Aionian Verses
Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin’ ny zanako any amin’ ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy. (Sheol )
ויקמו כל בניו וכל בנתיו לנחמו וימאן להתנחם ויאמר כי ארד אל בני אבל שאלה ויבך אתו אביו׃ (Sheol ) |
Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin’ ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin’ ny fiainan-tsi-hita amin’ alahelo ny volo fotsiko. (Sheol )
ויאמר לא ירד בני עמכם כי אחיו מת והוא לבדו נשאר וקראהו אסון בדרך אשר תלכו בה והורדתם את שיבתי ביגון שאולה׃ (Sheol ) |
ary raha halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin’ ny fiainan-tsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko. (Sheol )
ולקחתם גם את זה מעם פני וקרהו אסון והורדתם את שיבתי ברעה שאלה׃ (Sheol ) |
koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin’ ny mpanomponao rainay ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita amin’ alahelo. (Sheol )
והיה כראותו כי אין הנער ומת והורידו עבדיך את שיבת עבדך אבינו ביגון שאלה׃ (Sheol ) |
Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin’ izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita’ izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an’ i Jehovah ireo lehilahy ireo. (Sheol )
ואם בריאה יברא יהוה ופצתה האדמה את פיה ובלעה אתם ואת כל אשר להם וירדו חיים שאלה וידעתם כי נאצו האנשים האלה את יהוה׃ (Sheol ) |
Dia latsaka velona ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy mbamin’ izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin’ ny fiangonana intsony izy. (Sheol )
וירדו הם וכל אשר להם חיים שאלה ותכס עליהם הארץ ויאבדו מתוך הקהל׃ (Sheol ) |
Fa arehitra ny afon’ ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin’ ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin’ ny tendrombohitra aza. (Sheol )
כי אש קדחה באפי ותיקד עד שאול תחתית ותאכל ארץ ויבלה ותלהט מוסדי הרים׃ (Sheol ) |
Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ary mampitsangana. (Sheol )
יהוה ממית ומחיה מוריד שאול ויעל׃ (Sheol ) |
Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. (Sheol )
חבלי שאול סבני קדמני מקשי מות׃ (Sheol ) |
Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin’ ny fiainan-tsi-hita amin’ ny fiadanana ny volo fotsiny. (Sheol )
ועשית כחכמתך ולא תורד שיבתו בשלם שאל׃ (Sheol ) |
Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin’ ny fandatsahan-drà no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol )
ועתה אל תנקהו כי איש חכם אתה וידעת את אשר תעשה לו והורדת את שיבתו בדם שאול׃ (Sheol ) |
Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midìna any amin’ ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony; (Sheol )
כלה ענן וילך כן יורד שאול לא יעלה׃ (Sheol ) |
Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao? (Sheol )
גבהי שמים מה תפעל עמקה משאול מה תדע׃ (Sheol ) |
Enga anie ka hanafina ahy any amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’ andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy (Sheol )
מי יתן בשאול תצפנני תסתירני עד שוב אפך תשית לי חק ותזכרני׃ (Sheol ) |
Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita fonenako ihany; Ao amin’ ny maizina no hamelarako ny fandriako. (Sheol )
אם אקוה שאול ביתי בחשך רפדתי יצועי׃ (Sheol ) |
Midìna any amin’ ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin’ ny vovoka aho. (Sheol )
בדי שאל תרדנה אם יחד על עפר נחת׃ (Sheol ) |
Mandany ny androny amin’ ny fahafinaretana izy; Amin’ ny indray mipi-maso monja no idinany any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol )
יבלו בטוב ימיהם וברגע שאול יחתו׃ (Sheol ) |
Toy ny andevonan’ ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan’ ny fiainan-tsi-hita ny mpanota. (Sheol )
ציה גם חם יגזלו מימי שלג שאול חטאו׃ (Sheol ) |
Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra. (Sheol )
ערום שאול נגדו ואין כסות לאבדון׃ (Sheol ) |
Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ ny fahafatesana, any amin’ ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? (Sheol )
כי אין במות זכרך בשאול מי יודה לך׃ (Sheol ) |
Hiverina ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an’ Andriamanitra. (Sheol )
ישובו רשעים לשאולה כל גוים שכחי אלהים׃ (Sheol ) |
Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ ny lavaka Hianao. (Sheol )
כי לא תעזב נפשי לשאול לא תתן חסידך לראות שחת׃ (Sheol ) |
Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. (Sheol )
חבלי שאול סבבוני קדמוני מוקשי מות׃ (Sheol ) |
Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan’ izay midìna any an-davaka aho. (Sheol )
יהוה העלית מן שאול נפשי חייתני מיורדי בור׃ (Sheol ) |
Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol )
יהוה אל אבושה כי קראתיך יבשו רשעים ידמו לשאול׃ (Sheol ) |
Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin’ ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin’ ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany. (Sheol )
כצאן לשאול שתו מות ירעם וירדו בם ישרים לבקר וצירם לבלות שאול מזבל לו׃ (Sheol ) |
Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita, Satria handray ahy Izy. (Sela) (Sheol )
אך אלהים יפדה נפשי מיד שאול כי יקחני סלה׃ (Sheol ) |
Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin’ ny fonenany, dia ao afovoany. (Sheol )
ישימות עלימו ירדו שאול חיים כי רעות במגורם בקרבם׃ (Sheol ) |
Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ambany indrindra. (Sheol )
כי חסדך גדול עלי והצלת נפשי משאול תחתיה׃ (Sheol ) |
Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita. (Sheol )
כי שבעה ברעות נפשי וחיי לשאול הגיעו׃ (Sheol ) |
Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon’ ny tanan’ ny fiainan-tsi-hita? (Sela) (Sheol )
מי גבר יחיה ולא יראה מות ימלט נפשו מיד שאול סלה׃ (Sheol ) |
Nihodidina tamiko ny famatoran’ ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian’ ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho. (Sheol )
אפפוני חבלי מות ומצרי שאול מצאוני צרה ויגון אמצא׃ (Sheol ) |
Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao. (Sheol )
אם אסק שמים שם אתה ואציעה שאול הנך׃ (Sheol ) |
Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol )
כמו פלח ובקע בארץ נפזרו עצמינו לפי שאול׃ (Sheol ) |
Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka; (Sheol )
נבלעם כשאול חיים ותמימים כיורדי בור׃ (Sheol ) |
Ny tongony midìna ho any amin’ ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol )
רגליה ירדות מות שאול צעדיה יתמכו׃ (Sheol ) |
Ny tranony dia lalana mankany amin’ ny fiainan-tsi-hita, Eny, midìna ho any amin’ ny efi-tranon’ ny fahafatesana. (Sheol )
דרכי שאול ביתה ירדות אל חדרי מות׃ (Sheol ) |
Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin’ ny halalin’ ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy. (Sheol )
ולא ידע כי רפאים שם בעמקי שאול קראיה׃ (Sheol ) |
Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’ i Jehovah, Koa mainka ny fon’ ny zanak’ olombelona! (Sheol )
שאול ואבדון נגד יהוה אף כי לבות בני אדם׃ (Sheol ) |
Làlan’ aina ho any ambony no alehan’ ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany, (Sheol )
