< Nomery 2 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
上主訓示梅瑟和亞郎說:「
2 Samy eo amin’ ny fanevany sy eo amin’ ny faneva kelin’ ny fianakaviany avy no hitobian’ ny Zanak’ Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.
以色列子民每人應隨自己的旗幟,在自己宗族的標誌下紮營,都向著會幕,在四周稍遠的地方紮營。
3 Ary ny hitoby eo amin’ ny lafiny atsinanana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia izay momba ny fanevan’ ny tobin’ i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan’ ny taranak’ i Joda dia Nasona, zanak’ i Aminadaba;
在前面,即東方,是猶大軍團紮營的旗幟:猶大子孫的首領是阿米納達布的兒子納赫雄;
4 ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
他的部隊登記的,是七萬四千六百。
5 Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ Isakara; ary ny lohan’ ny taranak’ Isakara dia Netanela, zanak’ i Zoara;
在其傍紮營的是依撒加爾支派;依撒加爾子孫的首領是族阿爾的兒子乃塔乃耳;
6 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
他的部隊登記的,是五萬四千四百。
7 Dia vao ny firenen’ i Zebolona; ary ny lohan’ ny taranak’ i Zebolona dia Eliaba, zanak’ i Helona;
隨後是則步隆支派;則步隆子孫的首領是赫隆的兒子厄里雅布;
8 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
他的部隊登記的,是五萬七千四百。
9 Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana.
猶大軍團登記的,共計十八萬六千四百;他們應首先出發。
10 Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Robena no ho eo amin’ ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan’ ny taranak’ i Robena dia Elizora, zanak’ Sedeora;
南方是勒烏本軍團紮營的旗幟:勒烏本子孫的首領是舍德烏爾的兒子厄里族爾;
11 ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
他的部隊登記的,是四萬六千五百。
12 Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ i Simeona; ary ny lohan’ ny taranak’ i Simeona dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday;
在其傍紮營的,是西默盎支派;西默盎子孫的首領是族黎沙待的兒子舍路米耳;
13 ary ny miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
他的部隊登記的,是五萬九千三百。
14 Dia vao ny firenen’ i Gada; ary ny lohan’ ny taranak’ i Gada dia Eliasafa, zanak’ i Roela;
隨後是加得支派;加得子孫的首領是勒烏本的兒子厄肋雅撒夫;
15 ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
他的部隊登記的,是四萬五千六百五十。
16 Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany.
勒烏本軍團登記的,共計十五萬一千四百五十;他們其次出發。
17 Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin’ ny Levita, eo afovoan’ ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin’ ny filaharany avy, araka ny fanevany.
隨後,會幕與肋未營在各營中心啟程前行;各營怎樣紮營,就怎樣出發前行,各依自己的位置,各隨自己的旗幟。
18 Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ ny lafiny andrefana; ary ny lohan’ ny taranak’ i Efraima dia Elisama, zanak’ i Amihoda;
西方是厄弗辣因軍團紮營的旗幟:厄弗辣因子孫的首領是阿米胡得的兒子厄里沙瑪;
19 ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina.
他的部隊登記的,是四萬五百。
20 Ary ny firenen’ i Manase ho eo anilany; ary ny lohan’ ny taranak’ i Manase dia Gamaliela, zanak’ i Pedazora;
在其傍是默納協支派;默納協子孫的首領是培達族爾的兒子加默里耳;
21 ary ny miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina.
他的部隊登記的,是三萬二千二百。
22 Dia vao ny firenen’ i Benjamina; ary ny lohan’ ny taranak’ i Benjamina dia Abidana, zanak’ i Gideony;
隨後是本雅明支派;本雅明子孫的首領是基德敖尼的兒子阿彼丹;
23 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.
他的部隊登記的,是三萬五千四百。
24 Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.
厄弗辣因軍團登記的,共計十萬八千一百;他們作第三隊出發。
25 Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin’ ny lafiny avaratra; ary ny lohan’ ny taranak’ i Dana dia Ahiezera, zanak’ i Amisaday;
北方是丹軍團紮營的旗幟:丹子孫的首領是阿米沙待的兒子阿希厄則爾;
26 ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
他的部隊登記的,是六萬二千七百。
27 Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ i Asera; ary ny lohan’ ny taranak’ i Asera dia Pagiela, zanak’ i Okrana;
在其傍紮營的是阿協爾支派;阿協爾子孫的首領是敖革蘭的兒子帕革厄耳;
28 ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina.
他的部隊登記的,是四萬一千五百。
29 Dia vao ny firenen’ i Naftaly; ary ny lohan’ ny taranak’ i Naftaly dia Ahira, zanak’ i Enana;
隨後是納斐塔里支派;納斐榙里子孫的首領是厄南的兒子阿希辣;
30 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
他的部隊登記的,是五萬三千四百。
31 Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.
丹軍團登記的,共計十五萬七千六百;他們隨著自己的旗幟,最後出發。」
32 Ireo no nalamina avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin’ izay nalamina tamin’ ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy.
這就是以色列子民依照家系登記的數目;各營的部隊登記的總數,共六十萬三千五百五十。
33 Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
照上主對梅瑟所吩咐的,肋未人沒有在以色列子民中登記。
34 Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.
以色列子民全照上主吩咐梅瑟的做了,都隨著自己的旗幟紮營,各隨宗族和家系出發進行。