< Nehemia 1 >

1 Ny tantaran’ i Nehemia, zanak’ i Hakalia. Tamin’ ny volana Kisleo tamin’ ny taona faharoa-polo, raha tany an-dapa any Sosana aho,
Awa ndi mawu a Nehemiya mwana wa Hakaliya: Pa mwezi wa Kisilevi, chaka cha makumi awiri, pamene ndinali mu mzinda wa Susa,
2 dia tonga Hanany, anankiray amin’ ny rahalahiko, mbamin’ ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin’ ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin’ ny fahababoana, ary ny amin’ i Jerosalema.
Hanani mmodzi mwa abale anga, anabwera ndi anthu ena kuchokera ku Yuda, ndipo ine ndinawafunsa za Ayuda otsala amene sanatengedwe ukapolo, ndiponso za mzinda wa Yerusalemu.
3 Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin’ ny fahababoana izay any amin’ ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan’ i Jerosalema sady nodoran’ ny afo ny vavahadiny.
Anandiyankha kuti, “Amene sanatengedwe ukapolo aja ali pa mavuto aakulu ndipo ali ndi manyazi. Khoma la Yerusalemu ndilogamukagamuka ndipo zipata zake zinatenthedwa ndi moto.”
4 Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’ Andriamanitry ny lanitra
Nditamva zimenezi, ndinakhala pansi ndi kuyamba kulira. Ndinalira kwa masiku angapo. Ndinkasala zakudya ndi kumapemphera pamaso pa Mulungu Wakumwamba.
5 ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
Ndinkati: “Inu Yehova, Mulungu wakumwamba, Mulungu wamkulu ndi woopsa. Mumasunga pangano ndi kuonetsa chikondi chosasinthika kwa onse amene amakukondani ndi kumvera malamulo anu.
6 aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman’ alina ho an’ ny Zanak’ Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan’ ny Zanak’ Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa.
Tcherani khutu lanu ndi kutsekula maso anu kuti mumve pemphero la mtumiki wanune limene ndikupemphera usana ndi usiku pamaso panu kupempherera Aisraeli, atumiki anu. Ndikuvomereza machimo a Aisraeli amene tinakuchimwirani. Ndithu, ine ndi banja la makolo anga tinakuchimwirani.
7 Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an’ i Mosesy mpanomponao.
Ife tinakuchitirani zoyipa zambiri. Sitinamvere mawu anu, malamulo ndi malangizo anu amene munapereka kwa mtumiki wanu Mose.
8 Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an’ i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin’ ny firenena maro Aho;
“Kumbukirani mawu amene munawuza mtumiki wanu Mose akuti, ‘Ngati mukhala osakhulupirika, ndidzakubalalitsani pakati pa mitundu ina.
9 nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin’ ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.
Koma mukabwerera kwa Ine, mukamvera malamulo anga ndi kuwatsatadi, ndiye kuti ngakhale anthu anu atabalalika kutali chotani, Ine ndidzawasonkhanitsa kuchokera kumeneko ndi kubwera nawo ku malo amene ndinasankha kuti azidzayitanira dzina langa.’
10 Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin’ ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.
“Iwo ndi atumiki anu ndi anthu anu, amene munawawombola ndi mphamvu yanu yayikulu ndi dzanja lanu lamphamvu.
11 Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin’ ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason’ io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.
Inu Ambuye tcherani khutu lanu kuti mumve pemphero la mtumiki wanune ndiponso pemphero la atumiki anu amene amakondwera kuchitira ulemu dzina lanu. Lolani kuti mtumiki wanune zinthu zindiyendere bwino lero ndi kuti mfumu indichitire chifundo.” Nthawi imeneyi nʼkuti ndili woperekera zakumwa kwa mfumu.

< Nehemia 1 >