< Matio 27 >

1 Ary nony maraina ny andro, ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an’ i Jesosy mba hamonoany Azy.
Na rĩrĩ, rũciinĩ tene, athĩnjĩri-Ngai arĩa anene othe na athuuri a andũ makĩiguithania atĩ matuĩre Jesũ kũũragwo.
2 Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an’ i Pilato governora.
Makĩmuoha na mĩnyororo; makĩmũruta kũu, makĩmũtwara kũrĩ Pilato, ũrĩa warĩ barũthi.
3 Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona
Rĩrĩa Judasi, ũcio wamũkunyanĩire oonire atĩ Jesũ nĩatuĩrwo gũkua-rĩ, akĩĩrira na agĩcookeria athĩnjĩri-Ngai arĩa anene na athuuri mbeeca icio cia betha mĩrongo ĩtatũ.
4 ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.
Akiuga atĩrĩ, “Nĩnjĩhĩtie, nĩgũkorwo nĩngunyanĩire thakame ĩtarĩ na mahĩtia.” Nao makĩmũcookeria makĩmũũria atĩrĩ, “Ũcio ũkĩrĩ ũhoro witũ? Ũcio nĩ ũhoro waku.”
5 Ary nony natsipiny teo amin’ ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.
Nĩ ũndũ ũcio Judasi agĩikania mbeeca icio thĩinĩ wa hekarũ, agĩĩthiĩra. Agĩcooka agĩthiĩ akĩĩita.
6 Ary ny lohan’ ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin’ ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà.
Athĩnjĩri-Ngai acio anene makĩoya mbeeca icio makiuga atĩrĩ, “Kũiga mbeeca ici kĩgĩĩna-inĩ nĩ kuuna watho, nĩgũkorwo nĩ mbeeca cia thakame.”
7 Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan’ ny mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny.
Nĩ ũndũ ũcio makĩiguithania mahũthĩre mbeeca icio na kũgũra gĩthaka kĩrĩa kĩa mũũmbi nyũngũ gĩtuĩke gĩa gũthikagwo ageni.
8 Koa izany no anaovana ny anaran’ izany saha izany mandraka androany hoe Sahan-drà.
Kĩu nĩkĩo gĩtũmaga gĩthaka kĩu gĩĩtwo Gĩthaka gĩa Thakame nginya ũmũthĩ.
9 Ary tamin’ izany dia tanteraka izay nampilazaina an’ i Jeremia mpaminany hoe: Dia nalainy ny sekely volafotsy telo-polo, vidin’ ilay notombanana, dia ilay notombanan’ ny Zanak’ Isiraely,
Hĩndĩ ĩyo nĩguo ũhoro ũrĩa waarĩtio nĩ Jeremia ũrĩa Mũnabii wahingire, rĩrĩa oigire atĩrĩ: “Nao nĩmoire icunjĩ icio mĩrongo ĩtatũ cia betha, thogora ũrĩa andũ a Isiraeli maatuĩte wa kũmũgũra,
10 ka nomeny hamidy ny sahan’ ny mpanefy vilany izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah ahy.
nao magĩcihũthĩra na kũgũra gĩthaka kĩa mũũmbi nyũngũ, o ta ũrĩa Mwathani aanjathire gwĩkwo.”
11 Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan’ ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao.
Na rĩrĩ, Jesũ akĩrũgama mbere ya barũthi, nake barũthi ũcio akĩmũũria atĩrĩ, “Wee nĩwe Mũthamaki wa Ayahudi?” Jesũ agĩcookia atĩrĩ. “Ĩĩ, wee nĩwoiga.”
12 Ary raha nampangain’ ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny loholona Izy, dia tsy namaly akory.
No rĩrĩa aathitangirwo nĩ athĩnjĩri-Ngai arĩa anene na athuuri, ndarĩ ũndũ aacookirie.
13 dia hoy Pilato taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?
Nĩ ũndũ ũcio Pilato akĩmũũria atĩrĩ, “Kaĩ ũtaraigua ũira wa maũndũ marĩa maragũthitangĩra?”
14 Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora.
Nowe Jesũ ndaigana gũcookia ũndũ o na ũmwe wa macio; nake barũthi akĩgega mũno.
15 Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon’ ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an’ ny vahoaka, araka izay tiany.
Na rĩrĩ, hĩndĩ ya Gĩathĩ kĩa Bathaka, barũthi ũcio nĩamenyerete kuohora mũndũ ũmwe wa arĩa oohe, o ũrĩa kĩrĩndĩ kĩngĩathuurire.
16 Ary tamin’ izany dia nisy mpifatotra malaza atao hoe Barabasy.
Hĩndĩ ĩyo nĩ maarĩ na mũndũ kĩmaramari wohetwo na woĩkaine mũno, wetagwo Baraba.
