< Nomery 21 >

1 Ary raha ren’ ilay Kananita, mpanjakan’ i Arada, izay nonina teo amin’ ny tany atsimo, fa efa mandeha amin’ ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin’ ny Isiraely.
Na rĩrĩ, rĩrĩa mũthamaki Mũkaanani wa Aradi, ũrĩa watũũraga Negevu, aiguire atĩ Isiraeli nĩokagĩra njĩra ya Atharimu, agĩthiĩ agĩtharĩkĩra andũ a Isiraeli, na agĩtaha amwe ao.
2 Dia nivoady tamin’ i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany.
Nao andũ Isiraeli makĩĩhĩta na mwĩhĩtwa ũyũ harĩ Jehova makiuga atĩrĩ: “Ũngĩneana andũ aya moko-inĩ maitũ-rĩ, nĩtũkananga matũũra mao marĩa manene biũ.”
3 Ary Jehovah nihaino ny feon’ ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon’ ny Isiraely levona izy sy ny tanànany; koa ny anaran’ izany tany izany dia natao hoe Horma.
Nake Jehova akĩigua ihooya rĩa andũ a Isiraeli na akĩneana andũ acio a Kaanani kũrĩ o. Nao makĩananga andũ acio biũ hamwe na matũũra mao; nĩ ũndũ ũcio handũ hau hagĩĩtwo Horoma.
4 Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin’ ny olona noho ny lalana.
Nao andũ a Isiraeli makĩnyiita rũgendo kuuma Kĩrĩma kĩa Horu magereire njĩra ya gũthiĩ Iria Itune, nĩguo mathiũrũrũke bũrũri wa Edomu. No andũ acio magĩthethũka marĩ njĩra-inĩ;
5 Ary niteny nanome tsiny an’ Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin’ ny lalan’ ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony.
nao magĩũkĩrĩra Ngai o na Musa na mĩario makiuga atĩrĩ, “Mwatũrutire bũrũri wa Misiri tũũke tũkuĩre gũkũ werũ-inĩ nĩkĩ? Gũkũ gũtirĩ irio! Na gũtirĩ maaĩ! O na nĩtũthũire irio ici itarĩ kĩene!”
6 Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran’ afo teny amin’ ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely.
Nake Jehova akĩmatũmĩra nyoka ciarĩ na thumu; ikĩrũma andũ a Isiraeli, na aingĩ ao magĩkua.
7 Dia nankeo amin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an’ i Jehovah sy ianao. Ifony amin’ i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an’ ny olona Mosesy.
Andũ acio magĩthiĩ kũrĩ Musa makĩmwĩra atĩrĩ, “Nĩtwehirie rĩrĩa twaaririe tũgĩũkĩrĩra Jehova hamwe nawe. Hooya nĩguo Jehova atwehererie nyoka ici.” Nĩ ũndũ ũcio Musa akĩhoera andũ acio.
8 Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran’ afo, ka ahantòny amin’ ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany.
Nake Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ, “Thondeka nyoka ũmĩcuurie gĩtugĩ igũrũ; mũndũ o wothe ũrĩĩrũmagwo-rĩ, aamĩrora nĩarĩtũũraga muoyo.”
9 Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin’ ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.
Nĩ ũndũ ũcio Musa agĩthondeka nyoka ya gĩcango, akĩmĩcuuria gĩtugĩ igũrũ. Na rĩrĩ, hĩndĩ ĩrĩa mũndũ o wothe aarũmwo nĩ nyoka na aarora nyoka ĩyo ya gĩcango, agatũũra muoyo.
10 Ary ny Zanak’ Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota.
Andũ a Isiraeli makiumagara, magĩthiĩ makĩamba hema ciao Obothu.
11 Ary nony niala tao Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin’ ny efitra izay mifanolotra amin’ i Moaba, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro.
Ningĩ makiuma Obothu magĩthiĩ Iye-Abarimu, makĩamba hema ciao werũ-inĩ ũrĩa ũngʼethanĩire na Moabi mwena wa irathĩro.
12 Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao amin’ ny lohasahan-driaka Zareda.
