< Matio 27 >

1 Ary nony maraina ny andro, ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an’ i Jesosy mba hamonoany Azy.
ⲁ̅ⲛⲧⲉⲣⲉϩⲧⲟⲟⲩⲉ ⲇⲉ ϣⲱⲡⲉ ⲁⲩϫⲓϣⲟϫⲛⲉ ⲛϭⲓ ⲛⲁⲣⲭⲓⲉⲣⲉⲩⲥ ⲧⲏⲣⲟⲩ ⲙⲛ ⲛⲉⲡⲣⲉⲥⲃⲩⲧⲉⲣⲟⲥ ⲙⲡⲗⲁⲟⲥ ϩⲱⲥⲧⲉ ⲉⲙⲟⲩⲟⲩⲧ ⲙⲙⲟϥ
2 Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an’ i Pilato governora.
ⲃ̅ⲁⲩⲙⲟⲣϥ ⲇⲉ ⲁⲩⲛⲧϥ ⲁⲩⲧⲁⲁϥ ⲙⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ⲡϩⲏⲅⲉⲙⲱⲛ
3 Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona
ⲅ̅ⲧⲟⲧⲉ ⲁϥⲛⲁⲩ ⲛϭⲓ ⲓⲟⲩⲇⲁⲥ ⲡⲉⲛⲧⲁϥⲡⲁⲣⲁⲇⲓⲇⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ ϫⲉ ⲁⲩⲧϭⲁⲓⲟϥ ⲁϥⲣϩⲧⲏϥ ⲁϥⲕⲧⲟ ⲙⲡⲙⲁⲁⲃ ⲛϩⲁⲧ ⲛⲛⲁⲣⲭⲓⲉⲣⲉⲩⲥ ⲙⲛ ⲛⲉⲡⲣⲉⲥⲃⲩⲧⲉⲣⲟⲥ
4 ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.
ⲇ̅ⲉϥϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲁⲓⲣⲛⲟⲃⲉ ⲁⲓϯ ⲛⲟⲩⲥⲛⲟϥ ⲛⲇⲓⲕⲁⲓⲟⲥ ⲛⲧⲟⲟⲩ ⲇⲉ ⲡⲉϫⲁⲩ ϫⲉ ⲙⲛ ⲧⲁⲛϩⲱⲃ ⲛⲧⲟⲕ ⲉⲧⲣⲱϣⲉ
5 Ary nony natsipiny teo amin’ ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.
ⲉ̅ⲁϥⲛⲟⲩϫⲉ ⲛⲛϩⲁⲧ ⲉϩⲟⲩⲛ ⲉⲡⲣⲡⲉ ⲁϥⲁⲛⲁⲭⲱⲣⲉⲓ ⲁϥⲃⲱⲕ ⲁϥⲟϭⲧϥ
6 Ary ny lohan’ ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin’ ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà.
ⲋ̅ⲛⲁⲣⲭⲓⲉⲣⲉⲩⲥ ⲇⲉ ⲁⲩϫⲓ ⲛⲛϩⲁⲧ ⲡⲉϫⲁⲩ ϫⲉ ⲟⲩⲕ ⲉⲝⲉⲥⲧⲉⲓ ⲉⲛⲟϫⲟⲩ ⲉⲡⲕⲟⲣⲃⲁⲛⲟⲥ ⲉⲡⲉⲓⲇⲏ ⲟⲩⲁⲥⲟⲩ ⲛⲥⲛⲟϥ ⲧⲉ
7 Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan’ ny mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny.
ⲍ̅ⲁⲩϫⲓ ⲇⲉ ⲛⲟⲩϣⲟϫⲛⲉ ⲁⲩϣⲱⲡ ⲉⲃⲟⲗ ⲛϩⲏⲧⲟⲩ ⲛⲧⲥⲱϣⲉ ⲙⲡⲕⲉⲣⲁⲙⲉⲩⲥ ⲉⲧⲱⲙⲥ ⲛⲛϣⲙⲙⲟ
8 Koa izany no anaovana ny anaran’ izany saha izany mandraka androany hoe Sahan-drà.
ⲏ̅ⲉⲧⲃⲉ ⲡⲁⲓ ⲁⲩⲙⲟⲩⲧⲉ ⲉⲧⲥⲱϣⲉ ⲉⲧⲙⲙⲁⲩ ϫⲉ ⲧⲥⲱϣⲉ ⲙⲡⲉⲥⲛⲟϥ ϣⲁⲉϩⲣⲁⲓ ⲉⲡⲟⲟⲩ ⲛϩⲟⲟⲩ
9 Ary tamin’ izany dia tanteraka izay nampilazaina an’ i Jeremia mpaminany hoe: Dia nalainy ny sekely volafotsy telo-polo, vidin’ ilay notombanana, dia ilay notombanan’ ny Zanak’ Isiraely,
ⲑ̅ⲧⲟⲧⲉ ⲁϥϫⲱⲕ ⲉⲃⲟⲗ ⲛϭⲓ ⲡⲉⲛⲧⲁⲩϫⲟⲟϥ ϩⲓⲧⲛ ⲓⲉⲣⲏⲙⲓⲁⲥ ⲡⲉⲡⲣⲟⲫⲏⲧⲏⲥ ⲉϥϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲁⲩϫⲓ ⲙⲡⲙⲁⲁⲃ ⲛϩⲁⲧ ⲉⲧⲧⲓⲙⲏ ⲙⲡⲉⲧⲧⲁⲓⲏⲩ ⲡⲁⲓ ⲛⲧⲁⲩϯ ϣⲁⲁⲣ ⲉⲣⲟϥ ϩⲓⲧⲛ ⲛϣⲏⲣⲉ ⲙⲡⲓⲥⲣⲁⲏⲗ
10 ka nomeny hamidy ny sahan’ ny mpanefy vilany izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah ahy.
