< Nomery 15 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Hhoe ty nitsara’ Iehovà amy Mosè:
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany honenanareo izay omeko anareo ianareo
Misaontsia amo ana’ Israeleo, le ano ty hoe: Naho mimoak’ an-tane himoneña’ areo, i hatoloko anahareoy,
3 ka manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry aman’ osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin’ ny sitrapo na amin’ ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah:
ie manao soroñe am’ Iehovà, ke enga ho lorañe he enga-ava-panta ke enga-tsatrin’ arofo he amo andro namantañañeo, le ho hàñin-kanintsiñe am’ Iehovà, he boak’ an-tro-raik’ ao ke boak’ an-dia-raike ao,
4 izay manatitra ny fanatiny ho an’ i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;
le ze mibanabana enga añatrefa’ Iehovà ty hinday enga-mahakama, mona fahafolo’ ty efà linaro menake hine fahèfa’e,
5 ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainao ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hafa alatsa-drà, amin’ ny isan-janak’ ondry iray.
naho divay fahèfa’ ty hine ho enga-rano ihentseñañe, le ke amy soroñey, he amy engay, ho ami’ty vik’ añondry.
6 Ary ho fanampin’ ny isan-ondrilahy iray dia koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ampahatelon’ ny hina no haterinao ho fanatitra hohanina;
Aa naho añondrilahy, le ho hajarie’o ty mona roe ampahafolo’ ty efà linaro menak’ ampaha-telo’ ty hine ho enga-mahakama;
7 ary divay ampahatelon’ ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
le ho enga-rano: ibanabanao divay hine ampahatelo’e ho hàñin-kanintsiñe am’ Iehovà.
8 Ary raha manatitra omby ho fanatitra dorana na ho fanatitra hafa alatsa-drà ianao, hanalana voady, na ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah,
Aa naho mañenga bania hisoroñañe ke hañenek’ ava-panta, he ho fañanintsiñe am’ Iehovà,
9 dia fanatitra hohanina koa no haterinao ho fanampin’ ny isan-omby iray, dia koba tsara toto telo ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo antsasaky ny hina;
le hengaeñe mitraok’ amy baniay ty enga-mahakama: telo ampahafolo’ ty efà mona linaro menake hine vaki’e,
10 ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin’ ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
le hengae’o ty divay hine vaki’e ho enga rano hisoroñañe, hàñin-kanintsiñe am’ Iehovà.
11 Izany no hatao amin’ ny isan-omby iray, na ny isan-ondrilahy iray, na ny isan-janak’ ondry iray, na ny isan-janak’ osy iray.
I hoe zay ty ho sata amy ze añombe ndra añondrilahy, naho ze vik’ añondrilahy ndra vik’ose.
12 Tahaka izany no hataonareo amin’ izy rehetra, araka ny isan’ ny zavatra aterinareo.
Ty ami’ty hamaro ihentseñañe, le sindre anoeñe ty ami’ty ia’e.
13 Ny tompon-tany rehetra samy hanao ireo zavatra ireo araka izany, raha manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izy.
Songa hanao izay ze samak’ amy taney, ie mañenga soroñe ho hàñin-kanintsiñe am’ Iehovà.
14 Ary raha misy vahiny eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, ka manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izy, dia araka izay ataonareo no hataony.
Aa naho mitaveañe ama’ areo ty renetane, ke ia ia hom’bama’ areo amo tarira’ areo iabio, ie te hañenga soroñe ho hàñin-kanintsiñe am’ Iehovà; le mira ami’ty fanoe’ areo ty hanoe’e.
15 Ary ny amin’ ny fiangonana, dia lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo koa, dia lalàna mandrakizay hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany: tsy hisy hafa eo anatrehan’ i Jehovah na ianareo na ny vahiny.
Amy valobohòkey, fañè raike ty hifehe anahareo naho i renetane mpimoneñe aoy, fañè nainai’e tsy modo amo hene tarira’ areo mifandimbeo; manahak’ anahareo avao ze renetane añatrefa’ Iehovà.
16 Lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo.
Fetse raike naho fepetse raike ty anahareo naho ze renetane mpitaveañe ama’ areo ao.
17 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Hoe ty nitsara’ Iehovà amy Mosè:
18 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany izay itondrako anareo ianareo
Saontsio ty hoe amo ana’ Israeleo: Ie mimoak’ amy tane aneseako anahareoy ao,
19 ka hihinana mofo avy amin’ ny vokatry ny tany, dia hanokana izay ho an’ i Jehovah.
naho mikama amy mahakama’ i taney le mañengà engan-kavoañe am’ Iehovà.
20 Hanokana mofo iray izay hatao amin’ ny voalohan’ ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka izay atokana avy eo amin’ ny famoloana no hanokananareo izany.
Ami’ty valohan-koba’ areo ty hañengà’ areo mofo ho engan-kavoañe; hambañe ami’ty engan-toem-pifofohañe ty hañengà’ areo.
21 Ny voalohan’ ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an’ i Jehovah hatramin’ ny taranakareo fara mandimby.
Hatolo’ areo ho enga am’ Iehovà ty lengon-koba valoha’e, hengae’ o hene tarira’ areo mifandimbeo izay.
