< Nehemia 7 >
1 Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,
Bayan an sāke gina katangar na kuma sa ƙofofi a wurarensu, sai aka naɗa masu tsaro, da mawaƙa, da Lawiyawa.
2 dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben’ ny tao an-dapa, hitandrina an’ i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an’ Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
Na sa ɗan’uwana Hanani tare da Hananiya shugaban fada aikin riƙon Urushalima, domin shi Hananiya mutum mai mutunci ne, mai tsoron Allah fiye da yawancin mutane.
3 Koa hoy izaho tamin’ ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin’ i Jerosalema mandra-pahafanan’ ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin’ izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin’ ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin’ ny tandrifin’ ny tranony avy.
Na ce musu, “Kada a buɗe ƙofofin Urushalima da sassafe sai rana ta fito sosai. Yayinda matsaran ƙofofi suna aiki, a kulle ƙofofin a sa musu sakata kafin matsaran su tashi, wajen fāɗuwar rana. Ku kuma naɗa mazaunan Urushalima a matsayin masu tsaro, waɗansunsu a wuraren aiki, waɗansun kuma kusa da gidajensu.”
4 Ary malalaka sy lehibe ny tanàna, nefa vitsy olona, sady tsy mbola vita ny trano.
Birnin Urushalima kuwa tana da fāɗi da girma, amma mutanen da suke zama a cikinta kaɗan ne, ba a kuma gina gidaje da yawa ba tukuna.
5 Ary nomen’ Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan’ izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao:
Sai Allahna ya sa a zuciyata in tara manyan gari, shugabanni da talakawa don a rubuta su bisa ga iyalansu. Na sami littafin asali na waɗanda suka fara dawowa. Ga abin da na tarar an rubuta a ciki.
6 Izao no lehilahy amin’ izany tany izany, izay niakatra avy tamin’ ny fahababoana, dia ireo nobaboin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,
Waɗannan su ne mutanen yankin da suka dawo daga zaman bautar da Nebukadnezzar sarkin Babilon ya kame (sun dawo Urushalima da Yahuda, kowanne zuwa garinsa.
7 dia ny olona izay niaraka tamin’ i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan’ ny lehilahy tamin’ ny Isiraely dia izao:
Sun dawo tare da Zerubbabel, da Yeshuwa, da Nehemiya, da Azariya, da Ra’amiya, da Nahamani, da Mordekai, da Bilshan, da Misfar, da Bigwai, da Nehum da kuma Ba’ana). Ga jerin mutanen Isra’ila.
8 Ny taranak’ i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
Zuriyar Farosh mutum 2,172
9 ny taranak’ i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
ta Shefatiya 372
10 ny taranak’ i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato;
ta Ara 652
11 ny taranak’ i Pahatamoaba, dia avy tamin’ ny zanak’ i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin’ ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
ta Fahat-Mowab (ta wurin Yeshuwa da Yowab) 2,818
12 ny taranak’ i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
ta Elam 1,254
13 ny taranak’ i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato;
ta Zattu 845
14 ny taranak’ i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
ta Zakkai 760
15 ny taranak’ i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato;
ta Binnuyi 648
16 ny taranak’ i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato;
ta Bebai 628
17 ny taranak’ Azgada dia roa amby roa-polo amby telon-jato amby roa arivo;
ta Azgad 2,322
18 ny zanak’ i Adonikama dia fito amby enim-polo amby enin-jato;
ta Adonikam 667
19 ny taranak’ i Bigvay dia fito amby enim-polo sy roa arivo;
ta Bigwai 2,067
20 ny taranak’ i Adina dia dimy amby dimam-polo amby enin-jato;
ta Adin 655
21 ny taranak’ i Atera, avy tamin’ i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
ta Ater (ta wurin Hezekiya) 98
22 ny taranak’ i Hasoma dia valo amby roa-polo amby telon-jato;
ta Hashum 328
23 ny taranak’ i Bezay dia efatra amby roa-polo amby telon-jato;
ta Bezai 324
24 ny taranak’ i Harifa dia roa ambin’ ny folo amby zato;
ta Harif 112
25 ny taranak’ i Gibeona dia dimy amby sivi-folo.
ta Gibeyon 95.