ⲓ̅ⲁⲩϯ ⲙⲙⲟⲟⲩ ⲉϩⲣⲁⲓ ⲉⲧⲥⲱϣⲉ ⲙⲡⲕⲉⲣⲁⲙⲉⲩⲥ ⲕⲁⲧⲁ ⲑⲉ ⲛⲧⲁϥϩⲱⲛ ⲉⲧⲟⲟⲧⲛ ⲛϭⲓ ⲡϫⲟⲉⲓⲥ
11 Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan’ ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao.
ⲓ̅ⲁ̅ⲓⲥ ⲇⲉ ⲁϥⲁϩⲉⲣⲁⲧϥ ⲙⲡⲉⲙⲧⲟ ⲉⲃⲟⲗ ⲙⲡϩⲏⲅⲉⲙⲱⲛ ⲁϥϫⲛⲟⲩϥ ⲛϭⲓ ⲡϩⲏⲅⲉⲙⲱⲛ ⲉϥϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲛⲧⲟⲕ ⲡⲉ ⲡⲣⲣⲟ ⲛⲛⲓⲟⲩⲇⲁⲓ ⲡⲉϫⲁϥ ⲇⲉ ⲛⲁϥ ⲛϭⲓ ⲓⲏⲥ ϫⲉ ⲛⲧⲟⲕ ⲡⲉⲧϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ
12 Ary raha nampangain’ ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny loholona Izy, dia tsy namaly akory.
ⲓ̅ⲃ̅ϩⲙ ⲡⲧⲣⲉⲩⲕⲁⲧⲟⲓⲅⲟⲣⲉⲓ ⲇⲉ ⲙⲙⲟϥ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲓⲧⲟⲟⲧⲟⲩ ⲛⲛⲁⲣⲭⲓⲉⲣⲉⲩⲥ ⲙⲛ ⲛⲉⲡⲣⲉⲥⲃⲩⲧⲉⲣⲟⲥ ⲙⲡⲉϥⲟⲩⲱϣⲃ ⲛⲗⲁⲁⲩ
13 dia hoy Pilato taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?
ⲓ̅ⲅ̅ⲧⲟⲧⲉ ⲡⲉϫⲁϥ ⲛⲁϥ ⲛϭⲓ ⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ϫⲉ ⲛⲅⲥⲱⲧⲙ ⲁⲛ ϫⲉ ⲥⲉⲣⲙⲛⲧⲣⲉ ⲉⲣⲟⲕ ⲛⲟⲩⲏⲣ
14 Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora.
ⲓ̅ⲇ̅ⲛⲧⲟϥ ⲇⲉ ⲙⲡⲉϥⲟⲩⲱϣⲃ ⲛⲗⲁⲁⲩ ⲛϣⲁϫⲉ ϩⲱⲥⲧⲉ ⲛϥⲣϣⲡⲏⲣⲉ ⲛϭⲓ ⲡϩⲏⲅⲉⲙⲱⲛ ⲉⲙⲁⲧⲉ
15 Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon’ ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an’ ny vahoaka, araka izay tiany.
ⲓ̅ⲉ̅ⲕⲁⲧⲁϣⲁ ⲇⲉ ⲛⲉϣⲁⲣⲉⲡϩⲏⲅⲉⲙⲱⲛ ⲕⲁⲟⲩⲁ ⲉⲃⲟⲗ ⲙⲡⲙⲏⲏϣⲉ ⲉϥⲙⲏⲣ ⲡⲉⲧⲉⲛⲉⲩⲟⲩⲁϣϥ
16 Ary tamin’ izany dia nisy mpifatotra malaza atao hoe Barabasy.
ⲓ̅ⲋ̅ⲛⲉⲩⲛⲧⲁⲩ ⲇⲉ ⲙⲙⲁⲩ ⲙⲡⲉⲩⲟⲉⲓϣ ⲉⲧⲙⲙⲁⲩ ⲛⲟⲩⲁ ⲉϥⲙⲏⲣ ⲉϥⲟ ⲛⲥⲟⲉⲓⲧ ⲛϣⲁⲩⲙⲟⲩⲧⲉ ⲉⲣⲟϥ ϫⲉ ⲃⲁⲣⲁⲃⲃⲁⲥ
17 Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy?
