< Mika 5 >

1 Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin’ ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran’ ny Isiraely izy.
Sasa njoni pamoja katika safu ya kupigana, binti wa maaskari; maaskari wameuzingira mji, kwa ufito watampiga mwamuzi wa Israeli kwenye shavu.
2 Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan’ ny arivon’ i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan’ Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.
Lakini wewe, Bethlehemu Efrata, hata kama uko mdogo miongoni mwa koo za Yuda, kutoka kweko mmoja atakuja kwangu kutawala Israeli, ambaye mwanzo wake ni kutoka nyakati za kale, toka milele.
3 Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin’ ny fotoana hiterahan’ izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin’ ny rahalahiny dia hiverina mbamin’ i ny Zanak’ Isiraely.
Kwa hiyo Mungu atawapa, hata mda wa yeye aliye katika uchungu kuzaa mtoto, na mabaki ya ndugu zake yatawarudia wana wa Israeli.
4 Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin’ ny herin’ i Jehovah. Sy amin’ ny voninahitry ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin’ ny faran’ ny tany Izy.
Atasimama na kuchunga kundi lake kwa nguvu za Yahwe, kwa ukuu wa enzi ya jina la Yahwe Mungu wake. Watabaki, kwa kuwa atakuwa mashuhuri hata mwisho wa dunia.
5 Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin’ ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin’ ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika.
Atakuwa amani yetu. Wakati Waashuru watakapokuja kwenye nchi yetu, wakati wakitembea dhidi ya boma yetu, kisha kisha tutainuka juu yao wachungaji saba na viongozi nane juu ya watu.
6 Ary handany ny tany Asyria amin’ ny sabatra Sy ny tanin’ i Nimroda ao an-tanànany ireo; Ary Izy hamonjy amin’ ny Asyriana, Raha tonga amin’ ny tanintsika sady manitsaka ato amin’ ny fari-tanintsika ireny.
Watachunga nchi ya Ashuru kwa upanga, na nchi ya Nimrodi katika malango yake. Atatuokoa kutoka kwa Waashuru, watakapokuja kwenye nchi yetu, watakapoingia kwenye mipaka yetu.
7 Ary izay sisa amin’ i Jakoba ao amin’ ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin’ i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin’ ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak’ olombelona.
Mabaki ya Yakobo yatakuwa katika kabila za watu wengi, kama umande utokao kwa Yahwe, kama manyunyu kwenye majani, ambayo hayamsubiri mtu, na hayawasubiri watoto wa mwanadamu.
8 Ary izay sisa amin’ i Jakoba ao amin’ ny jentilisa, Ao amin’ ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin’ ny biby any an’ ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ ny andian’ ny ondry aman’ osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.
Mabaki ya Yakobo yatakuwa miongoni mwa mataifa, miongoni mwa watu wengi, kama simba katikati ya kundi la kondoo. wakati akipita katikati yao, atawakanyaga juu yao na kuwachachana kuwa vipande vipande, na hakutakuwa na mtu wa kuwaokoa.
9 Aoka haingaina amin’ ny rafilahinao ny tananao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.
Mkono wako utainuliwa dhidi ya maadui zako, na utawaharibu.
10 Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao, Ary hofonganiko ny kalesinao,
“Itatokea siku hiyo,” asema Yahwe, “kwamba nitawaharibu farasi wako kutoka miongoni mwenu na nitayavunja magari yako ya farasi.
11 Hofoanako ny tanàna amin’ ny taninao, Ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;
Nitaiharibu miji katika nchi yako na kuzingusha ngome zako zote.
12 Hofoanako tsy hisy amin’ ny tananao ny fankatovanao, Ary tsy hanana mpanandro intsony ianao.
Nitauharibu uchawi kwenye mkono wako, na hakutakuwa na waaguzi tena.
13 Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra Sy ny tsangam-baton-tsampinao; Ary tsy hiankohoka eo anatrehan’ ny asan’ ny tananao intsony ianao.
Nitaziaharibu sanamu zako za pango na nguzo za mawe kutoka miongoni mwako. Hautaabudu tena ustadi wa mikono yako.
14 Hongotako tsy ho eo aminao ny Aserahanao; Ary horavako koa ny tanànanao.
Nitazin'goa nguzo zako za Ashera kutoka miongoni mwenu, na nitaiharibu miji yenu.
15 Ary ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.
Nitalipiza kisasi kwa hasira na ghadhabu juu ya mataifa ambayo hayakusikiliza.”

< Mika 5 >