< Nahoma 2 >

1 Misy mpanorotoro miakatra hamely anao Ambeno ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao!
Hærgeren drager imod dig, hold Vagt med Omhu, hold Udkig, omgjord din Lænd, saml al din Kraft!
2 Fa Jehovah efa mampody ny voninahitr’ i Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr’ Isiraely; Fa ny mpandroba efa nandroba azy Ary nanimba ny sampam-boalobony.
Thi HERREN genrejser Jakobs og Israels Højhed; dem har jo Hærværksmænd hærget og ødt deres Ranker.
3 Nomenaina ny ampingan’ ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin’ ny andro fiomanany, Ary antsodina ny lefona.
Hans Heltes Skjolde er røde, hans Stridsmænd skarlagenklædt, hans Vogne funkler af Staal, den Dag han ruster og Spydene svinges.
4 Ampiezahina eny an-dalambe ny kalesy Ka mifanaretsadretsaka eny an-kalalahana; Tahaka ny harendrina no fijery azy, Mitsoriaka tahaka ny helatra izy.
Igennem Gaderne raser Vognene frem, hen over Torvene farer de i susende Fart; de ser ud som Fakler, farer frem og tilbage som Lyn.
5 Tsaroany ny lehilahy malazany, Kanjo tafintohina eny am-pandehanana ireny; Mihazakazaka ho any amin’ ny manda ireny, Kanjo efa voatsangana sahady ny hamelezana azy.
Hans Helte kaldes frem, de snubler i Farten, de styrter frem imod Muren, Skjoldtaget er rejst.
6 Vohana ny vavahadin-drenirano, Ary reraka ny lapa.
Flodportene bliver aabnet, Kongsgaarden vakler.
7 Izao no voatendry: ampitanjahina izy, dia lasan-ko babo, Ary ny ankizivavy mitoloko azy manao feom-boromailala Sady miteha-tratra.
Herskerinden føres bort i Landflygtighed med sine Terner; de sukker som kurrende Duer, slaar sig for Brystet.
8 Fa Ninive dia tahaka ny farihy hatrizay nisiany; Nefa handositra ihany ireny, Mijanòna, mijanòna e! Nefa tsy misy miherika.
Nineve er som en Dam, hvis Vand flyder bort. »Stands dog, stands dog!« raabes der, men ingen vender om.
9 Mamaboa volafotsy, Mamaboa volamena! Fa tsy hita lany ny rakitra soa, Dia ny habetsahan’ ny fanaka mahafinaritra rehetra.
Ran Sølv, ran Guld! Der er Liggendefæ uden Ende, alskens kostbare Ting i store Maader.
10 Indrisy! foana, eny, foana sady lao! Kivy ny fo, miady ny lohalika, Manaintaina ny valahany rehetra, Mivaloarika ny tarehiny rehetra.
Tomt og tømt og udtømt, ængstede Hjerter, rystende Knæ og Skælven i alle Lænder! Og alle Ansigter blegner.
11 Aiza ilay lavaky ny liona sy firemben’ ny liona tanora? Ilay nandehanan’ ny liona sy ny liom-bavy mbamin’ ny zana-diona, Ka tsy nisy nanaitaitra azy,
Hvor er nu Løvernes Bo, Ungløvernes Hule, hvor Løven trak sig tilbage, hvor Ungløven ej kunde skræmmes?
12 Dia ilay liona namotipotika izay ampy ho an’ ny zanany Ary nanenda ho an’ ny liombaviny Sady nameno haza ny lavany Sy toha ny fonenany.
Den røved til Ungernes Tarv og myrded til Løvinderne, fyldte sine Hier med Bytte, sit Bo med Rov.
13 Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Holevoniko ho setroka ny kalesinao Ary hovonoiko sabatra ny liona tanoranao; Hofonganako amin’ ny tany ny hazanao; Ka tsy ho re intsony ny feon’ ny irakao.
Se, jeg kommer over dig, lyder det fra Hærskarers HERRE, dit Lejrsted lader jeg gaa op i Røg. Dine Ungløver skal Sværdet fortære; jeg rydder din Røverfærd bort fra Jorden. Dine Sendebuds Røst skal aldrig høres mer.

< Nahoma 2 >