< Nomery 12 >
1 Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an’ i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy.
Miriamu ndi Aaroni anayamba kuyankhula motsutsana ndi Mose chifukwa cha mkazi wa ku Kusi, popeza Moseyo anakwatira Mkusi.
2 Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan’ i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren’ i Jehovah izany.
Iwowo anafunsa kuti, “Kodi Yehova anayankhula kudzera mwa Mose yekha? Kodi sanayankhule kudzeranso mwa ife?” Ndipo Yehova anamva zimenezi.
3 Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ ny tany.
(Koma Mose anali munthu wodzichepetsa kwambiri kuposa munthu aliyense pa dziko lapansi).
4 Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin’ i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin’ ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy.
Nthawi yomweyo Yehova anati kwa Mose, Aaroni ndi Miriamu, “Bwerani ku tenti ya msonkhano nonse atatu.” Ndipo atatuwo anapitadi kumeneko.
5 Ary andri-rahona no nidinan’ i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran’ ny trano-lay Izy; dia niantso an’ i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy.
Tsono Yehova anatsika mu mtambo, nayima pa khomo la chihema. Kenaka anayitana Aaroni ndi Miriamu. Ndipo onse awiri atapita patsogolo,
6 Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin’ i Jehovah eo aminareo, dia amin’ ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin’ ny nofy no hitenenako aminy.
Mulungu anati, “Mverani mawu anga: “Pakakhala mneneri wa Yehova pakati panu, ndimadzionetsera kwa iyeyo mʼmasomphenya, ndimayankhula naye mʼmaloto.
7 Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin’ ny tranoko rehetra.
Koma sinditero ndi Mose mtumiki wanga; Iyeyu ndi wokhulupirika mʼnyumba yanga yonse.
8 Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ ny fahitana, fa tsy amin’ ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik’ i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’ i Mosesy mpanompoko?
Ndimayankhula naye maso ndi maso, momveka bwino osati mophiphiritsa; ndipo amaona maonekedwe a Yehova. Nʼchifukwa chiyani simunaope kuyankhula motsutsana ndi Mose mtumiki wanga?”
9 Dia nirehitra ny fahatezeran’ i Jehovah tamin’ izy mianadahy, ka niala Izy.
Ndipo Yehova anawakwiyira, nachoka.
10 Ary ny rahona niala tamin’ ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an’ i Miriama, ka indro fa boka izy.
Pamene mtambo unachoka pamwamba pa Chihema, taonani, Miriamu anagwidwa ndi khate. Aaroni atachewuka anaona Miriamu ali ndi khate;
11 Ary hoy Arona tamin’ i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay.
ndipo Aaroni anawuza Mose kuti, “Pepani mbuye wanga, musatilange chifukwa cha tchimo limene tachita mopusa.
12 Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy.
Musalole kuti Miriamu akhale ngati mwana wobadwa wakufa kuchoka mʼmimba mwa amayi ake, thupi lake litawonongeka.”
13 Ary Mosesy dia nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy!
Tsono Mose anafuwulira Yehova kuti, “Chonde Inu Mulungu, muchiritseni!”
14 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Raha nandrora tamin’ ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan’ ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray.
Yehova anayankha Mose kuti, “Abambo ake akanamulavulira malovu mʼmaso, kodi sakanakhala wonyozeka masiku asanu ndi awiri? Mutsekereni kunja kwa msasa masiku asanu ndi awiri, kenaka mumulowetsenso.”
15 Dia natokana tany ivelan’ ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama.
Choncho anamutsekera Miriamu kunja kwa msasa masiku asanu ndi awiri ndipo anthu sanayende ulendo wawo mpaka Miriamu atamulowetsanso.
16 Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana.
Pambuyo pake anthu ananyamuka ku Heziroti ndi kukamanga mʼchipululu cha Parani.