< Nehemia 12 >

1 Ary ny mpisorona sy ny Levita izay niara-niakatra tamin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa dia Seraia, Jeremia, Ezra,
シヤルテルの子ゼルバベルおよびヱシユアと偕に上りきたりし祭司とレビ人は左のごとしセラヤ、ヱレミヤ、エズラ
2 Amaria, Maloka, Hatosy,
アマリヤ、マルク、ハツトシ
3 Sekania, Rehoma, Meremota,
シカニヤ、レホム、メレモテ
4 Ido, Ginetoy, Abia,
イド、ギンネトイ、アビヤ
5 Miamina, Madia, Bilga,
ミヤミン、マアデヤ、ビルガ
6 Semaia, Joiariba, Jedaia,
シマヤ、ヨヤリブ、ヱダヤ
7 Salo, Amoka, Hilkia ary Jedaia. Ireo no lohan’ ny mpisorona sy ny rahalahiny tamin’ ny andron’ i Jesoa.
サライ、アモク、ヒルキヤ、ヱダヤ是等の者はヱシユアの世に祭司およびその兄弟等の長たりき
8 Ary ny Levita kosa dia izao: Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda ary Matania, dia izy ireo sy ny rahalahiny no tonian’ ny fiderana.
またレビ人はヱシユア、ビンヌイ、カデミエル、セレビヤ、ユダ、マツタニヤ、マツタニヤはその兄弟とともに感謝の事を掌どれり
9 Ary Bakbokia sy Ono, rahalahin’ ireo, dia nifanandrify tamin’ ny anjara-raharahany.
またその兄弟バクブキヤおよびウンノ之と相對ひて職務をなせり
10 Ary Jesoa niteraka an’ i Joiakima; ary Joiakima niteraka an’ i Eliasiba; ary Eliasiba niteraka an’ i Joiada;
ヱシユア、ヨアキムを生みヨアキム、エリアシブを生みエリアシブ、ヨイアダを生み
11 ary Joiada niteraka an’ i Jonatana; ary Jonatana niteraka an’ i Jadoa.
ヨイアダ、ヨナタンを生みヨナタン、ヤドアを生り
12 Ary tamin’ ny andron’ i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan’ ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin’ i Seraia dia Meraia; ny avy tamin’ i Jeremia dia Hanania;
ヨアキムの日に祭司等の宗家の長たりし者はセラヤの族にてはメラヤ、ヱレミヤの族にてはハナニヤ
13 ny avy tamin’ i Ezra dia Mesolama; ny avy tamin’ i Amaria dia Johanana;
エズラの族にてはメシユラム、アマリヤの族にてはヨハナン
14 ny avy tamin’ i Meliko dia Jonatana; ny avy tamin’ i Sebania dia Josefa;
マルキの族にてはヨナタン、シバニヤの族にてはヨセフ
15 ny avy tamin’ i Hadma dia Adna; ny avy tamin’ i Meraiota dia Helkay;
ハリムの族にてはアデナ、メラヨテの族にてはヘルカイ
16 ny avy tamin’ Ido dia Zakaria; ny avy tamin’ i Ginetona dia Mesolama;
イドの族にではゼカリヤ、ギンネトン膳良にてはメシユラム
17 ny avy tamin’ i Abia dia Zikry; ny avy tamin’ i Miniamina, avy tamin’ i Moadia, dia Piltahy;
アビヤの族にてはジクリ、ミニヤミンの族モアデヤの族にてはピルタイ
18 ny avy tamin’ i Bilga dia Samoa; ny avy tamin’ i Semaia dia Jonatana;
ビルガの族にてはシヤンマ、シマヤの族にてはヨナタン
19 ny avy tamin’ i Joariba dia Matenay; ny avy tamin’ i Jedaia dia Ozy;
ヨヤリブの族にてはマツテナイ、ヱダヤの族にてはウジ
20 ny avy tamin’ i Salay dia Kalay; ny avy tamin’ i Amoka dia Ebera;
サライの族にてはカライ、アモクの族にてはエベル
21 ny avy tamin’ i Hilkia dia Hasabia; ny avy tamin’ i Jedaia dia Netanela.
