< Matio 26 >

1 Ary rehefa vitan’ i Jesosy izany teny rehetra izany, dia nilaza tamin’ ny mpianany hoe Izy:
Yesu alipomaliza kusema hayo yote, akawaambia wanafunzi wake,
2 Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak’ olona dia hatolotra hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.
“Kama mnavyojua, baada ya siku mbili itakuwa Pasaka, naye Mwana wa Adamu atasalitiwa ili asulubiwe.”
3 Ary tamin’ izany dia nivory ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona tao an-kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe atao hoe Kaiafa.
Basi viongozi wa makuhani na wazee wa watu wakakusanyika katika jumba la utawala la kuhani mkuu, jina lake Kayafa.
4 Ary niara-nihevitra izy hisambotra an’ i Jesosy amin’ ny fitaka ka hamono Azy;
Wakafanya shauri ili kumkamata Yesu kwa siri na kumuua.
5 kanefa hoy izy: Tsy amin’ ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin’ ny olona.
Lakini wakasema, “Isiwe wakati wa Sikukuu, kusitokee ghasia miongoni mwa watu.”
6 Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon’ i Simona boka,
Yesu alikuwa Bethania nyumbani mwa Simoni aliyekuwa na ukoma,
7 dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin’ ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.
naye mwanamke mmoja akamjia akiwa na chupa ya marhamu yenye manukato ya thamani kubwa; akayamimina kichwani mwa Yesu alipokuwa ameketi mezani kula chakula.
8 Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton’ izao fandaniam-poana izao?
Lakini wanafunzi wake walipoona hayo wakakasirika, wakasema, “Upotevu huu wote ni wa nini?
9 Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo.
Manukato haya yangeuzwa kwa bei kubwa, na fedha hizo wakapewa maskini.”
10 Ary fantatr’ i Jesosy izay nataon’ ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.
Yesu, akijua jambo hili, akawaambia, “Mbona mnamsumbua huyu mwanamke? Yeye amenitendea jambo zuri sana.
11 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
Maskini mtakuwa nao siku zote, lakini mimi hamtakuwa nami siku zote.
12 Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin’ ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany.
Alipomiminia haya manukato kwenye mwili wangu, amefanya hivyo ili kuniandaa kwa ajili ya maziko yangu.
13 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’ izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
Amin, nawaambia, mahali popote ulimwenguni ambapo hii Injili itahubiriwa, jambo hili alilolitenda huyu mwanamke litatajwa pia kwa ukumbusho wake.”
14 Ary ny anankiray tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin’ ny lohan’ ny mpisorona
Kisha mmojawapo wa wale kumi na wawili, aitwaye Yuda Iskariote, alikwenda kwa viongozi wa makuhani
15 ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.
na kuuliza, “Mtanipa nini nikimtia Yesu mikononi mwenu?” Wakamlipa vipande thelathini vya fedha.
16 Ary hatramin’ izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy.
Tangu wakati huo Yuda akawa anatafuta wakati uliofaa wa kumsaliti Yesu.
17 Ary tamin’ ny voalohan’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin’ i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
Siku ya kwanza ya Sikukuu ya Mikate Isiyotiwa Chachu, wanafunzi walimjia Yesu wakamuuliza, “Unataka twende wapi ili tukuandalie mahali pa kula Pasaka?”
18 Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
Akajibu, “Nendeni kwa mtu fulani huko mjini, mkamwambie, ‘Mwalimu asema hivi: Saa yangu imekaribia. Nitaiadhimisha Pasaka pamoja na wanafunzi wangu katika nyumba yako.’”
19 Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain’ i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.
Hivyo wanafunzi wakafanya kama vile Yesu alivyokuwa amewaelekeza, nao wakaandaa Pasaka.
20 Ary nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin’ ny mpianatra roa ambin’ ny folo lahy.
Ilipofika jioni, Yesu alikuwa ameketi mezani pamoja na wale wanafunzi wake kumi na wawili.
21 Ary raha mbola nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.
Nao walipokuwa wakila, Yesu akasema, “Amin, nawaambia, mmoja wenu atanisaliti.”
22 Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?
Wakahuzunika sana, wakaanza kumuuliza mmoja baada ya mwingine, “Je, ni mimi Bwana?”
23 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin’ ny lovia, izy no hamadika Ahy.
Yesu akawaambia, “Yule aliyechovya mkono wake katika bakuli pamoja nami ndiye atakayenisaliti.
24 Ny Zanak’ olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan’ izay olona hahazoana ny Zanak’ olona hatolotra! tsara ho an’ izany olona izany raha tsy ary akory.
Mwana wa Adamu anaenda zake kama vile alivyoandikiwa. Lakini ole wake mtu yule amsalitiye Mwana wa Adamu. Ingekuwa heri kwake mtu huyo kama hangezaliwa!”
25 Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.
Kisha Yuda, yule mwenye kumsaliti, akasema, “Je, ni mimi Rabi?” Yesu akajibu, “Naam, wewe mwenyewe umesema.”
26 Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
Walipokuwa wanakula, Yesu akachukua mkate, akashukuru, akaumega, na kuwapa wanafunzi wake, akisema, “Twaeni, mle; huu ndio mwili wangu.”
