< Matio 5 >

1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.
And seeing the multitudes, he went up into the mountain; and when he had sat down, his disciples came to him.
2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:
And he opened his mouth, and taught them, saying: —
3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
Blessed are the poor in spirit; for theirs is the kingdom of heaven.
4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.
Blessed are they who mourn; for they will be comforted.
5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.
Blessed are the meek; for they will inherit the earth.
6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.
Blessed are they who hunger and thirst after righteousness; for they will be filled.
7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.
Blessed are the merciful; for they will obtain mercy.
8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’ Andriamanitra,
Blessed are the pure in heart; for they will see God.
9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra.
Blessed are the peace-makers; for they will be called sons of God.
10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
Blessed are they who are persecuted for righteousness' sake; for theirs is the kingdom of heaven.
11 Sambatra ianareo, raha haratsin’ ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
Blessed are ye, when men revile you, and persecute you, and say every thing that is bad against you, falsely, for my sake.
12 Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
Rejoice, and be exceeding glad; for great is your reward in heaven; for so did they persecute the prophets that were before you.
13 Hianareo no fanasin’ ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ ny olona.
Ye are the salt of the earth. But if the salt have lost its savor, wherewith shall itself be salted? It is thenceforth good for nothing, but to be cast out, and to be trodden under foot by men.
14 Hianareo no fahazavan’ izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
Ye are the light of the world. A city that is set on a hill cannot be hid;
15 Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’ izay rehetra ao an-trano izany.
nor do men light a lamp, and put it under the bushel, but on the lamp-stand; and it giveth light to all that are in the house.
16 Aoka hazava eo imason’ ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.
In like manner let your light shine before men, that they may see your good works, and glorify your Father who is in heaven.
17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.
Think not that I came to destroy the Law or the Prophets: I came not to destroy, but to fulfill.
18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan’ ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’ izy rehetra.
For truly do I say to you, Not till heaven and earth pass away, shall one jot or one tittle pass from the Law, till all be fulfilled.
19 Ary amin’ izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin’ ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.
Whoever therefore shall break one of these least commandments, and shall teach men so, will be called the least in the kingdom of heaven; but whoever shall do and teach them, he will be called great in the kingdom of heaven.
20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra mihitsy ianareo.
For I say to you, Unless your righteousness shall exceed that of the scribes and Pharisees, ye will not enter the kingdom of heaven.
21 Efa renareo fa voalaza tamin’ ny ntaolo hoe: Aza mamono olona; ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana.
Ye have heard that it was said to them of old time, “Thou shalt not kill; and whoever shall kill, shall be in danger of the Judges.”
22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin’ ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin’ ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin’ ny helo mirehitra afo. (Geenna g1067)
But I say to you, that whoever is angry with his brother shall be in danger of the Judges; and whoever shall say to his brother, Simpleton! shall be in danger of the Council; and whoever shall say, Fool! shall be in danger of hell-fire. (Geenna g1067)
23 Ary amin’ izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,
Therefore, if thou bring thy gift to the altar, and there remember that thy brother hath aught against thee,
24 dia avelao eo anoloan’ ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
leave there thy gift before the altar, and go away; first be reconciled to thy brother, and then come and offer thy gift.
25 Mihavàna faingana amin’ ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin’ ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.
Agree with thine adversary at law quickly, while thou art on the road with him; lest the adversary deliver thee to the judge, and the judge to the officer, and thou be cast into prison.
26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
Truly do I say to thee, Thou wilt not come out thence, till thou hast paid the last farthing.
27 Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga.
Ye have heard that it was said, “Thou shalt not commit adultery.”
28 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.
But I say to you, that whoever looketh on a woman to lust after her, hath committed adultery with her already in his heart.
29 Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin’ ny helo. (Geenna g1067)
And if thy right eye cause thee to offend, pluck it out, and cast it from thee; for it is better for thee that one of thy members should perish, than that thy whole body should be cast into hell. (Geenna g1067)
30 Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin’ ny helo. (Geenna g1067)
And if thy right hand cause thee to offend, cut it off, and cast it from thee; for it is better for thee that one of thy members should perish, than that thy whole body should go away into hell. (Geenna g1067)
31 Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady.
And it was said, “Whoever shall put away his wife, let him give her a writing of divorcement.”
32 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.
But I say to you, that whoever putteth away his wife, unless it be on account of fornication, causeth her to commit adultery; and whoever shall marry her when put away, committeth adultery.
33 Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin’ ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin’ i Jehovah ny fianiananao.
Again ye have heard that it was said to them of old time, “Thou shalt not swear falsely, but shalt perform to the Lord thine oaths.”
34 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin’ ny lanitra, fa seza fiandrianan’ Andriamanitra izany;
But I say to you, Swear not at all; neither by heaven, for it is the throne of God;
35 na amin’ ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin’ i Jerosalema, fa tanànan’ ny Mpanjaka lehibe izany.
nor by the earth, for it is his footstool; nor by Jerusalem, for it is the city of the Great King;
36 Aza mianiana amin’ ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
nor shalt thou swear by thy head, for thou canst not make one hair white or black.
37 Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ ny ratsy.
But let your language be, Yea, yea; Nay; nay; for whatever is more than these cometh of evil.
38 Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon’ ny maso, ary nify solon’ ny nify.
Ye have heard that it was said, “An eye for an eye, and a tooth for a tooth.”
39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.
But I say to you, that ye resist not the evil-doer; but whoever smiteth thee on the right cheek, turn to him the other also;
40 Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.
and if any one intends to sue thee at the law, and take thy coat, give up to him thy cloak also;
41 Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.
and whoever shall compel thee to go one mile, go with him two.
42 Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodìna izay te hisambotra aminao.
Give to him that asketh of thee; and from him that would borrow of thee, turn not away.
43 Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao, ary mankahalà ny fahavalonao.
Ye have heard that it was said, “Thou shalt love thy neighbor, and hate thine enemy.”
44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’ izay manenjika anareo,
But I say to you, Love your enemies, and pray for those who persecute you;
45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ ny marina sy ny tsy marina.
that ye may become sons of your Father who is in heaven; for he maketh his sun to rise on the evil and on the good, and sendeth rain on the just and on the unjust.
46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?
For if ye love those who love you, what reward have ye? Do not even the publicans the same?
47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?
And if ye salute your brethren only, what do ye that excelleth? Do not even the heathen the same?
48 Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan’ ny Rainareo Izay any an-danitra.
Be ye therefore perfect, as your heavenly Father is perfect.

< Matio 5 >