< Nehemia 6 >
1 Ary rehefa ren’ i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin’ ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin’ izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady),
Wakati Sanbalati, Tobia, Geshemu Mwarabu na adui zetu wengine waliposikia kwamba nilijenga upya ukuta na kwamba hakuna sehemu yoyote iliyoachwa ya wazi, ingawa sijawaweka milango katika malango,
2 dia naniraka ho any amiko Sanbala sy Gasema ka nanao hoe: Avia isika hihaona ao amin’ izay vohitra anankiray amin’ ny tany lemak’ i Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy.
Sanbalati na Geshemu akatuma wajumbe akasema, “Njoni, tukutane pamoja mahali fulani katika tambarare ya Ono.” Lakini walitaka kunidhuru.
3 Dia naniraka olona hankany aminy kosa aho hanao hoe: Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midìna aho; nahoana no hilaozako midìna any aminareo ny asa ka hatsahatra?
Niliwatuma wajumbe kwao, nikasema, “Ninafanya kazi kubwa na siwezi kushuka. Kwa nini kazi isimame wakati nitakapoondoka na kuja kwako?”
4 Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa.
Walituma ujumbe huo huo mara nne, na mimi niliwajibu vile vile kila wakati.
5 Dia nirahin’ i Sanbala fanindiminy ny zatovony hankeo amiko araka izany ihany, nitondra taratasy nivelatra teny an-tànany,
Sanbalati alimtuma mtumishi wake kwangu kwa njia ile ile mara ya tano, na barua iliyo wazi mkononi mwake.
6 izay nisy soratra hoe: Efa mahoraka any amin’ ny firenena maro izao teny izao, sady lazain’ i Gasema hoe: Hianao sy ny Jiosy dia mikasa hikomy, ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany, hono, ianao,
Imeandikwa, “Inaripotiwa kati ya mataifa, na Geshemu pia anasema, kwamba wewe na Wayahudi mna mpango wa kuasi, kwa sababu hiyo ndio mnajenga ukuta. Kutokana na taarifa hizi, unakaribia kuwa mfalme wao.
7 sady efa nanendry ny mpaminany maro hilaza anao any Jerosalema hoe Mpanjaka any Joda; ary ankehitriny dia ho ren’ ny mpanjaka izany teny izany; koa avia isika hiara-mihevitra.
Nawe umewachagua manabii kutangaza habari zako juu ya Yerusalemu, wakisema, “Kuna mfalme huko Yuda!” Unaweza kuwa na hakika mfalme atasikia ripoti hizi. Basi, hebu njoo tuzungumze.
8 Dia naniraka ho any aminy aho hanao hoe: Tsy marina izany zavatra lazainao izany, fa tao am-ponao ihany no namoronanao izany.
Kisha nikamtuma neno nikisema, “mambo kama hayo hayajafanyika kama unavyosema, kwa maana ndani ya moyo wako umeyabuni.”
9 Fa ta-hampahatahotra anay izy rehetra, ka hoy izy: Ho kivy amin’ ny asa izy ka tsy hahatontosa. Koa ankehitriny ampaherezo e ny tanako!
Kwa maana wote walitaka kututisha, wakifikiri, “Wataacha mikono yao kufanya kazi hiyo, na haitafanyika.” Lakini sasa, Mungu, tafadhali imarisha mikono yangu.
10 Ary izaho dia tonga tao an-tranon’ i Semaia, zanak’ i Delaia, zanak’ i Mehetabela, izay nihidy trano tao; dia hoy izy: Andeha isika hiditra ao an-tranon’ Andriamanitra ao anatin’ ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy, eny, ho avy alina hamono anao izy.
Nikaenda nyumbani kwa Shemaya mwana wa Delaya, mwana wa Mehetabeli, aliyefungwa nyumbani mwake. Akasema, “Hebu tukutane pamoja katika nyumba ya Mungu, ndani ya hekalu, na tufunge milango ya hekalu, kwa maana wanakuja kukuua. Usiku wanakuja kukuua.”
11 Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin’ ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.
Nikajibu, “Je! Mtu kama mimi ninaweza kukimbia? Na mtu kama mimi ninaweza kuingia hekaluni ili nipate kuishi? Sitaingia.”
12 Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan’ i Tobia sy Sanbala.
Niligundua kwamba sio Mungu aliyemtuma, lakini alikuwa amefanya unabii dhidi yangu. Tobia na Sanbalati walimwajiri.
13 Izany no nanambazany azy, mba hampitahotra ahy hanaovako izany ka hanotako, dia hahazoany teny tatsy hanaratsiany ahy.
Walimpa kazi kunifanya niwe na hofu, ili nifanye kile alichosema na kutenda dhambi, hivyo wangeweza kunipa jina baya ili kuniaibisha.
14 Ry Andriamanitro ô, tsarovy Tobia sy Sanbala araka izany asany izany mbamin’ i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa, izay nampitahotra ahy.
Mungu wangu, wakumbuke Tobia na Sanbalati, na yote waliyofanya. Pia mkumbuke nabii Noadia na manabii wengine ambao walijaribu kunifanya niogope.
15 Dia vita tamin’ ny roa amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin’ ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin’ ny volana Elola.
Kwa hiyo ukuta ukamalizika siku ya ishirini na tano ya mwezi wa Eluli, baada ya siku hamsini na mbili.
16 Ary rehefa ren’ ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitàna izany asa izany.
Adui zetu wote waliposikia hayo, mataifa yote yaliyotuzunguka, waliogopa na wakakata tamaa sana machoni pao wenyewe. Kwa maana walijua kazi hiyo ilifanyika kwa msaada wa Mungu wetu.
17 Ary tamin’ izany andro izany ny manan-kaja amin’ ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin’ i Tobia, ary ny avy tamin’ i Tobia kosa tonga tany aminy.
Wakati huu wakuu wa Yuda walituma barua nyingi kwa Tobia, na barua za Tobia zikawajia.
18 Fa nisy maro tany Joda efa nianiana niray tetika taminy, satria vinanton’ i Sekania, zanak’ i Ara, izy; ary Johanana zananilahy efa nanambady ny zanakavavin’ i Mesolama, zanak’ i Berekia.
Kwa maana walikuwa wengi huko Yuda waliofungwa kwa kiapo chake, kwa sababu alikuwa mkwewe Shekania, mwana wa Ara. Mwanawe Yehohanani alikuwa amekuwa mkewe Meshulamu mwana wa Berekia.
19 Ary nisy koa teo anatrehako nilaza ny soa nataony ary nilaza ny teniko tany aminy kosa. Ary Tobia kosa nampitondra taratasy hampitahotra ahy.
Pia walizungumza nami kuhusu matendo yake mema na kumwambia maneno yangu. Barua zililetwa kwangu kutoka kwa Tobia kunitisha.