ⲓ̅ⲍ̅ⲉⲩⲥⲟⲟⲩϩ ⲇⲉ ⲉϩⲟⲩⲛ ⲡⲉϫⲁϥ ⲛⲁⲩ ⲛϭⲓ ⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ϫⲉ ⲧⲉⲧⲛⲟⲩⲱϣ ⲉⲧⲣⲁⲕⲁⲛⲓⲙ ⲛⲏⲧⲛ ⲉⲃⲟⲗ ⲃⲁⲣⲁⲃⲃⲁⲥ ϫⲛ ⲓⲏⲥ ⲡⲉⲧⲉϣⲁⲩⲙⲟⲩⲧⲉ ⲉⲣⲟϥ ϫⲉ ⲡⲉⲭⲥ
18 Fa fantany fa fialonana no nanoloran’ ireo Azy.
ⲓ̅ⲏ̅ⲛⲉϥⲥⲟⲟⲩⲛ ⲅⲁⲣ ϫⲉ ⲉⲧⲃⲉ ⲟⲩⲫⲑⲟⲛⲟⲥ ⲛⲧⲁⲩⲡⲁⲣⲁⲇⲓⲇⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ
19 Ary raha nipetraka teo amin’ ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin’ izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.
ⲓ̅ⲑ̅ⲉϥϩⲙⲟⲟⲥ ⲇⲉ ϩⲓⲡⲃⲏⲙⲁ ⲁⲥϫⲟⲟⲩ ϣⲁⲣⲟϥ ⲛϭⲓ ⲧⲉϥⲥϩⲓⲙⲉ ⲉⲥϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲥⲁϩⲱⲱⲕ ⲉⲃⲟⲗ ⲙⲡⲉⲓⲇⲓⲕⲁⲓⲟⲥ ⲁⲓϣⲡϩⲁϩ ⲅⲁⲣ ⲛϩⲓⲥⲉ ⲙⲡⲟⲟⲩ ϩⲛ ⲟⲩⲣⲁⲥⲟⲩ ⲉⲧⲃⲏⲏⲧϥ
20 Ary ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an’ i Barabasy ary hamono an’ i Jesosy.
ⲕ̅ⲛⲁⲣⲭⲓⲉⲣⲉⲩⲥ ⲇⲉ ⲙⲛ ⲛⲉⲡⲣⲉⲥⲃⲩⲧⲉⲣⲟⲥ ⲁⲩⲡⲉⲓⲑⲉ ⲙⲡⲙⲏⲏϣⲉ ϫⲉⲕⲁⲥ ⲉⲩⲉⲁⲓⲧⲉⲓ ⲛⲃⲁⲣⲁⲃⲃⲁⲥ ⲓⲏⲥ ⲇⲉ ⲛⲥⲉⲙⲟⲩⲟⲩⲧ ⲙⲙⲟϥ
21 Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin’ izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.
ⲕ̅ⲁ̅ⲁϥⲟⲩⲱϣⲃ ⲇⲉ ⲛϭⲓ ⲡϩⲏⲅⲉⲙⲱⲛ ⲡⲉϫⲁϥ ⲛⲁⲩ ϫⲉ ⲧⲉⲧⲛⲟⲩⲱϣ ⲉⲧⲣⲁⲕⲁⲛⲓⲙ ⲛⲏⲧⲛ ⲉⲃⲟⲗ ⲙⲡⲉⲓⲥⲛⲁⲩ ⲛⲧⲟⲟⲩ ⲇⲉ ⲡⲉϫⲁⲩ ϫⲉ ⲃⲁⲣⲁⲃⲃⲁⲥ
22 Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana Izy.
ⲕ̅ⲃ̅ⲡⲉϫⲁϥ ⲛϭⲓ ⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ϫⲉ ⲧⲁⲣⲟⲩ ϭⲉ ⲛⲓⲏⲥ ⲡⲉⲧⲟⲩⲙⲟⲩⲧⲉ ⲉⲣⲟϥ ϫⲉ ⲡⲉⲭⲥ ⲡⲉϫⲁⲩ ⲧⲏⲣⲟⲩ ϫⲉ ⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ
23 Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana Izy!
ⲕ̅ⲅ̅ⲛⲧⲟϥ ⲇⲉ ⲡⲉϫⲁϥ ϫⲉ ⲟⲩ ⲅⲁⲣ ⲙⲡⲉⲑⲟⲟⲩ ⲡⲉⲛⲧⲁϥⲁⲁϥ ⲛⲧⲟⲟⲩ ⲇⲉ ⲛϩⲟⲩⲟ ⲛⲉⲩϫⲓϣⲕⲁⲕ ⲉⲃⲟⲗ ϫⲉ ⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ
24 Ary raha hitan’ i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin’ ny ran’ ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo.
ⲕ̅ⲇ̅ⲛⲧⲉⲣⲉϥⲛⲁⲩ ⲇⲉ ⲛϭⲓ ⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ϫⲉ ⲛϥⲛⲁϯϩⲏⲩ ⲛⲗⲁⲁⲩ ⲁⲛ ⲁⲗⲗⲁ ⲉⲣⲉⲟⲩϣⲧⲟⲣⲧⲣ ⲛⲁϣⲱⲡⲉ ⲛϩⲟⲩⲟ ϥϫⲓ ⲛⲟⲩⲙⲟⲟⲩ ⲁϥⲉⲓⲱ ⲛⲛⲉϥϭⲓϫ ⲙⲡⲉⲙⲧⲟ ⲉⲃⲟⲗ ⲙⲡⲙⲏⲏϣⲉ ⲉϥϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ϯⲟⲩⲁⲁⲃ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲙ ⲡⲉⲥⲛⲟϥ ⲙⲡⲉⲓⲣⲱⲙⲉ ⲛⲧⲱⲧⲛ ⲧⲉⲧⲛⲣⲱϣⲉ
25 Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin’ ny zanakay.
