< Nomery 22 >

1 Ary ny Zanak’ Isiraely nifindra nitoby tao Arbota-moaba, tany an-dafin’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
Kisha Waisraeli wakasafiri katika tambarare za Moabu na kupiga kambi kando ya Mto Yordani, ngʼambo ya Yeriko.
2 Ary Balaka, zanak’ i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon’ ny Isiraely tamin’ ny Amorita.
Basi Balaki mwana wa Sipori, aliona mambo yale yote ambayo Israeli aliwatendea Waamori,
3 Dia raiki-tahotra indrindra ny Moabita noho ny hamaroan’ ny olona; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak’ Isiraely.
Moabu aliogopa, kwa kuwa walikuwepo watu wengi sana. Hakika, Moabu alijawa na hofu kubwa kwa sababu ya Waisraeli.
4 Dia hoy izy tamin’ ny loholon’ ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto tahaka ny firaokan’ ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. Ary Balaka, zanak’ i Zipora, no mpanjakan’ i Moaba tamin’ izany andro izany.
Wamoabu wakawaambia wazee wa Midiani, “Umati huu wa watu unakwenda kuramba kila kitu kinachotuzunguka, kama maksai arambavyo majani ya shambani.” Kwa hiyo Balaki mwana wa Sipori, ambaye alikuwa mfalme wa Moabu wakati huo,
5 Dia naniraka olona izy ho any amin’ i Balama, zanak’ i Beora, any Petora, izay eo amoron’ ny Ony, dia eo amin’ ny tanin’ ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;
akatuma wajumbe kwenda kumwita Balaamu mwana wa Beori, ambaye alikuwa huko Pethori, karibu na Mto Frati, katika nchi yake ya kuzaliwa. Balaki akasema: “Taifa limekuja kutoka Misri, nao wamefunika uso wa nchi, nao wametua karibu nami.
6 koa ankehitriny mba mankanesa atỳ, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin’ ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona.
Sasa uje kuwalaani watu hawa, kwa kuwa wana nguvu sana kuniliko. Kisha huenda nikaweza kuwashinda na kuwatoa nje ya nchi. Kwa kuwa ninajua kwamba, wale unaowabariki wanabarikiwa na wale unaowalaani wanalaaniwa.”
7 Dia nandeha ny loholon’ ny Moabita sy ny loholon’ ny Midianita nitondra ny saran’ ny fankatovana teny an-tànany; dia nankany amin’ i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin’ i Balaka.
Wazee wa Moabu na wa Midiani wakaondoka, wakiwa wamechukua ada ya uaguzi. Walipokwenda kwa Balaamu, wakamweleza kile Balaki alikuwa amesema.
8 Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain’ i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin’ i Balama ireo andriandahin’ i Moaba.
Balaamu akawaambia, “Mlale hapa usiku huu, nami nitawaletea jibu lile Bwana atakalonipa.” Kwa hiyo wakuu wa Moabu wakakaa naye.
9 Ary Andriamanitra nankao amin’ i Balama ka nanao hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao ireo?
Mungu akamjia Balaamu na kumuuliza, “Watu gani hawa walio pamoja nawe?”
10 Dia hoy Balama tamin’ Andriamanitra: Balaka, zanak’ i Zipora, mpanjakan’ i Moaba, no efa naniraka tamiko hoe:
Balaamu akamwambia Mungu, “Balaki mwana wa Sipori, mfalme wa Moabu, alinipelekea ujumbe huu:
11 Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny, ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.
‘Taifa ambalo limekuja kutoka Misri limefunika uso wa nchi. Sasa uje unilaanie hao watu. Kisha huenda nitaweza kupigana nao na kuwafukuza.’”
12 Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Balama: Aza mandeha miaraka aminy, na manozona izany firenena izany, fa voatahy izy.
Lakini Bwana akamwambia Balaamu, “Usiende pamoja nao. Hupaswi kulaani watu hao, kwa kuwa wamebarikiwa.”
13 Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin’ ireo andriandahin’ i Balaka hoe: Andeha mody any amin’ ny taninareo; fa tsy avelan’ i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.
Asubuhi iliyofuata Balaamu akaamka, akawaambia wakuu wa Balaki, “Rudini katika nchi yenu, kwa kuwa Bwana amenikataza nisiende pamoja nanyi.”
14 Ary niainga ireo andriandahin’ i Moaba, dia tonga tany amin i Balaka ka nanao hoe: Tsy nety nandeha niaraka taminay Balama.
