< Matio 9 >
1 Ary niondrana an-tsambokely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.
2 Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin’ ny paralysisa nandry tamin’ ny fandriana nentin’ ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ ireo, dia nanao tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.
3 Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity.
4 Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
5 Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
6 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana eto ambonin’ ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
7 Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony.
8 Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an’ Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.
9 Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.
10 Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin’ i Jesosy mbamin’ ny mpianany.
11 Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin’ ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota?
12 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
13 Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
14 Dia nankany amin’ i Jesosy ny mpianatr’ i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
15 Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan’ ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’ izay vao hifady izy.
16 Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ ny tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.
17 Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.
18 Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy.
19 Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin’ ny mpianany.
20 Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary roa ambin’ ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany.
21 Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho.
22 Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’ izay ora izay.
23 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’ ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,
24 dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.
25 Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy.
26 Ary ny lazan’ izany dia niely tamin’ izany tany rehetra izany.
27 Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak’ i Davida ô!
28 Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.
29 Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo.
30 Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr’ olona izao.
31 Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin’ izany tany rehetra izany.
32 Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin’ ny olona tany amin’ i Jesosy.
33 Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin’ ny Isiraely.
34 Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan’ ny demonia no amoahany ny demonia.
35 Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra.
36 Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
37 Dia hoy Izy tamin’ ny mpianany:
38 Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’ izany mangataha amin’ ny Tompon’ ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.