< Nahoma 1 >

1 Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Ninive, dia ny bokin’ ny fahitan’ i Nahoma Elkosita.
Onus Ninive. Liber visionis Nahum Elcesæi.
2 Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka Jehovah; Jehovah dia Mpamaly heloka sady be fahatezerana; Jehovah dia Mpamaly ny rafilahiny Ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony.
Deus æmulator, et ulciscens Dominus: ulciscens Dominus, et habens furorem: ulciscens Dominus in hostes suos, et irascens ipse inimicis suis.
3 Mahari-po Jehovah sady be hery Ary tsy mety manamarina ny meloka; Amin’ ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan’ i Jehovah. Ary rahona no vovoky ny tongony.
Dominus patiens, et magnus fortitudine, et mundans non faciet innocentem. Dominus in tempestate et turbine viæ ejus, et nebulæ pulvis pedum ejus.
4 Miteny mafy ny ranomasina izy ka mahatankina azy Ary mandritra ny ony rehetra; Malazo Basana sy Karmela. Ary malazo koa ny vonin’ i Libanona.
Increpans mare, et exsiccans illud, et omnia flumina ad desertum deducens. Infirmatus est Basan et Carmelus, et flos Libani elanguit.
5 Mihorohoro eo anatrehany ny tendrombohitra, Sady miempo ny havoana, Ary mientanentana eo anatrehany ny tany, Dia ny tany onenana sy ny mponina rehetra ao aminy.
Montes commoti sunt ab eo, et colles desolati sunt: et contremuit terra a facie ejus, et orbis, et omnes habitantes in eo.
6 Iza no mahatoetra eo anoloan’ ny fahavinirany? Ary iza no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Aidina toy ny afo ny fahatezerany, Ary mirodana eo anoloany ny vatolampy.
Ante faciem indignationis ejus quis stabit? et quis resistet in ira furoris ejus? Indignatio ejus effusa est ut ignis, et petræ dissolutæ sunt ab eo.
7 Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ ny andro fahoriana, Ka mahalala izay mialoka aminy.
Bonus Dominus, et confortans in die tribulationis, et sciens sperantes in se.
8 Fa amin’ ny riaka manafotra no anafoanany ny fitoerany, Ary ny fahavalony dia henjehiny ho any amin’ ny maizina.
Et in diluvio prætereunte consummationem faciet loci ejus, et inimicos ejus persequentur tenebræ.
9 Inona no heverinareo ho enti-manohitra an’ i Jehovah? Fahafonganana no hataony, Tsy hiverina fanindroany ny fahoriana.
Quid cogitatis contra Dominum? Consummationem ipse faciet: non consurget duplex tribulatio,
10 Fa na dia miforiporitra toy ny tsilo aza ireny Sady vonton’ ny divay mahery fibobohany, Dia ho levona tokoa toy ny vodivary maina izy.
quia sicut spinæ se invicem complectuntur, sic convivium eorum pariter potantium; consumentur quasi stipula ariditate plena.
11 Avy tao aminao no nivoahan’ ny anankiray izay misain-dratsy ho enti-manohitra an’ i Jehovah Sady mamoron-kevi-dratsy.
Ex te exibit cogitans contra Dominum malitiam, mente pertractans prævaricationem.
12 Izao no lazain’ i Jehovah: Na dia tsy latsaka isa ka mbola maro aza ireny, Dia hofongorana ihany izy ka ho levona Fa efa nampahory anao Aho, Ka tsy hampahory anao intsony.
Hæc dicit Dominus: Si perfecti fuerint, et ita plures, sic quoque attondentur, et pertransibit: afflixi te, et non affligam te ultra.
13 Fa ankehitriny hotapahiko ny ziogany ho afaka aminao, Ary hotosako ny famatorana anao.
Et nunc conteram virgam ejus de dorso tuo, et vincula tua disrumpam.
14 Ary Jehovah efa nandidy ny aminao hoe: Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao; Hataoko tapaka tsy ho ao an-tranon’ ny andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina; Hanao ny fasana ho anjaranao Aho, satria hita fa latsa-danja ianao.
Et præcipiet super te Dominus; non seminabitur ex nomine tuo amplius: de domo Dei tui interficiam sculptile, et conflatile; ponam sepulchrum tuum, quia inhonoratus es.
15 Injany! any an-tendrombohitra ny tongotry ny mitondra teny soa mahafaly Sady mitory fiadanana! Tandremo ny andro firavoravoanao, ry Joda, Efao ny voadinao; Fa tsy handeha hamaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, Indray ripaka izy rehetra.
Ecce super montes pedes evangelizantis, et annuntiantis pacem. Celebra, Juda, festivitates tuas, et redde vota tua, quia non adjiciet ultra ut pertranseat in te Belial: universus interiit.

< Nahoma 1 >