras voir ce peuple: tu n’en verras que les derniers rangs, tu ne le verras pas tout entier. Et maudis-le moi de là."
14 Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon’ i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara.
Il le conduisit au plateau de Çofîm, sur la crête du Pisga; il y dressa sept autels, et offrit sur chaque autel un taureau et un bélier.
15 Dia hoy izy tamin’ i Balaka: Mitoera eto anilan’ ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’ i Jehovah.
Balaam dit à Balak: "Tiens-toi ici, près de ton holocauste, et moi, j’attendrai là-bas la rencontre."
16 Ary Jehovah nihaona tamin’ i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin’ i Balaka ary izany no holazainao.
L’Éternel se présenta à Balaam, inspira un discours à ses lèvres, lui disant: "Va rejoindre Balak, et tu parleras ainsi…"
17 Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan’ ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin’ i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain’ i Jehovah?
Il revint près de lui, et le trouva debout près de son holocauste, les princes de Moab à ses côtés. Et Balak lui demanda: "Qu’a dit l’Éternel?"
18 Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak’ i Zipora;
Il proféra son oracle en ces termes: "Prépare-toi, Balak, à m’entendre; prête-moi l’oreille, fils de Cippor!
19 Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’ olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
Dieu n’est pas un mortel, pour mentir, ni un fils d’Adam, pour qu’il se ravise; est-ce lui qui parle et ne tient point parole? Qui affirme et n’exécute point?
20 Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.
Oui, j’ai reçu mission de bénir; il a béni, je ne puis le dédire.
21 Tsy mijery faharatsiana eo amin’ i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin’ ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin’ andriana no re eo aminy.
Il n’aperçoit point d’iniquité en Jacob, il ne voit point de mal en Israël: l’Éternel, son Dieu, est avec lui, et l’amitié d’un roi le protège.
22 Nentin’ Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga,
Délivré, par ce Dieu, de l’Egypte, il a le vigoureux élan du réêm.
23 Fa tsy misy fisikidianana eo amin’ i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin’ Isiraely. Fa amin’ ny fotoana no hilazana amin’ i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon’ i Jehovah.
Il ne faut point de magie à Jacob, point de sortilège à Israël: ils apprennent à point nommé, Jacob et Israël, ce que Dieu a résolu.
24 Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran’ ny voavono.
Voyez! Ce peuple se lève comme un léopard, il se dresse comme un lion; il ne se reposera qu’assouvi de carnage, qu’enivré du sang de ses victimes!"
25 Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory
Balak dit à Balaam: "Ne le maudis point, soit, mais ne le bénis point non plus."
26 Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin’ i Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain’ i Jehovah, izany no hataoko?
Balaam répondit à Balak: "Ne t’avais-je pas fait cette déclaration: tout ce que dira l’Éternel, je dois le faire?"
27 Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Andeha ho entiko any amin’ izay tany hafa ianao; angamba ho sitrak’ Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.
Et Balak dit à Balaam: "Viens donc, que je te conduise à une autre place; peut-être ce Dieu trouvera-t-il bon que, de là, tu me les maudisses."
28 Ary Balama dia nentin’ i Balaka ho ao an-tampon’ i Peora, izay manatrika ny efitra.
Et Balak emmena Balaam sur la cime du Peor, qui domine la surface du désert.
29 Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito.
Balaam dit à Balak: "Construis-moi ici sept autels, et prépare-moi ici sept taureaux et sept béliers."
30 Ary Balaka dia nanao araka izay efa nolazain’ i Balama ka nanatitra vantotr’ ombilahy, sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara.
Balak fit ce qu’avait dit Balaam, et il offrit un taureau et un bélier sur chaque autel.