ⲕ̅ⲉ̅ⲁϥⲟⲩⲱϣⲃ ⲇⲉ ⲛϭⲓ ⲡⲗⲁⲟⲥ ⲧⲏⲣϥ ⲉϥϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲡⲉϥⲥⲛⲟϥ ϩⲓϫⲱⲛ ⲙⲛ ⲛⲉⲛϣⲏⲣⲉ
26 Ary dia nandefa an’ i Barabasy ho an’ ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin’ ny hazo fijaliana.
ⲕ̅ⲋ̅ⲧⲟⲧⲉ ⲁϥⲕⲱ ⲛⲁⲩ ⲉⲃⲟⲗ ⲛⲃⲁⲣⲁⲃⲃⲁⲥ ⲓⲏⲥ ⲇⲉ ⲁϥⲫⲣⲁⲅⲉⲗⲗⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ ⲁϥⲡⲁⲣⲁⲇⲓⲇⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ ϫⲉⲕⲁⲥ ⲉⲩⲉⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ
27 Ary ny miaramilan’ ny governora dia nitondra an’ i Jesosy ho ao anati-rova sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy.
ⲕ̅ⲍ̅ⲧⲟⲧⲉ ⲙⲙⲁⲧⲟⲓ ⲙⲡϩⲏⲅⲉⲙⲱⲛ ⲛⲧⲉⲣⲟⲩϫⲓ ⲛⲓⲏⲥ ⲉⲡⲉⲡⲣⲁⲓⲧⲱⲣⲓⲟⲛ ⲁⲩⲥⲱⲟⲩϩ ⲉϩⲣⲁⲓ ⲉϫⲱϥ ⲛⲧⲉⲥⲡⲉⲓⲣⲁ ⲧⲏⲣⲥ
28 Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy.
ⲕ̅ⲏ̅ⲁⲩⲕⲱ ⲙⲙⲟϥ ⲕⲁϩⲏⲩ ⲁⲩϯ ϩⲓⲱⲱϥ ⲛⲟⲩⲭⲗⲁⲙⲩⲥ ⲛⲕⲟⲕⲕⲟⲥ
29 Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy!
ⲕ̅ⲑ̅ⲁⲩⲱ ⲁⲩϣⲱⲛⲧ ⲛⲟⲩⲕⲗⲟⲙ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲛ ⲛϣⲟⲛⲧⲉ ⲁⲩⲧⲁⲗⲟ ⲙⲙⲟϥ ⲉϩⲣⲁⲓ ⲉϫⲛ ⲧⲉϥⲁⲡⲉ ⲁⲩⲱ ⲟⲩⲕⲁϣ ϩⲛ ⲧⲉϥϭⲓϫ ⲛⲟⲩⲛⲁⲙ ⲁⲩⲡⲁϩⲧⲟⲩ ⲇⲉ ⲙⲡⲉϥⲙⲧⲟ ⲉⲃⲟⲗ ⲉⲩⲥⲱⲃⲉ ⲙⲙⲟϥ ⲉⲩϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲭⲁⲓⲣⲉ ⲡⲣⲣⲟ ⲛⲛⲓⲟⲩⲇⲁⲓ
30 Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany.
ⲗ̅ⲁⲩⲛⲉϫⲡⲁϭⲥⲉ ⲇⲉ ⲉϩⲟⲩⲛ ⲉϩⲣⲁϥ ⲁⲩϫⲓ ⲙⲡⲕⲁϣ ⲁⲩⲣⲱϩⲧ ⲙⲙⲟϥ ⲉϩⲣⲁⲓ ⲉϫⲛ ⲧⲉϥⲁⲡⲉ
31 Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.
ⲗ̅ⲁ̅ⲛⲧⲉⲣⲟⲩⲥⲱⲃⲉ ⲇⲉ ⲙⲙⲟϥ ⲁⲩⲕⲱ ⲙⲙⲟϥ ⲕⲁϩⲏⲩ ⲛⲧⲉⲭⲗⲁⲙⲩⲥ ⲁⲩϯ ϩⲓⲱⲱϥ ⲛⲛⲉϥϩⲟⲓⲧⲉ ⲁⲩϫⲓ ⲙⲙⲟϥ ⲉⲃⲟⲗ ⲉⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ
32 Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian’ i Jesosy.
ⲗ̅ⲃ̅ⲉⲩⲛⲏⲩ ⲇⲉ ⲉⲃⲟⲗ ⲁⲩϩⲉ ⲉⲩⲣⲱⲙⲉ ⲛⲕⲩⲣⲏⲛⲛⲁⲓⲟⲥ ⲉⲡⲉϥⲣⲁⲛ ⲡⲉ ⲥⲓⲙⲱⲛ ⲁⲩⲕⲱⲱⲃⲉ ⲙⲡⲁⲓ ϫⲉⲕⲁⲥ ⲉϥⲉϥⲓ ⲙⲡⲉϥⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲥ
33 Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany atao hoe Golgota izy, izany hoe Ikarandoha,
ⲗ̅ⲅ̅ⲛⲧⲉⲣⲟⲩⲉⲓ ⲇⲉ ⲉϩⲣⲁⲓ ⲉⲩⲙⲁ ⲛϣⲁⲩⲙⲟⲩⲧⲉ ⲉⲣⲟϥ ϫⲉ ⲅⲟⲗⲅⲟⲑⲁ ⲉⲧⲉⲡⲙⲁ ⲙⲡⲉⲕⲣⲁⲛⲓⲟⲛ ⲡⲉ
34 dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.