27 Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;
Kisha akakitwaa kikombe, akashukuru, akawapa, akisema, “Nyweni nyote katika kikombe hiki.
28 fa ity no rako, dia ny amin’ ny fanekena, izay alatsaka ho an’ ny maro ho famelan-keloka.
Hii ndiyo damu yangu ya Agano, imwagikayo kwa ajili ya wengi kwa ondoleo la dhambi.
29 Ary lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin’ ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ ny fanjakan’ ny Raiko.
Lakini ninawaambia, tangu sasa sitakunywa tena katika uzao huu wa mzabibu, hadi siku ile nitakapounywa mpya pamoja nanyi katika Ufalme wa Baba yangu.”
30 Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin’ ny tendrombohitra Oliva.
Walipokwisha kuimba wimbo, wakatoka wakaenda Mlima wa Mizeituni.
31 Ary tamin’ izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana.
Kisha Yesu akawaambia, “Usiku huu, ninyi nyote mtaniacha, kwa maana imeandikwa: “‘Nitampiga mchungaji, nao kondoo wa hilo kundi watatawanyika.’
32 Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
Lakini baada ya kufufuka kwangu, nitawatangulia kwenda Galilaya.”
33 Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.
Petro akajibu, “Hata kama wote watakuacha, kamwe mimi sitakuacha.”
34 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.
Yesu akamjibu, “Amin, nakuambia, usiku huu, kabla jogoo hajawika, utanikana mara tatu.”
35 Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’ ny mpianatra rehetra.
Lakini Petro akasisitiza, “Hata kama itabidi kufa pamoja nawe, sitakukana kamwe.” Nao wanafunzi wale wengine wote wakasema vivyo hivyo.
36 Ary Jesosy mbamin’ ny mpianany dia tonga tao amin’ ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin’ ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.
Kisha Yesu akaenda pamoja na wanafunzi wake mpaka kwenye bustani iitwayo Gethsemane, akawaambia, “Kaeni hapa, nami niende kule nikaombe.”
37 Ary nitondra an’ i Petera mbamin’ izy roa lahy zanak’ i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra.
Akamchukua Petro pamoja na wale wana wawili wa Zebedayo, akaanza kuhuzunika na kufadhaika.
38 Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.
Kisha Yesu akawaambia, “Moyo wangu umejawa na huzuni kiasi cha kufa. Kaeni hapa na mkeshe pamoja nami.”
39 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
Akaenda mbele kidogo, akaanguka kifudifudi, akaomba akisema, “Baba yangu, kama inawezekana, kikombe hiki na kiniondokee. Lakini si kama nipendavyo mimi, bali kama upendavyo wewe.”
40 Ary nankeo amin’ ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin’ i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!
Kisha akarudi kwa wanafunzi wake, akawakuta wamelala. Akamuuliza Petro, “Je, ninyi hamkuweza kukesha pamoja nami hata kwa saa moja?
41 Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
Kesheni na mwombe, msije mkaingia majaribuni. Roho iko radhi, lakini mwili ni mdhaifu.”
42 Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.
Akaenda tena mara ya pili na kuomba, “Baba yangu, kama haiwezekani kikombe hiki kiniepuke nisikinywe, basi mapenzi yako yafanyike.”
43 Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony.
Aliporudi, akawakuta tena wamelala kwa sababu macho yao yalikuwa mazito.
44 Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.
Hivyo akawaacha akaenda zake tena mara ya tatu na kuomba akisema maneno yale yale.
45 Dia nankeo amin’ ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak’ olona hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota.
Kisha akarudi kwa wanafunzi wake, akawaambia, “Bado mmelala na kupumzika? Tazameni, saa imefika ambapo Mwana wa Adamu anasalitiwa na kutiwa mikononi mwa wenye dhambi.
46 Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
Inukeni, twende zetu! Tazameni, msaliti wangu yuaja!”
47 Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, mbamin’ ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona.
Alipokuwa bado anazungumza, Yuda, mmoja wa wale Kumi na Wawili, akafika. Alikuwa amefuatana na umati mkubwa wa watu wenye panga na marungu, waliokuwa wametumwa na viongozi wa makuhani na wazee wa watu.
48 Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.
Basi msaliti alikuwa amewapa hao watu ishara, kwamba: “Yule nitakayembusu ndiye. Mkamateni.”
49 Ary niaraka tamin’ izay dia nanatona an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.
Mara Yuda akamjia Yesu na kumsalimu, “Salamu, Rabi!” Akambusu.
50 Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an’ i Jesosy ary nitana Azy.
Yesu akamwambia, “Rafiki, fanya kile ulichokuja kufanya hapa.” Kisha wale watu wakasogea mbele, wakamkamata Yesu.
51 Ary, indro, ny anankiray tamin’ izay nomba an’ i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.
Ghafula mmoja wa wale waliokuwa na Yesu alipoona hivyo, akaushika upanga wake, akauchomoa na kumpiga mtumishi wa kuhani mkuu, akamkata sikio.
52 Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin’ ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ ny sabatra.
