< Matio 8 >
1 Ary raha nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy.
Sa ma tuno ani po, ni ori gwardang ni tarsi me.
2 Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
Akem uree ukuturu ma e ahira amee ma nonzome, magu, “Ugama sere, inki wa hem u zinu bari kpicom.”
3 Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin’ ny habokany niaraka tamin’ izay izy.
Yeso ma witi tari madari me, magu, “Mahem u kpicuno.” Ahirame tikuturu tume tuhuma.
4 Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin’ olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian’ i Mosesy ho vavolombelona amin’ ireo.
Yeso magunme, “Tarsa sekee kati ubuki uye iri mum senke uha ahira u nudang mabuku we uwuzi u sadiga barki we warusi, kasi gusi ubuka u musa.
5 Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy
Mazin inu ribe ukafar nahum makem ure vanu ruma ma' aye ahira ame innu pottiko ume tari.
6 nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin’ ny paralysisa ka mijaly loatra.
Magu, “Ugomo Asere, vana um marari akura mawuno anire ni kira mazin nu zitto kan.”
7 Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy.
Yeso magun me, “Indi e' in human me”
8 Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin’ ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
Vanuu ruma magu, “ugomo Asere, mabari u e' akura amba senke ubuki tizze vana um madi huma.
9 Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin’ ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin’ ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin’ ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy.
Barki mi cangi inra tari tiuye tini, anani kara nini kono maraa tari tum, senke ingu innu nuginome, 'Hana' amaha uye ingunme 'ayee' a-ma eye, ingu in nu ureree um, wuza ege mum a-ma wuzi.”
10 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin’ izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin’ ny Isiraely aza.
Sa yeso makunna anime, mabasa abanga magun nanu tarsa ume, inboshi kadure a'a nyimo isaraila cangi daa mu kem usa-sana uka dure kunu ge me ba.
11 Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin’ ny fanjakan’ ny lanitra;
In boshi, anu wdi e gwardang inna za nan na dizii wa cukuno in nare imummare nan ki Ibrahim, a Ishaku a yakubu Asesere.
12 fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin’ ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Ahana ati gomo adi rekuwe ammareu abinime madi shi marumzi anyoo.
13 Ary Jesosy niteny tamin’ ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin’ izany ora izany ilay ankizilahy.
Yeso magun innu nani kame, “Dusa a ca uhemme sa wa hem ni u cukuno we anime.” Ahira me vana mahuma.
14 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’ i Petera, dia nahita ny rafozam-bavin’ i Petera nandry teo nanavin’ ny tazo.
Sa yeso ma ribe akura a Bitrus, ma iri ugiri ubitrus ma rari uye si.
15 Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.
Ma dari me atari, ma humamari jen katuma kame.
16 Ary nony hariva ny andro, dia nentin’ ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,
U wun joro uwu wa ezzimen nanu agwerge ne gwardang, masu so we in tizee cas, mawu anu zattunu huma wa huma vat.
17 mba, hahatanteraka izay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika.
Agino me barki amyincikina ubuka u ishaya agi, inni cenu me ma inta u zatu uni huma niru, ma zika ti koni tiru.”
18 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina Ary, dia nanome teny hiala ho eny am-pita.
Sa yeso ma ira ni ori na kateme gwardang madusa mabu ki akuri u huru gino.
19 Ary nanatona ny mpanora-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza no halehanao.
Ure unu dungara attaut ma e magun me, “Yeso indi tars a we vat ahira sa hana.”
20 Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’ olona tsy mba manana izay hipetrahan’ ny lohany.
Yeso magun me, ikukkure izin tuna tuwe i nyingin ma suu ma we vana unu ma zoo in kura ba.
21 Ary nisy hafa koa tamin’ ny mpianatra niteny taminy hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
Uye anyimo anu tarsa ume ma gunme, “Ugomo Asere da cekum inha inka vati ucokro um.”
22 Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.
Yeso ma gunme, “Tarsa ceki ande sa wa tawe Asere ba wa vatii anu u we sa tawe tize ta sere ba”.
23 Ary nony niondrana an-tsambokely Izy, dia nanaraka Azy ny mpianany.
Sa ma ribe ujirigi, anu tarsa u yeso wa tarsi me.
24 Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin’ ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory.
Upebu uhiri uraba udandang e barka imei hiri itonno itubi u mensi uzirgime, amen moroo.
25 Ary nanatona izy ireo, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!
Anu arsa umeme wa hirza me wagu, “Ugomo Asere buran duru tidi wi!”
26 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.
Magun we, “Barki nyani ya kuna iyau ani me, anu hem u cin?” madiku hiri ma gwarika upebu nan meime, ahirame vat attonno dang.
27 Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy!
Anu wa kunna biyau wagun, “Uyaa nu ma u dandang makunna me?”
28 Ary nony tonga teny am-pita teo amin’ ny tanin’ ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin’ ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin’ izany lalana izany.
Sama bi uhuru u ma nyanga ma garasiyawa, are ana ware in na gderigene wasuri anyimo anu cau waguri me, in wa in wa irawe imum ibi ya bini, ada tarsa me uname ba.
29 Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak’ Andriamanitra ô? Tonga eto va Hianao hampijaly anay alohan’ ny fotoana?
Wa'wu hunu wagun, “Nyani mei ma weni nan haru hu vana Asere? wa e ani barki uyumukon duru uganiya u daa?”
30 Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny.
Ma haha cin ma iri nigo a nimaladu in nu kase.
31 Ary ny demonia nifona tamin’ i Jesosy ka nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia iraho hankany anatin’ ireo kisoa andiany ireo.
Agdergene aburu wagu, “Inka wasuson duru utuburu kon duru ani go nimaladu.”
32 Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin’ ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin’ ny hantsana ho any amin’ ny ranomasina, ka dia maty tany anatin’ ny rano.
Magun we, “Hananii” bawa suri waribe amaladu wadusa nigome ukatino u raba udang waka rizzo amei wantiji.”
33 Ary ny mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin’ ireo demoniaka.
Anu kasen in maladu me wa sumi, wa ribe anipin wameki ukise imum be sa ya kem ana gberigene me.
34 Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an’ i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin’ ny fari-taniny.
Akem anani pinme wasuro wa gunna yeso, sa wa irame wa nyarme ma ce kuwe manyanga me.