ⲗ̅ⲇ̅ⲁⲩϯ ⲛⲁϥ ⲛⲟⲩⲏⲣⲡ ⲉⲥⲟⲟϥ ⲉϥⲧⲏϩ ϩⲓⲥⲓϣⲉ ⲛⲧⲉⲣⲉϥⲧⲟⲡϥ ⲇⲉ ⲙⲡⲉϥⲟⲩⲱϣ ⲉⲥⲟⲟϥ
35 Ary rehefa voahombony tamin’ ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany.
ⲗ̅ⲉ̅ⲛⲧⲉⲣⲟⲩⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲩ ⲇⲉ ⲙⲙⲟϥ ⲁⲩⲡⲱϣ ⲛⲛⲉϥϩⲟⲓⲧⲉ ⲉϩⲣⲁⲩ ⲁⲩⲛⲉϫⲕⲗⲏⲣⲟⲥ ⲉϩⲣⲁⲓ ⲉϫⲱⲟⲩ
36 Ary nipetraka izy, dia niambina Azy teo.
ⲗ̅ⲋ̅ⲁⲩⲱ ⲛⲉⲩϩⲙⲟⲟⲥ ⲉⲩϩⲁⲣⲉϩ ⲉⲣⲟϥ ϩⲙ ⲡⲙⲁ ⲉⲧⲙⲙⲁⲩ
37 Ary napetany teo ambonin’ ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan’ ny Jiosy.
ⲗ̅ⲍ̅ⲁⲩⲕⲱ ⲇⲉ ⲛⲧⲉϥⲁⲓⲧⲓⲁ ⲉⲥⲥⲏϩ ⲉϩⲣⲁⲓ ⲉϫⲛ ⲧⲉϥⲁⲡⲉ ϫⲉ ⲡⲁⲓ ⲡⲉ ⲡⲣⲣⲟ ⲛⲛⲓⲟⲩⲇⲁⲓ
38 Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin’ ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin’ ny ankaviany.
ⲗ̅ⲏ̅ⲧⲟⲧⲉ ⲁⲩⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲩ ⲛⲙⲙⲁϥ ⲛⲕⲉⲥⲟⲟⲛⲉ ⲥⲛⲁⲩ ⲟⲩⲁ ϩⲓⲟⲩⲛⲁⲙ ⲙⲙⲟϥ ⲁⲩⲱ ⲟⲩⲁ ϩⲓϩⲃⲟⲩⲣ ⲙⲙⲟϥ
39 Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy, sady nihifikifi-doha
ⲗ̅ⲑ̅ⲛⲉⲧⲛⲏⲩ ⲇⲉ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲓⲧⲟⲟⲧϥ ⲛⲉⲩϫⲓⲟⲩⲁ ⲉⲣⲟϥ ⲉⲩⲕⲓⲙ ⲛⲛⲉⲩⲁⲡⲏⲩⲉ
40 ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, midìna hiala amin’ ny hazo fijaliana.
ⲙ̅ⲉⲩϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲡⲉⲧⲃⲱⲗ ⲉⲃⲟⲗ ⲙⲡⲣⲡⲉ ⲉⲧⲕⲱⲧ ⲙⲙⲟϥ ⲛϣⲟⲙⲛⲧ ⲛϩⲟⲟⲩ ⲙⲁⲧⲟⲩϫⲟⲕ ⲉϣϫⲉ ⲛⲧⲟⲕ ⲡⲉ ⲡϣⲏⲣⲉ ⲙⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲁⲙⲟⲩ ⲉⲡⲉⲥⲏⲧ ϩⲓ ⲡⲉⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲥ
41 Ary dia naneso toy izany koa ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:
ⲙ̅ⲁ̅ϩⲟⲙⲟⲓⲱⲥ ⲇⲉ ⲛⲁⲣⲭⲓⲉⲣⲉⲩⲥ ⲛⲉⲩⲥⲱⲃⲉ ⲙⲙⲟϥ ⲙⲛ ⲛⲉⲅⲣⲁⲙⲙⲁⲧⲉⲩⲥ ⲙⲛ ⲛⲉⲡⲣⲉⲥⲃⲩⲧⲉⲣⲟⲥ ⲉⲩϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ
42 Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;
ⲙ̅ⲃ̅ϫⲉ ⲁϥⲧⲟⲩϫⲉϩⲉⲛⲕⲟⲟⲩⲉ ⲉⲓⲉⲙⲛ ϣϭⲟⲙ ⲙⲙⲟϥ ⲉⲧⲟⲩϫⲟϥ ⲡⲣⲣⲟ ⲙⲡⲓⲥⲣⲁⲏⲗ ⲡⲉ ⲙⲁⲣⲉϥⲉⲓ ⲉⲡⲉⲥⲏⲧ ⲧⲉⲛⲟⲩ ϩⲓ ⲡⲉⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲥ ⲛⲧⲉⲛⲡⲓⲥⲧⲉⲩⲉ ⲉⲣⲟϥ
43 natoky an’ Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy, satria hoy Izy: Zanak’ Andriamanitra Aho.
