< Nomery 13 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy, ka nanao hoe:
Ubangiji ya ce wa Musa,
2 Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an’ ny Zanak’ Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan’ ny fireneny avy.
“Ka aiki waɗansu mutane zuwa ƙasar Kan’ana, wadda nake ba Isra’ilawa. Daga kowace kabila, ka aiki ɗaya daga cikin shugabanninta.”
3 Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin’ i Jehovah; ary samy lohan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.
Saboda haka bisa ga umarnin Ubangiji, Musa ya aike su daga Hamadan Faran. Dukansu kuwa shugabanni ne na Isra’ilawa.
4 Ary izao no anarany: Avy tamin’ ny firenen’ i Robena dia Samoa, zanak’ i Zakora;
Shugabannin kuwa su ne, Shammuwa ɗan Zakkur, daga kabilar Ruben;
5 avy tamin’ ny firenen’ i Simeona dia Safata, zanak’ i Hory;
Shafat ɗan Hori, daga kabilar Simeyon;
6 avy tamin’ ny firenen’ i Joda dia Kaleba, zanak’ i Jefone;
Kaleb ɗan Yefunne, daga kabilar Yahuda;
7 avy tamin’ ny firenen’ Isakara dia Jigala, zanak’ i Josefa;
Igal ɗan Yusuf, daga kabilar Issakar;
8 avy tamin’ ny firenen’ i Efraima dia Hosea, zanak’ i Nona;
Hosheya ɗan Nun, daga kabilar Efraim;
9 avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia Palty, zanak’ i Rafo;
daga kabilar Benyamin, Falti ɗan Rafu;
10 avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona dia Gadiela, zanak’ i Sody;
Gaddiyel ɗan Sodi, daga kabilar Zebulun;
11 avy tamin’ ny firenen’ i Josefa, tamin’ ny firenen’ i Manase, dia Gady, zanak’ i Sosy;
Gaddi ɗan Susi, daga kabilar Manasse (wata kabilar Yusuf);
12 avy tamin’ ny firenen’ i Dana dia Amiela, zanak’ i Gemaly;
Ammiyel ɗan Gemalli, daga kabilar Dan;
13 avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia Setora, zanak’ i Mikaela;
Setur ɗan Mika’ilu, daga kabilar Asher;
14 avy tamin’ ny firenen’ i Naftaly dia Naby, zanak’ i Vofsy;
Nabi ɗan Bofsi, daga kabilar Naftali;
15 avy tamin’ ny firenen’ i Gada dia Geoela, zanak’ i Maky.
Geyuwel ɗan Maki, daga kabilar Gad.
16 Ireo no anaran’ ny lehilahy izay nirahin’ i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak’ i Nona, dia nataon’ i Mosesy hoe Josoa.
Waɗannan su ne sunayen mutanen da Musa ya aika su binciki ƙasar. (Sai Musa ya ba Hosheya ɗan Nun, suna Yoshuwa.)
17 Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin’ ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin’ ny tany havoana;
Sa’ad da Musa ya aike su domin su binciki Kan’ana ya ce, “Ku haura, ku ratsa ta Negeb har zuwa ƙasar tudu.
18 dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;
Ku ga yadda ƙasar take, ku ga ko mutanen da suke zama a can ƙarfafa ne, ko raunannu, ko su kima ne, ko kuma suna da yawa.
19 ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda;
Wace irin ƙasa ce suke zama a ciki, Mai kyau ce, ko mummuna? Waɗanne irin birane ne suke zama a ciki? Suna da katanga, ko babu?
20 ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan’ ny voaloboka mialin-taona.
Yaya ƙasar take? Tana da wadata, ko babu? Akwai itatuwa, ko babu? Ku yi iya ƙoƙarinku ku ɗebo daga cikin albarkar ƙasar ku kawo.” (Lokacin farkon nunan inabi ne.)
21 Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin’ ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin’ i Hamata.
Saboda haka suka haura, suka binciki ƙasar daga Hamadan Zin har zuwa Rehob, wajen Lebo Hamat.
22 Dia niakatra tao amin’ ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan’ i Zoana any Egypta.)
Suka kuma haura ta Negeb, suka iso Hebron, inda Ahiman, da Sheshai, da Talmai, zuriyar Anak, suke zama. (An gina Hebron da shekara bakwai kafin a gina Zowan a Masar.)
23 Dia nankany amin’ ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin’ ny hazo izany; ary ny ampongabendanitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.
Da suka iso Kwarin Eshkol, sai suka yanko reshe guda na nonon inabi tare da’ya’yansa cunkus. Mutum biyu suka ɗauka shi rataye a sanda a kafaɗarsu, suka haɗa tare da rumman da kuma ɓaure.
24 Ary izany tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin’ ny Zanak’ Isiraely teo.
Sai aka kira wurin Kwarin Eshkol saboda nonon inabin da suka yi cunkus, wanda Isra’ilawa suka yanko a wurin.
25 Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.
A ƙarshen kwana arba’in sai suka komo daga bincikensu.
26 Dia nankeo amin’ i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.
Suka dawo wurin Musa, da Haruna, da dukan jama’ar Isra’ilawa, a Kadesh, a Hamadan Faran. A can suka ba da rahoton ga dukan taron da yake wurin, suka kuma nuna musu amfanin ƙasar.
27 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin’ ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.
Suka ce wa Musa, “Mun je ƙasar da ka aike mu, ƙasar tana zub da madara da zuma! Ga kuma amfaninta.
28 Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin’ ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.
Amma fa mazaunan can ɗin ƙarfafa ne, an kuma kewaye biranen da manya-manyan katanga. Mun kuma ga zuriyar Anak a can.
29 Ny Amalekita no monina eo amin’ ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron’ ny ranomasina sy eo amoron’ i Jordana.
Amalekawa suna zama a Negeb; Hittiyawa, Yebusiyawa da kuma Amoriyawa, suna zama ne a ƙasar tudu. Kan’aniyawa kuma suna zama kusa da teku da kuma a bakin Urdun.”
30 Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan’ i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
Sai Kaleb ya sa mutane suka yi shiru a gaban Musa, sai ya ce, “Ya kamata mu tafi mu mallaki ƙasar, gama lalle za mu iya cinta.”
31 Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.
Amma sauran mutanen da suka je tare da shi, suka ce, “Ba za mu iya kara da mutanen nan ba; sun fi mu ƙarfi.”
32 Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;
Sai suka yaɗa labari marar kyau ga Isra’ilawa game da ƙasar da suka binciko. Suka ce, “Ƙasar da muka ratsa cikinta domin mu leƙi asirinta, tana cinye waɗanda suke zama a cikinta. Dukan mutanen da muka gani a wurin, ƙatti ne.
33 ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin’ ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.
Mun ga Nefilimawa a can (zuriyar Anak sun fito ne daga Nefilim). Sai muka ga kanmu kamar fāra ne kawai, haka kuwa muke a gare su.”

< Nomery 13 >