< Matio 26 >
1 Ary rehefa vitan’ i Jesosy izany teny rehetra izany, dia nilaza tamin’ ny mpianany hoe Izy:
When Jesus had finished saying all these things, He told His disciples,
2 Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak’ olona dia hatolotra hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.
“You know that the Passover is two days away, and the Son of Man will be handed over to be crucified.”
3 Ary tamin’ izany dia nivory ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona tao an-kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe atao hoe Kaiafa.
At that time the chief priests and elders of the people assembled in the courtyard of the high priest, whose name was Caiaphas,
4 Ary niara-nihevitra izy hisambotra an’ i Jesosy amin’ ny fitaka ka hamono Azy;
and they conspired to arrest Jesus covertly and kill Him.
5 kanefa hoy izy: Tsy amin’ ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin’ ny olona.
“But not during the feast,” they said, “or there may be a riot among the people.”
6 Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon’ i Simona boka,
While Jesus was in Bethany in the home of Simon the Leper,
7 dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin’ ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.
a woman came to Him with an alabaster jar of expensive perfume, which she poured on His head as He reclined at the table.
8 Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton’ izao fandaniam-poana izao?
When the disciples saw this, they were indignant and asked, “Why this waste?
9 Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo.
This perfume could have been sold at a high price, and the money given to the poor.”
10 Ary fantatr’ i Jesosy izay nataon’ ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.
Aware of this, Jesus asked, “Why are you bothering this woman? She has done a beautiful deed to Me.
11 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
The poor you will always have with you, but you will not always have Me.
12 Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin’ ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany.
By pouring this perfume on Me, she has prepared My body for burial.
13 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’ izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
Truly I tell you, wherever this gospel is preached in all the world, what she has done will also be told in memory of her.”
14 Ary ny anankiray tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin’ ny lohan’ ny mpisorona
Then one of the Twelve, the one called Judas Iscariot, went to the chief priests
15 ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.
and asked, “What are you willing to give me if I hand Him over to you?” And they set out for him thirty pieces of silver.
16 Ary hatramin’ izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy.
So from then on Judas looked for an opportunity to betray Jesus.
17 Ary tamin’ ny voalohan’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin’ i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
On the first day of the Feast of Unleavened Bread, the disciples came to Jesus and asked, “Where do You want us to prepare for You to eat the Passover?”
18 Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
He answered, “Go into the city to a certain man and tell him that the Teacher says, ‘My time is near. I will keep the Passover with My disciples at your house.’”
19 Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain’ i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.
So the disciples did as Jesus had directed them and prepared the Passover.
20 Ary nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin’ ny mpianatra roa ambin’ ny folo lahy.
When evening came, Jesus was reclining with the twelve disciples.
21 Ary raha mbola nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.
And while they were eating, He said to them, “Truly I tell you, one of you will betray Me.”
22 Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?
They were deeply grieved and began to ask Him one after another, “Surely not I, Lord?”
23 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin’ ny lovia, izy no hamadika Ahy.
Jesus answered, “The one who has dipped his hand into the bowl with Me will betray Me.
24 Ny Zanak’ olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan’ izay olona hahazoana ny Zanak’ olona hatolotra! tsara ho an’ izany olona izany raha tsy ary akory.
The Son of Man will go just as it is written about Him, but woe to that man by whom He is betrayed. It would be better for him if he had not been born.”
25 Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.
Then Judas, who would betray Him, said, “Surely not I, Rabbi?” Jesus answered, “You have said it yourself.”
26 Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
While they were eating, Jesus took bread, spoke a blessing and broke it, and gave it to the disciples, saying, “Take and eat; this is My body.”
27 Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;
Then He took the cup, gave thanks, and gave it to them, saying, “Drink from it, all of you.
28 fa ity no rako, dia ny amin’ ny fanekena, izay alatsaka ho an’ ny maro ho famelan-keloka.
This is My blood of the covenant, which is poured out for many for the forgiveness of sins.
29 Ary lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin’ ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ ny fanjakan’ ny Raiko.
I tell you, I will not drink of this fruit of the vine from now on until that day when I drink it anew with you in My Father’s kingdom.”
30 Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin’ ny tendrombohitra Oliva.
And when they had sung a hymn, they went out to the Mount of Olives.
31 Ary tamin’ izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana.
Then Jesus said to them, “This very night you will all fall away on account of Me. For it is written: ‘I will strike the Shepherd, and the sheep of the flock will be scattered.’
32 Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
But after I have risen, I will go ahead of you into Galilee.”
33 Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.
Peter said to Him, “Even if all fall away on account of You, I never will.”
34 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.
“Truly I tell you,” Jesus declared, “this very night, before the rooster crows, you will deny Me three times.”
35 Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’ ny mpianatra rehetra.
Peter replied, “Even if I have to die with You, I will never deny You.” And all the other disciples said the same thing.
36 Ary Jesosy mbamin’ ny mpianany dia tonga tao amin’ ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin’ ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.
At that time Jesus went with His disciples to a place called Gethsemane, and He told them, “Sit here while I go over there and pray.”
37 Ary nitondra an’ i Petera mbamin’ izy roa lahy zanak’ i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra.
He took with Him Peter and the two sons of Zebedee and began to be sorrowful and deeply distressed.
38 Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.
Then He said to them, “My soul is consumed with sorrow to the point of death. Stay here and keep watch with Me.”