17 Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy?
Nĩ ũndũ ũcio, hĩndĩ ĩrĩa kĩrĩndĩ kĩagomanire, Pilato agĩkĩũria atĩrĩ, “Nũũ mũkwenda ndĩmuohorere; nĩ Baraba, kana nĩ Jesũ ũrĩa wĩtagwo Kristũ?”
18 Fa fantany fa fialonana no nanoloran’ ireo Azy.
Nĩgũkorwo we nĩamenyaga atĩ maatwarĩte Jesũ kũrĩ we nĩ ũndũ wa ũiru.
19 Ary raha nipetraka teo amin’ ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin’ izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.
Na hĩndĩ ĩyo Pilato aikarĩire gĩtĩ gĩa ciira, mũtumia wake akĩmũtũmĩra mũndũ, akĩmwĩra atĩrĩ: “Ndũkae gwĩka mũndũ ũcio ũndũ tondũ ndarĩ na mahĩtia, nĩgũkorwo ũmũthĩ nĩthĩĩnĩtio nĩ kĩroto mũno nĩ ũndũ wake.”
20 Ary ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an’ i Barabasy ary hamono an’ i Jesosy.
No rĩrĩ, athĩnjĩri-Ngai arĩa anene na athuuri makĩringĩrĩria kĩrĩndĩ gĩĩtie Baraba, nake Jesũ ooragwo.
21 Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin’ izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.
Barũthi ũcio akĩmooria atĩrĩ, “Andũ aya eerĩ nĩ ũrĩkũ mũkwenda ndĩmuohorere?” Nao makiuga atĩrĩ, “Tũkwenda Baraba.”
22 Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana Izy.
Pilato akĩmooria atĩrĩ, “Ngũgĩĩka atĩa na Jesũ ũyũ wĩtagwo Kristũ?” Othe magĩcookia atĩrĩ, “Mwambe mũtĩ-igũrũ.”
23 Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana Izy!
Nake Pilato akĩmooria atĩrĩ, “Nĩkĩ? Nĩ ngero ĩrĩkũ agerete?” Nao magĩkĩrĩrĩria kwanĩrĩra, makiugaga atĩrĩ, “Mwambe mũtĩ-igũrũ!”
24 Ary raha hitan’ i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin’ ny ran’ ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo.
Rĩrĩa Pilato oonire atĩ matiraiguithania, na akĩona atĩ nĩ ngũĩ yambagĩrĩria-rĩ, akĩoya maaĩ, agĩĩthamba moko hau mbere ya kĩrĩndĩ, akiuga atĩrĩ, “Niĩ ndikoorio thakame ya mũndũ ũyũ ũtarĩ na mahĩtia. Ũcio nĩ ũhoro wanyu!”
25 Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin’ ny zanakay.
Nao andũ acio othe magĩcookia atĩrĩ, “Thakame yake ĩrotũcookerera hamwe na ciana ciitũ!”
26 Ary dia nandefa an’ i Barabasy ho an’ ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin’ ny hazo fijaliana.
Pilato akĩmohorera Baraba. No akĩhũũrithia Jesũ iboko, agĩcooka akĩmũneana akaambwo mũtĩ-igũrũ.
27 Ary ny miaramilan’ ny governora dia nitondra an’ i Jesosy ho ao anati-rova sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy.
Ningĩ thigari cia barũthi cigĩtwara Jesũ thĩinĩ wa gĩikaro kĩa barũthi, nacio cigĩcookanĩrĩria mbũtũ yothe ya thigari, cikĩmũrigiicĩria.
28 Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy.
Cikĩmũruta nguo ciake, cikĩmũhumba nguo ndune,
29 Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy!
cigĩcooka cigĩtuma thũmbĩ ya mĩigua, cikĩmwĩkĩra mũtwe. Cikĩmũnengera kamũrangi guoko-inĩ gwake kwa ũrĩo, cikĩmũturĩria ndu, na cikĩmũnyũrũria, cikiuga atĩrĩ, “Wĩ mũhoro, mũthamaki wa Ayahudi!”
30 Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany.
Cikĩmũtuĩra mata, cikĩoya kamũrangi kau, na cikĩmũhũũra nako mũtwe.
31 Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.
Ciarĩkia kũmũnyũrũria, cikĩmũruta nguo ĩyo, na cikĩmũhumba nguo ciake mwene. Cigĩcooka cikĩmumagaria cikamwambe mũtĩ-igũrũ.
32 Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian’ i Jesosy.
Na hĩndĩ ĩrĩa moimagaraga-rĩ, magĩcemania na mũndũ woimĩte Kurene, wetagwo Simoni, nacio thigari cikĩmũkuuithia mũtharaba ũcio na hinya.
