< Mika 2 >

1 Lozan’ izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.
Ole kwa wale wapangao uovu, kwa wale wafanyao shauri la hila vitandani mwao! Kunapopambazuka wanalitimiza kwa sababu uko katika uwezo wao kutekeleza.
2 Ary mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, Sy trano koa ka mahalasa azy; Ary mampahory olona mbamin’ ny ankohonany izy, Dia ny olona mbamin’ ny lovany.
Wanatamani mashamba na kuyakamata, pia nyumba na kuzichukua. Wanamlaghai mwanaume nyumba yake, mwanadamu mwenzake urithi wake.
3 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, mamorona loza hamelezana ity firenena ity Aho, Izay tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo, Ka tsy handeha miandranandrana ianareo, Satria andro mampahory izany.
Kwa hiyo, Bwana asema: “Ninapanga maangamizi dhidi ya watu hawa, ambayo hamwezi kujiokoa wenyewe. Hamtatembea tena kwa majivuno, kwa kuwa utakuwa ni wakati wa maafa.
4 Amin’ izany andro izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, Ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Efa levona izao! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika; Ataony fanakalo zavatra ny anjaran’ ny oloko; Endrey! afindrany hiala amiko izany! Samy zarainy ho an’ ny mpiodina avy ny tanintsika!
Siku hiyo watu watawadhihaki, watawafanyia mzaha kwa wimbo huu wa maombolezo: ‘Tumeangamizwa kabisa; mali ya watu wangu imegawanywa. Ameninyangʼanya! Ametoa mashamba yetu kwa wasaliti.’”
5 Koa tsy hisy aminao hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.
Kwa hiyo hutakuwa na yeyote katika kusanyiko la Bwana wa kugawanya mashamba kwa kura.
6 Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny; Aoka tsy hiteniteny ny amin’ ireto izy, Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony!
Manabii wao husema, “Usitabiri. Usitabiri kuhusu vitu hivi; aibu haitatupata.”
7 He! izany teny izany! Ry taranak’ i Jakoba, Malaky tezitra va ny Fanahin’ i Jehovah? Ireto va no asa fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko?
Je, ingesemwa, ee nyumba ya Yakobo: “Je, Roho wa Bwana amekasirika? Je, yeye hufanya vitu kama hivyo?” “Je, maneno yangu hayamfanyii mema yeye ambaye njia zake ni nyofu?
8 Vao omaly no omaly no nitsanganan’ ny oloko ho fahavalo; Hendahanareo hiala eo amin’ ny lamba ny kapôtin’ izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady.
Siku hizi watu wangu wameinuka kama adui. Unawavua joho la kitajiri wale wanaopita pasipo kujali, kama watu warudio kutoka vitani.
9 Ny vehivavy eo amin’ ny oloko dia roahinareo hiala amin’ ny tranony mahafinaritra; Esorinareo hiala mandrakizay amin’ ny zanany madinika ny voninahitro.
Unawahamisha wanawake wa watu wangu kutoka kwenye nyumba zao za kupendeza. Unaondoa baraka yangu kwa watoto wao milele.
10 Mitsangàna, ka mialà (Fa tsy eto no fitsaharana), Satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto, eny, fandringanana mafy.
Inuka, nenda zako! Kwa maana hapa sio mahali pako pa kupumzikia, kwa sababu pametiwa unajisi, pameharibiwa, wala hapatengenezeki tena.
11 Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-teny’ aminao ny amin’ ny divay sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-tenin ity firenena ity.
Ikiwa mwongo na mdanganyifu atakuja na kusema, ‘Nitawatabiria divai na pombe kwa wingi,’ angekuwa ndiye nabii anayekubalika na watu hawa!
12 Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, Ary hanangona ny sisa amin’ ny Isiraely tokoa, Hakambako toy ny ondry any amin’ ny vala izy, Toy ny ondry andiany ao amin’ ny tany fiandrasana; Hitabataba izy noho ny hamaroan’ ny olona.
“Hakika nitawakusanya ninyi nyote, ee Yakobo, Hakika nitawaleta pamoja mabaki ya Israeli. Nitawaleta pamoja kama kondoo ndani ya zizi, kama kundi kwenye malisho yake, mahali hapa patakuwa na msongamano wa watu.
13 Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin’ ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy.
Yeye afunguaye njia atawatangulia; watapita kwenye lango na kutoka nje. Mfalme wao atawatangulia, Bwana atakuwa kiongozi.”

< Mika 2 >