< Matio 28 >

1 Ary tamin’ ny alin’ ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.
Litapita tsiku la Sabata, mmawa wa tsiku loyamba la Sabata, Mariya wa ku Magadala ndi Mariya wina anapita kukaona manda.
2 Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin’ ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.
Kunachitika chivomerezi chachikulu, pakuti mngelo wa Ambuye anabwera kuchokera kumwamba ndipo anapita ku manda, nakagubuduza mwala nawukhalira.
3 Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala;
Maonekedwe ake anali ngati mphenzi ndipo zovala zake zinali mbuu ngati matalala.
4 ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.
Alondawo anachita naye mantha kwambiri kotero kuti ananjenjemera ndi kuwuma ngati akufa.
5 Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin’ ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, no tadiavinareo.
Mngelo anati kwa amayiwo, “Musachite mantha popeza ndikudziwa kuti mukufuna Yesu amene anapachikidwa.
6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ ny Tompo.
Iye muno mulibe, wauka monga mmene ananenera. Bwerani, dzaoneni malo amene anagona.
7 Ary mandehana faingana, ka lazao amin’ ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.
Ndipo pitani msanga kawuzeni ophunzira ake kuti, ‘Wauka kwa akufa ndipo watsogola kupita ku Galileya. Mukamuona Iye kumeneko.’ Taonani ndakuwuzani.”
8 Dia niala faingana tamin’ ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin’ ny mpianatra.
Pamenepo amayiwo anachoka mofulumira ku mandako ali ndi mantha komabe atadzaza ndi chimwemwe, ndipo anathamanga kukawuza ophunzira ake.
9 Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.
Mwadzidzidzi Yesu anakumana nawo nati, “Moni.” Iwo anabwera kwa Iye, nagwira mapazi ake namulambira.
10 Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy.
Ndipo Yesu anawawuza kuti, “Musachite mantha, pitani kawuzeni abale anga kuti apite ku Galileya ndipo kumeneko akandiona Ine.”
11 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanana ka nilaza tamin’ ny lohan’ ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho.
Amayi aja akupita, ena mwa alonda aja anapita ku mzinda nafotokozera akulu a ansembe zonse zimene zinachitika.
12 Ary rehefa niangona izy mbamin’ ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila
Akulu a ansembe atakumana ndi akuluakulu anapangana zochita. Anapatsa alonda aja ndalama zambiri,
13 ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy raha sendra natory izahay;
nawawuza kuti, “Muzinena kuti, ‘Ophunzira ake anabwera usiku ndipo amuba ife tili mtulo.’
14 ary raha misy milaza izany amin’ ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.
Ngati nkhani iyi imupeze bwanamkubwa, ife tidzamukhazika mtima pansi ndipo simudzakhala mʼmavuto.”
15 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin’ ny Jiosy mandraka androany.
Pamenepo alondawo anatenga ndalamazo nachita monga mmene anawuzidwira. Ndipo mbiri iyi inawanda pakati pa Ayuda mpaka lero lino.
16 Ary ny mpianatra iraika ambin’ ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ ilay tendrombohitra nasain’ i Jesosy halehany.
Ndipo ophunzira khumi ndi mmodzi aja anapita ku Galileya, ku phiri limene Yesu anawawuza kuti apite.
17 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.
Atamuona Iye, anamulambira; koma ena anakayika.
18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
Kenaka Yesu anabwera kwa iwo nati, “Ulamuliro wonse kumwamba ndi dziko lapansi wapatsidwa kwa Ine.
19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masìna
Chifukwa chake, pitani kaphunzitseni anthu a mitundu yonse, ndi kuwabatiza mʼdzina la Atate ndi la Mwana ndi la Mzimu Woyera,
20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao. (aiōn g165)
ndi kuwaphunzitsa amvere zonse zimene ndinakulamulirani. Ndipo onani, Ine ndidzakhala pamodzi ndi inu kufikira kutha kwa dziko lapansi pano.” (aiōn g165)

< Matio 28 >