< Mika 1 >

1 Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Morastita tamin’ ny andro nanjakan’ i Jotama sy Ahaza ary Hezetia, mpanjakan’ ny Joda, dia ilay hitany ny amin’ i Samaria sy Jerosalema.
猶大不約堂、阿哈次和希則克雅年間,上主的話傳給摩勒舍特人米該亞;以下如果他關於撒馬黎雅和耶路撒冷所見的聖視:
2 Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin’ ny tempoliny masìna.
眾民族,你們請聽! 大地和充乎其間的萬物,你們側耳傾聽! 吾主上主要作証反抗你們,吾主已離開了衪的聖殿。
3 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin’ ny fitoerany Ary midìna ka mandia ny havoana amin’ ny tany.
看,上主已離開自己的居所下降,踏著大地高處前行。
4 Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin’ ny afo, Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin’ ny hantsana.
在衪腳下,諸山銷鎔,諸谷分裂,有如蠟在火前,有如冰瀉斜坡。
5 Noho ny fahadisoan’ i Jakoba sy ny fahotan’ ny taranak’ Isiraely no isian’ izany rehetra izany. Iza no nahadiso an’ i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon’ i Joda? Tsy Jerosalema va?
這一切都是因為雅各伯的邪惡,猶大家的罪過。雅各伯的邪惡是什麼﹖不就是撒馬黎雅﹖猶大的罪過是什麼﹖不就是耶路撒冷﹖
6 Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.
我必要使撒馬黎雅變為田野中的廢墟,化為栽植葡萄的園地;我要把她的石頭投入山谷,暴露她的基礎。
7 Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin’ ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin’ ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin’ ny vehivavy janga indray izy.
她的一切雕像必被打碎;她的一切淫資必被火燒盡;她的一切偶像,我必使之變為廢物,因為偶像是聚合娼妓淫資做成的,將再轉為娼妓的淫資。
8 Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona toy ny amboadia aho Ary hikiakiaka toy ny ostritsa.
為此,我要哀號悲鳴,我要赤足裸體而行;哀號若豺狼,悲鳴如駝鳥;
9 Fa tsy azo sitranina ny ferin’ i Samaria; Fa mihatra amin’ i Joda izany, Ary mahatratra ny vavahadin’ ny oloko aza, dia any Jerosalema.
因為撒馬黎雅的創傷無法醫治,且已廷及猶大,逼近我的門口,直達耶路撒冷。
10 Aza ambaranareo any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Beti-le-afra aho.
你們在加達不要歡樂,在隨苛要慟哭,在貝特敖斐勒,要輾轉於灰塵之中。
11 Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan’ i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao.
沙非爾的居民! 人已向你吹起了號角;匝南的居民,不要走出自己的城! 在貝特厄責耳有了哭訴,因為人從你們手中奪去了立足之地。
12 Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota, Satria loza no efa nidina avy tamin’ i Jehovah ho ao am-bavahadin’ i Jerosalema.
災禍已由上主降於耶路撒冷門前,瑪洛特的居民還怎能希望幸福﹖
13 Fehezo amin’ ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy; Niandohan’ ny fahotan’ i Ziona zanakavavy iny, Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan’ Isiraely.
拉基士的居民,你們要以快馬駕車! 你們是熙雍子女犯罪的開端,因為在你們中間找出以色列罪惡的根源。
14 Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an’ i Moresetagata; Ranotrambo ho an’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ireo tranon’ i Akziba.
摩勒舍特加特! 人要給你送來臨別的贈品;阿革齊布家為以色列君王,是一條變幻無常的溪流。
15 Mbola hitondrako olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr’ Isiraely.
瑪勒沙的居民,征服者還要來你們這裏;的確,以色列的光榮阿杜蘭將要消逝!
16 Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an’ ny voltora, Fa lasan-ko babo niala taminao izy.
熙雍女子! 妳應為了妳所愛的子女剃頭削髮,並要徹底使妳的頭光禿,有如一隻兀鷹,因為你們已由妳面前被擄去充軍。

< Mika 1 >