ⲙ̅ⲅ̅ⲉϣϫⲉ ⲁϥⲛⲁϩⲧⲉ ⲉⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲉⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲙⲁⲣⲉϥⲛⲁϩⲙⲉϥ ⲧⲉⲛⲟⲩ ⲉϣϫⲉ ϥⲟⲩⲁϣϥ ⲁϥϫⲟⲟⲥ ⲅⲁⲣ ϫⲉ ⲁⲛⲅⲡϣⲏⲣⲉ ⲙⲡⲛⲟⲩⲧⲉ
44 Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin’ ny hazo fijaliana.
ⲙ̅ⲇ̅ⲛⲕⲉⲥⲟⲟⲛⲉ ⲇⲉ ⲛⲧⲁⲩⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲩ ⲙⲙⲟⲟⲩ ⲛⲙⲙⲁϥ ⲛⲉⲩϫⲱ ϩⲱⲟⲩ ⲙⲡⲁⲓ ⲉⲩⲛⲟϭⲛⲉϭ ⲙⲙⲟϥ
45 Ary hatramin’ ny ora fahenina ka hatramin’ ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra.
ⲙ̅ⲉ̅ϫⲓⲛⲉⲡⲛⲁⲩ ⲇⲉ ⲛϫⲡⲥⲟ ⲙⲡⲉϩⲟⲟⲩ ⲟⲩⲕⲁⲕⲉ ⲁϥϣⲱⲡⲉ ⲉϩⲣⲁⲓ ϩⲓϫⲙ ⲡⲕⲁϩ ⲧⲏⲣϥ ϣⲁⲡⲛⲁⲩ ⲛϫⲡⲯⲓⲧⲉ
46 Ary nony tokony ho tamin’ ny ora fahasivy, dia niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?
ⲙ̅ⲋ̅ϩⲙ ⲡⲛⲁⲩ ⲇⲉ ⲛϫⲡⲯⲓⲧⲉ ⲁϥϫⲓϣⲕⲁⲕ ⲉⲃⲟⲗ ⲛϭⲓ ⲓⲏⲥ ϩⲛ ⲟⲩⲛⲟϭ ⲛⲥⲙⲏ ⲉϥϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲉⲗⲱⲉⲓ ⲉⲗⲱⲉⲓ ⲗⲁⲙⲁ ⲥⲁⲃⲁⲕⲧⲁⲛⲉⲓ ⲉⲧⲉ ⲡⲁⲓ ⲡⲉ ⲡⲁⲛⲟⲩⲧⲉ ⲡⲁⲛⲟⲩⲧⲉ ⲉⲧⲃⲉ ⲟⲩ ⲁⲕⲕⲁⲁⲧ ⲛⲥⲱⲕ
47 Ary ny sasany tamin’ izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an’ i Elia Ilehio.
ⲙ̅ⲍ̅ϩⲟⲓⲛⲉ ⲇⲉ ⲛⲛⲉⲧⲁϩⲉⲣⲁⲧⲟⲩ ϩⲙ ⲡⲙⲁ ⲉⲧⲙⲙⲁⲩ ⲛⲧⲉⲣⲟⲩⲥⲱⲧⲙ ⲛⲉⲩϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲉⲣⲉⲡⲁⲓ ⲙⲟⲩⲧⲉ ⲉϩⲏⲗⲉⲓⲁⲥ
48 Ary niaraka tamin’ izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin’ ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesosy.
ⲙ̅ⲏ̅ⲁⲟⲩⲁ ⲇⲉ ⲉⲃⲟⲗ ⲛϩⲏⲧⲟⲩ ⲡⲱⲧ ⲛⲧⲉⲩⲛⲟⲩ ⲁϥϫⲓ ⲛⲟⲩⲥⲡⲟⲅⲅⲟⲥ ⲁϥⲙⲁϩⲥ ⲛϩⲙϫ ⲁϥⲙⲟⲣⲉⲥ ⲉⲩⲕⲁϣ ⲁϥⲧⲥⲟ ⲙⲙⲟϥ
49 Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.
ⲙ̅ⲑ̅ⲡⲕⲉⲥⲉⲉⲡⲉ ⲇⲉ ⲛⲉⲩϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ϭⲱ ⲛⲧⲛⲛⲁⲩ ϫⲉ ϩⲏⲗⲉⲓⲁⲥ ⲛⲏⲩ ⲉⲛⲟⲩϩⲙ ⲙⲙⲟϥ
50 Ary rehefa niantso tamin’ ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny.
ⲛ̅ⲓⲏⲥ ⲇⲉ ⲁϥϫⲓϣⲕⲁⲕ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲛ ⲟⲩⲛⲟϭ ⲛⲥⲙⲏ ⲁϥⲕⲱ ⲙⲡⲉⲡⲛⲁ
51 Ary, indro, ny efitra lamba tao amin’ ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy;
ⲛ̅ⲁ̅ⲁⲩⲱ ⲉⲓⲥ ϩⲏⲏⲧⲉ ⲉⲓⲥ ⲡⲕⲁⲧⲁⲡⲉⲧⲁⲥⲙⲁ ⲙⲡⲣⲡⲉ ⲁϥⲡⲱϩ ϫⲓⲛ ⲧⲡⲉ ⲉⲡⲉⲥⲏⲧ ⲁϥⲣⲥⲛⲁⲩ ⲡⲕⲁϩ ⲁϥⲛⲟⲉⲓⲛ ⲁⲩⲱ ⲙⲡⲉⲧⲣⲁ ⲁⲩⲡⲱϩ
52 ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin’ ny olona masìna izay efa nodi-mandry no natsangana,
ⲛ̅ⲃ̅ⲛⲉⲙϩⲁⲁⲩ ⲁⲩⲟⲩⲱⲛ ⲁⲩⲧⲱⲟⲩⲛ ⲛϭⲓ ϩⲁϩ ⲛⲥⲱⲙⲁ ⲛⲛⲉⲧⲟⲩⲁⲁⲃ ⲛⲧⲁⲩⲛⲕⲟⲧⲕ
53 ka nivoaka avy tao amin’ ny fasana ireo taorian’ ny nitsanganan’ i Jesosy, dia nankao amin’ ny Tanàna Masìna ka niseho tamin’ ny maro.