Kwa hiyo wakuu wa Moabu wakarudi kwa Balaki na kumwambia, “Balaamu amekataa kuja pamoja nasi.”
15 Ary Balaka naniraka andriandahy maro sady malaza noho ny teo indray.
Kisha Balaki akatuma wakuu wengine, wengi zaidi na wanaoheshimiwa zaidi kuliko wale wa kwanza.
16 Dia tonga tao amin’ i Balama ireny ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Balaka, zanak’ i Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao atỳ amiko;
Wakafika kwa Balaamu na kumwambia: “Balaki mwana wa Sipori amesema hivi: Usiruhusu kitu chochote kikuzuie kuja kwangu,
17 fa hanome anao voninahitra lehibe indrindra aho, ary izay rehetra holazainao amiko dia hataoko avokoa; koa masìna ianao, mankanesa atỳ, ozòny ho ahy ity firenena ity.
kwa sababu nitakulipa vizuri sana na kufanya lolote usemalo. Njoo unilaanie watu hawa.”
18 Fa namaly Balama ka nanao tamin’ ny mpanompon’ i Balaka hoe: Na dia homen’ i Balaka volafotsy sy volemana eran’ ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin’ i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.
Lakini Balaamu akawajibu, “Hata kama Balaki angenipa jumba lake la kifalme likiwa limejazwa fedha na dhahabu, singeweza kufanya kitu chochote kikubwa au kidogo ili kutenda kitu nje ya agizo la Bwana Mungu wangu.
19 Nefa, na dia izany aza, mitoera atỳ ihany koa ianareo anio alina, mba ho fantatro izay mbola holazain’ i Jehovah amiko koa.
Mlale hapa usiku huu kama wale wengine walivyofanya, nami nitatafuta ni nini kingine Bwana atakachoniambia.”
20 Ary nony alina dia nankao amin’ i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan’ ireo olona ireo, dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
Usiku ule Bwana akamjia Balaamu na kumwambia, “Kwa kuwa watu hawa wamekuja kukuita wewe, nenda nao, lakini ufanye tu lile nitakalokuambia.”
21 Dia nifoha maraina koa Balama ka nanisy lasely ny borikiny, dia nandeha niaraka tamin’ ireo andriandahin’ i Moaba.
Balaamu akaamka asubuhi, akatandika punda wake akaenda pamoja na wakuu wa Moabu.
22 Ary nirehitra taminy ny fahatezeran’ Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin’ i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy.
Lakini Mungu alikasirika sana alipokwenda, naye malaika wa Bwana akasimama barabarani kumpinga. Balaamu alikuwa amepanda punda wake, na watumishi wake wawili walikuwa pamoja naye.
23 Dia hitan’ ny boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin’ i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tànany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin’ ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin’ ny lalana.
Wakati punda alipomwona malaika wa Bwana akiwa amesimama barabarani akiwa na upanga uliofutwa mkononi mwake, punda akageukia upande kuelekea shambani. Balaamu akampiga ili amrudishe barabarani.
24 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nijanona teo an-kandemponana tanelanelan’ ny tanim-boaloboka, izay nisy fefy teo an-daniny roa.
Ndipo malaika wa Bwana akasimama katika njia nyembamba iliyo kati ya mashamba mawili ya mizabibu, yakiwa na kuta pande zote mbili.
25 Ary ny boriky nahita Ilay Anjelin’ i Jehovah, dia niampify teo amin’ ny fefy ka nanery ny tongotr’ i Balama tamin’ ny fefy; dia nikapoka azy indray izy.
Punda alipomwona malaika wa Bwana, alijisukumiza karibu na ukuta, na kugandamiza mguu wa Balaamu ukutani. Ndipo Balaamu akampiga tena punda.
26 Ary mbola nandroso Ilay Anjelin’ i Jehovah ka nijanona teo amin’ ny fitoerana èty, izay tsy nisy lalana hiviliana, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.
Kisha malaika wa Bwana akaendelea mbele na kusimama mahali pembamba ambapo hapakuwepo nafasi ya kugeuka, upande wa kulia wala wa kushoto.
27 Ary ny boriky nahita ilay Anjelin’ i Jehovah, dia nandry teo ambanin’ i Balama; ary nirehitra ny fahatezeran’ i Balama ka nikapoka ny boriky tamin’ ny tehina izy.
Punda alipomwona malaika wa Bwana, alilala chini Balaamu angali amempanda, naye Balaamu akakasirika na kumpiga kwa fimbo yake.
