< Nomery 22 >

1 Ary ny Zanak’ Isiraely nifindra nitoby tao Arbota-moaba, tany an-dafin’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
Puis les enfants d'Israël partirent, et campèrent dans les campagnes de Moab, au deçà du Jourdain de Jéricho.
2 Ary Balaka, zanak’ i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon’ ny Isiraely tamin’ ny Amorita.
Or Balac fils de Tsippor, vit toutes les choses qu'Israël avait faites à l'Amorrhéen;
3 Dia raiki-tahotra indrindra ny Moabita noho ny hamaroan’ ny olona; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak’ Isiraely.
Et Moab eut une grande frayeur du peuple, parce qu'il était en grand nombre; et il fut extrêmement agité à cause des enfants d'Israël.
4 Dia hoy izy tamin’ ny loholon’ ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto tahaka ny firaokan’ ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. Ary Balaka, zanak’ i Zipora, no mpanjakan’ i Moaba tamin’ izany andro izany.
Et Moab dit aux Anciens de Madian: Maintenant cette multitude broutera tout ce qui est autour de nous, comme le bœuf broute l'herbe du champ. Or en ce temps-là Balac, fils de Tsippor, était Roi de Moab.
5 Dia naniraka olona izy ho any amin’ i Balama, zanak’ i Beora, any Petora, izay eo amoron’ ny Ony, dia eo amin’ ny tanin’ ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;
Lequel envoya des messagers à Balaam, fils de Béhor, en Péthor, située sur le fleuve, dans le pays des enfants de son peuple, pour l'appeler, en lui disant: Voici, un peuple est sorti d'Egypte; voici, il couvre le dessus de la terre, et il se tient campé tout proche de moi.
6 koa ankehitriny mba mankanesa atỳ, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin’ ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona.
Viens donc maintenant, je te prie, maudis-moi ce peuple, car il est plus puissant que moi; peut-être que je serai le plus fort, et que nous le battrons, et que je le chasserai du pays; car je sais que celui que tu béniras, sera béni; et que celui que tu maudiras sera maudit.
7 Dia nandeha ny loholon’ ny Moabita sy ny loholon’ ny Midianita nitondra ny saran’ ny fankatovana teny an-tànany; dia nankany amin’ i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin’ i Balaka.
Les Anciens donc de Moab s'en allèrent avec les Anciens de Madian, ayant en leurs mains de quoi payer le devin, et ils vinrent à Balaam, et lui rapportèrent les paroles de Balac.
8 Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain’ i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin’ i Balama ireo andriandahin’ i Moaba.
Et il leur répondit: Demeurez ici cette nuit, et je vous rendrai réponse selon que l'Eternel m'aura parlé. Et les Seigneurs des Moabites demeurèrent avec Balaam.
9 Ary Andriamanitra nankao amin’ i Balama ka nanao hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao ireo?
Et Dieu vint à Balaam, et dit: Qui sont ces hommes-là que tu as chez toi?
10 Dia hoy Balama tamin’ Andriamanitra: Balaka, zanak’ i Zipora, mpanjakan’ i Moaba, no efa naniraka tamiko hoe:
Et Balaam répondit à Dieu: Balac, fils de Tsippor, Roi de Moab, a envoyé vers moi, [en disant]:
11 Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny, ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.
Voici un peuple qui est sorti d'Egypte, et qui a couvert le dessus de la terre; viens [donc] maintenant, maudis-le moi; peut-être que je le pourrai combattre, et que je le chasserai.
12 Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Balama: Aza mandeha miaraka aminy, na manozona izany firenena izany, fa voatahy izy.
Et Dieu dit à Balaam: Tu n'iras point avec eux et tu ne maudiras point ce peuple; car il est béni.
13 Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin’ ireo andriandahin’ i Balaka hoe: Andeha mody any amin’ ny taninareo; fa tsy avelan’ i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.
Et Balaam s'étant levé dès le matin, dit aux Seigneurs qui avaient été envoyés par Balac: Retournez dans votre pays; car l'Eternel a refusé de me laisser aller avec vous.
14 Ary niainga ireo andriandahin’ i Moaba, dia tonga tany amin i Balaka ka nanao hoe: Tsy nety nandeha niaraka taminay Balama.
Ainsi les Seigneurs des Moabites se levèrent, et revinrent à Balac, et dirent: Balaam a refusé de venir avec nous.