ⲛ̅ⲅ̅ⲁⲩⲉⲓ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲛ ⲛⲙϩⲁⲁⲩ ⲙⲛⲛⲥⲁ ⲧⲣⲉⲩⲧⲱⲟⲩⲛ ⲇⲉ ⲁⲩⲃⲱⲕ ⲉϩⲟⲩⲛ ⲉⲧⲡⲟⲗⲓⲥ ⲉⲧⲟⲩⲁⲁⲃ ⲁⲩⲟⲩⲟⲛϩⲟⲩ ⲉⲃⲟⲗ ⲛϩⲁϩ
54 Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an’ i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin’ izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io.
ⲛ̅ⲇ̅ⲡϩⲉⲕⲁⲧⲟⲛⲧⲁⲣⲭⲟⲥ ⲇⲉ ⲙⲛ ⲛⲉⲧⲛⲙⲙⲁϥ ⲉⲧϩⲁⲣⲉϩ ⲉⲓⲏⲥ ⲛⲧⲉⲣⲟⲩⲛⲁⲩ ⲉⲡⲕⲙⲧⲟ ⲙⲛ ⲛⲉⲛⲧⲁⲩϣⲱⲡⲉ ⲁⲩⲣ ϩⲟⲧⲉ ⲉⲙⲁⲧⲉ ⲉⲩϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲛⲁⲙⲉ ⲛⲉ ⲡϣⲏⲣⲉ ⲙⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲡⲉ ⲡⲁⲓ
55 Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an’ i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.
ⲛ̅ⲉ̅ⲉⲛⲉⲩⲙⲙⲁⲩ ⲇⲉ ⲛϭⲓ ⲟⲩⲙⲏⲏϣⲉ ⲛⲥϩⲓⲙⲉ ⲉⲩϭⲱϣⲧ ⲙⲡⲟⲩⲉ ⲛⲁⲓ ⲛⲧⲁⲩⲟⲩⲁϩⲟⲩ ⲛⲥⲁ ⲓⲏⲥ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲛ ⲧⲅⲁⲗⲓⲗⲁⲓⲁ ⲉⲩⲇⲓⲁⲕⲟⲛⲉⲓ ⲛⲁϥ
56 Isan’ ireny Maria Magdalena sy Maria, renin’ i Jakoba sy Josesy, ary ny renin’ ny zanak’ i Zebedio.
ⲛ̅ⲋ̅ⲛⲁⲓ ⲉⲩⲉⲃⲟⲗ ⲛϩⲏⲧⲟⲩ ⲧⲉ ⲙⲁⲣⲓⲁ ⲧⲙⲁⲅⲇⲁⲗⲏⲛⲏ ⲙⲛ ⲙⲁⲣⲓⲁ ⲧⲁⲓⲁⲕⲱⲃⲟⲥ ⲙⲛ ⲧⲙⲁⲁⲩ ⲛⲓⲱⲥⲏ ⲁⲩⲱ ⲧⲙⲁⲁⲩ ⲛⲛϣⲏⲣⲉ ⲛⲍⲉⲃⲉⲇⲁⲓⲟⲥ
57 Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr’ i Jesosy.
ⲛ̅ⲍ̅ⲣⲟⲩϩⲉ ⲇⲉ ⲛⲧⲉⲣⲉϥϣⲱⲡⲉ ⲁϥⲉⲓ ⲛϭⲓ ⲟⲩⲣⲱⲙⲉ ⲛⲣⲙⲙⲁⲟ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲛ ⲁⲣⲓⲙⲁⲑⲁⲓⲁ ⲉⲡⲉϥⲣⲁⲛ ⲡⲉ ⲓⲱⲥⲏⲫ ⲡⲁⲓ ⲉⲁϥⲙⲁⲑⲏⲧⲉⲩⲉ ⲛⲓⲏⲥ
58 Izany lehilahy izany dia nankao amin’ i Pilato ka nangataka ny fatin’ i Jesosy. Dia nasain’ i Pilato homena azy izany.
ⲛ̅ⲏ̅ⲁϥϯ ⲡⲉϥⲟⲩⲟⲓ ⲇⲉ ⲉⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ⲁϥⲁⲓⲧⲉⲓ ⲙⲡⲥⲱⲙⲁ ⲛⲓⲏⲥ ⲧⲟⲧⲉ ⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ⲁϥⲟⲩⲉϩⲥⲁϩⲛⲉ ⲉⲧⲣⲉⲩⲧⲁⲁϥ ⲛⲁϥ
59 Ary rehefa nalain’ i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio,
ⲛ̅ⲑ̅ⲁϥϫⲓ ⲇⲉ ⲙⲡⲥⲱⲙⲁ ⲛϭⲓ ⲓⲱⲥⲏⲫ ⲁϥⲕⲱⲱⲥ ⲙⲙⲟϥ ⲛⲟⲩⲥⲓⲛⲇⲱⲛ ⲉⲥⲣⲁϩⲉ
60 dia naleviny tao amin’ ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin’ ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin’ ny varavaran’ ny fasana izy, dia lasa nandeha.
