< Matio 6 >
1 Tandremo mba tsy hanao ny asan’ ny fahamarinanareo eo imason’ ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin’ ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.
Bosala keba ete bosalelaka te bosembo na bino liboso ya bato, mpo ete bamona bino; soki te, bokozanga lifuti oyo Tata na bino ya Likolo abombela bino.
2 Koa amin’ izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon’ ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
Tango ozali kokabela babola, kobetela yango tangwa te ndenge bato ya bilongi mibale basalaka kati na bandako ya mayangani mpe na babalabala mpo ete bato bakumisa bango. Nazali koloba na bino penza ya solo: basili kozwa lifuti na bango.
3 Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon’ ny tananao ankavanana,
Kasi tango yo ozali kokabela babola, sala yango na ndenge ete loboko na yo ya mwasi eyeba ete likambo oyo loboko na yo ya mobali ezali kosala,
4 mba hatao ao amin’ ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ ny mangingina, no hamaly anao.
mpo ete likabo na yo ya mawa etikala sekele; bongo Tata na yo, oyo amonaka makambo oyo esalemaka na nkuku, akopesa yo lifuti.
5 Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin’ ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan’ ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
Tango bozali kosambela, bosalaka te lokola bato ya bilongi mibale oyo balingaka kosambela ya kotelema kati na bandako ya mayangani mpe na bisika oyo babalabala ekutana, mpo ete bato bamona bango. Nazali koloba na bino penza ya solo: basili kozwa lifuti na bango.
6 Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin’ ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ ny Rainao, Izay ao amin’ ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ ny mangingina no hamaly anao.
Kasi yo, soki olingi kosambela, kota na shambre na yo, kanga ekuke mpe sambela Tata na yo, oyo azali kati na esika wana ya sekele; bongo Ye, Tata na yo, oyo amonaka makambo oyo esalemaka na nkuku, akopesa yo lifuti.
7 Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan’ ny teniny no hihainoana azy.
Tango bozali kosambela, bozongelaka-zongelaka te maloba ndenge bapagano basalaka; pamba te bakanisaka ete Nzambe akoyanola bango soki balobi mingi.
8 Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.
Bosalaka lokola bango te, pamba te Tata na bino ayebi posa na bino liboso ete botalisa Ye yango.
9 Koa amin’ izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.
Tala ndenge nini bosengeli kosambela: ‹ Tata na biso, Yo oyo ozali kati na Likolo; tika ete Kombo na Yo ebulisama,
10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
tika ete Bokonzi na Yo eya, tika ete mokano na Yo esalema, awa na mokili ndenge esalemaka kuna na Likolo!
11 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.
Pesa biso, na mokolo ya lelo, bilei na biso ya mokolo na mokolo;
12 Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.
limbisa mabe na biso, ndenge biso mpe tolimbisi bato oyo basalaki biso mabe;
13 Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ ny ratsy.
komema biso na komekama te, kasi kangola biso longwa na misala ya Satana; [pamba te bokonzi, nguya mpe nkembo ezali ya Yo seko na seko.] ›
14 Fa raha mamela ny fahadisoan’ ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.
Pamba te soki bolimbisi baninga, na mabe oyo basali bino, Tata na bino ya Likolo mpe akolimbisa bino;
15 Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
kasi soki bolimbisi te, Tata na bino mpe akolimbisa te mabe na bino.
16 Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan’ ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
Tango bozali kokila bilei, bozalaka mawa-mawa te ndenge bato ya bilongi mibale basalaka; pamba te bakomisaka bilongi na bango mawa-mawa mpo na kolakisa na bato ete bazali kokila bilei. Nazali koloba na bino penza ya solo: basili kozwa lifuti na bango.
17 Fa ianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao,
Kasi tango yo ozali kokila bilei, sukola elongi na yo malamu mpe pakola moto na yo malasi,
18 mba tsy ho hitan’ ny olona fa mifady, fa ho hitan’ ny Rainao, Izay ao amin’ ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ ny mangingina, no hamaly anao.
mpo ete moto moko te ayeba ete ozali kokila bilei, longola kaka Tata na yo, oyo amonanaka te; bongo Ye, Tata na yo, oyo amonaka makambo oyo esalemaka na nkuku akopesa yo lifuti.