28 Dia nosokafan’ i Jehovah ny vavan’ ny boriky, ka hoy ny boriky tamin’ i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?
Kisha Bwana akakifungua kinywa cha punda, akamwambia Balaamu, “Nimekutendea nini kinachokufanya unipige mara hizi tatu?”
29 Dia hoy Balama tamin’ ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao; enga anie ka misy sabatra etỳ an-tanako, dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.
Balaamu akamjibu punda, “Umenifanya mjinga! Kama ningelikuwa na upanga mkononi mwangu, ningelikuua sasa hivi.”
30 Ary hoy ny boriky tamin’ i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy ka mandraka androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy: Tsia.
Punda akamwambia Balaamu, “Je, mimi si punda wako mwenyewe, ambaye umenipanda siku zote, hadi leo? Je, nimekuwa na tabia ya kufanya hivi kwako?” Akajibu, “Hapana.”
31 Dia nampahiratin’ i Jehovah ny mason’ i Balama hahita Ilay Anjelin’ i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.
Kisha Bwana akafungua macho ya Balaamu, naye akamwona malaika wa Bwana amesimama barabarani akiwa ameufuta upanga wake. Balaamu akainama, akaanguka kifudifudi.
32 Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao.
Malaika wa Bwana akamuuliza Balaamu, “Kwa nini umempiga punda wako mara tatu hizi? Nimekuja kukuzuia kwa sababu njia yako imepotoka mbele yangu.
33 Koa nahita Ahy ny boriky ka nivily Ahy intelo izao; raha tsy nivily Ahy izy, dia ianao no nataoko maty mihitsy toy izay, fa izy kosa no novelomiko.
Punda aliniona na kunikwepa mara hizi tatu. Kama punda hangenikwepa, hakika ningekuwa nimeshakuua sasa, lakini ningemwacha punda hai.”
34 Dia hoy Balama tamin’ Ilay Anjelin’ i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.
Balaamu akamwambia malaika wa Bwana, “Nimetenda dhambi. Sikutambua kuwa umesimama barabarani kunizuia. Basi kama haikupendezi, nitarudi.”
35 Fa hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Balama: Mandehana ihany miaraka amin’ ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin’ ireo andriandahin’ i Balaka.
Malaika wa Bwana akamwambia Balaamu, “Uende na watu hao, lakini useme tu lile nikuambialo.” Kwa hiyo Balaamu akaenda na wale wakuu wa Balaki.
36 Ary nony ren’ i Balaka fa tonga Balama, dia nivoaka izy mba hitsena azy teo amin’ ny Tanànan’ i Moaba, teo amin’ ny fari-tanin’ i Arnona, izay eo amin’ ny sisin’ ny fari-tany.
Balaki aliposikia kuwa Balaamu anakuja, akatoka kumlaki katika mji wa Moabu, katika mpaka wa Arnoni, ukingoni mwa nchi yake.
37 Ary hoy Balaka tamin’ i Balama: Tsy naniraka dia naniraka tany aminao va aho nampaka anao; ? Ka nahoana no tsy nankaty amiko ianao? tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra anao?
Balaki akamwambia Balaamu, “Je, sikukupelekea jumbe za haraka? Kwa nini hukuja kwangu? Hivi kweli mimi siwezi kukulipa?”
38 Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa mahazo milaza teny akory va aho? ny teny izay hataon’ Andriamanitra ao am-bavako, dia izany no holazaiko.
Balaamu akajibu, “Vema, sasa nimekuja kwako. Lakini kwani nina uwezo wa kusema tu chochote? Ni lazima niseme tu kile ambacho Mungu ataweka kinywani mwangu.”
39 Dia nandeha Balama niaraka tamin’ i Balaka, ka nankany Kinata-hozota izy roa lahy.
Kisha Balaamu alikwenda na Balaki mpaka Kiriath-Husothi.
40 Ary Balaka namono omby sy ondry aman’ osy hatao fanatitra ka nampanatitra ho an’ i Balama sy ny andriandahy izay teo aminy.
Balaki akatoa dhabihu ya ngʼombe na kondoo; baadhi yake akampa Balaamu na wakuu waliokuwa pamoja naye.
41 Ary nony maraina Balama dia nalain’ i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin’ ny sisin’ ny tobiny.
Asubuhi iliyofuata Balaki akamchukua Balaamu mpaka Bamoth-Baali, na kutoka huko Balaamu akawaona baadhi ya watu.

< Nomery 22 >