< Nehemia 3 >

1 Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin’ ny tilikambo Hamea ka hatramin’ ny tilikambo Hananela no nohamasininy.
때에 대제사장 엘리아십이 그 형제 제사장들과 함께 일어나 양문을 건축하여 성별하고 문짝을 달고 또 성벽을 건축하여 함메아 망대에서부터 하나넬 망대까지 성별하였고
2 Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora, zanak’ Imry.
그 다음은 여리고 사람들이 건축하였고 또 그 다음은 이므리의 아들 삭굴이 건축하였으며
3 Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak’ i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
어문은 하스나아의 자손들이 건축하여 그 들보를 얹고 문짝을 달고 자물쇠와 빗장을 갖추었고
4 Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota, zanak’ i Oria, zanak’ i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Mesolama, zanak’ i Berekia, zanak’ i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak’ i Bana.
그 다음은 학고스의 손자 우아의 아들 므레못이 중수하였고 그 다음은 므세사벨의 손자 베레갸의 아들 므술람이 중수하였고 그 다음은 바아나의 아들 사독이 중수하였고
5 Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Tekoïta; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin’ ny fanompoana ny Tompony.
그 다음은 드고아 사람들이 중수하였으나 그 귀족들은 그 주의 역사에 담부치 아니하였으며
6 Ary ny vavahady taloha dia namboarin’ i Joiada, zanak’ i Pasea, sy Mesolama, zanak’ i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
옛 문은 바세아의 아들 요야다와 브소드야의 아들 므술람이 중수하여 그 들보를 얹고 문짝을 달고 자물쇠와 빗장을 갖추었고
7 Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin’ ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin’ ny seza fiandrianan’ ny governora etỳ an-dafin’ ny ony etỳ.
그 다음은 기브온 사람 믈라야와 메로놋 사람 야돈이 강 서편 총독의 관할에 속한 기브온 사람들과 미스바 사람들로 더불어 중수하였고
8 Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak’ i Haraia, isan’ ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan’ ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an’ i Jerosalema izy hatramin’ ny mandà lehibe.
그 다음은 금장색 할해야의 아들 웃시엘 등이 중수하였고 그 다음은 향품 장사 하나냐 등이 중수하되 저희가 예루살렘 넓은 성벽까지 하였고
9 Ary manarakaraka io dia namboatra koa Refaia, zanak’ i Hora, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Jerosalema.
그 다음은 예루살렘 지방 절반을 다스리는 자 후르의 아들 르바야가 중수하였고
10 Ary manarakaraka io dia namboatra koa Jedaia, zanak’ i Haromafa, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Hatosy, zanak’ i Hasabnia.
하루맙의 아들 여다야는 자기 집과 마주 대한 곳을 중수하였고 그 다음은 하삽느야의 아들 핫두스가 중수하였고
11 Ny sasany koa mbamin’ ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin’ i Malkia, zanak’ i Harima, sy Hasoba, zanak’ i Pahatamoaba.
하림의 아들 말기야와 바핫모압의 아들 핫숩이 한 부분과 풀무망대를 중수하였고
12 Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak’ i Halohesy, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy.
그 다음은 예루살렘 지방 절반을 다스리는 자 할로헤스의 아들 살룸과 그 딸들이 중수하였고
13 Ny vavahady mankamin’ ny lohasaha dia namboarin’ i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin’ ny manda hatramin’ ny vavahadin-jezika.
골짜기 문은 하눈과 사노아 거민이 중수하여 문을 세우며 문짝을 달고 자물쇠와 빗장을 갖추고 또 분문까지 성벽 일천 규빗을 중수하였고
14 Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin’ i Malkia, zanak’ i Rekaba, komandin’ ny fehin’ i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
분문은 벧학게렘 지방을 다스리는 레갑의 아들 말기야가 중수하여 문을 세우며 문짝을 달고 자물쇠와 빗장을 갖추었고
15 Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin’ i Saloma, zanak’ i Kola-hoze, komandin’ ny fehin’ i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan’ ny farihy Siloa, teo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka, ka hatramin’ ny ambaratonga midìna avy any an-Tanànan’ i Davida.
샘문은 미스바 지방을 다스리는 골호세의 아들 살룬이 중수하여 문을 세우고 덮으며 문짝을 달며 자물쇠와 빗장을 갖추고 또 왕의 동산 근처 셀라 못가의 성벽을 중수하여 다윗성에서 내려오는 층계까지 이르렀고
16 Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak’ i Azboka, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Beti-zora, hatramin’ ny teo amin’ ny tandrifin’ ireo fasan’ i Davida ka hatramin’ ny farihy izay natao ary hatramin’ ny tranon’ ny lehilahy mahery.
그 다음은 벧술 지방 절반을 다스리는 자 아스북의 아들 느헤미야가 중수하여 다윗의 묘실과 마주 대한곳에 이르고 또 파서 만든 못을 지나 용사의 집까지 이르렀고
17 Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak’ i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Keila, ho an’ ny fehiny.
