< Nehemia 2 >

1 Ary tamin’ ny volana Nisana tamin’ ny taona faharoa-polo nanjakan’ i Artaksersesy, raha teo anoloany ny divay, dia noraisiko ka natolotro ny mpanjaka. Fa vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehany.
Katika mwezi wa Nisani, katika mwaka wa ishirini wa mfalme Artashasta, alichagua divai, na nikachukua divai na kumpa mfalme. Sasa sikuwahi kusikitikaa mbele yake.
2 Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Nahoana no malahelo tarehy ianao, kanefa tsy marary tsinona? Tsy zavatra hafa izao, fa alahelom-po mihitsy. Dia raiki-tahotra indrindra aho
Lakini mfalme akaniambia, “Kwa nini uso wako una huzuni? Hauonekani kuwa mgonjwa. Hii lazima iwe huzuni ya moyo.” Kisha nikaogopa sana.
3 ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka; nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny fasan-drazako, sady efa levon’ ny afo ny vavahadiny?
Nikamwambia mfalme, “Mfalme aishi milele! Kwa nini uso wangu usiwe na huzuni? ikiwa mji, mahali pa makaburi ya baba yangu, uko katika magofu, na malango yake yameharibiwa kwa moto.”
4 Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin’ Andriamanitry ny lanitra aho aloha,
Ndipo mfalme akaniambia, “Unataka nini nifanye?” Kwa hiyo nikamwomba Mungu wa mbinguni.
5 dia vao niteny tamin’ ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ka mahita fitia eto imasonao ny mpanomponao, dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin’ ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany.
Nikamwambia mfalme, “Mfalme akiona vema, na ikiwa mtumishi wako amefanya vizuri machoni pako, unaweza kunituma Yuda, mji wa kaburi za baba zangu, ili nipate kuujenga tena.”
6 Ary hoy ny mpanjaka tamiko (ny vadin’ ny mpanjaka koa nipetraka teo anilany): Haharitra hoatrinona any anefa ianao, ary rahoviana no hiverina? Ka dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy; ary dia nilaza fotoana taminy aho.
Mfalme akanijibu (na malkia pia alikuwa amekaa karibu naye), “Utakaa kawa muda gani mpaka urudi?” Mfalme akaona vema kunipeleka nami nikampka muda.
7 Ary hoy koa aho tamin’ ny mpanjaka: Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy ho amin’ ireo governora any an-dafin’ ny ony aho, mba hamelany ahy handeha hatrany Joda,
Ndipo nikamwambia mfalme, “Ikiwa itampendeza mfalme, nipe barua kwa ajili ya wakuu ng'ambo ya Mto, ili wapate kuniruhusu nipite katika maeneo yao njiani kwenda Yuda.
8 sy taratasy ho amin’ i Asafa, mpitandrina ny alan’ i ny mpanjaka mba hanomezany hazo hanaovako ny vavahadin’ ny lapa izay momba ny tempoly sy hanaovako ny mandan’ ny tanàna sy ny trano izay hitoerako. Dia nomen’ ny mpanjaka ahy izany araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamanitro tamiko.
Pia iwepo barua kwa Asafu, mlinzi wa msitu wa mfalme, ili anipe miti ya kufanya mihimili ya malango ya ngome karibu na hekalu, na kwa ukuta wa mji, na kwa nyumba ambayo Nitaishi.” Kwa hiyo kwa sababu mkono mzuri wa Mungu ulikuwa juu yangu, mfalme alinipa hitaji langu.
9 Dia tonga tany amin’ ireo governora any an-dafin’ ny ony aho, ka natolotro azy ny taratasin’ ny mpanjaka. Ary ny mpanjaka efa naniraka manamboninahitra sy mpitaingin-tsoavaly hanatitra ahy.
Nilifika kwa wakuu ng'ambo ya Mto, na kuwapa barua za mfalme. Basi mfalme alikuwa amepeleka maofisa wa jeshi na wapanda farasi pamoja nami.
10 Raha nahare izany Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo, dia sosotra loatra izy, satria nisy lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak’ Isiraely.
Sanbalati Mhoroni na Tobbia mtumishi wa Amoni waliposikia jambo hili, walipendezwa sana kwa kuwa mtu alikuja ambaye alikuwa akijaribu kuwasaidia watu wa Israeli.
11 Dia tonga tany Jerosalema aho ka nitoetra tany hateloana.
Basi, nikarudi Yerusalemu, na nilikuwa huko siku tatu.