19 Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra.
Bonduka bomengo te awa na mokili, pamba te ekoki kobeba to nselele ekoki kolia yango to mpe miyibi bakoki kobuka ndako mpo na koyiba yango.
20 Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.
Kasi bonduka bomengo na bino kati na Likolo epai wapi ekoki kobeba te to nselele ekoki kolia yango te to mpe miyibi bakoki kobuka ndako te mpo na koyiba yango;
21 Fa izay itoeran’ ny harenao, dia ho any koa ny fonao.
pamba te epai bomengo na yo ezali, kuna mpe motema na yo ekozala.
22 Ny maso no jiron’ ny tena; koa amin’ izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.
Miso ezali lokola mwinda ya nzoto. Soki miso na yo ezali malamu, nzoto na yo mobimba mpe ekozala kati na pole.
23 Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben’ izany fahamaizinana izany!
Kasi soki miso na yo ekufi, nzoto na yo mobimba mpe ekozala kati na molili. Bongo soki pole oyo ezali kati na yo ekomi molili, molili yango ekozala makasi penza.
24 Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy Mamôna ianareo.
Moto moko te akoki kosalela bankolo mibale, pamba te akoyina moko mpe akolinga mosusu to akokangama na moko mpe akoboya mosusu. Bokoki te kosalela Nzambe mpe mbongo nzela moko.
25 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?
Yango wana, nazali koloba na bino: bomitungisaka te na tina na bomoi na bino, na komituna: tokolia nini to tokomela nini? To na tina na banzoto na bino, na komituna: Tokolata nini? Boni, bomoi eleki bilei te na tina, mpe nzoto eleki bilamba te na tina?
26 Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Botala ndeke ya likolo: elonaka nkona te, ebukaka bambuma te, ebombaka bilei te kati na bibombelo; kasi Tata na bino ya Likolo aleisaka yango. Boni, bozali na motuya te koleka yango?
27 Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza?
Nani kati na bino, na nzela ya mitungisi na ye, akoki kobakisa ata ngonga moko na molayi ya bomoi na ye?
28 Ary nahoana no manahy ny amin’ ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin’ ny voninkazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;
Bongo mpo na nini bomitungisaka mpo na bilamba ya kolata? Botala bafololo ya bilanga ndenge ekolaka! Esalaka te mpe etongaka bilamba te;
29 nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin’ ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ ireny.
nzokande, nazali koloba na bino ya solo ete ata Salomo, kati na nkembo na ye nyonso, atikalaki kolata te lokola moko kati na yango.
30 Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin’ Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana?
Soki Nzambe alatisaka ndenge wana matiti ya bilanga, oyo, na mokolo ya lelo, ezali na bomoi mpe, lobi, ekobwakama na moto, ekozala ndenge nini mpo na bino? Akolatisa bino te na ndenge ya kitoko koleka? Bato ya kondima moke!
31 Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay?
Yango wana, bomitungisaka te na koloba: ‹ Tokolia nini? Tokomela nini? Tokolata nini? ›
32 Fa izany rehetra izany dia katsahin’ ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.
Biloko wana nyonso, ezali bapagano nde balukaka-lukaka yango; kasi mpo na bino, Tata na bino ya Likolo ayebi malamu ete bozali na bosenga na yango.
33 Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Bolukaka nde liboso Bokonzi ya Nzambe mpe bosembo na Ye, bongo bakobakisela bino biloko wana nyonso.
34 Ary amin’ izany dia aza manahy ny amin’ ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ ny andro ny ratsy miseho ao aminy.
Yango wana, bomitungisaka te mpo na mokolo ya lobi oyo ezali koya, pamba te mokolo yango ya lobi ekomitungisa na tina na yango moko: mokolo na mokolo ezali na pasi oyo ekoki na yango.