Ndipo Yesu akamwambia, “Rudisha upanga wako mahali pake, kwa maana wote watumiao upanga watakufa kwa upanga.
53 Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?
Je, unadhani siwezi kumwomba Baba yangu naye mara moja akaniletea zaidi ya majeshi kumi na mawili ya malaika?
54 Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masìna, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?
Lakini je, yale Maandiko yanayotabiri kwamba ni lazima itendeke hivi yatatimiaje?”
55 Ary tamin’ izany ora izany dia niteny tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan’ andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
Wakati huo, Yesu akawaambia ule umati wa watu, “Je, mmekuja na panga na marungu kunikamata kana kwamba mimi ni mnyangʼanyi? Siku kwa siku niliketi Hekaluni nikifundisha, mbona hamkunikamata?
56 Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin’ izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
Lakini haya yote yametukia ili maandiko ya manabii yapate kutimia.” Ndipo wanafunzi wake wote wakamwacha na kukimbia.
57 Ary izay efa nisambotra an’ i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin’ i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian’ ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
Wale waliokuwa wamemkamata Yesu wakampeleka kwa Kayafa, kuhani mkuu, mahali ambapo walimu wa sheria pamoja na wazee walikuwa wamekusanyika.
58 Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin’ ny kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin’ ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.
Lakini Petro akamfuata kwa mbali hadi uani kwa kuhani mkuu. Akaingia ndani, akaketi pamoja na walinzi ili aone litakalotukia.
59 Ary ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an’ i Jesosy mba hamonoany Azy;
Viongozi wa makuhani na Baraza la Wayahudi lote wakatafuta ushahidi wa uongo dhidi ya Yesu ili wapate kumuua.
60 fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay nanao hoe:
Lakini hawakupata jambo lolote, ingawa mashahidi wengi wa uongo walijitokeza. Hatimaye wakajitokeza mashahidi wawili wa uongo
61 Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin’ Andriamanitra Aho sy manangana azy amin’ ny hateloana.
na kusema, “Huyu mtu alisema, ‘Ninaweza kulivunja Hekalu la Mungu na kulijenga tena kwa siku tatu.’”
62 Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan’ ireto Anao?
Kisha kuhani mkuu akasimama na kumwambia Yesu, “Je, wewe hutajibu? Ni ushahidi gani hawa watu wanauleta dhidi yako?”
63 Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin’ Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra.
Lakini Yesu akakaa kimya. Ndipo kuhani mkuu akamwambia, “Nakuapisha mbele za Mungu aliye hai. Tuambie kama wewe ndiwe Kristo, Mwana wa Mungu.”
64 Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Hery sy avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra.
Yesu akajibu, “Wewe umenena. Lakini ninawaambia nyote: Siku za baadaye, mtamwona Mwana wa Adamu akiwa ameketi mkono wa kuume wa Mwenye Nguvu, na akija juu ya mawingu ya mbinguni.”
65 Ary tamin’ izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.
Ndipo kuhani mkuu akararua mavazi yake na kusema, “Amekufuru! Tuna haja gani tena ya mashahidi zaidi? Tazama, sasa ninyi mmesikia hayo makufuru.
66 Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Miendrika hohelohina ho faty Izy.
Uamuzi wenu ni gani?” Wakajibu, “Anastahili kufa.”
67 Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.
Kisha wakamtemea mate usoni na wengine wakampiga ngumi. Wengine wakampiga makofi
68 ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?
na kusema, “Tutabirie, wewe Kristo! Ni nani aliyekupiga?”
69 Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa nomba an’ i Jesosy, ilay Galiliana.
Wakati huu Petro alikuwa amekaa nje uani. Mtumishi mmoja wa kike akamjia na kumwambia, “Wewe pia ulikuwa pamoja na Yesu wa Galilaya.”
70 Fa izy nandà teo anatrehan’ izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.
Lakini Petro akakana mbele yao wote akisema, “Sijui hilo usemalo.”
71 Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin’ izay teo hoe: Ity koa nomba an’ i Jesosy avy any Nazareta.
Alipotoka nje kufika kwenye lango, mtumishi mwingine wa kike alimwona, akawaambia watu waliokuwepo, “Huyu mtu alikuwa pamoja na Yesu, Mnazareti.”
72 Ary nandà indray tamin’ ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.
Akakana tena kwa kiapo akisema, “Mimi simjui huyo!”
73 Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin’ i Petera hoe: Marina tokoa fa naman’ ireny ianao; fa ny fiteninao miampanga anao.
Baada ya muda mfupi, wale waliokuwa wamesimama pale wakamwendea Petro, wakamwambia, “Hakika wewe ni mmoja wao, kwa maana usemi wako ni kama wao.”
74 Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin’ izay dia nisy akoho naneno.
Ndipo Petro akaanza kujilaani na kuwaapia, “Mimi simjui mtu huyo!” Papo hapo jogoo akawika.
75 Ary Petera nahatsiaro ny tenin’ i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.
Ndipo Petro akakumbuka lile neno Yesu alilokuwa amesema: “Kabla jogoo hajawika, utanikana mara tatu.” Naye akaenda nje, akalia kwa majonzi.

< Matio 26 >