< Matio 7 >
1 Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo.
Не судіть, щоб і вас не судили;
2 Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.
бо яким судо́м судити бу́дете, таким же осу́дять і вас, і якою мірою будете міряти, такою відмі́ряють вам.
3 Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ ny masonao dia tsy mba tsaroanao?
І чого́ в оці брата свого́ ти за́скалку бачиш, коло́ди ж у вла́сному оці не чуєш?
4 Ary ahoana no hilazanao amin’ ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin’ ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin’ ny masonao?
Або як ти скажеш до брата свого́: „Давай вийму я за́скалку з ока твого́“, коли он колода у вла́сному оці?
5 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ ny masonao, ary amin’ izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao.
Лицеміре, — вийми перше коло́ду із вла́сного ока, а по́тім побачиш, я́к вийняти за́скалку з ока брата твого.
6 Aza omena ny alika izay masìna; ary aza atsipy eo anoloan’ ny kisoa ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo.
Не давайте святого псам, і не розсипайте пе́рел своїх перед свиньми́, щоб вони не потопта́ли їх ногами своїми, і, обернувшись, щоб не розшматува́ли й вас...
7 Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.
Просіть — і бу́де вам да́но, шукайте — і зна́йдете, стукайте — і відчинять вам;
8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
бо кожен, хто просить — оде́ржує, хто шукає — знахо́дить, а хто стукає — відчинять йому́.
9 Ary iza moa aminareo, raha angatahan’ ny zanany mofo, no hanome azy vato?
Чи ж то серед вас є люди́на, що подасть своєму синові каменя, коли хліба проситиме він?
10 ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana?
Або коли риби проситиме, то подасть йому га́дину?
11 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’ izay mangataka aminy?
Тож як ви, бувши злі, потра́пите добрі дари́ своїм дітям давати, — скільки ж більше Отець ваш Небесний подасть добра́ тим, хто проситиме в Нього!
12 Koa amin’ izany na inona na inona tianareo hataon’ ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.
Тож усе, чого тільки бажаєте, щоб чинили вам люди, те саме чиніть їм і ви. Бо в цьому Зако́н і Пророки.
13 Midìra amin’ ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.
Увіходьте тісни́ми ворітьми, бо просто́рі воро́та й широка дорога, що веде до погибелі, — і нею багато-хто ходять.
14 Fa èty ny vavahady, ary terỳ ny lalana izay mankany amin’ ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.
Бо тісні́ ті ворота, і вузька́ та дорога, що веде до життя́, — і мало таких, що знахо́дять її!
15 Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ ny fitafian’ ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.
Стережі́ться фальшиви́х пророків, що приходять до вас ув одежі овечій, а всере́дині — хижі вовки́.
16 Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin’ ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ ny songosongo?
По їхніх плода́х ви пізнаєте їх. Бо хіба ж виноград на терни́ні збирають, або фіґи — із будякі́в?
17 Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy.
Так ото родить добрі плоди́ кожне дерево добре, а дерево зле плоди родить лихі.
18 Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.
Не може роди́ть добре дерево пло́ду лихого, ані дерево зле плодів добрих родити.
19 Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
Усяке ж дерево, що доброго пло́ду не родить, — зру́бується та в огонь укидається.
20 Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.
Ото ж бо, — по їхніх плода́х ви пізна́єте їх!
21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra.
Не кожен, хто каже до Ме́не: „Господи, Господи!“увійде в Царство Небесне, але той, хто виконує волю Мого Отця, що на небі.
22 Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ ny anaranao va izahay?
Багато-хто скажуть Мені того дня: „Господи, Господи, хіба ми не Ім'я́м Твоїм пророкува́ли, хіба не Ім'я́м Твоїм де́монів ми виганяли, або не Ім'я́м Твоїм чуда великі творили?“
23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.
І їм оголошу́ Я тоді: „Я ніко́ли не знав вас. Відійдіть від Мене, хто чинить беззаконня!“
24 Koa amin’ izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ ny vatolampy.
Отож, кожен, хто слухає цих Моїх слів і виконує їх, подібний до чоловіка розумного, що свій дім збудував на камені.
25 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin’ ny vatolampy.
І ли́нула злива, і розлили́ся річки́, і буря зняла́ся, і на дім отой кинулась, — та не впав, бо на камені був він засно́ваний.
26 Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ ny fasika.
А кожен, хто слухає цих Моїх слів, та їх не виконує, — подібний до чоловіка того необа́чного, що свій дім збудував на піску́.
27 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.
І ли́нула злива, і розлили́ся річки́, і буря зняла́ся й на дім отой кинулась, — і він упав. І велика була та руїна його!“
28 Ary nony efa vitan’ i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany,
І ото, як Ісус закінчи́в ці слова, то наро́д дивувався з науки Його.
29 satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.
Бо навчав Він їх, як можновла́дний, а не як ті книжники їхні.