< Matio 3 >

1 Ary tamin’ izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr’ i Jodia nanao hoe:
Ni nton kima Yohana u tie Batisma a ye tren njo Rji ni miji u Yahudiya;
2 Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
Nda ni wa, ka meme cuwo; mulki shulu a tiewiere.
3 Fa izy no ilay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.
Ahi wawuyi ba tre ni nyu anabi Ishaya nda hla. Ilan uyo rji ni miji mla nkon Baci tie mla zren mbi tie.
4 Ary ny fitafian’ izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin’ ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
Yohana ata sru kpie u nfu laklumi nda lo ntan u birli me ana hi lagblan mba ton u miji.
5 Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin’ ny tany rehetra amoron’ i i Jordana dia nivoaka nankany amin’ i Jaona,
Indi bi Urushalima ni bi wa ba he kagon igbu bi urdu ba rju wawuu ye.
6 ka nataony batisa tao amin’ ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
A tie batisma ni bawu ni nne urdu u bata hla' la' tre mba.
7 Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
A to gbugbu Farisawa ni Saddukiyawa ba ye ndu tie batisma bawu a hla ni bawu biyi mrli grace, ahi nha hla yiwu ndu yi klu ifu wa asi ye'a?
8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;
Nji mrli wa ba tsar u mla latre mbatie'a ye:
9 ary aza manao anakampo hoe: Manana an’ i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto.
Na tamre ndi bi hla ni kpa mbi ndi kie he ni tie mbu Ibrahim; to misi hla yiwu ni mi tita biyi Irji he gbengblen u ka mba tie imrli Ibrahim.
10 Ary, indro, efa mipetraka eo amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
Zizanyime bayo gla ni nci kukron ba: kukron wa ana tie klo didi mana ba tsenwu nda kasru ni lu:
11 Izaho dia manao batisa anareo amin’ ny rano ho amin’ ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna sy ny afo;
“Ime mi tie batisma yiwu ni maa u ka latre mbi cuwo amma uwa aniye kogon mua a' nna' me ni gbengblen mina mla u si rjirji lagban ma na: wawuyi ni tie batisma yiwu ni Brji tsatsar mba lu' ngame:
12 eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ ny afo tsy mety maty.
Mwu mwu ma he ni wo ma ani tsen alkama nda vu bi didi ba sru wruon, u nfon ma ani gonwu ni kpatren lu' wa ana y'bi na'.
13 Ary tamin’ izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’ i Jordana, dia nanatona an’ i Jaona Izy mba hataony batisa.
Rliko Yesu a wlu ni Galili hi ni urdu ni Yohana ni ndu tie batisma niwu.
14 Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?
U Yohana ka tie' san nda tre mi si son ndu tie batisma ni mu, i wu la' ye' ni me?
15 Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.
Yesu a kasa niwu nda tre uka y'me zizanyi: towa ahe tie nkon ni tawu ndu ta kle indu tsatsar wawuu Rliko Yohana ka y'me niwu.
16 Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ ny rano niaraka tamin’ izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’ Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
U Yesu, wa ba tie batisma niwu'a ani rju ni maa me u shulu ba ka bwu niwu a to Ibriji Rji grji na ngwu ye ku son niwu ni tu.
17 Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.
U lan ka rji na shulu nda tre, Iwayi ahi kponji vrenmu idrimu ni ngri ni wu.

< Matio 3 >