< Nomery 18 >

1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana masìna; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo.
BWANA akamwambia Haruni, “Wewe, wana wako, na uzao wa baba yako watawajibika kwa dhambi zote zilizotendwa mahali patakatifu. Lakini wewe na wana wako pekee mtawajibika kwa uovu uliofanywa na yeyote mahali patakatifu.
2 Ary ny rahalahinao avy amin’ ny firenen’ i Levy izay firenen’ ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan’ ny trano-lain’ ny Vavolombelona.
Na ndugu zako nao wa kabila ya Lawi, kabila la ukoo wako, utawaleta pamoja na wewe ili kwamba waweze kuungana na wewe ili wakusaidie wakati wewe na wanao mnapokuwa mnatumikia mbele ya hema ya amri ya agano.
3 Dia hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny fitoerana masìna sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo koa.
Watakutumikia wewe na hema yote. Hata hivyo, wasisogee karibu na chochote ndani ya mahali patakatifu au kitu chochote kilichounganishwa na madhabahu, vinginevyo wewe na wao mtakufa.
4 Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.
Wataungana na wewe na kuitunza hema ya kukutania, kwa kazi zote zinazohusiana na hema. Mtu mgeni asikusogelee.
5 Dia hotandremanareo ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna sy ny anjara-raharaha momba ny alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak’ Isiraely intsony.
Wewe utaajibika kwa ajili ya mahali patakatifu na kwa ajili ya madhabahu ili kwamba hasira yangu isiwajilie watu wa Israeli tena.
6 Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho an’ i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
Tazama, Mmi mwenyewe nimewachagua ndugu zako wa kabila ya Walawi kutoka mioingoni mwa uzao wa Israeli. Wao ni zawadi kwako. walitolewa kwangu ili waifanye kazi inayohusiana na hema ya kukutania.
7 Fa ianao sy ny zanakao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin’ ny zavatra rehetra momba ny alitara sy ny ao anatin’ ny efitra lamba, dia fanompoana omeko anareo ny fisoronana; ary ny olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty.
Lakini ni wewe pekee yako na wanao ndio mnaoruhusiwa kufanya kazi ya ukuhani kuhusiana na kila kitu kilichounganishwa na madhabahu na kitu chochote ndani ya lile pazia. Wewe mwenyewe lazima ukamilishe majukumu hayo. Mimi ninakupa ukuhani kama zawadi. Mgeni yeyote anayekaribia atauawa.”
8 Ary Jehovah niteny tamin’ i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-masìna rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay.
Kisha BWANA akamwambia Haruni, “Tazama, Nimekupa majukumu ya kusimamia sadaka za kuinuliwa kwangu, na sadaka zengine takatifu ambazo wana wa Israeli wanatoa kwangu. Nimekupa sadaka hizi wewe na wana wako kuwa haki yako milele.
9 Izao no ho anao amin’ ny zavatra masìna indrindra, avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo; ny fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho masìna indrindra ho anao sy ny taranakao izany.
Hivi ni vitu vitakatifu sana, amabavyo visiteketezwe kwa moto: kutoka kwenye sadaka zao-kila sadaka ya unga, kila sadaka ya dhambi, na kila sadaka ya hatia- ni vitu vitakatifu sana kwa ajili yako na wana wako.
10 Toy ny fihinananao ny zavatra masìna indrindra no hihinananao azy; ny lehilahy rehetra no mahazo mihinana azy: masìna ho anao izany.
Sadaka hizi ni takatifu sana; kila mume lazima aile, kwa kuwa ni vitakatifu kwako.
11 Ary izao koa no ho anao: ny zavatra omeny ho fanatitra, dia ny fanatitra ahevaheva rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy koa izany ho anjara mandrakizay; izay rehetra madio amin’ ny ankohonanao no mahazo mihinana izany.
Hizi ni sadaka ambazo zitakuwa zako: Sadaka zao, sadaka zote za kuinuliwa za wana wa Israeli. Nimekupa wewe, wana wako na binti zako kuwa gawio lako la milele. Kila mmoja ambaye ni msafi katika familia yako anaweza kula sadaka zozote katika hizi.
12 Izay rehetra tsara indrindra amin’ ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an’ i Jehovah, dia efa nomeko anao.
Mafuta yote mazuri, ile divai nzuri yote mpya na unga, malimbuko ambyo watu hutoa kwangu- vitu hivi vyote nimekupa wewe.
13 Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin’ ny taniny, izay hateriny ho an’ i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin’ ny ankohonanao no mahazo mihinana azy.
Mavuno ya kwanza yaliyoiva yaliyo katika ardhi yao ambayo wanaleta kwangu, yatakuwa yako. Kila mtu aliye msafi kwenye famila yako anaweza kula vitu hivi.
14 Ny zavatra rehetra voatokana amin’ ny Isiraely dia ho anao.
Kila kitu kilichotolewa wakfu katika Israeli kitakuwa chako.
15 Ny voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho an’ i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao koa.
Kila kitu kinachofungua tumbo, kila limbuko ambalo watu hutoa kwa BWANA, vyote vya watu na wanyama, vitakuwa vyako. Hata hivyo, watu lazima wawakomboe wazaliwa wa kwanza wa kiume, na watawakomboa wazaliwa wa kwanza wa wanyama wasio safi.
16 Ary ny amin’ ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay ataonao tombany, dia sekely dimy, araka ny sekely masìna (gera roa-polo izany).
Wale ambao wanahitaji kukombolewa na watu watakombolewa wakiwa na umri wa mwezi mmoja. Ndipo watu watawakomboa kwa bei ya shekeli tano, kwa kiwango cha shekeli za mahali patakatifu, ambacho ni sawa na gera ishirini.