Kuuma kũu magĩthiĩ na mbere, makĩamba hema ciao Kĩanda kĩa Zeredi.
13 Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin’ i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin’ ny fari-tanin’ ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin’ ny Moabita, eo anelanelan’ ny Moabita sy ny Amorita.
Moimagara kuuma kũu makĩamba hema kũrigania na Rũũĩ rwa Arinoni, kũu werũ ũrĩa ũthiĩte nginya bũrũri wa Aamori; nĩgũkorwo Rũũĩ rwa Arinoni nĩruo rwarĩ mũhaka wa Moabi na Aamori.
14 Koa izany no ilazana eo amin’ ny Bokin’ ny Adin’ i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa sy ny lohasahan-driaka Arnona,
Na nĩkĩo Ibuku rĩa Mbaara cia Jehova riugĩte atĩrĩ: “… Wahebu thĩinĩ wa Sufa, na mĩkuru, Arinoni
15 Ary ny tany kisolosolo amin’ ny lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin’ ny tanin’ i Ara ka mipaka amin’ ny fari-tanin’ i Moaba.
na igaragaro-inĩ cia mĩkuru ĩrĩa ithiĩte o nginya kũu Ari, na ĩgatwarana na mũhaka wa Moabi.”
16 Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay lavaka fantsakana nilazan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy.
Kuuma kũu magĩthiĩ na mbere nginya kũu Biri, gĩthima-inĩ harĩa Jehova erire Musa atĩrĩ, “Cookereria andũ hamwe na nĩngũmahe maaĩ.”
17 Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy;
Hĩndĩ ĩyo Isiraeli makĩina rwĩmbo rũrũ: “Therũka maaĩ, wee gĩthima gĩkĩ! Inyuĩ na inyuĩ inai ũhoro wakĩo,
18 Lavaka fantsakana izay nohadin’ ireo mpanao lalàna, ary nolavahan’ ireo manan-kaja amin’ ny firenena. Tamin’ ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana.
ũhoro wa gĩthima kĩrĩa anene menjete, kĩrĩa gĩathikũririo nĩ andũ arĩa marĩ igweta, andũ arĩa marĩ igweta marĩ na njũgũma cia ũnene na mĩthĩĩgi yao.” Ningĩ makiuma werũ-inĩ magĩthiĩ Matana,
19 Ary nony niala tao Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota;
kuuma Matana magĩthiĩ Nahalieli, kuuma Nahalieli magĩthiĩ Bamothu,
20 ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin’ ny tany Moaba, ao an-tampon’ i Pisga, izay manatrika ny efitra.
na kuuma Bamothu magĩthiĩ kĩanda kĩa Moabi, kũrĩa gacũmbĩrĩ ka Pisiga kangʼetheire werũ ũrĩa ũtarĩ kĩndũ.
21 Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, hanao hoe:
Isiraeli nĩatũmire andũ kũrĩ Sihoni mũthamaki wa Aamori makamwĩre atĩrĩ:
22 Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin’ ny saha na ho amin’ ny tanim-boaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin’ ny lavaka fantsakana; ny lalan’ andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao.
“Twĩtĩkĩrie tũtuĩkanĩrie bũrũri wanyu. Tũtigũtoonya mĩgũnda yanyu ya irio, kana ya mĩthabibũ, kana tũnyue maaĩ kuuma gĩthima o na kĩmwe. Tũkũgerera njĩra ĩrĩa nene ya mũthamaki o nginya tũtuĩkanie bũrũri wanyu.”
23 Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin’ ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin’ ny Isiraely teo izy.
No Mũthamaki Sihoni akĩgiria andũ a Isiraeli mahĩtũkĩre bũrũri wake. We onganirie mbũtũ ciake ciothe cia ita, akiumagara agĩthiĩ werũ-inĩ agatharĩkĩre andũ a Isiraeli. Rĩrĩa aakinyire Jahazu-rĩ, akĩhũũrana na andũ a Isiraeli.
24 Ary ny Isiraely namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona ka hatrany Jaboka, dia hatramin’ ny taranak’ i Amona; fa mafy ny fari-tanin’ ny taranak’ i Amona.
