< Matio 8 >
1 Ary raha nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy.
А коли Він зійшов із гори, услід за Ним ішов на́товп великий.
2 Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
І ось підійшов прокаже́ний, уклонився Йому та й сказав: „Коли, Господи, хочеш, — Ти можеш очистити мене!“
3 Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin’ ny habokany niaraka tamin’ izay izy.
А Ісус простяг руку, і доторкнувся до нього, говорячи: „Хо́чу, — будь чистий!“І тієї хвилини очистився той від своєї прокази.
4 Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin’ olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian’ i Mosesy ho vavolombelona amin’ ireo.
І гово́рить до нього Ісус: „Гляди, — не розповіда́й ніко́му. Але йди, покажися священикові, та дар принеси́, якого Мойсей заповів, їм на свідо́цтво “.
5 Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy
А коли Він до Капернау́му ввійшов, то до Нього набли́зився сотник, та й благати зачав Його,
6 nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin’ ny paralysisa ka mijaly loatra.
кажучи: „Господи, мій слуга лежить удома розсла́блений, і тяжко страждає“.
7 Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy.
Він говорить йому: „Я прийду́ й уздоро́влю його“.
8 Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin’ ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
А сотник Йому відповів: „Недостойний я, Господи, щоб зайшов Ти під стрі́ху мою. Та промов тільки слово, — і ви́дужає мій слуга!
9 Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin’ ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin’ ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin’ ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy.
Бо й я — люди́на підвла́дна, і воякі́в під собою я маю; і одному кажу: піди — то йде він, а тому: прийди́ — і приходить, або рабо́ві своєму: зроби те — і він зро́бить“.
10 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin’ izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin’ ny Isiraely aza.
Почувши таке, Ісус здивувався, і промовив до тих, хто йшов услід за Ним: „Поправді кажу вам: навіть серед Ізраїля Я не знайшо́в був такої великої віри!
11 Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin’ ny fanjakan’ ny lanitra;
Кажу́ ж вам, що багато-хто при́йдуть від сходу та за́ходу, і засядуть у Царстві Небеснім із Авраамом, Ісаком та Яковом.
12 fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin’ ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Сини ж Царства — повки́дані бу́дуть до те́мряви зо́внішньої — буде там плач і скре́гіт зубів“!
13 Ary Jesosy niteny tamin’ ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin’ izany ora izany ilay ankizilahy.
I сказав Ісус сотникові: „Іди, і як повірив ти, нехай так тобі й станеться!“І тієї ж години одужав слуга його.
14 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’ i Petera, dia nahita ny rafozam-bavin’ i Petera nandry teo nanavin’ ny tazo.
Як прийшов же Ісус до Петрового дому, то побачив тещу його, що лежала в гарячці.
15 Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.
І Він доторкнувся руки її, — і гарячка покинула ту... І встала вона, та й Йому прислуго́вувала!
16 Ary nony hariva ny andro, dia nentin’ ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,
А коли настав вечір, привели́ багатьох біснуватих до Нього, — і Він словом Своїм вигнав ду́хів, а недужих усіх уздорови́в,
17 mba, hahatanteraka izay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika.
щоб спра́вдилося, що сказав був Ісая пророк, промовляючи: „Він узяв наші немочі, і неду́ги поніс“.
18 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina Ary, dia nanome teny hiala ho eny am-pita.
А як угледів Ісус навко́ло Себе багато наро́ду, наказав перепли́нути на то́й бік.
19 Ary nanatona ny mpanora-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza no halehanao.
І приступив один книжник та й до Нього сказав: „Учителю, я піду́ за Тобою, хоч би куди ти пішов!“
20 Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’ olona tsy mba manana izay hipetrahan’ ny lohany.
Промовляє до нього Ісус: „Мають но́ри лисиці, а гні́зда небесні пташки́, — Син же Лю́дський не має де й голови́ прихили́ти“.
21 Ary nisy hafa koa tamin’ ny mpianatra niteny taminy hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
А і́нший із у́чнів промовив до Ньо́го: „Дозволь мені, Господи, перше піти та ба́тька свого похова́ти“.
22 Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.
А Ісус йому каже: „Іди за Мною, і зостав мертвим ховати мерців своїх!“
23 Ary nony niondrana an-tsambokely Izy, dia nanaraka Azy ny mpianany.
І коли Він до чо́вна вступив, за Ним увійшли Його у́чні.
24 Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin’ ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory.
І ось буря велика зірва́лась на морі, аж чо́вен зачав залива́тися хви́лями. А Він спав.
25 Ary nanatona izy ireo, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!
І кинулись учні, і збудили Його та й благали: Рятуй, Господи, — ги́немо!“
26 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.
А Він відповів їм: „Чого полохливі ви, маловірні?“Тоді встав, заказав бурі й морю, — і тиша велика настала.
27 Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy!
А народ дивувався й казав: „Хто ж це такий, що ві́три та море слухня́ні Йому́?“
28 Ary nony tonga teny am-pita teo amin’ ny tanin’ ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin’ ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin’ izany lalana izany.
І, як прибув Він на то́й бік, до землі Гадари́нської, перестріли Його два біснуваті, що вийшли з могильних пече́р, дуже люті, так що ніхто не міг перехо́дити тією дорогою.
29 Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak’ Andriamanitra ô? Tonga eto va Hianao hampijaly anay alohan’ ny fotoana?
І ось, вони стали кричати, говорячи: „Що́ Тобі, Сину Божий, до нас? Прийшов Ти сюди передчасно нас мучити?“
30 Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny.
А опо́даль від них пасся гурт великий свине́й.
31 Ary ny demonia nifona tamin’ i Jesosy ka nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia iraho hankany anatin’ ireo kisoa andiany ireo.
І просилися де́мони, кажучи: „Коли виженеш нас, то пошли нас у той гурт свине́й“.
32 Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin’ ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin’ ny hantsana ho any amin’ ny ranomasina, ka dia maty tany anatin’ ny rano.
А Він відповів їм: „Ідіть“. І вийшли вони, і пішли в гурт свиней. І ось кинувся з кручі до моря ввесь гурт, — і потопи́вся в воді.
33 Ary ny mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin’ ireo demoniaka.
Пастухи ж повтікали; а коли прибули́ вони в місто, то про все розповіли́, і про біснуватих.
34 Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an’ i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin’ ny fari-taniny.
І ось, усе місто вийшло назу́стріч Ісусові. Як Його ж угледіли, то стали благати, щоб пішов Собі з їхнього кра́ю!