< Nahoma 3 >

1 Lozan’ ny tanàna mpandatsa-drà! Feno lainga sy fandozana izy; Tsy ialan-dremby ao aminy.
A UWE ke kulanakauhale koko! Ua piha oia a pau i ka wahahee, a me ka powa; Aole e laweia'ku ke pio;
2 Injany! ny fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon’ ny kodia! Ny fikatrokatroky ny soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy!
O ka poha o ka huipa, a o ka halulu o ke kaa ana o na kaa, A o ka holo ana o na lio, a o ka lele ana o na halekaa.
3 He! ny fampiriotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fanelatselatry ny sabatra Sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan’ ny voatrabaka sy ny hamaroan’ ny voavono! Tsy hita isa ny faty, Eny, voafingampingan’ ny faty ny olona,
Kaikai ae ka hoohololio i ka pahikaua wakawaka a me ka ihe huali; A he nui ka poe i pepehiia, a he nui na kupapau; Aohe hope o na heana, A hina lakou maluna o ko lakou mau heana.
4 Noho ny habiazan’ ny fijangajangan’ ikala janga tsara tarehy, Tompovavin’ ny fankatovana, Izay mivarotra firenena amin’ ny fijangajangany Sy fokom-pirenena amin’ ny fankatovany.
No ka nui o na moe kolohe ana o ka wahine maikai hookamakama, Nona na anaana. Ka mea kuai i na lahuikanaka ma kona moe kolohe ana, A me na ohana, ma kona mau anaana ana;
5 Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; Ary haingaiko ho amin’ ny tavanao ny moron-tongotr’ akanjonao, Ka hasehoko amin’ ny firenena ny fitanjahanao Sy amin’ ny fanjakana ny fahamenaranao.
Aia hoi, ua maka e aku au ia oe, wahi a Iehova o na kaua; A e huli ae au i kou kapa maluna o kou maka, A e hoike aku au i kou olohelohe ana i na lahuikanaka, A i kou hilahila i na aupuni.
6 Dia hotsipazako loto ianao Ka hataoko tsinontsinona, Eny, hataoko fitalanjonana ianao.
A e hoolei aku au maluna ou i na mea haumia, A e hoolilo au ia oe i mea e manao ole ia, A e hooku au ia oe i mea e makaikaiia.
7 Arv izay rehetra mijery anao dia handositra anao Ka hanao hoe: Rava Ninive! Iza no hitomany azy? Aiza no hitadiavako izay hampionona anao?
A o na mea a pau e nana aku ia oe, Holo no lakou mai ou aku la, me ka i ana aku, Ua lukuia o Nineva! Owai la ka mea e auwe ia ia? A mahea la wau e imi aku ai i na mea hooluolu nou?
8 Tsara noho No-amona va ianao? Ilay nitoetra teo anelanelan’ ny ony Ka nohodidinin’ ny rano; Ny rano be no rovany, Ary ny rano be koa no mandany;
Ua oi anei kou maikai mamua o ko No-Amona, Ka mea e noho ana ma na muliwai, Ua hoopuniia oia e na wai, O ke kai kona paku, a o kona papohaku mai ke kai mai ia?
9 Ny Etiopiana sy ny Egyptiana no heriny, Sady tsy hita lany ireny; Ny Lydiana sy ny Libyana no mpanampy azy.
O Aitiopa kona ikaika a me Aigupita, aohe heluia; O Puta a me Lubima kou mau mea kokua.
10 Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; Ny zanany madinika koa notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra eny; Ny olo-malazany nanaovany filokana, Ary ny lehibeny rehetra nogadrana.
Aka, ua laweia'ku oia, ua hele pio aku ia; A ua ulupaia kana mau keiki liilii ma ke poo o na alanui a pau: A hailona lakou no kona poe kanaka hanohano, A ua hoopaaia kona mau kanaka nui a pau i na kaulahao.
11 Hianao koa ho mamo ka hiafina, Hianao koa hitady fiarovana mafy hierenao ny fahavalonao.
A e ona no hoi oe, a e hunaia oe; A e imi no oe i ka ikaika no ka poe enemi.
12 Ny manda mafinao rehetra ho tahaka ny aviavy misy voa mialin-taona: Raha hohozongozonina izy, dia hihintsana ao am-bavan’ izay hihinana aza.
A e like kou mau wahi paa me ka laau fiku, me ka hua pala mua, Ina e hooluliia, e haule iho lakou iloko o ka waha o ka mea e ai ana.
13 Indro, vehivavy no olonao ao aminao; Hidiran’ ny fahavalonao no hidananan’ ny vavahadin’ ny taninao; Levon’ ny afo ny hidinao.
Aia hoi, o kou poe kanaka iwaena ou, ua like me na wahine; A e hoohamama loa ia na pukapa o kou aina i kou poe enemi; A e hoopau ke ahi i kou mau kaola.
14 Manangona rano ho anao ho an’ ny fahirano; Hamafio ny mandanao; Mirotsaha amin’ ny fotaka, ka hosihoseo ho feta, Amboary ny lafaoro fandoroam-biriky.
E hukiwai ae nou, no ka popilikia, E hoopaa oe i kou mau wahi paa; E komo oe iloko o ka lepo, a e hehi iho i ka lepo kawili, A e hoopaa i kahi puhi pohaku-ula.
15 Any no handevonan’ ny afo anao Sy handripahan’ ny sabatra anao; Hohaniny toy ny fihinan’ ny valalavao ianao; Mihamaroa toy ny valalavao, Mihabetsaha toy ny valala.
Malaila e hoopau ai ke ahi ia oe; E oki mai ka pahikaua ia oe, E ai iho no ia ia oe, e like me ka uhini huluhulu: E hoomahuahua ia oe iho e like me ka uhini huluhulu; Hoonui ia oe iho e like me ka uhini nui.
16 Nataonao betsaka noho ny kintana eny amin’ ny lanitra ny mpandrantonao; Mipariaka ny valalavao ka lasa manidina.
Ua hoonui oe i kou poe kalepa mamua o na hoku o ka lani: Hoopalahalaha aku ka uhini huluhulu, a lele aku la.
17 Ny andriananao dia toy ny valala, Ary ny mpifehinao dia toy ny valalavao, Izay mitoby eny amin’ ny fefy, raha mangatsiaka ny andro; Fa raha miposaka ny masoandro, dia lasa manidina izy, Ka tsy fantatra izay nalehany.
Ua like kou poe alii me na uhini, A o kou poe lunakoa e like me na uhini nui loa, Ka mea e kau ana ma ka papohaku i ka la anu, A puka mai ka la, lele aku lakou, aole i ikeia ko lakou wahi.
18 Rendrehana ny mpiandrinao, ry mpanjakan’ i Asyria; Miampatrampatra ny lehilahy maherinao; Aely eny an-tendrombohitra ny olonao. Ka tsy misy mamory azy.
Ke hiamoe nei kou poe kahuhipa, e ke alii o Asuria: E noho iho kou poe alii; Ua hoopuehuia kou poe kanaka ma na mauna, Aohe mea nana lakou e hoakoakoa mai.
19 Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?
Aohe mea hoola i kou eha ana; ua nui kou eha; O ka poe a pau e lohe i kou lono, e paipai lakou i ko lakou lima maluna ou; No ka mea, maluna owai anei i hele mau ole aku ai kou hewa?

< Nahoma 3 >