ארח חיים למעלה למשכיל למען סור משאול מטה׃ (Sheol ) |
Raha mamely azy amin’ ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny. (Sheol )
אתה בשבט תכנו ונפשו משאול תציל׃ (Sheol ) |
Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan’ ny mason’ ny olona. (Sheol )
שאול ואבדה לא תשבענה ועיני האדם לא תשבענה׃ (Sheol ) |
Ny fiainan-tsi-hita; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay. (Sheol )
שאול ועצר רחם ארץ לא שבעה מים ואש לא אמרה הון׃ (Sheol ) |
Izay rehetra azon’ ny tananao atao dia ataovy amin’ ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ ny fiainan-tsi-hita izay alehanao. (Sheol )
כל אשר תמצא ידך לעשות בכחך עשה כי אין מעשה וחשבון ודעת וחכמה בשאול אשר אתה הלך שמה׃ (Sheol ) |
Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon’ i Jehovah. (Sheol )
שימני כחותם על לבך כחותם על זרועך כי עזה כמות אהבה קשה כשאול קנאה רשפיה רשפי אש שלהבתיה׃ (Sheol ) |
Koa izany no mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita Hanao teli-moka an’ i Jerosalema; Ary any no hivarinan’ ny voninahiny sy ny fihahohahony ary ny tabatabany mbamin’ izay mifalifaly ao aminy; (Sheol )
לכן הרחיבה שאול נפשה ופערה פיה לבלי חק וירד הדרה והמונה ושאונה ועלז בה׃ (Sheol ) |
Mangataha famantarana amin’ i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin’ ny lalina ambany, na ho avy amin’ ny avo ambony. (Sheol )
שאל לך אות מעם יהוה אלהיך העמק שאלה או הגבה למעלה׃ (Sheol ) |
Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin’ ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin’ ny tany; Aingainy hiala amin’ ny seza fiandrianana ny mpanjakan’ ny firenena rehetra. (Sheol )
שאול מתחת רגזה לך לקראת בואך עורר לך רפאים כל עתודי ארץ הקים מכסאותם כל מלכי גוים׃ (Sheol ) |
Efa navarina ho etỳ amin’ ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin’ ny feon’ ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao. (Sheol )
הורד שאול גאונך המית נבליך תחתיך יצע רמה ומכסיך תולעה׃ (Sheol ) |
Kanjo hampidinina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao. (Sheol )
אך אל שאול תורד אל ירכתי בור׃ (Sheol ) |
Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin’ ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ ny fiainan-tsi-hita ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena, (Sheol )
כי אמרתם כרתנו ברית את מות ועם שאול עשינו חזה שיט שוטף כי עבר לא יבואנו כי שמנו כזב מחסנו ובשקר נסתרנו׃ (Sheol ) |
Hofoanana ny fanekenareo amin’ ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin’ ny fiainan-tsi-hita raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo. (Sheol )
וכפר בריתכם את מות וחזותכם את שאול לא תקום שוט שוטף כי יעבר והייתם לו למרמס׃ (Sheol ) |
Hoy izaho: Amin’ izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin’ ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita; nesorina tamiko ny androko sisa. (Sheol )
אני אמרתי בדמי ימי אלכה בשערי שאול פקדתי יתר שנותי׃ (Sheol ) |
Fa ny fiainan-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midìna any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. (Sheol )
כי לא שאול תודך מות יהללך לא ישברו יורדי בור אל אמתך׃ (Sheol ) |
Dia nivezivezy nankany amin’ ny mpanjaka ianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao. (Sheol )
ותשרי למלך בשמן ותרבי רקחיך ותשלחי צריך עד מרחק ותשפילי עד שאול׃ (Sheol ) |
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ ny andro nidinany ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha. (Sheol )
כה אמר אדני יהוה ביום רדתו שאולה האבלתי כסתי עליו את תהום ואמנע נהרותיה ויכלאו מים רבים ואקדר עליו לבנון וכל עצי השדה עליו עלפה׃ (Sheol ) |
Tamin’ ny fiezinezin’ ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman’ izay midìna any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin’ ny tany, (Sheol )
מקול מפלתו הרעשתי גוים בהורדי אתו שאולה את יורדי בור וינחמו בארץ תחתית כל עצי עדן מבחר וטוב לבנון כל שתי מים׃ (Sheol ) |
Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita, ho any amin’ izay voatrabaky ny sabatra, mbamin’ ireo izay efa sandriny teo, ka nipetraka teo ambanin’ ny alokalony teo amin’ ny firenena. (Sheol )
גם הם אתו ירדו שאלה אל חללי חרב וזרעו ישבו בצלו בתוך גוים׃ (Sheol ) |
Izy sy ny nanampy azy no resahin’ ireo malaza amin’ ny lehilahy mahery any amin’ ny fiainan-tsi-hita manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra. (Sheol )
ידברו לו אלי גבורים מתוך שאול את עזריו ירדו שכבו הערלים חללי חרב׃ (Sheol ) |
Ary tsy hiara-miampatra amin’ ny lehilahy mahery izay lavo isan’ ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin’ ny fiainan-tsi-hita ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin’ ny lohany ny sabany. Ary ao amin’ ny taolany ny helony, satria nampahatahotra ny mahery tany amin’ ny tanin’ ny velona izy. (Sheol )
ולא ישכבו את גבורים נפלים מערלים אשר ירדו שאול בכלי מלחמתם ויתנו את חרבותם תחת ראשיהם ותהי עונתם על עצמותם כי חתית גבורים בארץ חיים׃ (Sheol ) |
Havotako tsy ho azon’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita izy; Hovonjeko ho afaka amin’ ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan’ ny masoko ny nenina. (Sheol )
מיד שאול אפדם ממות אגאלם אהי דבריך מות אהי קטבך שאול נחם יסתר מעיני׃ (Sheol ) |
Na dia mibosesika ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita aza izy, dia any no hanalan’ ny tanako azy; Ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy. (Sheol )
אם יחתרו בשאול משם ידי תקחם ואם יעלו השמים משם אורידם׃ (Sheol ) |
ka nanao hoe: Niantso an’ i Jehovah tamin’ ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin’ ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao. (Sheol )
ויאמר קראתי מצרה לי אל יהוה ויענני מבטן שאול שועתי שמעת קולי׃ (Sheol ) |
Ary koa, mamitaka ny divay; Ny olona miavonavona tsy mba mahatoetra, Dia ilay mitanatana vava tahaka ny fiainan-tsi-hita, Eny, toy ny fahafatesana, ka tsy mety voky, Fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy Sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy. (Sheol )
ואף כי היין בוגד גבר יהיר ולא ינוה אשר הרחיב כשאול נפשו והוא כמות ולא ישבע ויאסף אליו כל הגוים ויקבץ אליו כל העמים׃ (Sheol ) |
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin’ ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin’ ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin’ ny helo mirehitra afo. (Geenna )
אבל אני אמר לכם כל אשר יקצף על אחיו חנם מחיב הוא לבית דין ואשר יאמר אל אחיו רקא מחיב הוא לסנהדרין ואשר יאמר אתה הנבל מחיב לאש גיהנם׃ (Geenna ) |
Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin’ ny helo. (Geenna )
ואם תכשילך עין ימינך נקר אותה והשלך ממך כי טוב לך אשר יאבד אחד מאבריך מרדת כל גופך אל גיהנם׃ (Geenna ) |
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin’ ny helo. (Geenna )
ואם ידך הימנית תכשילך קצץ אותה והשלך ממך כי טוב לך אשר יאבד אחד מאבריך מרדת כל גופך אל גיהנם׃ (Geenna ) |
Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ ny helo. (Geenna )