No andũ a Isiraeli makĩmooraga na hiũ cia njora na magĩtunya mũthamaki ũcio bũrũri wake kuuma Arinoni nginya Jaboku, no maakinyire o mũhaka-inĩ wa andũ a Amoni, tondũ warĩ mũirige na hinya mũno.
25 Dia nalain’ ny Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenany ny tanànan’ ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra.
Isiraeli agĩtunya Aamori matũũra mothe mao marĩa manene na magĩtũũra kuo, o hamwe na Heshiboni na tũtũũra tuothe tũrĩa twarigainie nakuo.
26 Hesbona no tanànan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan’ i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
Heshiboni nĩrĩo rĩarĩ itũũra inene rĩa Sihoni mũthamaki wa Aamori, ũrĩa warũĩte na mũthamaki wa Moabi ũrĩa waathanaga mbere ĩyo, na akamũtunya bũrũri wake wothe o nginya Arinoni.
27 Izany no nanaovan’ ny mpanao oha-teny hoe: Midìra ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan’ i Sihona;
Kĩu nĩkĩo gĩtũmaga aini a marebeta moige atĩrĩ: “Ũkaai Heshiboni nĩgeetha rĩakwo rĩngĩ; itũũra inene rĩa Sihoni nĩrĩcokererio.
28 Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, sy lelafo avy tao an-tanànan’ i Sihona, Ka nandevona an’ i Aran’ i Moaba sy ny tompon’ ny havoan’ i Arnona.
“Mwaki nĩwoimire kũu Heshiboni, rũrĩrĩmbĩ rũkiuma itũũra inene rĩa Sihoni. Ũkĩniina itũũra rĩa Ari Moabi, o atũũri a kũrĩa gũtũũgĩru kwa Arinoni.
29 Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon’ i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita.
Kaĩ ũrĩ na haaro, wee Moabi-ĩ! Inyuĩ andũ a Kemoshu! Kaĩ mũrĩ aanange-ĩ. Nĩarekereirie ariũ ake magatuĩka eethari, o na airĩtu ake akĩmarekereria matahwo nĩ Sihoni mũthamaki wa Aamori.
30 Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an’ i Medeba.
“No ithuĩ nĩtũmangʼaũranĩtie; Heshiboni kwanangĩtwo guothe nginya o Diboni. Tũmamomorete tũgakinya Nofa, itũũra rĩrĩa rĩkuhanĩrĩirie na Medeba.”
31 Dia nitoetra tao amin’ ny tanin’ ny Amorita ny Isiraely.
Nĩ ũndũ ũcio andũ a Isiraeli magĩtũũra bũrũri ũcio wa Aamori.
32 Ary Mosesy naniraka olona hisafo an’ i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany.
Thuutha wa Musa gũtũma andũ magathigaane Jazeri, andũ a Isiraeli magĩtunyana tũtũũra tũrĩa twarigiicĩirie itũũra rĩu, na makĩingata Aamori arĩa maarĩ kuo.
33 Ary niverina ny olona ka niakatra tamin’ ny lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan’ i Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy.
Ningĩ makĩgarũrũka, makĩambata na njĩra marorete Bashani, nake Ogu mũthamaki wa Bashani na mbũtũ ciake ciothe cia ita makiumagara makahũũrane na Isiraeli kũu Edirei.
34 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.
Nake Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ, “Ndũkamwĩtigĩre, nĩ ũndũ nĩndĩmũneanĩte moko-inĩ maku, hamwe na mbũtũ ciake ciothe cia ita, o na bũrũri wake. Mwĩke o ũrĩa wekire Sihoni mũthamaki wa Aamori, ũrĩa waathanaga Heshiboni.”
35 Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy.
Nĩ ũndũ ũcio makĩũraga Mũthamaki Ogu hamwe na ariũ ake, o na mbũtũ ciake ciothe cia ita, mategũtigia mũndũ o na ũmwe muoyo. Nao andũ a Isiraeli makĩĩgwatĩra bũrũri wake.

< Nomery 21 >