33 Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany atao hoe Golgota izy, izany hoe Ikarandoha,
Magĩthiĩ, magĩkinya handũ heetagwo Gologotha (ũguo nĩ kuuga Handũ hahaana ta Ihĩndĩ rĩa Mũtwe).
34 dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.
Nacio cikĩhe Jesũ ndibei anyue, ĩtukanĩtio na kĩndũ kĩrũrũ ta maaĩ ma nyongo; no aamĩcama akĩrega kũmĩnyua.
35 Ary rehefa voahombony tamin’ ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany.
Ciarĩkia kũmwamba mũtĩ-igũrũ, cikĩgayana nguo ciake na njĩra ya gũcicuukĩra mĩtĩ.
36 Ary nipetraka izy, dia niambina Azy teo.
Nacio cigĩikara thĩ hau, cikĩmũrangĩra.
37 Ary napetany teo ambonin’ ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan’ ny Jiosy.
Na hau igũrũ rĩa mũtwe wake, nĩhandĩkĩtwo maũndũ marĩa aathitangĩirwo, atĩrĩ: ŨYŨ NĨWE JESŨ, MŨTHAMAKI WA AYAHUDI.
38 Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin’ ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin’ ny ankaviany.
Na rĩrĩ, atunyani eerĩ nĩmambirwo mĩtĩ-igũrũ hamwe nake, ũmwe mwena wake wa ũrĩo, na ũcio ũngĩ mwena wake wa ũmotho.
39 Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy, sady nihifikifi-doha
Nao andũ arĩa maahĩtũkagĩra hau makamũrumaga, makĩinagia mĩtwe yao,
40 ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, midìna hiala amin’ ny hazo fijaliana.
makiugaga atĩrĩ, “Wee ũngĩratharirie hekarũ na ũcooke ũmĩake na mĩthenya ĩtatũ-rĩ, kĩĩhonokie! Harũrũka uume mũtharaba-inĩ, aakorwo wee nĩwe Mũrũ wa Ngai!”
41 Ary dia naneso toy izany koa ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:
O ũndũ ũmwe athĩnjĩri-Ngai arĩa anene, na arutani a watho, na athuuri o nao makĩmũnyũrũria.
42 Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;
Makiuga atĩrĩ, “Nĩarahonokagia andũ arĩa angĩ, no ndangĩhota kwĩhonokia we mwene! Nĩwe Mũthamaki wa Isiraeli! Nĩakiume rĩu mũtharaba-inĩ, na ithuĩ nĩtũkũmwĩtĩkia.
43 natoky an’ Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy, satria hoy Izy: Zanak’ Andriamanitra Aho.
Nĩehokete Ngai, nĩakĩmũhonokie rĩu aakorwo nĩamwendete, nĩgũkorwo oigire atĩrĩ, ‘Niĩ ndĩ Mũrũ wa Ngai.’”
44 Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin’ ny hazo fijaliana.
O na atunyani arĩa maambanĩirio hamwe nake o nao makĩmũruma.
45 Ary hatramin’ ny ora fahenina ka hatramin’ ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra.
Na rĩrĩ, kuuma thaa thita cia mũthenya nginya thaa kenda bũrũri wothe ũkĩgĩa nduma.
46 Ary nony tokony ho tamin’ ny ora fahasivy, dia niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?
Na ta thaa kenda Jesũ akĩgũthũka na mũgambo mũnene, akiuga atĩrĩ, “Eli, Eli, lama sabakithani?” (Ũguo nĩ kuuga, “Ngai wakwa, Ngai wakwa, ũndiganĩirie nĩkĩ?”)
47 Ary ny sasany tamin’ izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an’ i Elia Ilehio.
Nao andũ amwe a arĩa maarũngiĩ hau rĩrĩa maiguire ũguo, makiuga atĩrĩ, “Areeta Elija.”
48 Ary niaraka tamin’ izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin’ ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesosy.
Na o rĩmwe, ũmwe wao agĩtengʼera akĩoya thibũnji. Akĩmĩtobokia thiki-inĩ, akĩmĩthecerera kamũrangi-inĩ, akĩhe Jesũ anyue.
49 Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.
Arĩa angĩ nao makiuga atĩrĩ, “Tiganai nake. Nĩtũkuona kana Elija nĩegũũka kũmũhonokia.”
50 Ary rehefa niantso tamin’ ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny.
Nake Jesũ akĩgũthũka rĩngĩ na mũgambo mũnene, agĩtuĩkana.
51 Ary, indro, ny efitra lamba tao amin’ ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy;
Na rĩrĩ, ihinda o rĩu gĩtambaya kĩa hekarũ gĩgĩatũkana icunjĩ igĩrĩ kuuma igũrũ nginya thĩ. Nayo thĩ ĩgĩthingitha, nacio ndwaro cia mahiga igĩatũkana.
