< Matio 4 >

1 Ary Jesosy dia nentin’ ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain’ ny devoly fanahy.
Тогда Иисус возведен был Духом в пустыню, для искушения от диавола,
2 Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.
и, постившись сорок дней и сорок ночей, напоследок взалкал.
3 Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.
И приступил к Нему искуситель и сказал: если Ты Сын Божий, скажи, чтобы камни сии сделались хлебами.
4 Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman’ ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra.
Он же сказал ему в ответ: написано: не хлебом одним будет жить человек, но всяким словом, исходящим из уст Божиих.
5 Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin’ ny tanàna masìna ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly,
Потом берет Его диавол в святой город, и поставляет Его на крыле храма,
6 dia nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran’ ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao.
и говорит Ему: если Ты Сын Божий, бросься вниз, ибо написано: Ангелам Своим заповедает о Тебе, и на руках понесут Тебя, да не преткнешься о камень ногою Твоею.
7 Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an’ i Jehovah Andriamanitrao.
Иисус сказал ему: написано также: не искушай Господа Бога твоего.
8 Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao mbamin’ ny voninahiny,
Опять берет Его диавол на весьма высокую гору и показывает Ему все царства мира и славу их,
9 dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.
и говорит Ему: все это дам Тебе, если, пав, поклонишься мне.
10 Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.
Тогда Иисус говорит ему: отойди от Меня, сатана, ибо написано: Господу Богу твоему поклоняйся и Ему одному служи.
11 Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.
Тогда оставляет Его диавол, и се, Ангелы приступили и служили Ему.
12 Ary nony ren’ i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy.
Услышав же Иисус, что Иоанн отдан под стражу, удалился в Галилею
13 Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin’ ny zara-tanin’ ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,
и, оставив Назарет, пришел и поселился в Капернауме приморском, в пределах Завулоновых и Неффалимовых,
14 mba hahatanteraka izay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe:
да сбудется реченное через пророка Исаию, который говорит:
15 Ny tanin’ ny Zebolona sy ny tanin’ ny Naftaly, Ao amin’ ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin’ i Jordana, Galilia, tanin’ ny jentilisa,
земля Завулонова и земля Неффалимова, на пути приморском, за Иорданом, Галилея языческая,
16 Ny olona izay nitoetra tao amin’ ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ ny fahazavana.
народ, сидящий во тьме, увидел свет великий, и сидящим в стране и тени смертной воссиял свет.
17 Ary tamin’ izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
С того времени Иисус начал проповедывать и говорить: покайтесь, ибо приблизилось Царство Небесное.
18 Ary nony nitsangantsangana teny amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ ny ranomasina; fa mpanarato izy.
Проходя же близ моря Галилейского, Он увидел двух братьев: Симона, называемого Петром, и Андрея, брата его, закидывающих сети в море, ибо они были рыболовы,
19 Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
и говорит им: идите за Мною, и Я сделаю вас ловцами человеков.
20 Dia nandao ny harato niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy.
И они тотчас, оставив сети, последовали за Ним.
21 Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak’ i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin’ i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.
Оттуда, идя далее, увидел Он других двух братьев, Иакова Зеведеева и Иоанна, брата его, в лодке с Зеведеем, отцом их, починивающих сети свои, и призвал их.
22 Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy.
И они тотчас, оставив лодку и отца своего, последовали за Ним.
23 Ary Jesosy nandeha eran’ i Galilia ka nampianatra tao amin’ ny synagogan’ ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra tamin’ ny olona.
И ходил Иисус по всей Галилее, уча в синагогах их, и проповедуя Евангелие Царствия, и исцеляя всякую болезнь и всякую немощь в людях.
24 Ary niely eran’ i Syria ny lazany, ka dia nentin’ ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon’ ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin’ ny androbe ary ny mararin’ ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.
И прошел о Нем слух по всей Сирии; и приводили к Нему всех немощных, одержимых различными болезнями и припадками, и бесноватых, и лунатиков, и расслабленных, и Он исцелял их.
25 Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin’ i Jordana.
И следовало за Ним множество народа из Галилеи и Десятиградия, и Иерусалима, и Иудеи, и из-за Иордана.

< Matio 4 >