17 Fa ny voalohan-teraky ny omby, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy kosa tsy mba havotanao, fa masìna ireny; ny ràny dia hatopinao amin’ ny alitara, ary ny saborany hodoranao ho fofona, ho fanatitra atao amin’ ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Lakini mzaliwa wa kwanza wa ng'ombe, au mzaliwa wa kwana wa kondoo, au mzaliwa wa kwanza wa mbuzi-msiwakomboe hawa wanyama, wametengwa kwa ajili yangu. Utanyunyizia damu yake madhabahuni na kuteketeza mafuta yao kama sadaka ya moto, ambayo ni harufu nzuri ya kumpendeza BWANA.
18 Dia ho anao ny henany, ho anao tahaka ny tratra ahevaheva sy tahaka ny soroka ankavanana.
Nyama yao itakuwa yako. Kama kidali cha kuinuliwa na paja la kulia, nyama yao itakuwa yako.
19 Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin’ ny zava-masìna aterin’ ny Zanak’ Isiraely ho an’ i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan’ i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao koa.
Sadaka yote takatifu ambayo watu wa Israeli wanaitoa kwa BWANA, nimekupa wewe, na wana wako na binti zako walio pamoja nawe. Kama gawio la kudumu. Hili ni agano la milele la chumvi, agano linalofunga milele, mbele za BWANA kwako wewe na uzao wako walio pamoja na wewe.”
20 Ary hoy Jehovah tamin’ i Arona: Tsy mba hanana lova eo amin’ ny tany ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
BWANA akasema na Haruni. “hautakuwa na urithi katika ardhi ya watu, wala hautakuwa na gawio miongoni mwa watu. Mimi ndimi gawiio lenu na urithi wenu miongoni mwa watu wa Israeli.
21 Ary, indro, ny taranak’ i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin’ ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin’ ny trano-lay fihaonana.
Tazama, Nimewapatia uzao wa Lawi, zaka zote za Israeli kuwa urithi wao kwa sababu ya huduma wanayotoa katika hema ya kukutania.
22 Ary tsy mahazo manakaiky ny trano-lay fihaonana intsony ny Zanak’ Isiraely, fandrao meloka izy ka maty.
Kuanzi a sasa, watu wa Israeli wasisogee karibu na hema ya kukutania, vinginevyo wataajibika kwa dhambi hii na kufa.
23 Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin’ ny Zanak’ Isiraely izy.
Walawi wafanya kazi inayohusiana na hema ya kukutania. Wataajibika kwa dhambi inyohusiana na hema. Hii itakuwa sheri ya kudumu kwa watu wote wa uzao wako. Na miongoni mwa watu wa Israeli hawa hawatakuwa na urithi.
24 Fa ny fahafolon-karen’ ny Zanak’ Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia efa nomeko ho an’ ny taranak’ i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin’ ny Zanak’ Isiraely izy.
Kwa kuwa zaka za wana wa Israeli, wanazotoa kama mchango kwangu -ndivyo hivyo ambavyo nimewapa Walawi kuwa urithi wao. Hiyo ndiyo sababu ya kuwaambia, Kuwa hawatakuwa na urithi kati ya watu wa Israeli.
25 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
BWANA akanena na Musa, akamwambia,
26 Mitenena indray amin’ ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin’ ny zanak’ Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an’ i Jehovah izany.
“Inakupasa ukaseme na Walawi uwaambie, 'Mnapopokea zaka toka kwa watu ambayo BWANA amewapa kutoka kwao kuwa urithi, ndipo na nyie mtakapotoa sehemu ya kumi ya zaka hizo.
27 Ary ny fanatitra alainareo dia hisaina ho anareo toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin’ ny famiazana.
Zaka yenu itahesabika kama moja ya mapato ya sakafu ya kupuria nafaka ya mazao yenu au mazao ya vinu vya kukamulia zabibu.
28 Toy izany koa no hanateranareo fanatitra ho an’ i Jehovah avy amin’ ny fahafolon-karenareo rehetra, izay horaisinareo amin’ ny Zanak’ Isiraely; ary avy amin’ izany no hanateranareo ho an’ i Jehovah, dia ho an’ i Arona mpisorona.
Kwa hiyo na ninyi lazima mtoe mchango wenu kwa BWANA kutokana na zaka mnazopata kutoka kwa watu wa Israeli. Kutokana na hizo mtatoa matoleo yenu kwa Haruni yule kuhani.
29 Ary ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an’ i Jehovah, dia amin’ izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masìna avy aminy.
Kwa kila sadaka mnayopata, mtatoa matoleo yenu kwa BWANA. Mtafanya hivi kutokana na vitu vizuri na vitakatifu sana ambavyo mmepewa.
30 Dia lazao aminy hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo, dia hisaina ho an’ ny Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin’ ny famiazana izany.
Kwa hiyo utawaambia, 'Mnapotoa hayo matoleo mazuri, ndipo itahesabika kwa Walawi kuwa ni mazao yao kutoka kwenye sakafu za kupuria na vinu vyao vya kukamulia.
31 Dia mahazo mihinana izany eo amin’ ny fitoerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo; fa karamanareo izany noho ny fanompoanareo ao amin’ ny trano-lay fihaonana.
Ndipo matakapokula nafaka zote zinazobaki mahali popote, ninyi na famailia zenu kwa sababu ndiyo malipo yenu ya kazi y a kwenye hema ya kukutania.
32 Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masìna aterin’ ny Zanak’ Isiraely, dia tsy ho faty ianareo.
Hamtakuwa na hatia yeyote kwa kuvila na kuvinywa, kama mtatoa kwa BWANA matoleo yenu mazuri mliyopokea. Lakini msizinajisi sadaka takatifu za wana wa Israeli, vinginevyo mtakufa.,”

< Nomery 18 >