39 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
Going a little farther, He fell facedown and prayed, “My Father, if it is possible, let this cup pass from Me. Yet not as I will, but as You will.”
40 Ary nankeo amin’ ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin’ i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!
Then Jesus returned to the disciples and found them sleeping. “Were you not able to keep watch with Me for one hour?” He asked Peter.
41 Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
“Watch and pray so that you will not enter into temptation. For the spirit is willing, but the body is weak.”
42 Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.
A second time He went away and prayed, “My Father, if this cup cannot pass unless I drink it, may Your will be done.”
43 Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony.
And again Jesus returned and found them sleeping—for their eyes were heavy.
44 Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.
So He left them and went away once more and prayed a third time, saying the same thing.
45 Dia nankeo amin’ ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak’ olona hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota.
Then He returned to the disciples and said, “Are you still sleeping and resting? Look, the hour is near, and the Son of Man is betrayed into the hands of sinners.
46 Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
Rise, let us go! See, My betrayer is approaching!”
47 Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, mbamin’ ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona.
While Jesus was still speaking, Judas, one of the Twelve, arrived, accompanied by a large crowd armed with swords and clubs, sent from the chief priests and elders of the people.
48 Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.
Now the betrayer had arranged a signal with them: “The One I kiss is the man; arrest Him.”
49 Ary niaraka tamin’ izay dia nanatona an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.
Going directly to Jesus, he said, “Greetings, Rabbi!” and kissed Him.
50 Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an’ i Jesosy ary nitana Azy.
“Friend,” Jesus replied, “do what you came for.” Then the men stepped forward, seized Jesus, and arrested Him.
51 Ary, indro, ny anankiray tamin’ izay nomba an’ i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.
At this, one of Jesus’ companions drew his sword and struck the servant of the high priest, cutting off his ear.
52 Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin’ ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ ny sabatra.
“Put your sword back in its place,” Jesus said to him. “For all who draw the sword will die by the sword.
53 Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?
Are you not aware that I can call on My Father, and He will at once put at My disposal more than twelve legions of angels?
54 Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masìna, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?
But how then would the Scriptures be fulfilled that say it must happen this way?”
55 Ary tamin’ izany ora izany dia niteny tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan’ andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
At that time Jesus said to the crowd, “Have you come out with swords and clubs to arrest Me as you would an outlaw? Every day I sat teaching in the temple courts, and you did not arrest Me.
56 Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin’ izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
But this has all happened so that the writings of the prophets would be fulfilled.” Then all the disciples deserted Him and fled.
57 Ary izay efa nisambotra an’ i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin’ i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian’ ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
Those who had arrested Jesus led Him away to the house of Caiaphas the high priest, where the scribes and elders had gathered.
58 Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin’ ny kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin’ ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.
But Peter followed Him at a distance, right up to the courtyard of the high priest. And he went in and sat down with the guards to see the outcome.
59 Ary ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an’ i Jesosy mba hamonoany Azy;
Now the chief priests and the whole Sanhedrin were seeking false testimony against Jesus in order to put Him to death.
60 fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay nanao hoe:
But they did not find any, though many false witnesses came forward. Finally two came forward
61 Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin’ Andriamanitra Aho sy manangana azy amin’ ny hateloana.
and declared, “This man said, ‘I am able to destroy the temple of God and rebuild it in three days.’”
62 Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan’ ireto Anao?
So the high priest stood up and asked Him, “Have You no answer? What are these men testifying against You?”
63 Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin’ Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra.
But Jesus remained silent. Then the high priest said to Him, “I charge You under oath by the living God: Tell us if You are the Christ, the Son of God.”
64 Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Hery sy avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra.
“You have said it yourself,” Jesus answered. “But I say to all of you, from now on you will see the Son of Man sitting at the right hand of Power and coming on the clouds of heaven.”
65 Ary tamin’ izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.
At this, the high priest tore his clothes and declared, “He has blasphemed! Why do we need any more witnesses? Look, now you have heard the blasphemy.
66 Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Miendrika hohelohina ho faty Izy.
What do you think?” “He deserves to die,” they answered.
67 Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.
Then they spit in His face and struck Him. Others slapped Him
68 ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?
and said, “Prophesy to us, Christ! Who hit You?”
69 Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa nomba an’ i Jesosy, ilay Galiliana.
Meanwhile, Peter was sitting out in the courtyard, and a servant girl came up to him. “You also were with Jesus the Galilean,” she said.
70 Fa izy nandà teo anatrehan’ izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.
But he denied it before them all: “I do not know what you are talking about.”
71 Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin’ izay teo hoe: Ity koa nomba an’ i Jesosy avy any Nazareta.
When Peter had gone out to the gateway, another servant girl saw him and said to the people there, “This man was with Jesus of Nazareth.”
72 Ary nandà indray tamin’ ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.
And again he denied it with an oath: “I do not know the man!”
73 Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin’ i Petera hoe: Marina tokoa fa naman’ ireny ianao; fa ny fiteninao miampanga anao.
After a little while, those standing nearby came up to Peter. “Surely you are one of them,” they said, “for your accent gives you away.”
74 Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin’ izay dia nisy akoho naneno.
At that he began to curse and swear to them, “I do not know the man!” And immediately a rooster crowed.
75 Ary Petera nahatsiaro ny tenin’ i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.
Then Peter remembered the word that Jesus had spoken: “Before the rooster crows, you will deny Me three times.” And he went outside and wept bitterly.