26 Ny mponina tany Betlehema sy Netofa dia valo amby valo-polo amby zato;
Mutanen Betlehem da na Netofa 188
27 ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
na Anatot 128
28 ny mponina tany Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo;
na Bet-Azmawet 42
29 ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
na Kiriyat Yeyarim, Kefira da na Beyerot 743
30 ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
na Rama da na Geba 621
31 ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
na Mikmash 122
32 ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato;
na Betel da na Ai 123
33 ny mponina tany amin’ ilay Nebo anankiray dia roa amby dimam-polo;
na ɗayan Nebo 52
34 ny zanak’ ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
na ɗayan Elam 1,254
35 ny zanak’ i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
na Harim 2 320
36 ny zanak’ i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;
na Yeriko 345
37 ny zanak’ i Loda sy Hadida ary Ono dia iraika amby roa-polo amby fiton-jato;
na Lod, da na Hadid, da na Ono 721
38 ny zanak’ i Sena dia telo-polo amby sivin-jato sy telo arivo.
na Sena’a 3,930.
39 Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak’ i Jedaia, avy tamin’ ny mpianakavin’ i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
Ga zuriyar Firistoci. Zuriyar Yedahiya (ta wurin iyalin Yeshuwa) 973
40 ny taranak’ Imera, dia roa amby dimam-polo amby arivo;
ta Immer 1,052
41 ny taranak’ i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
ta Fashhur 1,247
42 ny taranak’ i Harima dia fito ambin’ ny folo sy arivo.
ta Harim 1,017.
43 Ary ny Levita koa dia izao: Ny zanak’ i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin’ ny zanak’ i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
Ga zuriyar Lawiyawa. Zuriyar Yeshuwa da Kadmiyel (ta wurin Hodeba) 74.
44 Ary ny mpihira koa dia izao: Ny taranak’ i Asafa dia valo amby efa-polo amby zato.
Mawaƙa. Zuriyar Asaf mutum 148.
45 Ary ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak’ i Saloma, ny taranak’ i Atera, ny taranak’ i Talmona, ny taranak’ i Akoba, ny taranak’ i Hatita, ny taranak’ i Sobay, dia valo amby telo-polo amby zato.
Ga zuriyar Matsaran Ƙofofi. Zuriyar Shallum, Ater, Talmon, Akkub, Hatita da Shobai 138.
46 Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak’ i Ziha, ny taranak’ i Hasofa, ny taranak’ i Tabaota,
Ma’aikatan haikali. Zuriyar Ziha, Hasufa, Tabbawot,
47 ny taranak’ i Kerosa, ny taranak’ i Sia, ny taranak’ i Padona,
da ta Keros, da ta Siya, da ta Fadon,
48 ny taranak’ i Lebana, ny taranak’ i Hagaba, ny taranak’ i Salmay,
da ta Lebana, da ta Hagaba, da ta Shalmai,
49 ny taranak’ i Hanana, ny taranak’ i Gidela, ny taranak’ i Gahara,
da ta Hanan, da ta Giddel, da ta Gahar,
50 ny taranak’ i Reaia, ny taranak’ i Rezina, ny taranak’ i Nekoda,
da ta Reyahiya, da ta Rezin, da ta Nekoda,
51 ny taranak’ i Gazama, ny taranak’ i Oza, ny taranak’ i Pasea,
da ta Gazzam, da ta Uzza, da ta Faseya,
52 ny taranak’ i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
da ta Besai, da ta Meyunawa, da ta Nefussiyawa,
53 ny taranak’ i Bakboka, ny taranak’ i Hakafa, ny taranak’ i Harora,
da ta Bakbuk, da ta Hakufa, da ta Harhur,
54 ny taranak’ i Bazlita, ny taranak’ i Mehida, ny taranak’ i Harsa,
da ta Bazlit, da ta Mehida, da ta Harsha,
55 ny taranak’ i Barkosa, ny taranak’ i Sisera, ny taranak’ i Tema,
da ta Barkos, da ta Sisera, da ta Tema,
56 ny taranak’ i Nezia, ny taranak’ i Hatifa.
da ta Neziya, da kuma ta Hatifa.
