< Nahoma 1 >

1 Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Ninive, dia ny bokin’ ny fahitan’ i Nahoma Elkosita.
Neno alilosema Mungu kuhusu Ninawi. Kitabu cha maono cha Nahumu, Mwelkoshi.
2 Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka Jehovah; Jehovah dia Mpamaly heloka sady be fahatezerana; Jehovah dia Mpamaly ny rafilahiny Ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony.
Bwana ni mwenye wivu na Mungu mlipiza kisasi; Bwana hulipiza kisasi na amejaa ghadhabu. Bwana hulipiza kisasi juu ya watesi wake, naye anadumisha ghadhabu yake dhidi ya adui zake.
3 Mahari-po Jehovah sady be hery Ary tsy mety manamarina ny meloka; Amin’ ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan’ i Jehovah. Ary rahona no vovoky ny tongony.
Bwana si mwepesi wa hasira naye ni mwenye nguvu, Bwana hataacha kuadhibu wenye hatia. Njia yake ipo katika kisulisuli na tufani, na mawingu ni vumbi la miguu yake.
4 Miteny mafy ny ranomasina izy ka mahatankina azy Ary mandritra ny ony rehetra; Malazo Basana sy Karmela. Ary malazo koa ny vonin’ i Libanona.
Anakemea bahari na kuikausha, anafanya mito yote kukauka. Bashani na Karmeli zinanyauka na maua ya Lebanoni hukauka.
5 Mihorohoro eo anatrehany ny tendrombohitra, Sady miempo ny havoana, Ary mientanentana eo anatrehany ny tany, Dia ny tany onenana sy ny mponina rehetra ao aminy.
Milima hutikisika mbele yake na vilima huyeyuka. Nchi hutetemeka mbele yake, dunia na wote waishio ndani yake.
6 Iza no mahatoetra eo anoloan’ ny fahavinirany? Ary iza no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Aidina toy ny afo ny fahatezerany, Ary mirodana eo anoloany ny vatolampy.
Ni nani awezaye kuzuia hasira yake yenye uchungu? Nani awezaye kuvumilia hasira yake kali? Ghadhabu yake imemiminwa kama moto, na miamba inapasuka mbele zake.
7 Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ ny andro fahoriana, Ka mahalala izay mialoka aminy.
Bwana ni Mwema, kimbilio wakati wa taabu. Huwatunza wale wanaomtegemea,
8 Fa amin’ ny riaka manafotra no anafoanany ny fitoerany, Ary ny fahavalony dia henjehiny ho any amin’ ny maizina.
lakini kwa mafuriko makubwa, ataangamiza Ninawi; atafuatilia adui zake hadi gizani.
9 Inona no heverinareo ho enti-manohitra an’ i Jehovah? Fahafonganana no hataony, Tsy hiverina fanindroany ny fahoriana.
Shauri baya lolote wapangalo dhidi ya Bwana yeye atalikomesha; taabu haitatokea mara ya pili.
10 Fa na dia miforiporitra toy ny tsilo aza ireny Sady vonton’ ny divay mahery fibobohany, Dia ho levona tokoa toy ny vodivary maina izy.
Watasongwa katikati ya miiba na kulewa kwa mvinyo wao. Watateketezwa kama mabua makavu.
11 Avy tao aminao no nivoahan’ ny anankiray izay misain-dratsy ho enti-manohitra an’ i Jehovah Sady mamoron-kevi-dratsy.
Ee Ninawi, kutoka kwako amejitokeza mmoja, ambaye anapanga shauri baya dhidi ya Bwana na kushauri uovu.
12 Izao no lazain’ i Jehovah: Na dia tsy latsaka isa ka mbola maro aza ireny, Dia hofongorana ihany izy ka ho levona Fa efa nampahory anao Aho, Ka tsy hampahory anao intsony.
Hili ndilo asemalo Bwana: “Ingawa wana muungano nao ni wengi sana, watakatiliwa mbali na kuangamia. Ingawa nimekutesa wewe, ee Yuda, sitakutesa tena.
13 Fa ankehitriny hotapahiko ny ziogany ho afaka aminao, Ary hotosako ny famatorana anao.
Sasa nitavunja nira zao kutoka shingo yako, nami nitazivunjilia mbali pingu zako.”
14 Ary Jehovah efa nandidy ny aminao hoe: Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao; Hataoko tapaka tsy ho ao an-tranon’ ny andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina; Hanao ny fasana ho anjaranao Aho, satria hita fa latsa-danja ianao.
Hii ndiyo amri Bwana aliyoitoa kukuhusu wewe, Ninawi: “Hutakuwa na wazao watakaoendeleza jina lako. Nitaharibu sanamu za kuchonga na sanamu za kuyeyusha ambazo zipo katika hekalu la miungu yenu. Nitaandaa kaburi lako, kwa maana wewe ni mwovu kabisa.”
15 Injany! any an-tendrombohitra ny tongotry ny mitondra teny soa mahafaly Sady mitory fiadanana! Tandremo ny andro firavoravoanao, ry Joda, Efao ny voadinao; Fa tsy handeha hamaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, Indray ripaka izy rehetra.
Tazama, huko juu milimani, miguu ya huyo mmoja aletaye habari njema, ambaye anatangaza amani! Ee Yuda, sherehekea sikukuu zako, nawe utimize nadhiri zako. Waovu hawatakuvamia tena; wataangamizwa kabisa.

< Nahoma 1 >