< Matio 1 >
1 Ny filazana ny razan’ i Jesosy Kristy, zanak’ i Davida zanak’ i Abrahama.
Jēzus Kristus cilts grāmata. Jēzus bija Dāvida, Dāvids Ābrahāma dēls.
2 Abrahama niteraka an’ i Isaka; ary Isaka niteraka an’ i Jakoba; ary Jakoba niteraka an’ i Joda mirahalahy avy;
Ābrahāms dzemdināja Īzaku, un Īzaks dzemdināja Jēkabu, un Jēkabs dzemdināja Jūdu un viņa brāļus.
3 ary Joda niteraka an’ i Fareza sy Zara tamin’ i Tamara; ary Fareza niteraka an’ i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama;
Un Jūda dzemdināja Vārecu un Cāru no Tamaras; un Vārecs dzemdināja Hecronu, un Hecrons dzemdināja Aramu.
4 ary Rama niteraka an’ i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona; ary Nasona niteraka an’ i Salmona;
Un Arams dzemdināja Aminadabu, un Aminadabs dzemdināja Nahšonu, un Nahšons dzemdināja Zalmanu.
5 ary Salmona niteraka an’ i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an’ i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an’ i Jese;
Un Zalmans dzemdināja Boasu no Rahabas, un Boas dzemdināja Obedu no Rutes, un Obeds dzemdināja Isaju.
6 ary Jese niteraka an’ i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an’ i Solomona tamin’ ny vadin’ i Oria;
Un Isajus dzemdināja ķēniņu Dāvidu, un ķēniņš Dāvids dzemdināja Salamanu no Ūrijas sievas.
7 ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an’ i Abia; ary Abia niteraka an’ i Asa;
Un Salamans dzemdināja Rekabeamu, un Rekabeams dzemdināja Abiju, un Abija dzemdināja Asu.
8 ary Asa niteraka an’ i Josafata; ary Josafata niteraka an’ i Jorama; ary Jorama niteraka an’ i Ozia;
Un Asus dzemdināja Jehošafatu, un Jehošafats dzemdināja Jehoramu, un Jehorams dzemdināja Ociju.
9 ary Ozia niteraka an’ i Jotama; ary Jotama niteraka an’ i Ahaza; ary Ahaza niteraka an’ i Hezekia;
Un Ocija dzemdināja Joatamu, un Joatams dzemdināja Akacu, un Akacs dzemdināja Eceķiju.
10 ary Hezekia niteraka an’ i Manase; ary Manase niteraka an’ i Amona; ary Amona niteraka an’ i Josia;
Un Eceķija dzemdināja Manasu, un Manasus dzemdināja Amonu, un Amons dzemdināja Josiju.
11 ary Josia niteraka an’ i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ ny nifindrana tany Babylona.
Un Josija dzemdināja Jekoniju un viņa brāļus ap to aizvešanu uz Bābeli.
12 Ary taorian’ ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an’ i Sealtiela; ary Sealtiela niteraka an’ i Zerobabela;
Un pēc aizvešanas uz Bābeli Jekonija dzemdināja Zalatiēli, un Zalatiēls dzemdināja Corobabeli.
13 ary Zerobabela niteraka an’ i Abihoda; ary Abihoda niteraka an’ i Eliakima; ary Eliakima niteraka an’ i Azora;
Un Corobabels dzemdināja Abiudu, un Abiuds dzemdināja Eliaķimu, un Eliaķims dzemdināja Hacoru.
14 ary Azora niteraka an’ i Zadoka; ary Zadoka niteraka an’ i Akima; ary Akima niteraka an’ i Elihoda;
Un Hacors dzemdināja Cadoku, un Cadoks dzemdināja Aķimu, un Aķims dzemdināja Eliudu.
15 ary Elihoda niteraka an’ i Eleazara; ary Eleazara niteraka an’ i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba;
Un Eliuds dzemdināja Eleazaru, un Eleazars dzemdināja Mattanu, un Mattans dzemdināja Jēkabu.
16 ary Jakoba niteraka an’ i Josefa, vadin’ i Maria; ary Maria niteraka an’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.
Un Jēkabs dzemdināja Jāzepu, Marijas vīru, no kuras ir piedzimis Jēzus, kas top saukts Kristus.
17 Ary ny taranaka rehetra hatramin’ i Abrahama ka hatramin’ i Davida dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ i Davida ka hatramin’ ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ ny nifindrana tany Babylona ka hatramin’ i Kristy dia taranaka efatra ambin’ ny folo.
Tad nu pavisam no Ābrahāma līdz Dāvidam ir četrpadsmit augumi; un no Dāvida līdz aizvešanai uz Bābeli ir četrpadsmit augumi; un no aizvešanas uz Bābeli līdz Kristum četrpadsmit augumi.
18 Ary ny nahaterahan’ i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin’ i Jesosy, ho fofombadin’ i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ ny Fanahy Masìna izy.
Bet Jēzus Kristus piedzimšana bija tāda: kad Marija, viņa māte, Jāzepam bija saderēta, pirms tie nāca kopā, tā atradās grūta no Svētā Gara.
19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
Bet Jāzeps, viņas vīrs, taisns būdams un negribēdams tai kaunu darīt, gribēja to slepeni atstāt.
20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy tamin’ ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak’ i Davida, aza matahotra hampakatra an’ i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ ny Fanahy Masìna,
Bet viņam tā savā prātā domājot, redzi, Tā Kunga eņģelis sapnī parādījās sacīdams: Jāzep, tu Dāvida dēls, nebīsties, Mariju, savu sievu, ņemt pie sevis; jo kas iekš tās dzimis, tas ir no Svētā Gara.
21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ ny fahotany.
Un viņa dzemdēs dēlu, un Tā vārdu tev būs saukt Jēzus; jo Viņš izpestīs Savus ļaudis no viņu grēkiem.
22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ ny Tompo ny mpaminany hoe:
Bet viss tas ir noticis, lai piepildītos, kas runāts no Tā Kunga caur to pravieti, kas saka:
23 Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon’ ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.
“Redzi, tā jumprava būs grūta un dzemdēs Dēlu, un Viņa vārdu sauks Immanuels,” tas ir tulkots: “Dievs ar mums.”
24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin’ ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian’ ny anjelin’ ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.
Bet Jāzeps no miega uzmodies darīja, kā viņam Tā Kunga eņģelis bija pavēlējis, un ņēma savu sievu pie sevis;
25 Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.
Un viņu neatzina, līdz kamēr viņa bija dzemdējusi savu pirmdzimto Dēlu, un nosauca Viņa vārdu Jēzus.