57 Ary ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona koa dia izao: Ny taranak’ i Sotahy, ny taranak’ i Sofereta, ny zanak’ i Perida,
Ga zuriyar bayin Solomon. Zuriyar Sotai, da ta Soferet, da ta Ferida,
58 ny taranak’ i Jala, ny taranak’ i Darkona, ny taranak’ i Gidela,
da ta Ya’ala, da ta Darkon, da ta Giddel,
59 ny taranak’ i Sefatia, ny taranak’ i Hatila, ny taranak’ i Pokereta-hazebaima, ny taranak’ i Amona.
Shefatiya, Hattil, Fokeret-Hazzebayim, da Amon.
60 Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
Zuriyar ma’aikatan haikali da ta bayin Solomon su 392.
61 Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin’ ny Isiraely na tsia, izy):
Waɗansu sun hauro daga garuruwan Tel-Mela, Tel-Harsha, Kerub, Addon da Immer, amma ba su iya nuna cewa iyalansu su zuriyar Isra’ila ce ba,
62 ny taranak’ i Delaia, ny taranak’ i Tobia, ny taranak’ i Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato.
zuriyar Delahiya, Tobiya, da Nekoda 642.
63 Ary ny avy tamin’ ny mpisorona dia izao: Ny taranak’ i Hobaia, ny taranak’ i Hakoza, ny taranak’ i Barzilay; nampaka-bady avy tamin’ ny zanakavavin’ i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany.
Na wajen firistoci kuwa su ne, Zuriyar Hobahiya, da ta Hakkoz, da ta Barzillai (wani mutumin da ya auri’yar Barzillai mutumin Gileyad, aka kuma kira shi da wannan suna).
64 Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ ny fisoronana.
Waɗannan ne aka nemi sunayensu a cikin tarihin asalin iyalai, amma ba a same su a ciki ba, saboda haka aka hana su shiga cikin firistoci, sun zama kamar marasa tsarki.
65 Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masìna indrindra izy mandra-pitsangan’ izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
Sai gwamna ya umarce su kada su ci wani abinci mafi tsarki, sai akwai firist da zai nemi nufin Ubangiji ta wurin Urim da Tummim.
66 Ny tontalin’ ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
Yawan jama’ar duka ya kai mutum 42,360,
67 afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nanana mpihiralahy sy mpihiravavy dimy amby efa-polo amby roan-jato izy;
ban da bayinsu maza da mata 7,337. Suna kuma da mawaƙa maza da mata 245.
68 ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
Akwai dawakai 736, alfadarai 245
69 ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
raƙuma 435, da kuma jakuna 6,720.
70 Ary ny sasany tamin’ ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin’ ny rakitra.
Waɗansu shugabannin iyalai suka ba da kyautai domin taimakon aiki. Gwamna ya ba da darik 1,000 na zinariya, kwanoni 50, da riguna 530 don firistoci.
71 Ary ny sasany tamin’ ny lohan’ ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin’ ny rakitra hanaovana ny asa.
Waɗansu shugabannin iyalai sun ba da darik 20,000 na zinariya da mina 2,200 na azurfa don aiki.
72 Ary izay nomen’ ny olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo.
Jimillar da sauran mutane suka bayar ta kai darik 20,000 na zinariya, minas 2,000 na azurfa, da riguna sittin da bakwai don firistoci.
73 Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin’ ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra.
Firistoci, da Lawiyawa, da matsaran ƙofofi, da mawaƙa, da ma’aikatan haikali tare da waɗansu mutane da kuma sauran mutanen Isra’ila, suka zauna a garuruwansu. Da wata na bakwai ya zo, Isra’ilawa kuwa sun riga sun zauna a garuruwansu,