< Matio 6 >

1 Tandremo mba tsy hanao ny asan’ ny fahamarinanareo eo imason’ ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin’ ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.
Dejte si pozor, abyste nedělali dobré skutky okázale před lidmi a nestavěli tím na odiv svoji dobročinnost. Tak rozhodně nezískáte odměnu od nebeského Otce.
2 Koa amin’ izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon’ ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
Proto když pomáháš bližnímu, nechtěj, aby o tom všichni věděli. Okatě – v synagogách a na ulicích – prokazují dobro pyšní pokrytci, protože chtějí, aby je lidé chválili. Tak si vlastně vybírají svoji odměnu předem.
3 Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon’ ny tananao ankavanana,
Když ty někomu pomůžeš, udělej to nenápadně. Tvůj nebeský Otec, který vidí všechno, ti to odplatí.
4 mba hatao ao amin’ ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ ny mangingina, no hamaly anao.
5 Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin’ ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan’ ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
A podobně je to s modlitbami. Když se modlíš, nebuď jako pokrytci, kteří chtějí okázalou modlitbou dokázat svoji zbožnost. Modlí se pro lidi, a tak nemohou čekat, že je Bůh vyslyší.
6 Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin’ ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ ny Rainao, Izay ao amin’ ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ ny mangingina no hamaly anao.
Když se chceš modlit, jdi domů, zavři za sebou dveře a modli se ke svému Otci, který je tam s tebou. A on, který vidí i to, co je skryto, tě vyslyší.
7 Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan’ ny teniny no hihainoana azy.
Neopakujte bezmyšlenkovitě modlitbu jako nerozumní lidé, kteří si myslí, že Boha umluví a on je vyslyší.
8 Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.
Nenapodobujte je, vždyť váš Otec zná vaše potřeby dříve, než je vyslovíte.
9 Koa amin’ izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.
Dám vám vzor prosté modlitby: Náš nebeský Otče, vzdáváme čest tvému svatému jménu.
10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
Ujmi se vlády, ať se děje všechno podle tvé vůle jak v nebi, tak na zemi.
11 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.
Dej nám chléb i dnes
12 Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.
a odpusť nám naše provinění, tak jako my odpouštíme těm, kteří nám ublížili.
13 Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ ny ratsy.
Chraň nás před pokušením a vysvoboď nás z moci zlého. Vždyť tobě navždy patří vláda, moc i sláva. Amen.
14 Fa raha mamela ny fahadisoan’ ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.
Odpustíte-li druhým jejich provinění, i váš nebeský Otec vám odpustí.
15 Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
Jestliže jim však neodpustíte, nemůžete ani vy počítat s Božím odpuštěním.
16 Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan’ ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
Jestliže svou modlitbu podepřete postem, nenasazujte si ztrápenou, zbožnou masku jako ti, kteří úmyslně zanedbávají svůj vzhled, aby upozornili okolí na to, že se postí. Tím už dosáhli, co chtěli, a víc nemohou čekat.
17 Fa ianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao,
Když se ty postíš, dobře se uprav,
18 mba tsy ho hitan’ ny olona fa mifady, fa ho hitan’ ny Rainao, Izay ao amin’ ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ ny mangingina, no hamaly anao.
aby na tobě nikdo nic nepoznal. Ví o tom jen tvůj Otec, který vidí to, co je lidem skryto. Jedině tak ti půst přinese duchovní užitek.
19 Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra.
Nehromaďte si bohatství zde na zemi, kde může zrezivět, padnout napospas molům nebo zlodějům.
20 Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.
Ukládejte si poklady v nebi, kde nepodlehnou žádné zkáze a ani je žádný zloděj nevykope a neukradne.
21 Fa izay itoeran’ ny harenao, dia ho any koa ny fonao.
Kde je vaše bohatství, tam je i vaše srdce.
22 Ny maso no jiron’ ny tena; koa amin’ izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.
Světlem těla je oko. Je-li tvé oko čisté, jsi naplněn jasem.
23 Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben’ izany fahamaizinana izany!
Je-li však tvé oko zakaleno nečistými myšlenkami, žiješ v duchovní tmě. Nemáš-li jasno v sobě, tápeš v beznadějné temnotě.
24 Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy Mamôna ianareo.
Nikdo nemůže sloužit dvěma pánům. Jednoho bude nenávidět a druhého mít v lásce, nebo jednomu dávat přednost a druhého zanedbávat. Nelze sloužit zároveň Bohu a majetku.
25 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?
Radím vám: nezatěžujte se starostmi o jídlo, pití a oděv. Cožpak nemají pokrmy sloužit jen k udržení života a šaty k oblečení těla?
26 Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Podívejte se na ptáky: nesejí ani nesklízejí, neshromažďují obilí do sýpek, ale nebeský Otec je živí. Což vy nejste o mnoho cennější?
27 Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza?
I když se budete starat sebevíc, přece svůj život neprodloužíte ani o jediný okamžik.
28 Ary nahoana no manahy ny amin’ ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin’ ny voninkazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;
A proč si děláte starosti se svým oblečením? Podívejte se na polní květiny: nepracují ani nepředou,
29 nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin’ ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ ireny.
a vidíte, ani Šalomoun ve svém královském majestátu nebyl tak oděn jako kterákoliv z nich.
30 Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin’ Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana?
Jestliže tedy Bůh dává takovou krásu nepatrným polním kvítkům, které nemají dlouhého trvání, nepostará se tím spíše o vás? To mu tak málo důvěřujete?
31 Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay?
A tak se netrapte otázkami: Co budeme jíst? Co budeme pít? Co si vezmeme na sebe?
32 Fa izany rehetra izany dia katsahin’ ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.
Pro lidi bez Boha je to první a poslední. Ale vy máte nebeského Otce a ten dobře ví, co všechno potřebujete.
33 Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Dejte jeho na první místo a žijte tak, jak on si přeje, a on se o vás postará.
34 Ary amin’ izany dia aza manahy ny amin’ ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ ny andro ny ratsy miseho ao aminy.
Nezatěžujte se zítřejšími starostmi. Ty patří k zítřku. Každý den má dost svých problémů.

< Matio 6 >