< Nomery 23 >

1 Ary hoy Balama tamin’ i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito.
Balaamu anati kwa Balaki, “Mundimangire maguwa ansembe asanu ndi awiri pano, ndipo mukonzenso ngʼombe zazimuna zisanu ndi ziwiri ndi nkhosa zazimuna zisanu ndi ziwiri.”
2 Dia narahin’ i Balaka izay efa nolazain’ i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara.
Balaki anachita monga Balaamu ananenera ndipo awiriwo anapereka ngʼombe imodzi ndi nkhosa yayimuna imodzi pa guwa lansembe lililonse.
3 Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Mitoera eto anilan’ ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin’ ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.
Kenaka Balaamu anati kwa Balaki, “Khalani pano pafupi ndi nsembe yanu ineyo ndipite pambali. Mwina Yehova adzabwera kuti akumane nane. Chilichonse chimene akandionetse ndidzakuwuzani” Choncho anapita ku malo okwera a chipululu.
4 Ary Andriamanitra dia nihaona tamin’ i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara aho.
Mulungu anakumana naye ndipo Balaamu anati, “Ndakonza maguwa asanu ndi awiri ndipo pa guwa lililonse ndaperekapo nsembe ya ngʼombe yayimuna imodzi ndi nkhosa yayimuna imodzinso.”
5 Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan’ i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin’ i Balaka, ary izany no holazainao.
Yehova anawuza Balaamu kuti, “Bwerera kwa Balaki ndipo ukamuwuze uthenga uwu.”
6 Dia niverina tany amin’ i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan’ ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin’ i Moaba rehetra.
Ndipo anabwerera kwa iye namupeza atayima pafupi ndi nsembe yake pamodzi ndi akuluakulu onse a Mowabu.
7 Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan’ i Moaba nampaka ahy avy tany amin’ ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.
Ndipo Balaamu ananena uthenga wake: “Balaki ananditenga kuchoka ku Aramu, mfumu ya ku Mowabu kuchokera ku mapiri a kummawa. Iye anati, ‘Bwera, temberera Yakobo mʼmalo mwanga, pita nyoza Israeli.’
8 Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin’ Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin’ i Jehovah?
Ndingatemberere bwanji amene Mulungu sanawatemberere? Ndinganyoze bwanji amene Yehova sanawanyoze?
9 Fa eto an-tampon’ ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin’ ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan’ ny jentilisa.
Kuchokera pamwamba pa mapiri ndikuona anthu, ndikuwaona kuchokera pa zitunda. Ndikuona anthu okhala pawokha, osakhala mʼgulu limodzi ndi mitundu ina.
10 Iza no mahisa ny vovok’ i Jakoba, na ny isan’ ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan’ ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!
Ndani angawerenge zidzukulu za Yakobo zochuluka ngati fumbi, kapena chimodzi mwa zigawo zinayi za Israeli? Lekeni ndife imfa ya oyera mtima, ndi chimaliziro changa chikhale ngati chawo!”
11 Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.
Balaki anati kwa Balaamu, “Wandichitira chiyani? Ndinakuyitana kuti utemberere adani anga, ndipo taona, sunachite chilichonse koma kuwadalitsa!”
12 Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon’ i Jehovah eto am-bavako?
Iye anayankha kuti, “Kodi sindinayenera kuyankhula zimene Yehova anandiwuza?”
13 Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin’ ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozòny ho ahy ao izy.
Kenaka Balaki anawuza Balaamu kuti, “Tiye tipite limodzi ku malo ena komwe ungawaone. Udzangoona gulu limodzi osati onsewo. Ndipo pamenepo, ukawatemberere mʼmalo mwanga.”
14 Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon’ i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara.
Tsono anamutengera ku munda wa Zofimu pamwamba pa phiri la Pisiga ndipo kumeneko anamanga maguwa ansembe asanu ndi awiri ndipo anapereka nsembe ngʼombe yayimuna imodzi ndi nkhosa yayimuna imodzi pa guwa lansembe lililonse.
