< Matio 25 >
1 Ary amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.
Then shall the kingdom of the heavens be likened unto ten virgins, who taking their lamps, went out to meet the bridegroom.
2 Ary ny dimy tamin’ ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.
And five of them were foolish, and five were wise.
3 Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;
For the foolish, taking their lamps, took no oil with themselves:
4 ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ ny fitondrany sy ny fanalany.
and the wise took oil in their vessels with their lamps.
5 Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.
But the bridegroom tarrying, they all nodded and slept.
6 Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.
And at midnight there was a cry made, Behold, the bridegroom! go ye out to meet him.
7 Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.
Then all those virgins arose and trimmed their lamps.
8 Dia hoy ny adala tamin’ ny hendry: Mba omeo kely amin’ ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.
And the foolish said to the wise, Give us of your oil; for our lamps are going out.
9 Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.
And the wise responded, saying, No, lest there may not be a sufficiency for us and you: go ye rather to them that sell, and buy for yourselves.
10 Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.
And they going to buy, the bridegroom came; and those who were ready went in with him to the marriage, and the door was shut.
11 Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay.
And afterwards the other virgins come, saying; Lord, lord, open unto us.
12 Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.
And he responding, said; Truly I say unto you, I know you not.
13 Koa amin’ izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
Watch therefore, because you know neither the day nor the hour.
14 Fa ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany:
For as a man going away, called his own servants, and delivered unto them his goods,
15 koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray, ― samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.
to one he gave five talents, to another two, to another one; to each one according to his own ability; and departed.
16 Ary niaraka tamin’ izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy.
The one having received the five talents going immediately, operated with the same, and made other five talents.
17 Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.
Likewise the one having received two gained two others.
18 Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan’ ny tompony.
And he having received one, having gone away, digged up the earth, and buried the money belonging to his lord.
19 Ary nony ela, dia tonga ny tompon’ ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin’ ny volany.
And after a long time the lord of those servants comes, and makes a reckoning with them.
20 Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.
And the one having received the five talents coming to him brought other five talents, saying, Lord, thou didst deliver unto me five talents: behold, I have gained other five talents.
21 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ ny fifalian’ ny tomponao.
His lord said to him, Well done, thou good and faithful servant: thou wast faithful over few things, and I will make thee ruler over many things: come thou into the joy of thy lord.
22 Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho.
And the one having received two talents, coming to him, said, Lord, thou didst deliver unto me two talents: behold, I have gained other two talents.
23 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ ny fifalian’ ny tomponao.
And his lord said to him, Well done, good and faithful servant; thou wast faithful over few things, I will make thee ruler over many things: come thou into the joy of thy lord.
24 Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin’ izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin’ izay tsy nanahafanao;
And the one having received one talent also coming, said, Lord, I knew thee that thou art a hard man, reaping where thou hast not sown, and gathering where thou hast not strewn:
25 dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin’ ny tany; indry, lasanao ny anao.
and being afraid, having gone away, I hid thy talent in the earth: behold, thou hast thine own.
26 Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin’ izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin’ izay tsy nanahafako;
And his Lord responding said to him, Thou wicked and slothful servant, didst thou know that I gather where I have not sown, and reap where I have not strewn?
27 koa tokony ho nampanàna ny volako tamin’ ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany.
Therefore it behooved thee to put my money in the bank, and having come, I would receive my own with the product.
28 Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo.
Therefore take the talent from him, and give it to the one having ten talents.
29 Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
For to every one having it shall be given, and he shall superabound: but from the one not having shall be taken away even that which he has.
30 Ary ario ho any amin’ ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
And cast ye the unprofitable servant into the darkness which is without: and there shall be weeping and gnashing of the teeth.
31 Ary raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy;
But when the Son of min may come in His glory, and all His angels with Him, then will He sit upon the throne of His glory:
32 ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ ny osy;
and all nations shall be gathered before Him: and He will separate them from one another, as a shepherd separates the sheep from the goats:
33 ary hametraka ny ondry eo amin’ ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ ny ankaviany.
and He will place the sheep on His right, and the goats on His left.
34 Ary amin’ izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’ izay eo amin’ ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
Then the King will say to those on His right, Come, ye blessed of my Father, inherit the kingdom which has been prepared for you from the foundation of the world.
35 fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;
For I was hungry, and you gave me to eat: I was thirsty, and you gave me drink: I was a stranger, and you took me in;
36 tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo.
was naked, and ye clothed me: was sick, and ye visited me: was in prison, and ye came unto me.
37 Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?
Then the righteous will respond to Him, saying; Lord, when saw we thee then hungry, and fed thee? or thirsty, and gave thee drink?
38 Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?
And when saw we thee then a stranger, and took thee in? or naked, and clothed thee?
39 Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay?
But when saw we thee sick, or in prison, and came unto thee?
40 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
And the King responding will say unto them, Truly I say unto you, Inasmuch as ye did these things to one of the least of these my brethren, you did them unto me.
41 Ary dia hilaza indray amin’ izay eo amin’ ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin’ ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ ny devoly sy ny anjeliny; (aiōnios )
Then will He also say unto those on the left, Depart from me, ye cursed, into eternal fire which has been prepared for the devil and his angels. (aiōnios )
42 fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;
For I was hungry, and you gave me nothing to eat: I was thirsty, and you gave me nothing to drink:
43 nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo.
I was a stranger and you took me not in; was naked, and you clothed me not; was sick, and in prison, and you visited me not.
44 Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay?
Then will they also respond, saying, Lord, when saw we thee hungry, or thirsty, or a stranger, or naked, or sick, or in prison, and ministered not unto thee?
45 Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.
Then will He respond to them, saying, Truly I say unto you, Inasmuch as you did not these things to one of the least of these, you did them not unto me.
46 Ary ireo dia hiala ho any amin’ ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ ny fiainana mandrakizay. (aiōnios )
And these shall go away into eternal punishment: and the righteous into eternal life. (aiōnios )