52 ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin’ ny olona masìna izay efa nodi-mandry no natsangana,
Mbĩrĩra nacio ikĩhingũka, nao andũ aingĩ arĩa atheru arĩa maarĩkĩtie gũkua makĩriũka,
53 ka nivoaka avy tao amin’ ny fasana ireo taorian’ ny nitsanganan’ i Jesosy, dia nankao amin’ ny Tanàna Masìna ka niseho tamin’ ny maro.
makiuma thĩinĩ wa mbĩrĩra. Na thuutha wa kũriũka kwa Jesũ, magĩthiĩ itũũra rĩu inene itheru, na makiumĩrĩra andũ aingĩ.
54 Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an’ i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin’ izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io.
Rĩrĩa mũnene-wa-thigari-igana na arĩa maarĩ nake makĩrangĩra Jesũ moonire gĩthingithia na maũndũ mothe marĩa meekĩkire-rĩ, makĩnyiitwo nĩ guoya, makĩanĩrĩra, makiuga atĩrĩ, “Ti-itherũ mũndũ ũyũ oima Mũrũ wa Ngai!”
55 Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an’ i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.
Na nĩ haarĩ andũ-a-nja aingĩ meeroragĩra marĩ o haraaya. Maarũmĩrĩire Jesũ kuuma Galili nĩguo mamũtungatagĩre.
56 Isan’ ireny Maria Magdalena sy Maria, renin’ i Jakoba sy Josesy, ary ny renin’ ny zanak’ i Zebedio.
Thĩinĩ wao haarĩ Mariamu Mũmagidali, na Mariamu ũrĩa nyina wa Jakubu na Jose, na nyina wa ariũ a Zebedi.
57 Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr’ i Jesosy.
Na hwaĩ-inĩ wakinya-rĩ, mũndũ warĩ gĩtonga wa kuuma Arimathea, wetagwo Jusufu, ũrĩa watuĩkĩte mũrutwo wa Jesũ agĩũka.
58 Izany lehilahy izany dia nankao amin’ i Pilato ka nangataka ny fatin’ i Jesosy. Dia nasain’ i Pilato homena azy izany.
Nake agĩthiĩ kũrĩ Pilato, na akĩhooya aheo mwĩrĩ wa Jesũ, nake Pilato agĩathana anengerwo mwĩrĩ ũcio.
59 Ary rehefa nalain’ i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio,
Jusufu akĩoya mwĩrĩ ũcio, akĩwoha na taama mũtheru wa gatani,
60 dia naleviny tao amin’ ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin’ ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin’ ny varavaran’ ny fasana izy, dia lasa nandeha.
akĩũiga thĩinĩ wa mbĩrĩra yake njerũ ĩrĩa eenjithĩtie rwaro-inĩ rwa ihiga. Akĩgaragaria ihiga inene mũromo-inĩ wa mbĩrĩra ĩyo, na agĩĩthiĩra.
61 Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin’ ny fasana.
Mariamu Mũmagidali na Mariamu ũcio ũngĩ maikarĩte hau mangʼetheire mbĩrĩra.
62 Ary nony ampitson’ ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin’ i Pilato ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo
Na mũthenya ũyũ ũngĩ ũrĩa ũrũmagĩrĩra Mũthenya wa Ihaarĩria, athĩnjĩri-Ngai arĩa anene na Afarisai magĩthiĩ kwa Pilato.
63 ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.
Makĩmwĩra atĩrĩ, “Mwathi witũ, nĩtũkũririkana atĩ rĩrĩa mũheenania ũcio aarĩ muoyo. nĩoigire atĩrĩ, ‘Thuutha wa matukũ matatũ nĩngariũka.’
64 Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan’ ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin’ ny olona hoe: Efa natsangana tamin’ ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.
Nĩ ũndũ ũcio ruta watho nĩguo mbĩrĩra ĩyo ĩrangĩrwo nginya mũthenya wa gatatũ. Kwaga ũguo, arutwo ake maahota gũthiĩ maiye mwĩrĩ ũcio macooke meere andũ atĩ nĩariũkĩtio kuuma kũrĩ arĩa akuũ. Maheeni macio maahota gũtuĩka mooru gũkĩra marĩa ma mbere.”
65 Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.
Nake Pilato akĩmacookeria atĩrĩ, “Oyai arangĩri, mũthiĩ mũrangĩre mbĩrĩra ĩyo wega o ta ũrĩa mũngĩhota.”
66 Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.
Nĩ ũndũ ũcio magĩthiĩ, makĩhinga ihiga rĩa mbĩrĩra ĩyo biũ, na makĩrĩĩkĩra rũũri rwa mũhũra, na makĩiga arangĩri ho.

< Matio 27 >