< Mika 4 >

1 Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany.
到末日,上主火聖殿山必要矗立在群山之上,超乎一切山岳,萬民都要向它湧來;
2 Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah, Ho any an-tranon’ Andriamanitr’ i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin’ ny lalany, Ka handehanantsika amin’ ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan’ ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin’ i Jehovah.
將有許多民族前來說:「來,我們攀登上主的聖山,往雅各伯天主的殿裏去! 衪必指示我們衪的道路,教給我們循行衪的途徑,因為法律將出自熙雍,上主將出自熙雍,上主的話將出自耶路撒冷。」
3 Ary hitsara ny adin’ ny firenena maro Izy Ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin’ ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony.
衪將統治萬民,遠處的強國宣佈定案;他們必要把自己的刀劍鑄成鋤頭,將自己的槍矛製成鐮刀;民族與民族不再持刀相向,人也不再學習武鬥;
4 Fa samy hipetraka eny ambanin’ ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no efa niteny.
各人只坐在自家葡萄樹和無花果樹下,無人來驚擾,因為萬軍的上主親口說了。
5 Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin’ ny anaran’ ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.
雖然萬民各奉自己神祗之名而生活,但是我們卻永遠奉上主我們天主之名而生活。
6 Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, No hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina Mbamin’ izay nampahoriko;
到那一日,──上主的斷語──我要聚集跛行的人,集合被驅散和我所磨難的人;
7 Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin’ izany ka ho mandrakizay.
我必使跛行的人成為遺民,使離散的人成為強大的民族。從今以後,我,上主要在熙雍山上作他們的君王,以至永遠。
8 Ary ianao, ry tilikambon’ ny andiany’. Tendrombohitr’ i Ziona zanakavavy, Aminao no ho tonga izany, eny, ho tonga ny fanapahana voalohany, Dia ny fanjakan i Jerosalema zanakavavy.
你這羊群的守望台,熙雍女子的高崗,昔日的王權必再歸於你,耶路撒冷女子的王國必再臨。
9 Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainao, No dia azon’ ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka?
現在你為什麼高呼﹖難道你們中間沒有了君王,或者妳的參議已喪亡,令妳痛苦,像臨產的婦女﹖
10 Ry Ziona zanakavavy, mararia, ka manezaha, Toy ny vehivavy raha miteraka! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao Ka hipetraka any an-tsaha, Ary dia ho tonga hatrany Babylona aza; Any no hamonjena anao, Eny, any no hanavotan’ i Jehovah anao ho afaka amin’ ny tanan’ ny fahavalonao.
熙雍女子,妳應輾轉呻吟,像個臨產的婦女,因為現在妳應出城,住在田野,並且要到巴比倫去,在那裏你將獲救;在那裏,上主你的的天主,要從仇敵中把妳贖回。
11 Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy.
現在許多異族集合起來攻擊妳說:「願她赤身裸體,願我們親眼見到熙雍滅亡! 」
12 Kanjo tsy fantatr’ ireny ny hevitr’ i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy.
但是他們不知道上主的心意,不明白衪的策略,原來是上主集合了他們,如把禾梱收在禾場上一樣。
13 Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an’ i Jehovah ny hareny, Ary ho an’ ny Tompon’ ny tany rehetra ny fananany.
熙雍女子,起來打場吧! 因為我要使妳們的角變成鐵角,使妳的蹄變成銅蹄,使妳踏碎許多民族;妳將他們的戰利品奉獻給上主,將他們的財寶o石全地的主宰。

< Mika 4 >