ואל תיראי מן ההרגים את הגוף ואת הנפש לא יוכלו להרג אך תיראו את אשר יוכל לאבד גם את הנפש גם את הגוף בגיהנם׃ (Geenna ) |
Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. (Hadēs )
ואת כפר נחום המרוממה עד השמים עד שאול תורדי כי הגבורות אשר נעשו בתוכך לו בסדום נעשו כי עתה עמדה על תלה עד היום הזה׃ (Hadēs ) |
Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak’ olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masìna, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’ izao fiainana izao, na amin’ ny ho avy. (aiōn )
וכל אשר ידבר דבר חרפה על בן האדם יסלח לו והמחרף את רוח הקדש לא יסלח לו לא בעולם הזה ולא בעולם הבא׃ (aiōn ) |
Ary ilay nafafy teny amin’ ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy. (aiōn )
והנזרע בין הקצים הוא השמע את הדבר ודאגת העולם הזה ומרמת העשר ימעכו את הדבר ופרי לא יהיה לו׃ (aiōn ) |
ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan’ izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely. (aiōn )
והאיב אשר זרעם הוא השטן והקציר הוא קץ העולם והקצרים הם המלאכים׃ (aiōn ) |
Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin’ ny afo, dia toy izany no hatao amin’ ny fahataperan’ izao tontolo izao. (aiōn )
והנה כאשר ילקטו הזונין ונשרפו באש כן יהיה בקץ העולם הזה׃ (aiōn ) |
Dia tahaka izany no hatao amin’ ny fahataperan’ izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ ny marina, (aiōn )
כן יהיה בקץ העולם יצאו המלאכים והבדילו את הרשעים מתוך הצדיקים׃ (aiōn ) |
Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin’ ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. (Hadēs )
ואף אני אמר אליך כי אתה פטרוס ועל הסלע הזה אבנה את קהלתי ושערי שאול לא יגברו עליה׃ (Hadēs ) |
Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin’ ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin’ ny afo maharitra mandrakizay. (aiōnios )
ואם תכשילך ידך או רגלך קצץ אותה והשלך ממך טוב לך לבוא לחיים פסח או קטע מהיות לך שתי ידים או שתי רגלים ותשלך אל אש עולם׃ (aiōnios ) |
Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ ny helo mirehitra afo. (Geenna )
ואם עינך תכשליך נקר אותה והשלך ממך טוב לך לבוא לחיים בעין אחת מהיות לך שתי עינים ותשלך אל אש גיהנם׃ (Geenna ) |
Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay? (aiōnios )
והנה איש נגש אליו ויאמר רבי הטוב אי זה הטוב אשר אעשנו לקנות חיי עולמים׃ (aiōnios ) |
Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay. (aiōnios )
וכל איש אשר עזב את בתיו ואת אחיו ואת אחיותיו ואת אביו ואת אמו ואת אשתו ואת בניו ואת שדותיו למען שמי הוא יקח מאה שערים וחיי עולמים יירש׃ (aiōnios ) |
Ary nahita hazo aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy. (aiōn )
וירא תאנה אחת על הדרך ויקרב אליה ולא מצא בה מאומה מלבד העלים ויאמר אליה מעתה לא יהיה ממך פרי עד עולם ותיבש התאנה פתאם׃ (aiōn ) |
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza. (Geenna )
אוי לכם הסופרים והפרושים החנפים כי סובבים אתם בים וביבשה למען גיר גר אחד וכי יתגיר תעשו אותו לבן גיהנם כפלים יותר מכם׃ (Geenna ) |
Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ ny helo? (Geenna )
נחשים אתם ילדי הצפעונים איכה תמלטו מדין גיהנם׃ (Geenna ) |
Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan’ izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’ izao tontolo izao. (aiōn )
וישב על הר הזיתים ויגשו אליו התלמידים לבדם ויאמרו אמר נא לנו מתי תהיה זאת ומה הוא אות בואך ואות קץ העולם׃ (aiōn ) |
Ary dia hilaza indray amin’ izay eo amin’ ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin’ ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ ny devoly sy ny anjeliny; (aiōnios )
ואז יאמר גם אל הנצבים לשמאלו לכו מעלי אתם הארורים אל אש עולם המוכנה לשטן ולמלאכיו׃ (aiōnios ) |
Ary ireo dia hiala ho any amin’ ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ ny fiainana mandrakizay. (aiōnios )
וילכו אלה למעצבת עולם והצדיקים לחיי עולם׃ (aiōnios ) |
sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao. (aiōn )
ולמדתם אתם לשמר את כל אשר צויתי אתכם והנה אנכי אתכם כל הימים עד קץ העולם אמן׃ (aiōn ) |
fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masìna kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin’ ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, (aiōn , aiōnios )
אך המגדף את רוח הקדש אין לו סליחה לעולם כי יאשם בעונו לנצח׃ (aiōn , aiōnios ) |
fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy. (aiōn )
ודאגות העולם הזה ומרמת העשר ותאות שאר הדברים באות וממעכות את הדבר ופרי לא יהיה לו׃ (aiōn ) |
Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ ny helo, dia any amin’ ny afo tsy azo vonoina. (Geenna )
ואם ידך תכשילך קצץ אתה טוב לך לבוא קטע לחיים מהיות לך שתי ידים ותלך אל גיהנם אל האש אשר לא תכבה׃ (Geenna ) |
Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin’ ny helo. (Geenna )
ואם רגלך תכשילך קצץ אתה טוב לך לבוא פסח לחיים מהיות לך שתי רגלים ותשלך לגיהנם אל האש אשר לא תכבה׃ (Geenna ) |
Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ ny helo; (Geenna )
ואם עינך תכשילך עקר אתה טוב לך לבוא אל מלכות האלהים בעין אחת מהיות לך שתי עינים ותשלך לגיהנם׃ (Geenna ) |
Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? (aiōnios )
ויהי בצאתו לדרך והנה איש רץ אליו ויכרע לפניו וישאל אותו רבי הטוב מה אעשה ואירש חיי עולם׃ (aiōnios ) |
ka tsy handray zato heny amin’ izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ ny fanenjehana-ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. (aiōn , aiōnios )
אשר לא יקח עתה בזמן הזה בכל הרדיפות מאה פעמים כהמה בתים ואחים ואחיות ואמות ובנים ושדות ובעולם הבא חיי עולמים׃ (aiōn , aiōnios ) |
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay. Ary ny mpianany nahare izany. (aiōn )
ויען ויאמר אליה מעתה איש אל יאכל פרי ממך עד עולם וישמעו תלמידיו׃ (aiōn ) |
ary hanjaka amin’ ny taranak’ i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana. (aiōn )
ועל בית יעקב ימלך לעולם ועד ולמלכותו אין קץ׃ (aiōn ) |
(Araka ny voalazany tamin’ ny razantsika), tamin’ i Abrahama sy ny taranany mandrakizay. (aiōn )
כאשר דבר אל אבותינו לאברהם ולזרעו עד עולם׃ (aiōn ) |
(Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masìna hatramin’ ny fahagola), (aiōn )
כאשר דבר בפי נביאיו הקדושים אשר מעולם׃ (aiōn ) |
Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin’ ny lavaka tsy hita noanoa. (Abyssos )
ויתחנן לו לבלתי צות אתם לרדת אל התהום׃ (Abyssos ) |
Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao. (Hadēs )
ואת כפר נחום אשר עד השמים התרוממת אל שאול תורדי׃ (Hadēs ) |
Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’ i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? (aiōnios )
והנה אחד מבעלי התורה קם לנסותו ויאמר מורה מה אעשה ואירש חיי עולם׃ (aiōnios ) |
Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin’ ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy. (Geenna )
אבל אורה אתכם את אשר תיראו יראו את אשר יש לו שלטן אחרי המיתו להשליך אל גיהנם הן אני אמר לכם אותו תיראון׃ (Geenna ) |
Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak’ izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin’ ny karazany noho ny zanaky ny mazava. (aiōn )