그 다음은 레위 사람 바니의 아들 르훔이 중수하였고 그 다음은 그일라 지방 절반을 다스리는 자 하사뱌가 그 지방을 대표하여 중수하였고
18 Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak’ i Henadada, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Keila.
그 다음은 그 형제 그일라 지방 절반을 다스리는 자 헤나닷의 아들 바왜가 중수하였고
19 Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin’ i Ezera, zanak’ i Jesoa, komandin’ i Mizpa, teo amin’ ny tandrifin’ ny fiakarana ho any amin’ ny trano fitehirizam-piadiana eo amin’ ny fiolahana.
그 다음은 미스바를 다스리는 자 예수아의 아들 에셀이 한 부분을 중수하여 성 굽이에 있는 군기고 맞은편까지 이르렀고
20 Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak’ i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin’ ny fiolahana ka hatramin’ ny varavaran’ ny tranon’ i Eliasiba mpisoronabe.
그 다음은 삽배의 아들 바룩이 한 부분을 힘써 중수하여 성 굽이에서부터 대제사장 엘리아십의 집 문에 이르렀고
21 Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’ i Meremota, zanak’ i Oria, zanak’ i Hakoza, hatramin’ ny varavaran’ ny tranon’ i Eliasiba ka hatramin’ ny faran’ ny tranon’ i Eliasiba.
그 다음은 학고스의 손자 우리야의 아들 므레못이 한 부분을 중수하여 엘리아십의 집 문에서부터 엘리아십의 집 모퉁이에 이르렀고
22 Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin’ ny tany lemaka.
그 다음은 평지에 사는 제사장들이 중수하였고
23 Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak’ i Mahaseia, zanak’ i Anania, teo anilan’ ny tranony ihany.
그 다음은 베냐민과 핫숩이 자기 집 맞은편 부분을 중수하였고 그 다음은 아나냐의 손자 마아세야의 아들 아사랴가 자기 집에서 가까운 부분을 중수하였고
24 Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin’ i Binoy, zanak’ i Henadada, hatramin’ ny tranon’ i Azaria ka hatramin’ ny fiolahana eo amin’ ny zorony.
그 다음은 헤나닷의 아들 빈누이가 한 부분을 중수하되 아사랴의 집에서부터 성 굽이를 지나 성 모퉁이에 이르렀고
25 Ary Palala, zanak’ i Ozay, koa, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny fiolahana sy izay mandroso eo amin’ ny tilikambo ambony, eo amin’ ny ranon’ ny mpanjaka, eo akaikin’ ny tokotanin’ ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak’ i Parosy.
우새의 아들 발랄은 성 굽이 맞은편과 왕의 윗 궁에서 내어민 망대 맞은편 곧 시위청에서 가까운 부분을 중수하였고 그 다음은 바로스의 아들 브다야가 중수하였고
26 Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin’ ny tandrifin’ ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin’ ny tilikambo.
(때에 느디님 사람은 오벨에 거하여 동편 수문과 마주 대한 곳에서부터 내어민 망대까지 미쳤느니라)
27 Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin’ ny Tekoïta, teo amin’ ny tandrifin’ ny mandroso eo amin’ ny tilikambo lehibe ka hatramin’ ny mandan’ i Ofela.
그 다음은 드고아 사람들이 한 부분을 중수하여 내어민 큰 망대와 마주 대한 곳에서부터 오벨 성벽까지 이르렀느니라
28 Hatreo ambonin’ ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin’ ny mpisorona, dia samy ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony avy.
마문 위로부터는 제사장들이 각각 자기집과 마주 대한 부분을 중수하였고
29 Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak’ Imera, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak’ i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana.
그 다음은 임멜의 아들 사독이 자기 집과 마주 대한 부분을 중수하였고 그 다음은 동문지기 스가냐의 아들 스마야가 중수하였고
30 Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’ i Hanania, zanak’ i Setemia, sy Hanona, fahenin’ ny zanak’ i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak’ i Berekia, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny efi-tranony ihany.
그 다음은 셀레먀의 아들 하나냐와 살랍의 여섯째 아들 하눈이 한 부분을 중수하였고 그 다음은 베레갸의 아들 므술람이 자기 침방과 마주 대한 부분을 중수하였고
31 Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan’ ny mpanefy volamena, hatramin’ ny tranon’ ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny vavahady Mifikada ka hatramin’ ny trano ambony teo an-jorony.
그 다음은 금장색 말기야가 함밉갓 문과 마주 대한 부분을 중수하여 느디님 사람과 상고들의 집에서부터 성 모퉁이 누에 이르렀고
32 Ary ny teo anelanelan’ ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin’ ondry no namboarin’ ny mpanefy volamena sy ny mpandranto.
성 모퉁이 누에서 양문까지는 금장색과 상고들이 중수하였느니라

< Nehemia 3 >