15 Ary Balaka naniraka andriandahy maro sady malaza noho ny teo indray.
Et Balac envoya encore des Seigneurs en plus grand nombre, et plus honorables que les premiers.
16 Dia tonga tao amin’ i Balama ireny ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Balaka, zanak’ i Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao atỳ amiko;
Qui étant venus à Balaam, lui dirent: Ainsi a dit Balac, fils de Tsippor: Je te prie, que rien ne t'empêche de venir vers moi;
17 fa hanome anao voninahitra lehibe indrindra aho, ary izay rehetra holazainao amiko dia hataoko avokoa; koa masìna ianao, mankanesa atỳ, ozòny ho ahy ity firenena ity.
Car certainement je te récompenserai beaucoup, et je ferai tout ce que tu me diras; je te prie donc viens, maudis moi ce peuple.
18 Fa namaly Balama ka nanao tamin’ ny mpanompon’ i Balaka hoe: Na dia homen’ i Balaka volafotsy sy volemana eran’ ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin’ i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.
Et Balaam répondit et dit aux Serviteurs de Balac: Quand Balac me donnerait sa maison pleine d'or et d'argent, je ne pourrais point transgresser le commandement de l'Eternel mon Dieu, pour faire [aucune] chose, petite ni grande.
19 Nefa, na dia izany aza, mitoera atỳ ihany koa ianareo anio alina, mba ho fantatro izay mbola holazain’ i Jehovah amiko koa.
Toutefois je vous prie demeurez maintenant ici encore cette nuit, et je saurai ce que l'Eternel aura de plus à me dire.
20 Ary nony alina dia nankao amin’ i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan’ ireo olona ireo, dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
Et Dieu vint la nuit à Balaam, et lui dit: Puisque ces hommes sont venus t'appeler, lève-toi, et t'en va avec eux; mais quoi qu'il en soit tu feras ce que je te dirai.
21 Dia nifoha maraina koa Balama ka nanisy lasely ny borikiny, dia nandeha niaraka tamin’ ireo andriandahin’ i Moaba.
Ainsi Balaam se leva le matin, et sella son ânesse, et s'en alla avec les Seigneurs de Moab.
22 Ary nirehitra taminy ny fahatezeran’ Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin’ i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy.
Mais la colère de Dieu s'enflamma parce qu'il s'en allait, et l'Ange de l'Eternel se tint dans le chemin pour s'opposer à lui; or il était monté sur son ânesse, et il avait avec lui deux de ses Serviteurs.
23 Dia hitan’ ny boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin’ i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tànany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin’ ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin’ ny lalana.
Et l'ânesse vit l'Ange de l'Eternel qui se tenait dans le chemin, et qui avait son épée nue en sa main, et elle se détourna du chemin, et s'en allait à travers champs; et Balaam frappa l'ânesse pour la faire retourner au chemin.
24 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nijanona teo an-kandemponana tanelanelan’ ny tanim-boaloboka, izay nisy fefy teo an-daniny roa.
Mais l'Ange de l'Eternel s'arrêta dans un sentier de vignes, qui avait une cloison deçà, et une cloison delà.
25 Ary ny boriky nahita Ilay Anjelin’ i Jehovah, dia niampify teo amin’ ny fefy ka nanery ny tongotr’ i Balama tamin’ ny fefy; dia nikapoka azy indray izy.
Et l'ânesse ayant vu l'Ange de l'Eternel, se serra contre la muraille, et elle serrait contre la muraille le pied de Balaam; c'est pourquoi il continua à la frapper.
26 Ary mbola nandroso Ilay Anjelin’ i Jehovah ka nijanona teo amin’ ny fitoerana èty, izay tsy nisy lalana hiviliana, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.
Et l'Ange passa plus avant, et s'arrêta en un lieu étroit, où il n'y avait nul chemin pour tourner à droite ni à gauche.
27 Ary ny boriky nahita ilay Anjelin’ i Jehovah, dia nandry teo ambanin’ i Balama; ary nirehitra ny fahatezeran’ i Balama ka nikapoka ny boriky tamin’ ny tehina izy.
Et l'ânesse voyant l'Ange de l'Eternel, se coucha sous Balaam; et Balaam s'en mit en grande colère, et frappa l'ânesse avec son bâton.
28 Dia nosokafan’ i Jehovah ny vavan’ ny boriky, ka hoy ny boriky tamin’ i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?