וישבח האדון את פקיד העולה על אשר הערים לעשות כי בני העולם הזה ערומים הם בדורם מבני האור׃ (aiōn ) |
Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ ireo ho any amin’ ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany. (aiōnios )
וגם אני אמר לכם עשו לכם אהבים בממון העולה למען בעת כלתו יאספו אתכם אל משכנות עולם׃ (aiōnios ) |
ary raha nijaly tao amin’ ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an’ i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany. (Hadēs )
ובהיותו במכאבות בשאול וישא את עיניו וירא את אברהם מרחוק ואת לעזר בחיקו׃ (Hadēs ) |
Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? (aiōnios )
וישאלהו קצין אחד לאמר רבי הטוב מה לי לעשות ואירש חיי עולמים׃ (aiōnios ) |
izay tsy handray be lavitra amin’ izao andro ankehitriny izao, ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. (aiōn , aiōnios )
ולא יקח תחתיהם כפלים הרבה בעולם הזה ובעולם הבא חיי עולמים׃ (aiōn , aiōnios ) |
Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak’ izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina; (aiōn )
ויען ישוע ויאמר אליהם בני העולם הזה ישאו נשים ותנשאנה׃ (aiōn ) |
fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina; (aiōn )
והזכים לנחל את העולם הבא ואת תחית המתים לא ישאו נשים ולא תנשאנה׃ (aiōn ) |
mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. (aiōnios )
למען לא יאבד כל המאמין בו כי אם יחיה חיי עולמים׃ (aiōnios ) |
Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. (aiōnios )
כי ככה אהב האלהים את העולם עד אשר נתן את בנו את יחידו למען לא יאבד כל המאמין בו כי אם יחיה חיי עולמים׃ (aiōnios ) |
Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’ Andriamanitra no mitoetra eo aminy. (aiōnios )
כל המאמין בבן יש לו חיי עולמים ואשר לא יאמין בבן לא יראה חיים כי אם חרון אלהים ישכן עליו׃ (aiōnios ) |
fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. (aiōn , aiōnios )
ואשר ישתה מן המים אשר אנכי נתן לו לא יצמא לעולם כי המים אשר אתן לו יהיו בקרבו למקור מים נבעים לחיי העולמים׃ (aiōn , aiōnios ) |
Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. (aiōnios )
והקוצר יקח שכרו ויאסף תבואה לחיי עולמים למען ישמחו יחדו גם הזרע גם הקוצר׃ (aiōnios ) |
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana izy. (aiōnios )
אמן אמן אני אמר לכם השמע דברי ומאמין לשלחי יש לו חיי עולמים ולא יבא במשפט כי עבר ממות לחיים׃ (aiōnios ) |
Dinihinareo ny Soratra Masìna, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. (aiōnios )
דרשו בכתובים אשר תחשבו שיש לכם חיי עולמים בהם והמה המעידים עלי׃ (aiōnios ) |
Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ ny Zanak’ olona anareo; fa Izy no nasian’ Andriamanitra Ray tombo-kase. (aiōnios )
אל תעמלו במאכל אשר יאבד כי אם במאכל הקים לחיי עולמים אשר בן האדם יתננו לכם כי בו חתם חותמו אביו האלהים׃ (aiōnios ) |
Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany. (aiōnios )
וזה רצון שלחי אשר כל הראה את הבן ומאמין בו יהיו לו חיי עולמים ואני אקימנו ביום האחרון׃ (aiōnios ) |
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay. (aiōnios )
אמן אמן אני אמר לכם המאמין בי לו חיי עולמים׃ (aiōnios ) |
Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’ izao tontolo izao. (aiōn )
אנכי הלחם החי הירד מן השמים איש כי יאכל מן הלחם הזה יחיה לעולם והלחם אשר אתננו הוא בשרי אשר אני נתן בעד חיי העולם׃ (aiōn ) |
Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany. (aiōnios )
האכל את בשרי והשתה את דמי יש לו חיי עולמים ואני אקימנו ביום האחרון׃ (aiōnios ) |
Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay. (aiōn )
זה הוא הלחם הירד מן השמים לא כאשר אכלו אבותיכם את המן וימתו האכל את הלחם הזה יחיה לעולם׃ (aiōn ) |
Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’ iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ ny fiainana mandrakizay. (aiōnios )
ויען אתו שמעון פטרוס אדני אל מי נלך דברי חיי עולמים עמך׃ (aiōnios ) |
Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva. (aiōn )
והעבד לא ישכן בבית לעולם הבן ישכן לעולם׃ (aiōn ) |
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay. (aiōn )
אמן אמן אני אמר לכם אם ישמר איש את דברי לא יראה מות לנצח׃ (aiōn ) |
Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay. (aiōn )
ויאמרו אליו היהודים עתה ידענו כי שד בך הן אברהם והנביאים מתו ואתה אמרת אם ישמר איש את דברי לא יטעם מות לנצח׃ (aiōn ) |
Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason’ izay teraka jamba. (aiōn )
מעולם לא נשמע כי פקח איש עיני עור מרחם׃ (aiōn ) |
ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ ny tanako. (aiōn , aiōnios )
ואני אתן להן חיי עולמים ולא תאבדנה לנצח ואיש לא יחטף אתהן מידי׃ (aiōn , aiōnios ) |
Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? (aiōn )
וכל החי אשר יאמין בי לא ימות לעולם התאמיני זאת׃ (aiōn ) |
Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’ izao fiainana izao no hiaro izany ho amin’ ny fiainana mandrakizay. (aiōnios )
האהב את נפשו יאבדנה והשנא את נפשו בעולם הזה ינצרה לחיי נצח׃ (aiōnios ) |
Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin’ ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’ olona? Iza moa izany Zanak’ olona izany? (aiōn )
ויענו אתו העם ויאמרו הנה שמענו בתורה כי המשיח יכון לעולם ואיך אמרת כי בן האדם צריך להנשא ומי בן האדם הלזה׃ (aiōn ) |
Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain’ ny Ray tamiko. (aiōnios )
ואני ידעתי כי מצותו חיי עולם לכן כל אשר אדבר כאשר אמר אלי אבי כן אני מדבר׃ (aiōnios ) |
Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko. (aiōn )
ויאמר אליו פטרוס לעולם לא תרחץ את רגלי ויען ישוע אם לא ארחץ אתך אין לך חלק עמי׃ (aiōn ) |
Ary Izaho hangataka amin’ ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, (aiōn )
ואני אשאלה מאבי והוא יתן לכם פרקליט אחר אשר ישכן אתכם לנצח׃ (aiōn ) |
araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’ izay rehetra nomenao Azy. (aiōnios )
כאשר נתת לו השלטן על כל בשר למען יתן חיי עולמים לכל אשר נתת לו׃ (aiōnios ) |
Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. (aiōnios )
ואלה הם חיי העולמים לדעת אתך אשר אתה לבדך אל אמת ואת ישוע המשיח אשר שלחת׃ (aiōnios ) |
Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; (Hadēs )
כי לא תעזב נפשי לשאול לא תתן חסידך לראות שחת׃ (Hadēs ) |
koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan’ i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. (Hadēs )
לכן בחזותו מראש דבר על תקומת המשיח כי לא נעזבה נפשו לשאול וגם בשרו לא ראה שחת׃ (Hadēs ) |
Ilay tsy maintsy horaisin’ ny lanitra mandra-pihavin’ ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’ Andriamanitra ny mpaminaniny masìna hatramin’ ny voalohany indrindra. (aiōn )
אשר צריך כי יקבלהו השמים עד ימי שוב כל הדברים לתקונם אשר דבר עליהם האלהים בפי נביאיו הקדושים מימי עולם׃ (aiōn ) |
Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin’ ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’ Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin’ ny jentilisa izahay; (aiōnios )
אז הגידו פולוס ובר נבא על פניהם לאמר בדין היה להשמיע אתכם בראשונה את דבר האלהים ועתה אחרי אשר מאסתם אותו ואינכם זכים בעיניכם לחיי העולם לכן הננו פנים אל הגוים׃ (aiōnios ) |
Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin’ Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin’ ny fiainana mandrakizay dia nino. (aiōnios )
וישמחו הגוים כשמעם ויהללו את דבר יהוה ויאמינו כל אשר היו מוכנים לחיי עולם׃ (aiōnios ) |
Izay manao izany zavatra fantatra hatramin’ ny voalohany indrindra izany. (aiōn )
נודעים לאלהים מעולם כל מעשיו׃ (aiōn ) |
Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’ Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo; (aïdios )
כי מהותו הנעלמה היא כחו הנצחי ואלהותו מעת נברא העולם תודע במעשים ותראה לבלתי היות להם להתנצל׃ (aïdios ) |
ary ny fahamarinan’ Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena. (aiōn )
אשר המירו אמת האלהים בכזב ויכבדו ויעבדו את הבריה תחת בראה המברך לעולמים אמן׃ (aiōn ) |
ho an’ izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay; (aiōnios )
למתמידים בעשות הטוב ומבקשים את הכבוד וההדר ואת אשר איננו עבד יתן את חיי העולמים׃ (aiōnios ) |
mba ho tahaka ny nanjakan’ ny ota tao amin’ ny fahafatesana no hanjakan’ ny fahasoavana kosa amin’ ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. (aiōnios )
למען כאשר מלך החטא במות ככה ימלך גם החסד על ידי הצדקה לחיי עולם בישוע המשיח אדנינו׃ (aiōnios ) |
Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin’ ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon’ Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin’ ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. (aiōnios )
אכן עתה בהיותכם משחררים מידי החטא ומשעבדים לאלהים יש לכם פריכם לקדשה ואחריתו חיי עולם׃ (aiōnios ) |
Fa fahafatesana no tambin’ ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika. (aiōnios )
כי שכר החטא הוא המות ומתנת חסד אלהים היא חיי העולם במשיח ישוע אדנינו׃ (aiōnios ) |
azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin’ izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena. (aiōn )
ולהם האבות ואשר מהם יצא המשיח לפי בשרו אשר הוא אל על הכל מברך לעולמים אמן׃ (aiōn ) |
na: Iza no hidina any amin’ ny lalina? (dia ny hampiakatra an’ i Kristy avy any amin’ ny maty izany.) (Abyssos )
או מי ירד לתהום זאת היא להעלות את המשיח מן המתים׃ (Abyssos ) |
Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin’ ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin’ izy rehetra. (eleēsē )
כי האלהים הסגיר את כלם ביד המרי למען יחן את כלם׃ (eleēsē ) |
Fa Izy no nihavian’ izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena. (aiōn )
הלא הכל ממנו והכל בו והכל אליו אשר לו הכבוד לעולמים אמן׃ (aiōn ) |
Ary aza manaraka ny fanaon’ izao tontolo izao; fa miovà amin’ ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. (aiōn )
ואל תשתוו לעולם הזה כי אם התחלפו בהתחדש דעתכם למען תבחנו לדעת מה הוא רצון האלהים הטוב והחמד והשלם׃ (aiōn ) |
Ary ho an’ izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an’ i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola, (aiōnios )
ולאשר יכל לחזק אתכם כבשורתי וכקריאת ישוע המשיח כפי גלוי הסוד אשר היה מכסה מימות עולם׃ (aiōnios ) |
fa efa naseho ankehitriny tamin’ izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’ Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin’ ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana, (aiōnios )
ועתה נתפרסם ונודע על ידי כתבי הנביאים כמצות אלהי עולם לכל הגוים להביאם למשמעת האמונה׃ (aiōnios ) |
ho an’ Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn )
לאלהים החכם לבדו לו הכבוד בישוע המשיח לעולמים אמן׃ (aiōn ) |
Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’ izao tontolo izao? Tsy nampodin’ Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’ izao tontolo izao? (aiōn )
איה חכם איה ספר איה דרש העולם הזה הלא סכל האלהים את חכמת העולם הזה׃ (aiōn ) |
Anefa milaza fahendrena amin’ ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren’ izao tontolo izao, na ny an’ ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona; (aiōn )
אכן חכמה נדבר בין השלמים לא חכמת העולם הזה גם לא של שרי העולם הזה אשר יאבדו׃ (aiōn ) |
fa milaza ny fahendren’ Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’ Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ ny nanaovana izao tontolo izao; (aiōn )
כי אם בסוד נדבר חכמת האלהים הנסתרה אשר האלהים יעדה לכבודנו לפני ימי העולם׃ (aiōn ) |
ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana ny Tompon’ ny voninahitra. (aiōn )
אשר לא ידעה איש משרי העולם הזה כי לו ידעוה לא צלבו את אדון הכבוד׃ (aiōn ) |
Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin’ izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry. (aiōn )
אל ירמה איש את עצמו והחשב את עצמו חכם בעולם הזה יהי לסכל למען יחכם׃ (aiōn ) |
Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko. (aiōn )
על כן אם מאכלי מכשיל את אחי לא אכל בשר לעולם למען לא אכשיל את אחי׃ (aiōn ) |
Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ ny faran’ izao tontolo izao. (aiōn )
כל זאת מצאתם להיות למופת ותכתב למוסר לנו אשר הגיעו אלינו קצי העולמים׃ (aiōn ) |
Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hadēs )
איה עקצף המות איה שאול בצחונך׃ (Hadēs ) |
izay nohajambain’ ny andriamanitr’ izao tontolo izao, dia ny sain’ ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny filazantsaran’ ny voninahitr’ i Kristy, Izay endrik’ Andriamanitra. (aiōn )
אשר אלהי העולם הזה עור בהם את דעות הסוררים לבלתי זרח להם נגה בשורת כבוד המשיח אשר הוא צלם האלהים׃ (aiōn ) |
Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay, (aiōnios )
כי לחצנו אשר הוא קל ואך לרגע יביא לנו כבוד עולמים גדול ורב עד למאד׃ (aiōnios ) |
raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay. (aiōnios )
אשר לא נביט אל הדברים הנראים כי אם אל אשר אינם נראים כי הנראים לשעה המה ואשר אינם נראים הם לעולם׃ (aiōnios ) |
Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr’ Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra. (aiōnios )
הן ידענו כי בהרס בית אהלנו אשר בארץ יש לנו בנין מאת האלהים בית אשר איננו מעשה ידים והוא לעולם בשמים׃ (aiōnios ) |
araka ny voasoratra hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay. (aiōn )
ככתוב פזר נתן לאביונים צדקתו עמדת לעד׃ (aiōn ) |
Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho. (aiōn )
האלהים אבי ישוע המשיח אדנינו המברך לעולמי עולמים הוא ידע כי לא אשקר׃ (aiōn ) |
Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’ izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’ Andriamanitra Raintsika; (aiōn )
אשר נתן את נפשו בעד חטאתינו לחלצנו מן העולם הרע הזה כרצון אלהינו אבינו׃ (aiōn ) |
ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn )
אשר לו הכבוד לעולמי עולמים אמן׃ (aiōn ) |
Fa izay mamafy ho an’ ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ ny nofo; ary izay mamafy ho an’ ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ ny Fanahy. (aiōnios )
הזרע בבשרו יקצר כליון משברו והזרע ברוח יקצר מן הרוח חיי עולם׃ (aiōnios ) |
ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’ izao fiainana izao ihany, fa amin’ ny ho avy koa, (aiōn )
ממעל לכל שררה ושלטן וגבורה וממשלה וכל הנקרא בשם לא לבד בעולם הזה כי אם גם בעולם הבא׃ (aiōn ) |
izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’ izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana; (aiōn )
אשר התהלכתם בהם לפי דור העולם הזה כרצון שר ממשלת האויר והוא הרוח הפעל כעת בבני המרי׃ (aiōn ) |
mba hasehony amin’ ny andro ho avy ny haben’ ny haren’ ny fahasoavany amin’ ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’ i Kristy Jesosy. (aiōn )
להראות בדרות הבאים את גדלת עשר חסדו בטובתו עלינו במשיח ישוע׃ (aiōn ) |
ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao tao amin’ Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra; (aiōn )
ולהאיר עיני כל מה היא הנהגת הסוד הנסתר מדרת עולם באלהים יוצר הכל על ידי ישוע המשיח׃ (aiōn ) |
araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika, (aiōn )
על פי עצת עולמים אשר יעץ במשיח ישוע אדנינו׃ (aiōn ) |
ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ ny fiangonana sy ao amin’ i Kristy Jesosy hatramin’ ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn )
לו הכבוד בקרב הקהל במשיח ישוע לדר ודר עד עולמי עולמים אמן׃ (aiōn ) |
Fa isika tsy mitolona amin’ ny nofo aman-drà, fa amin’ ny fanapahana sy amin’ ny fanjakana sy amin’ ny mpanjakan’ izao fahamaizinana izao, dia amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra. (aiōn )
כי לא עם בשר ודם מלחמתנו כי עם שרים ושליטים עם המשלים בחשכת העולם הזה עם הרוחות הרעות אשר במרומים׃ (aiōn ) |
Ary ho an’ Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn )
ולאלהים אבינו הכבוד לעולמי עולמים אמן׃ (aiōn ) |
dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin’ ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin’ ny olony masìna, (aiōn )
את הסוד אשר היה נסתר מעולמים ומדור ודור ועתה נגלה לקדושיו׃ (aiōn ) |
dia olona izay hiharan’ ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny, (aiōnios )
אשר ישאו משפט אבדן עולם מאת פני האדון ומהדר גאונו׃ (aiōnios ) |
Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ ny fahasoavana, (aiōnios )
והוא אדנינו ישוע המשיח ואלהינו אבינו אשר אהב אתנו ויתן לנו בחסדו נחמת עולם ותקוה טובה׃ (aiōnios ) |
Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon’ i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an’ izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay. (aiōnios )
ובעבור זאת רחמתי למען אשר יראה ישוע המשיח בי בראשונה את כל ארך רוחו להיותי למופת לכל אשר יבאו להאמין בו לחיי עולם׃ (aiōnios ) |
Ary ho an’ ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’ Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn )
ולמלך עולמים לאלהים הקים לעד והנעלם מעין והחכם לבדו לו הכבוד וההדר לעולמי עולמים אמן׃ (aiōn ) |
Miadia ny ady tsaran’ ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’ izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ ny vavolombelona maro. (aiōnios )
הלחם המלחמה הטובה של האמונה ואחז חיי עולמים אשר נקראת להם והודית הודאה יפה בפני עדים רבים׃ (aiōnios ) |
Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin’ ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’ olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena. (aiōnios )
אשר הוא לבדו חי וקים והוא הדר באור נשגב ואיש לא ראהו ולא יוכל לראונו ולו הכבוד וגבורת עולמים אמן׃ (aiōnios ) |
Anaro ny mpanankarena amin’ izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, (aiōn )
את עשירי העולם הזה תצוה שלא ירום לבבם גם לא יבטחו בעשר הבוגד כי אם באלהים חיים המספיק לנו די והותר לשבע׃ (aiōn ) |
Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ ny fiantsoana masìna, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin’ i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola; (aiōnios )
אשר הוא הושיענו וקראנו בקריאה קדושה לא לפי מעשינו כי אם לפי עצתו וחסדו הנתן לנו במשיח ישוע לפני ימות עולם׃ (aiōnios ) |
Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ ny olom-boafidy, mba hahazoan’ ireny koa famonjena, dia izay ao amin’ i Kristy Jesosy, mbamin’ ny voninahitra mandrakizay. (aiōnios )
ועל כן אסבל את כל למען הבחירים למען ישיגו גם המה את התשועה במשיח ישוע עם כבוד עולמים׃ (aiōnios ) |
fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia. (aiōn )
כי דימס עזבני באהבתו את העולם הזה וילך לו לתסלוניקי וקריסקיס הלך לגלטיא וטיטוס לדלמטיא׃ (aiōn ) |
Ary ny Tompo hanafaka ahy amin’ ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn )
ויצילני האדון מכל מעשה רע ויושיעני אל מלכותו שבשמים לו הכבוד לעולמי עולמים אמן׃ (aiōn ) |
amin’ ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’ Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola; (aiōnios )
עלי תקות חיי העולם אשר הבטיח לפני ימות עולם האל אשר לא ישקר׃ (aiōnios ) |
mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’ Andriamanitra sy ny filan’ izao tontolo izao ary ho velona amin’ ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ izao fiainana ankehitriny izao, (aiōn )
וליסר אתנו אשר נתעב הרשע ותאות העולם ונחיה בעולם הזה בצניעות ובצדק ובחסידות׃ (aiōn ) |
mba hohamarinina amin’ ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay. (aiōnios )
למען נצדק בחסדו ונירש לפי התקוה את חיי העולמים׃ (aiōnios ) |
Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, (aiōnios )
כי אולי נפרד ממך לשעה בעבור אשר יהיה לך לעולם׃ (aiōnios ) |
dia amin’ izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, (aiōn )
אשר נתנו ליורש כל וגם עשה בידו את העולמות׃ (aiōn ) |
Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: “Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao; (aiōn )
אך על הבן אמר כסאך אלהים עולם ועד שבט מישר שבט מלכותך׃ (aiōn ) |
ary toy ny lazainy eo amin’ ny teny hafa koa hoe: “Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka”. (aiōn )
כמו שאמר גם במקום אחר אתה כהן לעולם על דברתי מלכי צדק׃ (aiōn ) |
ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ ny famonjena mandrakizay ho an’ izay rehetra manaraka Azy, (aiōnios )
ואחרי אשר השלם היה ממציא תשועת עולמים לכל שמעיו׃ (aiōnios ) |
ary fampianarana ny amin’ ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan’ ny maty sy ny fitsarana mandrakizay. (aiōnios )
ותורת הטבילות וסמיכת ידים ותחית המתים והדין הנצחי׃ (aiōnios ) |
ary efa nanandrana ny teny tsaran’ Andriamanitra sy ny herin’ ny fiainana ho avy, (aiōn )
וטעמו את דבר אלהים הטוב וכחות העולם הבא וימעלו מעל׃ (aiōn ) |
tany no nidiran’ i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe “mandrakizay araka ny fanaon’ i Melkizedeka” Izy. (aiōn )
אשר בא שמה ישוע העבר לפנינו ויהי כהן גדול לעולם על דברתי מלכי צדק׃ (aiōn ) |
Fa Izy dia nambara hoe: “Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka”. (aiōn )
כי העיד עליו אתה כהן לעולם על דברתי מלכי צדק׃ (aiōn ) |
― fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin’ ny fianianana, fa Ity tamin’ ny fianianana nataon’ ilay nilaza taminy hoe: “Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay” (aiōn )
כי המה נתכהנו בלי שבועה וזה בשבועה על ידי האמר לו נשבע יהוה ולא ינחם אתה כהן לעולם על דברתי מלכי צדק׃ (aiōn ) |
fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy; (aiōn )
אבל זה בעמדו לעולם יש לו כהנה אשר לא תעבר ממנו׃ (aiōn ) |
Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin’ ny fianianana kosa, izay tato aorian’ ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay. (aiōn )
כי התורה העמידה לכהנים גדולים בני אדם חלשים אבל דבר השבועה הבאה אחרי התורה העמיד את הבן המשלם לעולם׃ (aiōn ) |
ary tsy mba nitondra ran’ osilahy sy ran-janak’ omby Izy, fa ny ran’ ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ ny fitoerana masìna ka nahazo fanavotana mandrakizay. (aiōnios )
גם לא בא בדם שעירים ועגלים אלא בדם נפשו בא בפעם אחת אל הקדש פנימה וימצא גאלת עולם׃ (aiōnios ) |
mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’ Andriamanitra, tamin’ ny alalan’ ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ ny asa maty mba hanompoanareo an’ Andriamanitra velona. (aiōnios )
אף כי דם המשיח אשר הקריב את עצמו לאלהים ברוח נצחי ובלי מום יטהר לבבכם ממעשי מות לעבד את אלהים חיים׃ (aiōnios ) |
Ary noho izany dia Mpanalalana amin’ izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ ny fahotana natao tamin’ ny fanekena voalohany, mba hahazoan’ izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. (aiōnios )
ובעבור זאת הוא גם סרסר לברית חדשה למען אשר יירשו המקראים את הבטחת נחלת עולם אחרי אשר מת לפדות מן הפשעים אשר נעשו תחת הברית הראשונה׃ (aiōnios ) |
fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’ izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin’ ny nanaterany ny tenany. (aiōn )
כי אם כן הוא הלא היה לו לענות פעמים רבות מראשית העולם ועתה בקץ העתים נגלה בפעם אחת כדי לבטל את החטא בזבח נפשו׃ (aiōn ) |
Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’ Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao. (aiōn )
באמונה נבין כי העולמות נעשו בדבר האלהים למען אשר יצא הנראה מן הנעלם׃ (aiōn ) |
Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. (aiōn )
ישוע המשיח גם תמול גם היום הוא הוא וגם לעולמים׃ (aiōn ) |
Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’ i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ ny maty, mitondra ny ran’ ny fanekena mandrakizay, (aiōnios )
ואלהי השלום אשר בדם ברית עולם העלה מן המתים את רעה הצאן הגדול את ישוע אדנינו׃ (aiōnios ) |
Izy anie hahatanteraka anareo amin’ ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn )
הוא ישלימכם בכל מעשה טוב לעשות רצונו בפעלו בכם את הרצוי לפניו ביד ישוע המשיח אשר לו הכבוד לעולמי עולמים אמן׃ (aiōn ) |
Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin’ ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy; (Geenna )
כן הלשון נצבת בין אברינו המגאלת את כל הגוף ומלהטת את גלגל הויתנו והיא להוטה באש גיהנם׃ (Geenna ) |
fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ ny voa mety ho lò, fa tamin’ ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay velona sady maharitra. (aiōn )
כנולדים מחדש לא מזרע נשחת כי אם מזרע לא ישחת במאמר אלהים החי והקים לעולם׃ (aiōn ) |
Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay”. Ary izany no tenin’ ny filazantsara izay notorina taminareo. (aiōn )
ודבר יהוה יקום לעולם וזה הוא הדבר אשר בשר לכם׃ (aiōn ) |
Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’ Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’ Andriamanitra azy; mba hankalazana an’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena, (aiōn )
איש כי ידבר יהי כאמרי אל ואיש כי יעזר תהי עזרתו מתוך החיל אשר חננו אלהים למען יכבד אלהים בכל על ידי ישוע המשיח אשר לו הכבוד והעז לעולמי עולמים אמן׃ (aiōn ) |
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ ny voninahiny mandrakizay ao amin’ i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. (aiōnios )
ואלהי כל החסד אשר קראנו לכבודו הנצחי במשיח ישוע אחרי ענותכם מעט הוא ישלים ויחזק ויגבר וייסד אתכם׃ (aiōnios ) |
Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn )
לו הכבוד והעז לעולמי עולמים אמן׃ (aiōn ) |
fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin’ ny fanjakana mandrakizay, izay an’ i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika. (aiōnios )
כי כן יפתח לפניכם לרוחה המבוא אל מלכות עולם אשר לאדנינו ומושיענו ישוע המשיח׃ (aiōnios ) |
Fa raha tsy navelan’ Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin’ ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin’ ny fitsarana, (Tartaroō )
כי לא חס אלהים על המלאכים אשר חטאו כי אם הורידם לקצבי הרים ויסגירם בכבלי אפל לשמרם למשפט׃ (Tartaroō ) |
fa mitomboa amin’ ny fahasoavana sy ny fahalalana an’ i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena. (aiōn )
ורבו בחסד ובדעת אדנינו ומושיענו ישוע המשיח אשר לו הכבוד גם היום וגם ליום העולם אמן׃ (aiōn ) |
(fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ ny Ray ka efa naseho taminay), ― (aiōnios )
והחיים נגלו ונרא ומעידים אנחנו ומודיעים לכם את חיי העולם אשר היו עם האב ונגלו לנו׃ (aiōnios ) |
Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’ Andriamanitra no maharitra mandrakizay. (aiōn )
והחלד עבור יעבר עם תאותיו והעשה רצון אלהים יעמד לעד׃ (aiōn ) |
Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay. (aiōnios )
וההבטחה אשר הבטיחנו היא חיי עולמים׃ (aiōnios ) |
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. (aiōnios )
כל השנא את אחיו רצח נפש הוא וידעתם כי כל רצח נפש לא יתקימו בו חיי עולמים׃ (aiōnios ) |
Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen’ Andriamanitra antsika, ary ao amin’ ny Zanany izany fiainana izany. (aiōnios )
וזאת היא העדות כי חיי עולמים נתן לנו האלהים והחיים האלה בבנו המה׃ (aiōnios ) |
Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ ny Zanak’ Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo. (aiōnios )
זאת כתבתי אליכם המאמינים בשם בן האלהים למען תדעון שיש לכם חיי עולם ולמען תאמינו בשם בן האלהים׃ (aiōnios ) |
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’ Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin’ ilay marina, dia ao amin’ i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. (aiōnios )
וידענו כי בא בן אלהים ויתן לנו בינה לדעת את האמתי ובאמתי אנחנו בבנו ישוע המשיח זה הוא האל האמתי וחיי העולם׃ (aiōnios ) |
noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay: (aiōn )
למען האמת העמדת בקרבנו וגם תהיה עמנו לעולם׃ (aiōn ) |
Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ ny fatorana mandrakizay ao amin’ ny maizina ho amin’ ny andro fitsarana lehibe. (aïdios )
והמלאכים אשר לא שמרו את משרתם כי אם עזבו את זבלם שמרם במוסרות עולם ובאפלה למשפט היום הגדול׃ (aïdios ) |
Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin’ ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ ny iaretany fijaliana amin’ ny afo maharitra mandrakizay. (aiōnios )
כאשר סדום ועמרה והערים סביבותיהן אשר הזנו כמוהם וילכו אחרי בשר זר נהיו כראי כי נמסרו למוסר אש עולם׃ (aiōnios ) |
onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan’ ny maizina. (aiōn )
משברי ים עזים אשר יגרשו בשתם ככבים תעים אשר חשך אפלה צפון להם עדי עד׃ (aiōn ) |
ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra, miandry ny famindram-pon’ i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. (aiōnios )
ושמרתם את נפשתיכם באהבת אלהים וחכיתם לרחמי אדנינו ישוע המשיח לחיי העולם׃ (aiōnios ) |
