< Nomery 15 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Ubangiji ya ce wa Musa,
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany honenanareo izay omeko anareo ianareo
“Ka yi magana da Isra’ilawa, ka ce musu, ‘Bayan kun shiga ƙasar da nake ba ku a matsayin gida,
3 ka manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry aman’ osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin’ ny sitrapo na amin’ ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah:
kuka yi hadayar da akan yi da wuta ga Ubangiji, daga cikin shanu, ko tumaki, abin ƙanshi mai daɗi ga Ubangiji, ko hadaya ta ƙonawa, ko hadayu don alkawura na musamman, ko hadayar yardar rai, ko kuma hadaya ta biki,
4 izay manatitra ny fanatiny ho an’ i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;
sai shi wanda ya kawo hadayar yă miƙa wa Ubangiji hadaya ta gari mai laushi mai kyau, kashi ɗaya bisa goma na efa wanda aka kwaɓa da kwalaba ɗaya na mai.
5 ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainao ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hafa alatsa-drà, amin’ ny isan-janak’ ondry iray.
Da kowane ɗan rago don hadaya ta ƙonawa, a shirya kwalaba ɗaya na ruwan inabi, a matsayin hadaya ta sha.
6 Ary ho fanampin’ ny isan-ondrilahy iray dia koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ampahatelon’ ny hina no haterinao ho fanatitra hohanina;
“‘In da rago ne za a miƙa, to, sai a shirya hadaya ta gari mai laushi, garin yă zama kashi biyu bisa goma na efa. A kwaɓa shi da kashi ɗaya bisa uku na garwan mai,
7 ary divay ampahatelon’ ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
da kashi ɗaya bisa uku na garwan ruwan inabi, a matsayin hadaya ta sha. A miƙa ta abin ƙanshi mai daɗi ga Ubangiji.
8 Ary raha manatitra omby ho fanatitra dorana na ho fanatitra hafa alatsa-drà ianao, hanalana voady, na ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah,
“‘Sa’ad da kuka shirya rago don hadaya ta ƙonawa saboda alkawari na musamman, ko hadaya ta salama ga Ubangiji,
9 dia fanatitra hohanina koa no haterinao ho fanampin’ ny isan-omby iray, dia koba tsara toto telo ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo antsasaky ny hina;
sai ku kawo hadaya ta gari tare da bijimi, kashi ɗaya bisa uku na gari mai laushi kwaɓaɓɓe da rabin garwan mai.
10 ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin’ ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
A kuma kawo rabin garwan ruwan inabi na hadaya ta sha. Za tă zama hadayar da aka yi da wuta mai daɗin ƙanshi ga Ubangiji.
11 Izany no hatao amin’ ny isan-omby iray, na ny isan-ondrilahy iray, na ny isan-janak’ ondry iray, na ny isan-janak’ osy iray.
Haka za a yi da kowane bijimi, ko rago, ko ɗan rago, ko bunsuru.
12 Tahaka izany no hataonareo amin’ izy rehetra, araka ny isan’ ny zavatra aterinareo.
Haka za a yi da kowannensu bisa ga abin da aka shirya.
13 Ny tompon-tany rehetra samy hanao ireo zavatra ireo araka izany, raha manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izy.
“‘Duk wanda yake ɗan ƙasa, ta haka ne dole zai aikata waɗannan abubuwa sa’ad da ya kawo hadaya da akan yi da wuta mai daɗin ƙanshi ga Ubangiji.
14 Ary raha misy vahiny eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, ka manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izy, dia araka izay ataonareo no hataony.
Idan baƙon da yake baƙunci a cikinku, ko kowane ne da yake tare da ku a dukan zamananku, yana so yă ba da hadayar da akan yi da wuta don a yi ƙanshi mai daɗi ga Ubangiji, dole yă yi kamar yadda kuke yi.
15 Ary ny amin’ ny fiangonana, dia lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo koa, dia lalàna mandrakizay hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany: tsy hisy hafa eo anatrehan’ i Jehovah na ianareo na ny vahiny.
Ƙa’ida ɗaya ce ga jama’a da kuma baƙin da suke zama a cikinku, wannan za tă zama dawwammamiyar farilla a dukan tsararraki masu zuwa. Da ku, da baƙi, za ku zama ɗaya a gaban Ubangiji.
16 Lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo.
Doka ɗaya da ƙa’ida ɗaya za a yi aiki da ita a kan ku da kuma baƙin da suke zama a cikinku.’”
17 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Ubangiji ya ce wa Musa,
18 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany izay itondrako anareo ianareo
“Ka yi magana da Isra’ilawa, ka ce musu, ‘Sa’ad da kuka shiga ƙasar da ina kai ku,
19 ka hihinana mofo avy amin’ ny vokatry ny tany, dia hanokana izay ho an’ i Jehovah.
kuka ci abincin ƙasar, ku miƙa wani sashe na amfanin ƙasar a matsayin hadaya ga Ubangiji.
20 Hanokana mofo iray izay hatao amin’ ny voalohan’ ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka izay atokana avy eo amin’ ny famoloana no hanokananareo izany.
Ku kawo waina daga nunan fari na ɓarzajjen hatsinku, ku kuma miƙa shi a matsayin hadaya daga masussuka.