ⲝ̅ⲁϥⲕⲱ ⲙⲙⲟϥ ϩⲙ ⲡⲉϥⲙϩⲁⲁⲩ ⲛⲃⲣⲣⲉ ⲡⲁⲓ ⲛⲧⲁϥⲕⲉϩⲕⲱϩϥ ϩⲣⲁⲓ ϩⲛ ⲧⲡⲉⲧⲣⲁ ⲁϥⲥⲕⲟⲣⲕⲣ ⲛⲟⲩⲛⲟϭ ⲛⲱⲛⲉ ⲉⲣⲙⲡⲣⲟ ⲙⲡⲉⲙϩⲁⲁⲩ ⲁϥⲃⲱⲕ
61 Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin’ ny fasana.
ⲝ̅ⲁ̅ⲉⲛⲉⲥⲙⲙⲁⲩ ⲇⲉ ⲛϭⲓ ⲙⲁⲣⲓⲁ ⲧⲙⲁⲅⲇⲁⲗⲏⲛⲏ ⲙⲛ ⲧⲕⲉⲙⲁⲣⲓⲁ ⲉⲩϩⲙⲟⲟⲥ ⲙⲡⲉⲙⲧⲟ ⲉⲃⲟⲗ ⲙⲡⲧⲁⲫⲟⲥ
62 Ary nony ampitson’ ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin’ i Pilato ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo
ⲝ̅ⲃ̅ⲙⲡⲉϥⲣⲁⲥⲧⲉ ⲇⲉ ⲉⲧⲉ ⲙⲛⲛⲥⲁ ⲧⲡⲁⲣⲁⲥⲕⲉⲩⲏ ⲡⲉ ⲁⲩⲥⲱⲟⲩϩ ⲉϩⲟⲩⲛ ⲛϭⲓ ⲛⲁⲣⲭⲓⲉⲣⲉⲩⲥ ⲙⲛ ⲛⲉⲡⲣⲉⲥⲃⲩⲧⲉⲣⲟⲥ ⲉⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ
63 ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.
ⲝ̅ⲅ̅ⲉⲩϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲡϫⲟⲉⲓⲥ ⲁⲛⲣⲡⲙⲉⲉⲩⲉ ϫⲉ ⲡⲉⲓⲡⲗⲁⲛⲟⲥ ⲁϥϫⲟⲟⲥ ϫⲓⲛⲉϥⲟⲛϩ ϫⲉ ϯⲛⲁⲧⲱⲟⲩⲛ ⲙⲛⲛⲥⲁ ϣⲟⲙⲛⲧ ⲛϩⲟⲟⲩ
64 Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan’ ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin’ ny olona hoe: Efa natsangana tamin’ ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.
ⲝ̅ⲇ̅ⲟⲩⲉϩⲥⲁϩⲛⲉ ϭⲉ ⲉⲧⲣⲉⲛⲱⲣϫ ⲙⲡⲧⲁⲫⲟⲥ ϣⲁⲡⲙⲉϩϣⲟⲙⲛⲧ ⲛϩⲟⲟⲩ ⲙⲏⲡⲟⲧⲉ ⲛⲥⲉⲉⲓ ⲛϭⲓ ⲛⲉϥⲙⲁⲑⲏⲧⲏⲥ ⲛⲥⲉϥⲓⲧϥ ⲛϫⲓⲟⲩⲉ ⲛⲥⲉϫⲟⲟⲥ ⲙⲡⲗⲁⲟⲥ ϫⲉ ⲁϥⲧⲱⲟⲩⲛ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲛ ⲛⲉⲧⲙⲟⲟⲩⲧ ⲛⲧⲉⲑⲁⲏ ⲙⲡⲗⲁⲛⲏ ⲑⲟ ⲉⲧϣⲟⲣⲡ
65 Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.
ⲝ̅ⲉ̅ⲡⲉϫⲁϥ ⲛⲁⲩ ⲛϭⲓ ⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ϫⲉ ϫⲓ ⲛⲧⲕⲟⲩⲥⲧⲱⲇⲓⲁ ⲛⲧⲉⲧⲛⲃⲱⲕ ⲛⲧⲉⲧⲛⲟⲣϫϥ ⲛⲑⲉ ⲉⲧⲉⲧⲛⲥⲟⲟⲩⲛ ⲙⲙⲟⲥ
66 Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.
ⲝ̅ⲋ̅ⲛⲧⲟⲟⲩ ⲇⲉ ⲁⲩⲃⲱⲕ ⲁⲩⲱⲣϫ ⲙⲡⲧⲁⲫⲟⲥ ⲉⲁⲩⲥⲫⲣⲁⲅⲓⲍⲉ ⲙⲡⲱⲛⲉ ⲙⲛ ⲧⲕⲟⲩⲥⲧⲱⲇⲓⲁ

< Matio 27 >