22 Ary raha manota tsy nahy ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy,
Aa ie mandilatse tsy mahambeñe o lily retiañe, o nitsarae’ Iehovà amy Mosèo—
23 dia izay rehetra nasain’ i Jehovah nandidian’ i Mosesy anareo, hatramin’ ny andro izay nanaovan’ i Jehovah izany didy izany ka hatramin’ ny taranakareo fara mandimby,
toe ze hene tsara linili’ Iehovà am-pità’ i Mosè, ampara’ i andro nitaroña’ Iehovà i liliy pak’ amo hene tarira’ areoo—
24 koa atao tsy nahy izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr’ ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah, mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.
ie amy zao, naho mandilatse tsy satrie’e i valobohòkey, ie nietak’ am-pihaino’e, le hengae’ i valobohòkey ty ana’ ty tro’e raike, ty bania hisoroñañe ho hàñin-kanintsiñe am’ Iehovà rekets’ i enga-mahakama’ey naho i enga-rano’ey, am-pañè, vaho ty vik’oselahy ho engan-kakeo.
25 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan’ i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.
Le hijebaña’ i mpisoroñey i valobohò’ Israeley vaho ho haha iereo kanao tsy nisatrieñe, naho fa nasese’ iereo i enga’ iareoy; enga nisoroñañe am’ Iehovà, naho i engan-kakeo nengaeñe añatrefa’ Iehovày, amy fandilara’ iareoy.
26 Dia havela ny heloky ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, mbamin’ izay vahiny eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy,
Aa le hapoke t’ie tsy ho ami’ty valobohò’ Israele naho tsy ho amo renetane mpimoneñe ama’eo, amy te songa añate’ i lilatse tsy nisatrieñey i màroy.
27 Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota.
Aa naho ondaty raike ty mandilatse tsy satrie’e, le hengae’e ty vik’ose vave’e ho engan-kakeo,
28 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan’ i Jehovah, ka dia havela ny helony.
le hanao fijebañañe i mpisoroñey ho am’ indaty nandilatse tsy an-tsatrie’ey, ie toe nandilatse fe tsy nitsatrie’e, añatrefa’ Iehovà, hañeferañe aze, le halio-tahiñe.
29 Lalàna iray ihany no hatao amin’ izay manota tsy nahy, na amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra, na amin’ ny vahiny eo aminareo.
Ho raike ty fetse mifehe ze mandilatse tsy satrie’e, ke tarira’ o ana’ Israeleo, he renetane mpitaveañe am’ iereo ao.
30 Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an’ i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Fe t’indaty mañonjo haoke handilatse, ke ie samak’ amy taney ao, ke renetane, ie manirika Iehovà, le haitoañe am’ ondati’eo indatiy,
31 Fa ny tenin’ i Jehovah no nohamavoiny, ary ny lalàny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ny helony dia ho aminy ihany.
amy te ninjè’e ty tsara’ Iehovà naho niotà’e i lili’ey, toe haitoañe zafezanake indatiy vaho ho vavè’e i hakeo’ey.
32 Ary raha tany an-efitra ny Zanak’ Isiraely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin’ ny andro Sabata.
Ie tam-patrambey añe o ana’ Israeleo le nahaisake ondaty nanontoñe hatae ami’ty andro Sabotse.
33 Ary izay nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin’ i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra.
Aa le nasese’ o nahaisak’ aze nanontoñe hataeo mb’ amy Mosè naho i Aharone vaho i valobohòkey mb’eo;
34 Dia nambenana ralehilahy, satria tsy mbola fantatra izay hatao aminy.
le najo’ iareo an-drohy ao heike fa mbe tsy nitsaraeñe ty hanoañe aze.
35 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan’ ny toby ny fiangonana rehetra.
Le hoe t’Iehovà amy Mosè, tsy mete tsy havetrake indatiy; songa handretsake vat o ama’e alafe’ i tobey i valobohòkey.
36 Dia namoaka azy ho eny ivelan’ ny toby ny fiangonana rehetra ka nitora-bato azy, ka maty izy, dia araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ihany.
Aa le amy nandilia’ Iehovà i Mosèy: nasese’ i valobohòkey alafe’ i tobey re naho rinetsam-bato vaho nihomake.
37 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Le hoe ty nitsara’ Iehovà amy Mosè:
38 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin’ ny fitafiany hatramin’ ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin’ ny somotraviaviny.
Misaontsia amo ana’Israeleo ty hanoa’ iereo fole mirandrañe an-kotson-tsaro’ iareo nainai’e amo hene tarira’ iareo mifandimbeo, songa haharo’ iareo amo fole mirandrañe an-kotson-tsaroñeo ty fole manga.
39 Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin’ i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,
Ty sata’ o boram-poleo ama’ areo, le ie isa’ areo ro hahatiahy o lili’ Iehovà iabio vaho hanoe’ areo, soa tsy horihe’ areo ty arofo’ areo naho o fihaino’ areo mampandrìkeo,
40 mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masìna ho an’ Andriamanitrareo ianareo.
fa ho tiahi’ areo le hene hanoe’ areo o lilikoo, vaho hiavake ho aman’ Añahare’ areo.
41 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Izaho Iehovà Andrianañahare’ areo ninday anahareo nienga an-tane Mitsraime añe ho Andrianañahare’ areo: Izaho Iehovà Andrianañahare’ areo.