12 Ary nifoha tamin’ ny alina aho, dia izaho sy ny olom-bitsy nomba ahy; nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin’ Andriamanitra ny foko hatao any Jerosalema; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay nitaingenako ihany.
Niliamka usiku, mimi na watu wachache pamoja nami. Sikumwambia mtu yeyote kile Mungu wangu alichoweka ndani ya moyo wangu kufanya Yerusalemu. Hakukuwa na mnyama pamoja nami, isipokuwa yule niliyekuwa nimempanda.
13 Dia nandeha alina aho ka nivoaka tamin’ ny vavahady mankany amin’ ny lohasaha, tandrifin’ ny loharanon’ ny dragona, sy tamin’ ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan’ i Jerosalema izay efa rava sy ny vavahadiny izay efa levon’ ny afo.
Niliondoka usiku kwa njia ya lango la bondeni, kuelekea kisima cha joka na kwenye mlango wa jaa, na kukagua kuta za Yerusalemu, ambazo zimebomolewa, na milango ya mbao iliharibiwa na moto.
14 Dia nankany amin’ ny vavahadin-doharano sy ny farihin’ ny mpanjaka koa aho; nefa tsy nisy lalana azon’ ilay biby nitaingenako naleha akory.
Kisha nikaenda kwenye lango na Chemchemi ya Mfalme. Nafasi ilikuwa nyembamba sana kwa mnyama niliyekuwa nimempanda kupita.
15 Dia niakatra teo amin’ ny lohasahan-driaka aho tamin’ ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin’ ny vavahady mankany amin’ ny lohasaha, dia niverina.
Kwa hiyo nilikwenda usiku huo kando ya bonde na kuchunguza ukuta, nikarudi nyuma na kuingia kwa lango la bondeni, na hivyo nikarudi.
16 Nefa ireo mpanapaka tsy nahalala izay nalehako, na izay nataoko; fa hatramin’ izay dia tsy mbola nolazaiko tamin’ ny Jiosy izany, na tamin’ ny mpisorona, na tamin’ ny manan-kaja, na tamin’ ny mpanapaka, na tamin’ ny vahoaka sisa izay nanao ny asa.
Watawala hawakujua nilipokwenda au kile nilichofanya, na sikuwaambia Wayahudi, wala makuhani, wala wakuu, wala watawala, wala wengine waliofanya kazi hiyo.
17 Ary hoy izaho taminy: Hianareo mahita ny fahoriantsika, fa rava Jerosalema ary nodoran’ ny afo ny vavahadiny; koa andeha isika hanangana ny mandan’ i Jerosalema, mba tsy ho latsa intsony isika.
Nikawaambia, “Unaona shida tuliyo nayo, jinsi Yerusalemu iko katika magofu na milango yake imeharibiwa kwa moto. Njoni, tujenge upya ukuta wa Yerusalemu, ili tusiwe na aibu tena.”
18 Dia nambarako azy ny tànan’ Andriamanitro izay nahasoa ahy, ary ny tenin’ ny mpanjaka koa izay nolazainy tamiko. Ary hoy izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy. Koa dia nampahery ny tànany hanao izany soa izany izy.
Niliwaambia kuwa mkono mzuri wa Mungu wangu ulikuwa juu yangu na pia kuhusu maneno ya mfalme ambayo aliniambia. Wakasema, “Hebu tuondoke na kujenga.” Kwa hiyo wakaimarisha mikono yao kwa ajili ya kazi nzuri.
19 Fa nony ren’ i Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo ary Gasema Arabo izany, dia nanaraby sy nanevateva anay izy nanao hoe: Inona izao zavatra ataonareo izao? Hikomy amin’ ny mpanjaka angaha ianareo?
Lakini Sanbalati Mhoroni, na Tobia mtumishi wake Mwamoni, na Geshemu, Mwarabu, waliposikia habari hiyo, wakatucheka na kututukana; wakasema, “Unafanya nini? Je, unamgombana na mfalme?”
20 Dia namaly azy aho ka nanao taminy hoe: Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia hitsangana handrafitra izahay mpanompony; fa ianareo tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema.
Ndipo nikawajibu, “Mungu wa mbinguni atatupa ufanisi. Sisi ni watumishi wake na tutaondoka na kujenga. Lakini huna sehemu, hakuna haki, na hakuna dai la kihistoria huko Yerusalemu.”

< Nehemia 2 >