ヒルキヤの族にてはハシヤビヤ、ヱダヤの族にてはネタンエル
22 Tamin’ ny andron’ i Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa ny Levita dia voasoratra ho lohan’ ny fianakaviany; ary toy izany koa ny mpisorona, hatramin’ ny nanjakan’ i Dariosy Persiana.
エリアシブ、ヨイアダ、ヨハナンおよびヤドアの日にレビ人の宗家の長等冊に録さる亦ペルシヤ王ダリヨスの治世に祭司等も然せらる
23 Ny taranak’ i Levy, lohan’ ny fianakaviana, dia voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantara hatramin’ ny andron’ i Johanana, zanak’ i Eliasiba.
宗家の長たるレビ人はエリアシブの子ヨハナンの日まで凡て歴代志の書に記さる
24 Ary ny lohan’ ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak’ i Kadmiela, mbamin’ ny rahalahin’ ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin’ i Davida, lehilahin’ Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.
レビ人の長はハシヤビヤ、セレビヤおよびカデミエルの子ヱシユアなりその兄弟等これと相對ひて居る即ち彼らは班列と班列とあひむかひ居り神の人ダビデの命令に本づきて讃美と感謝とをつとむ
25 Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana amin’ ny trano firaketana.
マツタニヤ、バクブキヤ、オバデヤ、メシユラム、タルモン、アツクブは門を守る者にして門の内の府庫を伺ひ守れり
26 Ireo no tamin’ ny andron’ i Joiakima, zanak’ i Jesoa, zanak’ i Jozadaka, sy tamin’ ny andron’ i Nehemia governora sy Ezra mpisorona sady mpanora-dalàna.
是等はヨザダクの子ヱシユアの子ヨアキムの日に在り總督ネヘミヤおよび學士たる祭司エズラの日に在りし者なり
27 Ary rehefa hitokanana ny mandan’ i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin’ ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin’ ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin’ ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
ヱルサレムの石垣の落成せし節會に當りてレビ人をその一切の處より招きてヱルサレムに來らせ感謝と歌と鐃鈸と瑟と琴とをもて歓喜を盡してその落成の節會を行はんとす
28 Dia niangona ny mpihira avy tamin’ ny tany lemaka manodidina an’ i Jerosalema sy ny avy tamin’ ny vohitry ny Netofatita
是において謳歌ふ徒輩ヱルサレムの周圍の窪地およびネトパ人の村々より集り來り
29 sy Beti-gilgala ary ny sahan’ i Geba sy Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an’ i Jerosalema ny mpihira.
またベテギルガルおよびゲバとアズマウテとの野より集り來れりこの謳歌者等はヱルサレムの周圍に己の村々を建たりき
30 Ary ny mpisorona sy ny Levita samy nanadio ny tenany, ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.
茲に祭司およびレビ人身を潔めまた民および諸の門と石垣とを潔めければ
31 Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin’ ny ankavanana teo ambonin’ ny manda ho amin’ ny vavahadin-jezika;
我すなはちユダの牧伯等をして石垣の上に上らしめ又二の大なる隊を作り設けて之に感謝の詞を唱へて並進ましむ即ちその一は糞の門を指て石垣の上を右に進めり
32 ary nandeha nanarakaraka azy Hosaia sy ny antsasaky ny andriandahin’ ny Joda,
その後につきて進める者はホシヤヤおよびユダの牧伯の半
33 dia Azaria sy Ezra sy Mesolama
ならびにアザリヤ、エズラ、メシユラム
34 sy Joda sy Benjamina sy Semaia ary Jeremia,
ユダ、ベニヤミン、シマヤ、ヱレミヤなりき
35 ary ny sasany tamin’ ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Semaia, zanak’ i Matania, zanak’ i Mikaia, zanak’ i Zakora, zanak’ i Asafa,
又祭司の徒數人喇叭を吹て伴ふあり即ちヨナタンの子ゼカリヤ、ヨナタンはシマヤの子シマヤはマツタニヤの子マツタニヤはミカヤの子ミカヤはザツクルの子ザツクルはアサフの子なり
36 mbamin’ ny rahalahiny, dia Semaia sy Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary Hanany, nitondra ny zava-manenon’ i Davida, lehilahin’ Andriamanitra; ary Ezra mpanora-dalàna nandeha teo alohan’ ireo.