Alors l'Eternel fit parler l'ânesse, qui dit à Balaam: Que t'ai-je fait, que tu m'aies déjà battue trois fois?
29 Dia hoy Balama tamin’ ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao; enga anie ka misy sabatra etỳ an-tanako, dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.
Et Balaam répondit à l'ânesse: Parce que tu t'es moquée de moi; plût à Dieu que j'eusse une épée en ma main, car je te tuerais sur-le-champ.
30 Ary hoy ny boriky tamin’ i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy ka mandraka androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy: Tsia.
Et l'ânesse dit à Balaam: Ne suis-je pas ton ânesse, sur laquelle tu as monté depuis que je suis à toi jusqu'à aujourd'hui? Ai-je accoutumé de te faire ainsi? Et il répondit: Non.
31 Dia nampahiratin’ i Jehovah ny mason’ i Balama hahita Ilay Anjelin’ i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.
Alors l'Eternel ouvrit les yeux de Balaam, et il vit l'Ange de l'Eternel qui se tenait dans le chemin, et qui avait en sa main son épée nue; et il s'inclina et se prosterna sur son visage.
32 Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao.
Et l'Ange de l'Eternel lui dit: Pourquoi as-tu frappé ton ânesse déjà par trois fois? Voici je suis sorti pour m'opposer à toi; parce que ta voie est devant moi [une voie] détournée.
33 Koa nahita Ahy ny boriky ka nivily Ahy intelo izao; raha tsy nivily Ahy izy, dia ianao no nataoko maty mihitsy toy izay, fa izy kosa no novelomiko.
Mais l'ânesse m'a vu et s'est détournée de devant moi déjà par trois fois; autrement si elle ne se fût détournée de devant moi, je t'eusse même déjà tué, et je l'eusse laissée en vie.
34 Dia hoy Balama tamin’ Ilay Anjelin’ i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.
Alors Balaam dit à l'Ange de l'Eternel: J'ai péché, car je ne savais point que tu te tinsses dans le chemin contre moi; et maintenant si cela te déplaît, je m'en retournerai.
35 Fa hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Balama: Mandehana ihany miaraka amin’ ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin’ ireo andriandahin’ i Balaka.
Et l'Ange de l'Eternel dit à Balaam: Va avec ces hommes; mais tu diras seulement ce que je t'aurai dit. Balaam donc s'en alla avec les Seigneurs envoyés par Balac.
36 Ary nony ren’ i Balaka fa tonga Balama, dia nivoaka izy mba hitsena azy teo amin’ ny Tanànan’ i Moaba, teo amin’ ny fari-tanin’ i Arnona, izay eo amin’ ny sisin’ ny fari-tany.
Quand Balac apprit que Balaam venait, il sortit pour aller au devant de lui, en la cité de Moab, sur la frontière d'Arnon, au bout de la frontière.
37 Ary hoy Balaka tamin’ i Balama: Tsy naniraka dia naniraka tany aminao va aho nampaka anao; ? Ka nahoana no tsy nankaty amiko ianao? tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra anao?
Et Balac dit à Balaam: N'ai-je pas auparavant envoyé vers toi pour t'appeler? pourquoi n'es-tu pas venu vers moi? est-ce que je ne pourrais pas te récompenser?
38 Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa mahazo milaza teny akory va aho? ny teny izay hataon’ Andriamanitra ao am-bavako, dia izany no holazaiko.
Et Balaam répondit à Balac: Voici, je suis venu vers toi; mais pourrais-je maintenant dire quelque chose [de moi-même]? je ne dirai que ce que Dieu m'aura mis dans la bouche.
39 Dia nandeha Balama niaraka tamin’ i Balaka, ka nankany Kinata-hozota izy roa lahy.
Et Balaam s'en alla avec Balac, et ils vinrent en la cité de Hutsoth.
40 Ary Balaka namono omby sy ondry aman’ osy hatao fanatitra ka nampanatitra ho an’ i Balama sy ny andriandahy izay teo aminy.
Et Balac sacrifia des bœufs et des brebis, et il en envoya à Balaam, et aux Seigneurs qui étaient venus avec lui.
41 Ary nony maraina Balama dia nalain’ i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin’ ny sisin’ ny tobiny.
Et quand le matin fut venu, il prit Balaam, et le fit monter aux hauts lieux de Bahal, et de là il vit une des extrémités du peuple.

< Nomery 22 >