< Nehemia 2 >
1 Ary tamin’ ny volana Nisana tamin’ ny taona faharoa-polo nanjakan’ i Artaksersesy, raha teo anoloany ny divay, dia noraisiko ka natolotro ny mpanjaka. Fa vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehany.
Et, au mois de nisan, en la vingtième année du règne d'Arthasastha, le vin était devant moi, et je pris le vin et le versai au roi, et il n'y avait là en sa présence nul autre que moi.
2 Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Nahoana no malahelo tarehy ianao, kanefa tsy marary tsinona? Tsy zavatra hafa izao, fa alahelom-po mihitsy. Dia raiki-tahotra indrindra aho
Et le roi me dit: D'où vient que ton visage est mauvais, et que tu ne te contiens pas? Cela ne serait point si le mal n'était en ton cœur. Et j'eus grande crainte.
3 ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka; nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny fasan-drazako, sady efa levon’ ny afo ny vavahadiny?
Et je dis au roi: Que le roi vive toujours; comment mon visage ne serait-il pas mauvais, puisque la ville qui est la maison des sépulcres de mes pères est déserte, et que ses portes ont été brûlées par le feu?
4 Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin’ Andriamanitry ny lanitra aho aloha,
Et le roi me dit: À quel sujet me demandes-tu cela? Et je priai le Dieu du ciel;
5 dia vao niteny tamin’ ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ka mahita fitia eto imasonao ny mpanomponao, dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin’ ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany.
Et je répondis au roi: S'il semble bon au roi, si son serviteur trouve grâce devant lui, je demande qu'il envoie son serviteur en Juda, à la ville des sépulcres de mes pères, et je la réédifierai.
6 Ary hoy ny mpanjaka tamiko (ny vadin’ ny mpanjaka koa nipetraka teo anilany): Haharitra hoatrinona any anefa ianao, ary rahoviana no hiverina? Ka dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy; ary dia nilaza fotoana taminy aho.
Et le roi et sa concubine qui siégeait auprès de lui, me dirent: Jusqu'à quand durera ton voyage? quand reviendras-tu? Et le roi le trouva bon, et il me laissa partir, et je lui donnai un terme.
7 Ary hoy koa aho tamin’ ny mpanjaka: Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy ho amin’ ireo governora any an-dafin’ ny ony aho, mba hamelany ahy handeha hatrany Joda,
Et je dis au roi: Si le roi le trouve bon, qu'il me donne des lettres pour les gouverneurs au delà de l'Euphrate, afin qu'ils ne mettent point d'obstacle à mon arrivée en Juda,
8 sy taratasy ho amin’ i Asafa, mpitandrina ny alan’ i ny mpanjaka mba hanomezany hazo hanaovako ny vavahadin’ ny lapa izay momba ny tempoly sy hanaovako ny mandan’ ny tanàna sy ny trano izay hitoerako. Dia nomen’ ny mpanjaka ahy izany araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamanitro tamiko.
Et une lettre adressée à Asaph, le garde du jardin qui appartient au roi, afin qu'il me fournisse du bois pour réparer les portes et les murs de la ville, et la maison où je me logerai. Et, comme la bonne main du Seigneur était avec moi, le roi me donna les lettres.
9 Dia tonga tany amin’ ireo governora any an-dafin’ ny ony aho, ka natolotro azy ny taratasin’ ny mpanjaka. Ary ny mpanjaka efa naniraka manamboninahitra sy mpitaingin-tsoavaly hanatitra ahy.
Et j'arrivai chez les gouverneurs au delà de l'Euphrate, et je leur remis les lettres du roi. Or, le roi m'avait fait accompagner par des chefs de l'armée et par de la cavalerie.
10 Raha nahare izany Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo, dia sosotra loatra izy, satria nisy lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak’ Isiraely.
Et Sanaballat l'Aronite, et Tobias, le serviteur ammonite, l'ouïrent; et il était mauvais pour eux qu'un homme fût venu faire du bien aux fils d'Israël.
11 Dia tonga tany Jerosalema aho ka nitoetra tany hateloana.
Et j'entrai à Jérusalem, et j'y restai trois jours.