ho an’ Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin’ ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena. (aiōn )
לאלהים אשר לו לבדו החכמה המושיע אתנו לו הכבוד והגדלה והעז והממשלה מעתה ולעולמי עד אמן׃ (aiōn ) |
sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’ Andriamanitra Ray, ― ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn )
ויעש אתנו למלכים וכהנים לאלהים אביו הכבוד והעז לעולמי עולמים אמן׃ (aiōn ) |
dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. (aiōn , Hadēs )
ואהי מת והנני חי לעולמי עולמים אמן ובידי מפתחות שאול ומות׃ (aiōn , Hadēs ) |
Ary raha ny zava-manan’ aina hanome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay, (aiōn )
ומדי תת החיות כבוד והדר ותודה לישב על הכסא אשר הוא חי לעולמי עולמים׃ (aiōn ) |
dia hiankohoka eo anoloan’ izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana ny loholona efatra amby roa-polo ka hivavaka amin’ izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan’ ny seza fiandrianana ka hanao hoe: (aiōn )
אז יפלו עשרים וארבעה הזקנים על פניהם לפני הישב על הכסא והשתחוו לחי עולמי העולמים ושמו את עטרותיהם לפני הכסא לאמר׃ (aiōn ) |
Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin’ ny tany sy any ambanin’ ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy ho an’ ny Zanak’ ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. (aiōn )
וכל בריה אשר בשמים ובארץ ומתחת לארץ ואשר על הים וכל אשר בהם את כלם שמעתי אמרים לאמר לישב על הכסא ולשה הברכה וההדר והכבוד והעז לעולמי עולמים׃ (aiōn ) |
Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran’ izay nitaingina ary atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin’ ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin’ ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ an-tany. (Hadēs )
וארא והנה סוס ירקרק והרכב עליו שמו המות ושאול יוצאת לרגליו וינתן להם שלטן על רביעית הארץ להמית בחרב וברעב ובדבר ובחית הארץ׃ (Hadēs ) |
nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an’ Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn )
ויאמרו אמן הברכה והכבוד והחכמה והתודה וההדר והכח והעז לאלהינו לעולמי עולמים אמן׃ (aiōn ) |
Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin’ ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin’ ny lavaka tsy hita noanoa. (Abyssos )
והמלאך החמישי תקע בשופר וארא כוכב נפל מן השמים לארץ וינתן לו מפתח באר התהום׃ (Abyssos ) |
Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra ary tamin’ ny lavaka, tahaka ny setroka ary amin’ ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habahabaka noho ny setroka avy tao amin’ ny lavaka. (Abyssos )
ויפתח את באר התהום ויעל עשן מן הבאר כעשן כבשן גדול ויחשך השמש והרקיע מקיטר הבאר׃ (Abyssos ) |
Ary manana ny anjelin’ ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin’ ny teny Hebreo dia Abadona, fa amin’ ny teny Grika kosa dia Apolyona no anarany. (Abyssos )
ומלאך התהום הוא מלך עליהם ושמו אבדון בעברית והוא אפוליון בלשון יון׃ (Abyssos ) |
ary nianiana tamin’ izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony; (aiōn )
וישבע בחי עולמי העולמים אשר ברא את השמים וכל אשר בהם והארץ וכל אשר בה והים וכל אשר בו כי לא יהיה עוד זמן׃ (aiōn ) |
Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy. (Abyssos )
ואחרי השלימם עדותם החיה העלה מן התהום תעשה עמהם מלחמה ותוכל להם והרגתם׃ (Abyssos ) |
Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin’ izao tontolo izao dia efa lasan’ ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. (aiōn )
והמלאך השביעי תקע בשופר ויהי קלות גדולים בשמים ויאמרו הנה ממלכת העולם היתה לאדיניו ולמשיחו והוא ימלך לעולמי עולמים׃ (aiōn ) |
Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’ izay monina ambonin’ ny tany sy amin’ ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, (aiōnios )
וארא מלאך אחר מעופף במרום הרקיע אשר היה לו בשורת עולם לבשר את ישבי הארץ ואת כל גוי ונשפחה ולשון ועם׃ (aiōnios ) |
ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. (aiōn )
ועשן ענוים יעלה לעולמי עד ולא ימצאו מנוחה יומם ולילה המשתחוים לחיה ולצלמה ואשר ישא את תו שמה׃ (aiōn ) |
Ary ny anankiray tamin’ ny zava-manan’ aina efatra nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny fahatezeran’ Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay. (aiōn )
ואחת מארבע החיות נתנה אל שבעת המלאכים שבע קערת זהב מלאות חמת האלהים החי לעולמי העולמים׃ (aiōn ) |
Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin’ ny fandringanana; ary ny monina ambonin’ ny tany, dia izay tsy voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny fiainana hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibi-dia, izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray. (Abyssos )
החיה אשר ראיתה היתה ואיננה ועתידה לעלות מן התהום וללכת לאבדון וישבי הארץ אשר שמם איננו נכתב בספר החיים מיום הוסד תבל ישתוממו בראתם את החיה אשר היתה ואיננה ותבוא׃ (Abyssos ) |
Dia niteny fanindroany ireo hoe: Halelola! Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra mandrakizay mandrakizay. (aiōn )
וישנו ויאמרו הללויה ועשנה יעלה לעולמי עולמים׃ (aiōn ) |
Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin’ ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan’ ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin’ ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. (Limnē Pyr )
ותתפש החיה ונביא השקר אתה אשר עשה האותות לפניה אשר הדיח בהן את נשאי תו החיה והמשתחוים לצלמה וחיים השלכו שניהם באגם האש הבער בגפרית׃ (Limnē Pyr ) |
Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; (Abyssos )
וארא מלאך יורד מן השמים ובידו מפתח התהום וכבל גדול׃ (Abyssos ) |
dia nanipy ary ho amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. (Abyssos )
וישליכהו בתהום ויסגר בעדו ויחתם עליו למען לא ידיח עוד את הגוים עד כלות אלף השנים ואחרי כן יתר לזמן מצער׃ (Abyssos ) |
Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin’ alina mandrakizay mandrakizay ireo. (aiōn , Limnē Pyr )
והשטן אשר הדיחם השלך באגם אש וגפרית אשר שם גם החיה ונביא השקר ויסרו יומם ולילה לעולמי עולמים׃ (aiōn , Limnē Pyr ) |
Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. (Hadēs )
ויתן הים את מתיו והמות והשאול נתנו את מתיהם וישפטו איש איש כמעשיהם׃ (Hadēs ) |
Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin’ ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. (Hadēs , Limnē Pyr )
והמות והשאול השלכו באגם האש והוא המות השני׃ (Hadēs , Limnē Pyr ) |
Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ ny bokin’ ny fiainana, dia natsipy tany amin’ ny farihy afo izy. (Limnē Pyr )
וכל איש אשר לא נמצא כתוב בספר החיים השלך באגם האש׃ (Limnē Pyr ) |
Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. (Limnē Pyr )
אבל רכי הלב ואשר אינם מאמינים והמגאלים והמרצחים והזנים והמכשפים ועבדי האלילים וכל המכזבים חלקם יהיה באגם הבער באש וגפרית אשר הוא המות השני׃ (Limnē Pyr ) |
Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan’ ny jiro na fahazavan’ ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. (aiōn )
ולילה לא יהיה עוד ולא יצטרכו עוד לאור נר ולאור שמש כי יהוה אלהים הוא יאיר להם וימלכו עד עולמי עולמים׃ (aiōn ) |