またゼカリヤの兄弟シマヤ、アザリエル、ミラライ、ギラライ、マアイ、ネタンエル、ユダ、ハナニ等ありて神の人ダビデの樂器を執り學士エズラこれに先だつ
37 Ary hatreo amin’ ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin’ ny ambaratongan’ ny Tanànan’ i Davida, tamin’ ny fiakarana amin’ ny manda eo ambonin’ ny tranon’ i Davida ka hatramin’ ny vavahadin-drano eo atsinanana.
而して彼ら泉の門を經ただちに進みて石垣の上口に於てダビデの城の段階より登りダビデの家の上を過て東の方水の門に至れり
38 Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin’ ny manda hatreo ambonin’ ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin’ ny manda lehibe,
また今一隊の感謝する者は彼らに對ひて進み我は民の半とともにその後に從がへり而して皆石垣の上を行き爐戌樓の上を過て石垣の廣き處にいたり
39 ary hatreo ambonin’ ny vavahadin’ i Efraima ay teo ambanin’ ny vavahady taloha ary teo ambonin’ ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin’ ny vavahadin’ ondry; ary nilanona teo amin’ ny vavahadin-trano-maizina izy.
エフライムの門の上を通り舊門を過ぎ魚の門およびハナニエルの戌樓とハンメアの戌樓を過て羊の門に至り牢の門に立どまれり
40 Dia nijanona tao an-tranon’ Andriamanitra izy roa tonta, ary izaho koa sy ny antsasaky ny mpanapaka izay niaraka tamiko
かくて二隊の感謝する者神の室にいりて立り我もそこにたち牧伯等の半われと偕にありき
41 ary ny mpisorona, dia Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria ary Hanania, nitondra trompetra,
また祭司エリアキム、マアセヤ、ミニヤミン、ミカヤ、エリヨエナイ、ゼカリヤ、ハナニヤ等喇叭を執て居り
42 ary Mahaseia sy Semaia sy Eleazara sy Ozy sy Johanana sy Malkia sy Elama ary Ezera. Ary nihira mafy ny mpihira sy Jizrahia, mpifehy azy.
マアセヤ、シマヤ、エレアザル、ウジ、ヨナハン、マルキヤ、エラム、エゼル之と偕にあり謳歌ふ者聲高くうたへりヱズラヒヤはその監督なりき
43 Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra tamin’ izany andro izany izy sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.
斯してその日みな大なる犠牲を献げて喜悦を盡せり其は神かれらをして大に喜こび樂ませたまひたればなり婦女小兒までも喜悦り是をもてヱルサレムの喜悦の聲とほくまで聞えわたりぬ
44 Ary tamin’ izany andro izany dia nisy olona notendrena hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara voadidy ho an’ ny mpisorona sy ny Levita avy amin’ ny saha manodidina ny isan-tanana; fa nifalian’ ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo.
その日府庫のすべての室を掌どるべき人々を撰びて擧祭の品初物および什一など律法に定むるところの祭司とレビ人との分を邑々の田圃に准ひて取あつめてすべての室にいるることを掌どらしむ是は祭司およびレビ人の立て奉ふるをユダ人喜こびたればなり
45 Dia nitandrina izay nasaina hotandremany ny amin’ Andriamaniny sy ny amin’ ny fanadiovana izy; ary toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, araka ny didin’ i Davida sy Solomona zanany.
彼らは神の職守および潔齋の職守を勤む謳歌者および門を守る者も然り皆ダビデとその子ソロモンの命令に依る
46 Fa fahiny tamin’ ny andron’ i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan’ ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an’ Andriamanitra.
在昔ダビデおよびアサフの日には謳歌者の長一人ありて神に讃美感謝をたてまつる事ありき
47 Ary ny Isiraely rehetra tamin’ ny andron’ i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran’ ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan’ andro; ary nanokana izay ho an’ ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an’ ny taranak’ i Arona.
またゼルバベルの日およびネヘミヤの日にはイスラエル人みな謳歌者と門を守る者に日々の分を與へまたレビ人に物を聖別て與へレビ人またこれを聖別てアロンの子孫に與ふ

< Nehemia 12 >