15 Dia hoy izy tamin’ i Balaka: Mitoera eto anilan’ ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’ i Jehovah.
Balaamu anawuza Balaki kuti, “Khalani pano pafupi ndi nsembe yanu pamene ine ndikukakumana ndi Mulungu cha uko.”
16 Ary Jehovah nihaona tamin’ i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin’ i Balaka ary izany no holazainao.
Yehova anakumana ndi Balaamu ndipo anamuyankhula kuti, “Bwerera kwa Balaki ndipo ukamuwuze uthenga uwu.”
17 Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan’ ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin’ i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain’ i Jehovah?
Ndipo anapita kwa iye ndipo anamupeza atayimirira pafupi ndi nsembe yake pamodzi ndi akuluakulu a ku Mowabu. Balaki anafunsa Balaamu kuti, “Yehova wayankhula chiyani?”
18 Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak’ i Zipora;
Pamenepo Balaamu ananena uthenga wake: “Nyamuka Balaki ndipo tamvera; Undimvere iwe mwana wa Zipori.
19 Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’ olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
Mulungu si munthu kuti aname, kapena mwana wa munthu kuti asinthe maganizo ake. Kodi amayankhula koma osachita? Kodi amalonjeza koma osakwaniritsa?
20 Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.
Wandilamula kuti ndidalitse, Iyeyo wadalitsa ndipo sindingasinthe.
21 Tsy mijery faharatsiana eo amin’ i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin’ ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin’ andriana no re eo aminy.
“Palibe kuwukira kulikonse kumene wakuona mwa Yakobo, sanaone chovuta mu Israeli. Yehova Mulungu wawo ali nawo: mfuwu wa mfumu uli pakati pawo.
22 Nentin’ Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga,
Mulungu wowatulutsa mʼdziko la Igupto, ali ndi mphamvu ngati za njati.
23 Fa tsy misy fisikidianana eo amin’ i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin’ Isiraely. Fa amin’ ny fotoana no hilazana amin’ i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon’ i Jehovah.
Palibe matsenga amene angalimbane ndi Yakobo, palibe mawula amene angalimbane ndi Israeli. Tsopano za Yakobo ndi Israeli adzanena kuti, ‘Onani zimene Mulungu wachita!’
24 Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran’ ny voavono.
Taonani, anthu anyamuka ngati mkango waukazi; adzuka okha ngati mkango waumuna umene supuma mpaka utadya nyama imene wagwira ndi kumwa magazi a nyama yogwidwayo.”
25 Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory
Ndipo Balaki anati kwa Balaamu, “Usawatemberere ndi pangʼono pomwe kapena kuwadalitsa!
26 Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin’ i Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain’ i Jehovah, izany no hataoko?
“Balaamu anayankha Balaki kuti, ‘Kodi sindinakuwuzeni kuti ndiyenera kuchita zimene Yehova wanena?’”
27 Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Andeha ho entiko any amin’ izay tany hafa ianao; angamba ho sitrak’ Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.
Kenaka Balaki anati kwa Balaamu, “Bwera ndikutengere ku malo ena. Mwina chidzamukondweretsa Mulungu kuti uwatemberere kumeneko mʼmalo mwanga.”
28 Ary Balama dia nentin’ i Balaka ho ao an-tampon’ i Peora, izay manatrika ny efitra.
Ndipo Balaki anamutengera Balaamu pamwamba pa Peori, poyangʼanana ndi chipululu.
29 Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito.
Balaamu anati kwa Balaki, “Mundimangire maguwa ansembe asanu ndi awiri pano ndipo mundikonzere ngʼombe zazimuna zisanu ndi ziwiri, nkhosa zazimuna zisanu ndi ziwiri.”
30 Ary Balaka dia nanao araka izay efa nolazain’ i Balama ka nanatitra vantotr’ ombilahy, sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara.
Balaki anachita monga Balaamu ananenera ndipo anapereka nsembe ngʼombe imodzi yayimuna ndi nkhosa imodzi yayimuna pa guwa lililonse.

< Nomery 23 >