21 Ny voalohan’ ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an’ i Jehovah hatramin’ ny taranakareo fara mandimby.
A duk tsararraki masu zuwa, za ku miƙa wannan hadaya daga nunan fari na ɓarzajjen hatsinku ga Ubangiji.
22 Ary raha manota tsy nahy ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy,
“‘To, in ku a matsayin jama’a, da gangan kuka ƙi kiyaye waɗannan ƙa’idodi da Ubangiji ya ba wa Musa ba,
23 dia izay rehetra nasain’ i Jehovah nandidian’ i Mosesy anareo, hatramin’ ny andro izay nanaovan’ i Jehovah izany didy izany ka hatramin’ ny taranakareo fara mandimby,
ko wani daga cikin umarnan da Ubangiji ya ba ku ta wurinsa, daga ranar da Ubangiji ya ba da su, har zuwa tsararraki masu zuwa,
24 koa atao tsy nahy izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr’ ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah, mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.
in kuwa aka yi haka ba da gangan ba, kuma da rashin sani, sai duk jama’a su miƙa ɗan bijimi don hadaya ta ƙonawa mai daɗin ƙanshi ga Ubangiji, tare da ƙayyadadden hadaya ta gari, da hadaya ta sha, da kuma bunsuru na hadaya don zunubi.
25 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan’ i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.
Firist kuwa zai yi kafara domin dukan jama’ar Isra’ilawa, za a kuma gafarta musu, gama ba da gangan ba ne suka aikata, kuma sun kawo wa Ubangiji hadayar da akan yi da wuta da kuma hadaya don zunubi saboda laifinsu.
26 Dia havela ny heloky ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, mbamin’ izay vahiny eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy,
Za a gafarta wa dukan jama’ar Isra’ilawa, da baƙin da suke zama a cikinsu, gama duk laifin da aka yi da rashin sani, yakan shafi dukan mutane.
27 Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota.
“‘Amma in mutum ɗaya ne kaɗai ya yi laifi ba da gangan ba, dole yă kawo akuya domin hadaya don zunubi.
28 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan’ i Jehovah, ka dia havela ny helony.
Firist zai yi kafara a gaban Ubangiji saboda mutumin nan da ya aikata laifi ba da gangan ba, in kuwa an yi kafara saboda shi, za a gafarta masa.
29 Lalàna iray ihany no hatao amin’ izay manota tsy nahy, na amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra, na amin’ ny vahiny eo aminareo.
Ƙa’ida dai za tă zama ɗaya ga duk wanda ya yi laifi ba da gangan ba, ko shi ɗan ƙasa ne, ko kuma baƙon da yake zama a cikinku.
30 Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an’ i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
“‘Amma duk wanda ya yi zunubi da gangan, ko shi ɗan ƙasa ne, ko baƙo, ya saɓi Ubangiji, dole a ware wannan mutum daga mutanensa,
31 Fa ny tenin’ i Jehovah no nohamavoiny, ary ny lalàny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ny helony dia ho aminy ihany.
gama ya rena maganar Ubangiji, ya kuma karya umarninsa. Tabbatacce za a kashe wannan mutum, alhakinsa laifinsa kuwa yana wuyansa.’”
32 Ary raha tany an-efitra ny Zanak’ Isiraely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin’ ny andro Sabata.
Yayinda Isra’ilawa suke ciki hamada, sai aka sami wani mutum yana tattara itace a ranar Asabbaci.
33 Ary izay nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin’ i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra.
Waɗanda suka gan shi, suka kawo shi wurin Musa da Haruna da dukan taro,
34 Dia nambenana ralehilahy, satria tsy mbola fantatra izay hatao aminy.
sai suka sa shi a gidan waƙafi don ba su riga sun san abin da za a yi da shi ba tukuna.
35 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan’ ny toby ny fiangonana rehetra.
Sai Ubangiji ya ce wa Musa, “Dole mutumin yă mutu. Dole dukan taron su jajjefe shi a bayan sansani.”
36 Dia namoaka azy ho eny ivelan’ ny toby ny fiangonana rehetra ka nitora-bato azy, ka maty izy, dia araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ihany.
Saboda haka taron suka ɗauke shi zuwa bayan sansani, suka kuma jajjefe shi har ya mutu, yadda Ubangiji ya umarci Musa.
37 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Ubangiji ya ce wa Musa,
38 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin’ ny fitafiany hatramin’ ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin’ ny somotraviaviny.
“Ka yi magana da Isra’ilawa, ka ce musu, ‘A dukan tsararraki masu zuwa, za ku sa tuntaye a gefen rigunarku, su sa zare mai ruwan shuɗi a bisan kowane tuntu.
39 Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin’ i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,
Tuntayen za su zama muku abin dubawa don ku riƙa tunawa da dukan umarnan Ubangiji, don kada ku bi son zuciyarku, da sha’awar idanunku yadda kuka taɓa yi.
40 mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masìna ho an’ Andriamanitrareo ianareo.
Sa’an nan za ku riƙa tuna, ku kuma aikata dukan umarnaina ku zama tsarkaka ga Allahnku.
41 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Ni ne Ubangiji Allahnku, da ya fitar da ku daga Masar, don in zama Allahnku. Ni ne Ubangiji Allahnku.’”