< Nomery 20 >
1 Ary tamin’ ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak’ Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.
In the first month all the children of Israel came into the waste land of Zin, and put up their tents in Kadesh; there death came to Miriam, and they put her body to rest in the earth.
2 Ary tsy nisy rano ho an’ ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin’ i Mosesy sy Arona.
And there was no water for the people: and they came together against Moses and against Aaron.
3 Dia nila ady tamin’ i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin’ ny nahafatesan’ ny rahalahinay teo anatrehan’ i Jehovah!
And the people were angry with Moses and said, If only death had overtaken us when our brothers came to their death before the Lord!
4 Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’ i Jehovah ho amin’ ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?
Why have you taken the Lord's people into this waste, for death to come to us and to our cattle there?
5 Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin’ ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongabendanitra akory, sady tsy misy rano hosotroina?
Why have you made us come out of Egypt into this evil place? This is no place of seed or figs or vines or other fruits, and there is no water for drinking.
6 Dia niala teo anatrehan’ ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr’ i Jehovah.
Then Moses and Aaron went away from the people to the door of the Tent of meeting; and, falling on their faces there, they saw the glory of the Lord.
7 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
And the Lord said to Moses,
8 Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin’ ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an’ ny olona avy amin’ ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Take the rod, you and Aaron, your brother, and make all the people come together, and before their eyes give orders to the rock to give out its water; and so make water come out of the rock for them, and give the people and their cattle drink.
9 Dia nalain’ i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan’ i Jehovah, araka izay nandidiany azy.
And Moses took the rod from before the Lord as he gave him orders.
10 Dia novorin’ i Mosesy sy Arona teo anoloan’ ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin’ ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?
Then Moses and Aaron made the people come together in front of the rock, and he said to them, Give ear now, you people whose hearts are turned from the Lord; are we to get water for you out of the rock?
11 Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
And lifting up his hand, Moses gave the rock two blows with his rod: and water came streaming out, and the people and their cattle had drink enough.
12 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason’ ny Zanak’ Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin’ ny tany izay nomeko azy ianareo.
Then the Lord said to Moses and Aaron, Because you had not enough faith in me to keep my name holy before the children of Israel, you will not take this people into the land which I have given them.
13 Ity no ranon’ i Meriba, izay nilan’ ny Zanak’ Isiraely ady tamin’ i Jehovah, ka nisehoan’ i Jehovah ho masìna tamin’ ny nataony taminy.
These are the waters of Meribah; because the children of Israel went against the Lord, and they saw that he was holy among them.
14 Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ ny mpanjakan’ i Edoma hanao hoe: Izao no lazain’ i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:
Then Moses sent men from Kadesh to the king of Edom to say to him, Your brother Israel says, You have knowledge of all the things we have been through;
15 dia ny nidinan’ ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;
How our fathers went down into Egypt, and we were living in Egypt for a long time; and the Egyptians were cruel to us and to our fathers:
16 ary raha nitaraina tamin’ i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin’ ny faritry ny taninao, izahay;
And the Lord gave ear to the voice of our cry, and sent an angel and took us out of Egypt: and now we are in Kadesh, a town on the edge of your land;
17 koa aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanim-boaloboka, na hisotro ny rano amin’ ny lavaka fantsakana akory: ny lalan’ andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin’ ny ankavanana na ho amin’ ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
Let us now go through your land: we will not go into field or vine-garden, or take the water of the springs; we will go by the highway, not turning to the right or to the left, till we have gone past the limits of your land.
18 Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin’ ny sabatra aho.
And Edom said, You are not to go through my land, for if you do I will come out against you with the sword.
19 Dia hoy ny Zanak’ Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman’ ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany.
And the children of Israel said to him, We will go up by the highway: and if we or our cattle take of your water, we will give you a price for it: only let us go through on our feet, nothing more.
20 Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery.
But he said, You are not to go through. And Edom came out against them in his strength, with a great army.
21 Toy izany no nandavan’ ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak’ Isiraely.
So Edom would not let Israel go through his land; and Israel went in another direction.
22 Ary nifindra ny Zanak’ Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora.
And they went on from Kadesh, and came, with all their people, to Mount Hor.
23 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin’ ny fari-tanin’ i Edoma, ka nanao hoe:
And at Mount Hor, at the edge of the land of Edom, the Lord said to Moses and Aaron,
24 Arona hangonina any amin’ ny razany; fa tsy hiditra any amin’ ny tany izay nomeko ny Zanak’ Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin’ ny ranon’ i Meriba ianareo.
Aaron will be put to rest with his people; he will not go into the land which I have given to the children of Israel, because you went against my word at the waters of Meribah.
25 Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;
So take Aaron and Eleazar, his son, up into Mount Hor;
26 dia esory ny fitafian’ i Arona, ka atafio an’ i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin’ ny razany ka ho faty ao.
And take Aaron's robes off him and put them on Eleazar, his son: and death will come to Aaron there, and he will be put to rest with his people.
27 Ary Mosesy nanao araka izay nandidian’ i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason’ ny fiangonana rehetra izy telo mianaka.
So Moses did as the Lord had said, and before the eyes of all the people they went up Mount Hor.
28 Dia nesorin’ i Mosesy ny fitafian’ i Arona ka natafiny an’ i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon’ ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara.
And Moses took off Aaron's robes, and put them on Eleazar, his son; and there on the top of the mountain death came to Aaron: then Moses and Eleazar came down from the mountain.
29 Koa nony hitan’ ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak’ Isiraely rehetra.
And when the people saw that Aaron was dead, all the children of Israel gave themselves up to weeping for him for thirty days.