12 Ary nifoha tamin’ ny alina aho, dia izaho sy ny olom-bitsy nomba ahy; nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin’ Andriamanitra ny foko hatao any Jerosalema; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay nitaingenako ihany.
Et je me levai de nuit, moi et quelque petit nombre de gens, et je ne dis à personne ce que Dieu m'avait mis dans le cœur de faire pour Israël; et je n'avais point de bête avec moi, sinon la bête sur laquelle j'étais monté.
13 Dia nandeha alina aho ka nivoaka tamin’ ny vavahady mankany amin’ ny lohasaha, tandrifin’ ny loharanon’ ny dragona, sy tamin’ ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan’ i Jerosalema izay efa rava sy ny vavahadiny izay efa levon’ ny afo.
Et je sortis par la porte de la Vallée, passant devant la fontaine des Figuiers, et allant à la porte du Fumier; et je marchais le cœur brisé, à cause des remparts de Jérusalem qu'ils avaient abattus, et des portes qu'ils avaient brûlées par le feu.
14 Dia nankany amin’ ny vavahadin-doharano sy ny farihin’ ny mpanjaka koa aho; nefa tsy nisy lalana azon’ ilay biby nitaingenako naleha akory.
Et je passai devant la porte de la Fontaine, puis, devant la piscine du Roi; et il n'y avait point de place par où la bête que j'avais sous moi pût passer.
15 Dia niakatra teo amin’ ny lohasahan-driaka aho tamin’ ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin’ ny vavahady mankany amin’ ny lohasaha, dia niverina.
Alors, je m'en allai montant, de nuit, le long du torrent, et j'avais le cœur brisé, à cause du mur, et je revins à la porte de la Vallée, et je rentrai.
16 Nefa ireo mpanapaka tsy nahalala izay nalehako, na izay nataoko; fa hatramin’ izay dia tsy mbola nolazaiko tamin’ ny Jiosy izany, na tamin’ ny mpisorona, na tamin’ ny manan-kaja, na tamin’ ny mpanapaka, na tamin’ ny vahoaka sisa izay nanao ny asa.
Et les sentinelles ne surent ni où j'étais allé ni ce que je voulais faire; et, jusque-là, je n'en avais rien dit aux Juifs, ni aux prêtres, ni aux premiers du peuple, ni aux chefs, ni au reste de ceux qui faisaient les travaux.
17 Ary hoy izaho taminy: Hianareo mahita ny fahoriantsika, fa rava Jerosalema ary nodoran’ ny afo ny vavahadiny; koa andeha isika hanangana ny mandan’ i Jerosalema, mba tsy ho latsa intsony isika.
Et je leur dis: Vous voyez l'affliction où nous sommes: Jérusalem est déserte, et ses portes ont été brûlées par le feu. Allons, relevons les remparts de la ville, et nous ne serons plus outragés.
18 Dia nambarako azy ny tànan’ Andriamanitro izay nahasoa ahy, ary ny tenin’ ny mpanjaka koa izay nolazainy tamiko. Ary hoy izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy. Koa dia nampahery ny tànany hanao izany soa izany izy.
Et je leur dis que la bonne main de Dieu était avec moi, à en juger par les paroles que le roi m'avait dites, et j'ajoutai: Levons-nous, édifions. Et leurs mains furent fortifiées en cette bonne œuvre.
19 Fa nony ren’ i Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo ary Gasema Arabo izany, dia nanaraby sy nanevateva anay izy nanao hoe: Inona izao zavatra ataonareo izao? Hikomy amin’ ny mpanjaka angaha ianareo?
Et Sanaballat l'Aronite, et Tobias le serviteur ammonite, et l'Arabe Gésam, le surent, et ils nous raillèrent, et ils vinrent à nous, et ils dirent: Qu'est-ce que vous faites? Vous révoltez-vous contre le roi?
20 Dia namaly azy aho ka nanao taminy hoe: Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia hitsangana handrafitra izahay mpanompony; fa ianareo tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema.
Et je leur répliquai, et je leur dis: Le Dieu du ciel lui-même mènera notre œuvre à bien; et nous, ses serviteurs, nous sommes purs, et nous édifierons. Quant à vous, vous n'avez ni part, ni droit, ni mémorial en Jérusalem.